Inona ny vokadratsin'ny fako manerana ny tanàna

1. rabaradaka ( 04/08/2006 08:09)
Mba manontany re inona ny vokadratsin'ny fako miparitaka manerana ny tanàna eo amin'ny fahasalamana ?
novalian'i fijo ny 16/08/2006 20:56
2. Fiffi ( 04/08/2006 08:21)
tsy hainao ve ny vokadratsin'io ? :roll:
3. rasoul ( 04/08/2006 09:00)
Tsotra zany :areti-kibo, mivalana sns e
4. Fiffi ( 04/08/2006 11:44)
fa aza handrasana ny ben'ny tananà ny hanadiovana azy an! :wink:
5. watafon ( 04/08/2006 17:22)
:-D:-D ze aretina azo @ loto rehetra rabaradaka an !
6. Fiffi ( 04/08/2006 19:19)
wata: ka misy dinika nalefany atsy ambadika atsy hoe "matory ve ny ben'tanàna no maloto be ohatran'zao ny tanàna" :-D:-D
7. fijo ( 04/08/2006 20:48)
dia matory koa izany ny ben'ny tanana eto marseille,fa dia tena feno fako ato ny tanana
8. cutie ( 04/08/2006 21:16)
:-D:-D:-D
9. velosoa ( 05/08/2006 10:50)

Raha manontany izany ianao, ny tokony hampanotany tena voalohana dia izao : inona no mampahaloto ny tanàna dia iza no mpandoto azy.:? dia inona no vokany : aretina isan-karasany : kankana, areti-tratra (azo avy @ fofona)...

rabaradaka:


Mba manontany re inona ny vokadratsin'ny fako miparitaka manerana ny tanàna eo amin'ny fahasalamana ?



10. watafon ( 05/08/2006 18:27)
Fiffi: ah ok !
rabaradaka: areti-po sy areti-tsaina @ fahitàna ny tanàna maloto; aretin'ny fitaovam-pisefoana avy @ fofona ratsy avoakany;areti-kibo mazava oazy; areti-koditra,.......
11. cutie ( 05/08/2006 18:57)
aretin'ny fitaovam-pisefoana

io no saika lazaiko :P
12. watafon ( 06/08/2006 08:19)
cutie: avereno tenenina fa tsy maninona k !:-D
13. nambina ( 06/08/2006 15:12)
ary hadinonareo ve ny volavo sy ny lalitra izay mitondra aretina be é, soa fa ririnina ny andro sa ahona?
14. Herimiafina ( 06/08/2006 15:43)
rabaradaka:

Mba manontany re inona ny vokadratsin'ny fako miparitaka manerana ny tanàna eo amin'ny fahasalamana ?


Ny areti-maso, sns.....misy tohiny lavabe fa io aloha no tena tonga voalohany! :roll:

15. simplex ( 06/08/2006 16:33)

ary ny fipipiazana eny @ toerana maloto ve mety misy voka-dratsy eo @ fahasalamana ?8O:-D:-D

16. Herimiafina ( 06/08/2006 17:04)
Mety misy, vono dina 25.000Fmg eo noho eo dia sazy avy any amin'ny Kaominina manao zaridaina.
Rehefa feno vovoka avy eo sy tsy manambola hividianana sirop pectoral dai mety ho ratsy ihany, hehehehe:-D
17. simplex ( 06/08/2006 17:12)
Herimiafina:

Mety misy, vono dina 25.000Fmg eo noho eo dia sazy avy any amin'ny Kaominina manao zaridaina.


Fa nga tsisy inflation ? :-D:-D:-D
18. Herimiafina ( 06/08/2006 17:15)
Mety hisy koa iny kah, karaman,ny mpiasan'ny kaominina manadio ilay pipi raraka, sns.

Fa izany eo ihany fa ny zavatra tena hita amin'ny fako miparitaka dai ny emanation des GES na ny Gaz à effet de Serre, toy ny Gaz carbonique sy ny Methane.

Nefa io dia ho hita foana na dia halevina aza ireny fako ireny!

Miha-mafana ny tany ary maro ny aretina mipoitra noho ny pollution sy ny stress.

maro ireo maladie du temps moderne: prostate, cancer, sida, sns....
19. cutie ( 06/08/2006 18:28)
Mpandefa : watafon [ Valio ] 06-08-2006 13:19:40
Lohateny : Re : Inona ny vokadratsin'ny fako manerana ny tanàna
cutie: avereno tenenina fa tsy maninona k !

aleo ny dokotera ihany no milaza azy :-D
20. watafon ( 07/08/2006 17:34)
cutie: hihihi!
nambina: tsy adino fa manjary tsy misy lazainao intsony! izany anie no anton'ilay .... io e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3427