Ary maninona?

21. naritsimba ( 11/08/2006 09:00)
soanja> lava be raha izany no tantaraina eto, efa maro no manao an'io teknika fambolena io, tsy sarotra ilay izy akory ary tsy mandany fotoana, hiezaka ihany aho aloha hamoaka izay zavatra rehetra voaraiko dia ezahiko atao boky ilay izy zay angamba no mora² kokoa ahazahoan'ny olona azy, mety gaga angamba ianao rehefa tonga aty fa hahita olona mpamboly be dia be tsy ampoizinao. Sady tsy mandany fotoana ilay izy no tsy mandreraka ihany koa.
Ny tena olana fotsiny dia ny Malagasy tsy dia tia mividy zavatra ngeza be izany fa dia ilay antonontonony ihany no tiany, @ io fambolena ataonay io izao dia 3 volana dia mahavokatra Laisoa mety hahatratra 5kg ny iray nefa dia tsy hahita hividy an'izany ianao eny an-tsena fa tsy maintsy itadiavana an'ireny Hotely ireny handray ny vokatra.
Izay no azo atolotra indray.

miangalyandria> ity aho eh!
22. dadabe ( 11/08/2006 09:21)
naritsimba > raha vao manazava be eo ialahy de asaiko fafan'i admin =))=))=))
23. miangalyandria ( 11/08/2006 09:41)
ka miandry anao anie ry naritsimba ny tanana e ! :-) ilay laisoa hoe 5 kg izany, atao toy ny any finda e ! amidy amin'ny kilao, firifiry koa ny mpivarotra anana no mivarotra tsaramaso tanora amin'ny kilao koa ?
24. soanja ( 13/08/2006 21:36)
Naritsimba a, Any amin'ny faritra Fianarantsoa midina any Mananjary, Manakara, tonga hatrany Manambondro dia tsy mba ampy ireny vokatra legioma sns ireny. IzAy entin'ny olona any dia lafo daholo sady misy mandray avy hatrany. Efa nanandrana nivarotra tany ve ianareo? mila manana kamiao aloha hitondrana azy dia mitety tanana. Ny hotely gasy ireny dia mandray daholo matetika.
Andraso fa rehefa tonga any aho dia hitady fika sao misy azo anampiana anareo hivarotana ireo vokatra ireo.
25. Herimiafina ( 13/08/2006 22:26)
Midira syndicat na fikambanana mpamokatra ireny fa hahita lalambarotra ianareo.
Ny anay fahiny izao resaka huile essentielle sy plantes medicinales ary plantes ornementales fa nony niditra SYPEAM dai mba nahazo demande tsaratsara foana, tsy naharaka indray aza! :wink:
26. naritsimba ( 14/08/2006 04:37)
soanja> miangalyandria> tena isaorana anareo fa raha mahita hevitra ianareo, dia tena vao maika tsara, tena mahavokatra legioma tokoa ny ankamaroanay fa io no tena olana, inoako fa hanampy betsaka ianareo, raha manao exportation mantsy dia tsy atahorana fa tratra ny fenitra iraisam-pirenena nefa dia mety tsy ho araka ilay izy. noho izany dia voatery mionona @ izay filan'ny mponina manodidina ihany fa tsy afaka mamokatra be, sady ny tany rahateo tery.
dia manantena fiaraha-miasa aminareo izany.
NARITSIMBA
27. soanja ( 14/08/2006 12:39)
miangalyandria:

fa inona ilay tetik'asan'i soanja ho an'ny fanabeazana eny ambanivohitra ? mba ampitao amiko fa izaho koa liana e ! andefaso hafatra hoe aho raha ohatra ka


Azafady ry miangaly fa tsy hitako ity hafatran-dry ity. Izahay dia manao ireny hoe sustainable development and environmental education ireny. Ka miankina amin'ny filan'ny village iray ny fanampiana ara-pianarana na fanabezana hanampiana azy fa tsy hoe efa lamina avy aty. Ohatra ny iray izay hatao amin'i 2007 dia ny fananganana lakilasy iray ho an'ny sekolim-panjakana iray amin'ny tanana iray (faritra Vatovavy Fitovinany)satria tsy ampy ny naorin'ny fanjakana. Dia miaraka amin'izay ny hygiene sy ny nutrition ary ny education a l'environnement.Ny resaka vehivavy sy ny momba azy indray dia ampifanandrifiana amin'io ihany saingy io no asako dia tsy voatery mila fanampiana aho. Fa ny resaka fanabezana ny zanantsika no ilako fanampiana.


28. miangalyandria ( 15/08/2006 21:10)
soanja : hay misaotra namaly e ! izaho mantsy miasa ao amin'ny tontolon'ny fanabeazana dia izay no antony nanontaniako anao sao dia mba misy zavatra ahafahana miara-miasa.
29. soanja ( 16/08/2006 04:42)
Misaotra betsaka an'i Miangalyandria fa izay azon'ny hanampian-dry anay dia raisinay antanandroa tokoa. Aleo fa hanoratako manokana indry izany.
30. miangalyandria ( 16/08/2006 07:52)
fa mety ho izaho koa anie ilay mila fanampiana soanja e :-D misaotra e
31. MioraArielle ( 16/08/2006 10:14)
Dia tsy misy afa-tsy isika ireo ihany ve no manana tetikasa hampandrosoana an'i madagasikara fa ny ankoatran'izay dia inona? Mahagaga ihany rizareo e!
32. miangalyandria ( 16/08/2006 20:07)
Rehefa misy antsika vitsivitsy ireto aloha dia avy eo mety mitombo eo ihany izy e ! atao fotsiny izay itazomana an'ilay kolera mavomavo iny :-D:-D
33. soanja ( 17/08/2006 03:42)
MioraArielle, aza kivy e. Tadidio foana fa manana ny mahasamihafa azy isika olombelona.
Betsaka tokoa ny gasy manan-kevitra ary efa betsaka tokoa ny manao ezaka saingy tsy mitovy anie isika rehetra eto ry MioraArielle e. Ao ny manao dia mizara amin'ny hafa ny zavabitany, ao ny manao ezaka irery dia afapo amin'izany, ao koa ny mitazana sy manome fampaherezana , ao ny manomana fa tsy mety manantanteraka nefa manan-kevitra be dia be, ao koa ny resaka ambony latabatra fotsiny ary eo ny mpanapepo ny vitan'ny hafa. Izany rehetra izany no misakana ny fizarana na tsy fizarana izany eto amin'ny serasera fa aza kivy indry. Ny mahaizy andry ihany no ijoroy dia milamina ny tanana sa ahoana aky?
34. naritsimba ( 17/08/2006 10:42)
marina zany soanja ah!
35. miangalyandria ( 17/08/2006 11:35)
eritreritra ny ahy iny naritsimba satria ohatran'ny toa misimisy ihany anie ny mpivarotra mivarotra vokatra malagasy e !
36. boubounezy ( 20/08/2006 02:38)
:-Dmety tsy wé ny fika no tsisy fa ny pokona no tena tsy té anao fika :roll::roll::roll::roll::-D
37. naritsimba ( 21/08/2006 06:42)
miangalyandria> misy ny mivarotra fa isika mihitsy no tsy zatra manara-penitra eo @ lafiny hatsaran'ny vokatra. Izay no manahirana eo amin'io lafiny iray io.
izany no mahatonga anay hitady lalam-barotra mankany ivelany.
38. miangalyandria ( 21/08/2006 13:18)
vao io novidian'ny tato an-trano androany io zao ry naritsimba misy mangahazo congelé dia nieritreritra mihitsy izahay hoe raha manao toy izao ny tantsaha malagasy mety mba ho tafavoaka ihany fa dia ny fenitra tokoa araka ny lazainao no mbola tsy araky ny malagasy. Ilay mangahazo mantsy ato sady tsara ny fonony, ny ao natiny, ny rehetra e fa izany hoe mila fitaovana sy vola aloha no fanaovana an'izany.
39. naritsimba ( 23/08/2006 05:44)
miangalyandria> tena marina ny voalazan'ise, raha hitan'ise dia jereo ao @ dinika hoe zaridaina fa misy resaka zero labour izay ao dia nanoratra ao aho.
40. fila ( 23/08/2006 21:33)
Rehefa mijery ireny Doc. @ télé ireny ny tena dia tena variana mihitsy fa zavatra tsy dia misy dikany dia ahavitan'ny vazaha orinasa, ahazoam-bola (Hodim-boasary sy ny sisa ohatra),. Ny tiako holazaina, dia ny hevitra mihitsy no tsy mety latsaka amintsika, sy ny fahatokisan-tena hanao zavatra, ary ny finiavana. Dia izay no mahatonga ny "Fa maninona". Tsy ifanomezan-tsiny io fa mbola miandry mpitarika hatrany dia lasa io fa mazotoa dajolo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1697