Ny nifidiana'Andriamanitra ny vahoaka Israely (Jiosy)

1. soanja ( 08/08/2006 14:41)
Tamin'ny andron'ny Abrahama dia nahatsapa Andriamanitra fa I Abrama irery ihany no nino fa Iray izy ary Izy no mpanjaka ny universe. Nahita izany Andriamanitra dia niteny tamin'i Abrahama hoe: (Genesisy 15: 1 ) "Aza matahotra, ry Abrama: Izaho no ampinganao sy ho valim-pitia lehibe indrindra ho anao." " mandehana miala amin'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao. Dia hahatonga anao ho firenena lehibe aho sady hitahy anao sy ihahy anao sy hahalehibe nny anarana; ary ho fitahiana tokoa ianao; ary hitahy izay manisy soa anao aho, fa hanozona izay manozona ; ary aminao ny hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany" (Genesisy 12:1).

Dia niteny taminy koa Andriamniatra hoe mila foraina izy mba ho mariky ny fifanekena. Dia hatramin'izay dia noforaina daholo ny zaza jiosy (brit milah). Nanohy hatrany izany fifanekena izany Jehovah ka hatramin'ny fanomezana ny didy fola tany Sinai.
Isaky ny fotoana tokoa dia manavao izany fifanekena miaraka amin'ny vahoaka Israely izany Jehovah sady mampanantena azy fikarakarana manokana raha toa ka mbola manaiky ny Torah ry zareo.

Tamin'ny andron'i Mosesy moa dia niova kely ny fifanarahana hoe tsy voatery hanaraka ny teniny ny vahoaka Israely fa tiany fotsiny tsotra izao noho ireo razana teo aloha. (Deuteronomy 7:6-8) " Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah taminareo sy ny nifidiananay anareo .... fa ny nitiavan'i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fiainana izay efa niainanany tamin'ny razanareo no nitondran'ny Jehovah anareo tamin'ny tanany mahery sy nanavotany anao tamin'ny tranon'ny fanandevozana..."

Mbola hitohy.
novalian'i prime ny 01/09/2006 09:48
2. simplex ( 08/08/2006 19:00)
Cas pratika ary: Israel Vs Lebanon, Iza no iza ??

misy mponina tsy vahoaka voafidin'A/tra ve ?

Ataovy fohifohy ra mety :°):D:D

3. soanja ( 08/08/2006 21:36)
Henoko daholo ny fitarainan'ny rehetra amin'ny mahalava ny hevitro eto. Ary efa miezaka mihitsy aho manatsara azy saingy tsy tafavoakako ilay izy raha misy ny teny ao amin'ny baiboly raha tsy hoe angaha vonona ny hamaky any ianareo dia resaka fotsiny no atao eto. Misaotra.:D
Isaac vs Ismael izany ny zavamitranga amin'izao fotoana izao ka dia eo atsika mahita izy.
4. simplex ( 09/08/2006 07:00)
Refa manokatra adihevitra dia aroso aloha ilay hevitra. Afaka mametraka ny heviny izay liana, de eny ampanohanana ny hevitrao enao no mamoaka ny "Arguments" toy ny tenin'A/tra ohatra. Tsy voatery atosaka @ voalohany doly izy rehetra fa azo alefa eny anelanelany. Ra lava be le resaka de na ny olona tokony ho liana aza kivy ho azy. Misaotra :D.

Ismael sy Isaac samy zanak'i Abrahama doly. Isaac anefa no nolazain'A/tra hoe hanatanterahany ny fampanatenana nataony t@ Abrahama, tsy haiko tsara fa jereo ny baiboly. Marina fa hoe Israel ny firenena tokana developes ao proche orient, fa na izany aza midika ve zany fa izy irery ny firenena lehibe? De ahoana ny ambiny tsy jiosy sy arabo?
5. soanja ( 09/08/2006 13:17)
I Fiffi no nametraka ity fanontaniana ity dia nanome toky azy aho fa hanome fanazavana momba an'ity. Fampidirana fotsiny io fa tsy mbola io no votoatiny. Io aloha ny fomba famoahako ny hevitro, dia samy milaza hoe diso na marina dia manohana izany hevitra izany. Malalaka koa ise mampiditra hevitra amin'izay hitiavan'ise azy.
Simplex a, io no vahoaka nofidian'Andriamanitra. Dia lehibe izy imasony fa tsy ny isan'ny mponina akory no tiany resahina fa ny Fitahiana manokana ho azony.
6. hery ( 09/08/2006 14:07)
simplex> dia izay indrindra no nisian'ny Testamenta vaovao izay mampiditra ny olon-drehetra ho taranak'i Abrahama tamin'ny alalan'i Kristy.

7. simplex ( 09/08/2006 14:08)

Ka ny tiako hahatongavana de hoe karazana angano tsy natao ho raisina litteralement hoe i Israel @ zao io zavatra io, fa hoe vahoakan'A/tra. Tsy haiko hazavao ???

Miangatra ve zany A/tra ?
8. soanja ( 09/08/2006 15:19)
simplex:


Ka ny tiako hahatongavana de hoe karazana angano tsy natao ho raisina litteralement hoe i Israel @ zao io zavatra io, fa hoe vahoakan'A/tra. Tsy haiko hazavao ???

Miangatra ve zany A/tra ?


Simplex a, raha vao miditra lalindalina anefa aho dia tsy tianao indray fa lava loatra. :-* Tena fanirianao tokoa ve ny hanazavako azy? Aza miala fa mbola hitohy. Tandremo anefa sao de tezitra eto daholo amin'izay voalaza manaraka eto fa hevitry ny kabbalist fotsiny ity fa tsy hoe io akory no ten aizy an....


9. simplex ( 09/08/2006 15:31)
:D:D:D
tapatapaho fotsiny ra lava be
:wink:
10. soanja ( 09/08/2006 22:39)
Eny ary e. Ao fa tanterahako ny tenin'i Simplex. Sambatra ianao fa simple!
11. prime ( 10/08/2006 11:39)
:-$
12. soanja ( 10/08/2006 11:41)
Inn izany no dikan'io ry Prime?
13. prime ( 10/08/2006 12:03)
hoa mangina daholo isika fa hiteny soanja...:°)
14. soanja ( 10/08/2006 12:23)
I Fiffi anie no omeko an'ity fa izy anefa no tsy hitako ato.
15. prime ( 10/08/2006 12:59)
Ho avy eo izy
16. simplex ( 10/08/2006 13:17)

Prime: :D:D:°):-$

Soanja: :oops::oops: sotsa :°):°)
:-w:-w miandry anao ny firenena :-D:-D

Hery: miovaova hevitra ve zany A/tra ? :roll::roll::/:/
17. soanja ( 10/08/2006 23:45)
Aleo aloha fa mbola ndeha hahandro ny solovolon'i Kally aho de avy eo miresaka.
18. simplex ( 11/08/2006 08:17)

:-D:-D:-D
19. prime ( 11/08/2006 09:49)
soanja> :-w:-w
aleo miresaka aloha...:-D:-D:-D
20. Zina ( 11/08/2006 14:50)
Ka ny tiako hahatongavana de hoe karazana angano tsy natao ho raisina litteralement hoe i Israel @ zao io zavatra io, fa hoe vahoakan'A/tra. Tsy haiko hazavao ???

Miangatra ve zany A/tra ?


Simplex a, tsy miangatra Andriamanitra, Izy dia Fitiavana...
Ny antony nakany an'i Jiosy dia satria I jesosy dia hiavy amin'io taranaka io...
Ary zareo dia tsy niraharaha ny fitiavana sy fikolokolohan'Andriamanitra an-drizareo dia nanomboka nihodi-doha Andriamanitra - New testament tonga i jesosy hanavotra ny rehetra
Izany no dikan'ilay nofon'i Petera ao @ Actes:10: 9-16
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1861