CHARLOTTE

1. diamondra27 ( 13/08/2006 08:52)
na de ny anarany fotsiny aza re olona d'efa mampite-hihinana a!


vazivazy izany fa sao de misy mahay manao charlotte hafa noho ireny hita @ re7 ireny 'nareo

'ze mahita na de @ re7 aloha de tokony hilaza na de zany aza e!

indraindray manko de mba mamorina ingrédients isika de nety le izy nefa ny olona sasany tsy nahalala de 'zay no mba tiako zaraina.

Ohatra izao oe: efa nanao charlotte aux mandarines ve nareo?
2. Fiffi ( 13/08/2006 09:59)
:miam::miam::miam: banane no efa nataoko ! ny olana manko rehefa manao charlotte de rehefa demoulena le izy de raha ohatra hoe tsy marihatra be na consistante be le crême hanaovana azy de tsy mitana fa rava avy eo !
nefa azo hatao tsara koh io fa ny garniture zany tsy maintsy hatao chocolat ve ? miaraka ve ireo ?
3. diamondra27 ( 13/08/2006 10:59)
fiffi:banane sy sokola zany nenjy ve?
nena le mandarine+ fromage blanc +sucre fotsiny aloha de le eo ampovoany salade de fruit + crème chantilly atao déco + atao mielanelana @ le bisuit iny manaraka ny hauteur-ny; elanelanana 3 biscuits
4. miangalyandria ( 13/08/2006 11:23)
banane sy chocolat izany dia tena zavatra miaraka tsara mihitsy ! brownies no fanaonay an'io !!! dia asiana voanjo like this sy voanjo like that eny amin'ny sisisisiny eny ! hihihi noix re no tiako holazaina e :-P:-P:-D:-D
5. diamondra27 ( 13/08/2006 13:39)
miangaly: zany koa zao no mbola tsy nandramako

hummm, merci
6. miangalyandria ( 13/08/2006 16:01)
diam's : angaha tsy tadidin'i toi ilay fanafody kibo moa sa inona lay chocolat sy akondro tany dago taloha e ! :wink:
7. diamondra27 ( 13/08/2006 16:16)
miangaly: tena tsy tadidiko aky a! miala tsiny, efa elabe manko no niala tany e!

kibo mivalana io sa constipé aloha e!
8. Herimiafina ( 13/08/2006 16:34)
Charlotte? 8O noheveriko fa ny zanak'i gainsbourg no hohanintsika ato! hehehehe:-D
9. andry08 ( 13/08/2006 18:02)

Moule à charlotte "tupperware" no ampiasaiko , fromage blanc+crème fraîche no ampiasaiko +voankazo @boîte na mahandro voankazo izay tiana @ siramamy mba handemana ny biscuit à cuillère. Tsy miova rehefa démouler-na ary avela ao anaty frigo mandritra ny 24 ora, mazotoa homana
10. miangalyandria ( 13/08/2006 19:13)
diam's tena tsy tadidiko intsony na rehefa mivalana na rehefa mitohana, ny tsaroako dia zavatra roa tsy tiako ireo tamin'ny mbola kely, izay no ahatsiarovako azy ! :-P
11. ds ( 13/08/2006 19:58)
Charlotte alla mascarpone

Ho an'ny olona 4 (tia matavy sahala amiko)
10 minitra eo ho dia vita

Kojakoja ilaina :
Mascarpone 250 g
biscuits à la cuillère 24
Atody 3
Siramamy 100 g
Kafe sotrobe 4
marsala 2 cl
moule à charlotte

Manaova kafe mangotraka 20 cl
Atsangano @ sisin'ny moule ny biscuits
(Raha lava loatra, dia tapaho)
Tapatapaho ny ambiny atao lafika sy eny ampovoany.

Saraho amin'ny fotsy ny mavon'atody.
Kapohy miaraka ny mavon'atody sy ny siramamy.
Avy eo afangaroy miaraka ao
ny mascarpone sy ny marsala

Kapohy ny fotsin'atody mandrapaharitra ny rano.
Afangaroy tsimoramora miaraka amin'ny mascarpone teo mba ho lasa krema.

Araraho anaty moule ny antsasaky ny krema.
Somary alona kafe kely ny biscuits ambiny
teo dia apetraka eo ambony.
Averino indroa mandrapaha feno ny moule.

Tahirizo anaty frigo mandritra iray alina.

Hummm,... mafilotra an. Dia miandry ny fanasana e

Mascarpone : karazana fromazy fotsy italiana (Milan)
Cremovo Marsala : divay masaka nampiarahana amina atody (Sicile)
12. cutie ( 13/08/2006 19:59)
tena mafilotra marina ny fitantaran'i ds azy :miam:
13. diamondra27 ( 13/08/2006 21:13)
ds: hummmmm, io zany no voandalàna avy any italie an!:wink:

miangaly: tsy maninona akia

andry08: ny anao koa tena mazava tsara mitsy e!

HM: :-D:-D hafa ihany oa enao e!sao de lasa HS njay isika fa aleo aloha hanome re7 ny namana e!
ny anao mety le inon re no tianao e?
14. Fiffi ( 14/08/2006 05:56)
hummmmmmm ! hay tena misy lhl pro be @ sakafo ato zany an! :)
15. diamondra27 ( 14/08/2006 07:13)
bravo ho andry zalahy e!
16. ds ( 14/08/2006 09:01)
diamondra27:

ds: hummmmm, io zany no voandalàna avy any italie an!:wink:

Niasa tamina hotely italiana aho fony nianatra kah. Rehefa izaho no saofera, dia matetika sakafo italiana no ataoko, mora atao sady matsiro.

17. vale ( 14/08/2006 09:48)
mmmmmmmmmmmm, che buono,:wink: merci fa milay be le re7 nao,MIAM!!:}
18. diamondra27 ( 15/08/2006 17:44)
ds sy vaika njay aloha de atokisako e:-*:-*:-*
19. diamondra27 ( 15/08/2006 17:45)
vale: ndao akia mba hianatra leçon fa toa mahomby izy izany an!:miam::miam::miam:
20. vale ( 15/08/2006 17:54)
:wink::miam::miam::miam:hita aky koh! mmmmmmmm:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3523