Nofy misy dikany.

1. soanja ( 03/08/2006 18:04)
Talohan'i papanay maty dia nanonofy azy nirotsahan'ny fotoka na vovoka be dia be avy eny amin'ny valindrian'ny ny trano eny ambanivohitra ireny aho. Dia maty izy 4 andro tafaran'io zah efa natahotra be tsy misy ohatr'izany fa nanahy.
Izao indray manonofy zavatra tena mampatahotra be aho ary i bebenay no hitako eo. De nahazo email aho androany maraina fa marary be izy ka tsy mahatsiaro tena. Misy hifandraisany ve ireo sa ve ny atidohako no efa mitady hivadika. Ampio haingana re fa tena sahirana aho. :cry::cry:
novalian'i nofyy ny 29/07/2021 20:02
2. miangalyandria ( 03/08/2006 18:50)
Dadanay andro vitsivitsy talohan'ny ho faty dia nanome cadeau an'i neninay ny akanjo hisaonan'i neninay azy, ensemble mainty en laine izay dia nomarihiny tsara hoe "tsy azon'ise sasana ity fa lasa mifihana fa ento any amin'ny mpanasa !" dia namela anay teny tao amin'ny Baiboly izy Jaona toko faha17, ny vavaka nataon'i Jesosy ho an'ny mpianany talohan'ny nandehanany ! Salama tsara tsy narofy izy fa fantany hoe ho faty izy, telo andro tao aorianan'io niteny tamin'ny namako aho hoe "mety tsy handeha hianatra aho rahariva fa aza miandry ahy !" tonga tany an-trano aho, nisy olona tonga nampandre hoe maty dadanay : accident de voiture !!!

tsy haiko na kisendrasendra na ahoana, hatramin'izao izahay misaina foana rehefa manonofy na manana intuition !!! mampalahelo fa ny herin-tsaina no atao be
3. Fiffi ( 03/08/2006 19:25)
ny zavatra henoko indray de hoe raha manofy olona maty hono de ela velona le olona !
4. miangalyandria ( 03/08/2006 19:28)
Fiffi : raha izany no mba tena marina dia mbola teo i Dada snif snif !!!!=((
5. Fiffi ( 03/08/2006 19:30)
miangalyandria: ndryyyyy ! dsl akia an! fa mba zavatra henoko io de mba gaga koh zah an !
6. miangalyandria ( 03/08/2006 19:50)
tsy misy tsiny fiffi a ! fiainana izany,:-*
7. vale ( 03/08/2006 21:26)
ny an'i miangaly izany ohatra ny hoe nanana pré-sentiment ny papany, fa rah nofy mety ho tena marina koa! ny anahy indray bebenay no tena mpanofy, nanofy izy ndrempande oe mahita trano efa rav de tady enjera fa tsofin'ny rivotra, hay ny zandriko narary mafy niditra hopitaly t@ zay! mmmhhhh! misy mistery ny fiainana!:roll:
8. Herimiafina ( 03/08/2006 23:03)
soanja:

Talohan'i papanay maty dia nanonofy azy nirotsahan'ny fotoka na vovoka be dia be avy eny amin'ny valindrian'ny ny trano eny ambanivohitra ireny aho. Dia maty izy 4 andro tafaran'io zah efa natahotra be tsy misy ohatr'izany fa nanahy.
Izao indray manonofy zavatra tena mampatahotra be aho ary i bebenay no hitako eo. De nahazo email aho androany maraina fa marary be izy ka tsy mahatsiaro tena. Misy hifandraisany ve ireo sa ve ny atidohako no efa mitady hivadika. Ampio haingana re fa tena sahirana aho. :cry::cry:


Mahereza retsy fa mbola misy foana ny fanantenana an!

Ny nofy dia milaza sy manambara zavatra betsaka, afaka hanazava anao ny momba azy io ny psykology ary mety hanambara izy fa ny subconscient no mahatonga ny nofy na ny inconscient ao aminao, ny fond-ny heritreritrao maizina indrindra arakaraka ny zavatra hitanao ny andron'iny.

Saingy raha ny hevitr'i HM dia izao no tsara fanatarina. tsy hoe raha hiteny izany ny psykology dia ho marian tsy azo iadiana hevitra izany, na koa hoe ampy sy feno ny fanazavana omeny. Satria mbola tena maro be mihintsy ny zavatra tsy mbola fantatra sy tsy hain'ny zanak'olombelona na psykology aza izy momba ny nofy ka tsy azo ahendanja fotsiny amin'ny zavatra nainarana na nanaovana fikarohana erintaona (2 na 3 taona) ny phenomene general sady mahaliana toy ny nofy.

Noho izany dia mino ny fifandraisan'ny nofy amin'ny zava-misy amin'ny realité aho na koa antsoina hoe "premonition". tena misy io na dia kely aza ny porofo ary maro ny mety hi-demontrer ny mifanohitra amin'izay.

Ny ahy dia ity ny experience:
-Olona akaiky sy tiana misy manjo azy (toy ny kambana mandre zavatra hafahafa mikasika ny kambana aminy), no mandefa karazana onde telepathique ka mahatonga ny nofy.
-Zava-mitranga toy ny loza izay mamoaka hery miafina (energie, sns) ary misy olona manana ny atao hoe sixieme sens mahatsapa azy.
-sns.....

izay no hevitro ka somary kiano fa tiako be le kianina! :^)
9. soanja ( 04/08/2006 01:36)
Misaotra antsika namaly teto. fiffi> efa naheno an'io koa aho aloha fa ilay resaka papanay tena tsy nety an'izay fa maty izy. Dia izay no nahagaga ahy hoe fa ahoana indray ary no tena izy.
Misaotra an'i HM aho amin'ny fanazavana.
Ilay izy manko tsy voasambany fa efa be dia be ny nofy hitako milaza zavatra, avy eo mitranga ilay eritreretiko.
Izy indray aloha tsy olona efa maty dia miseho na miresaka amin'ny nofy toy ny sasany fa zavatra hitranga dia tazako mialoha, ary ilay volazan'i HM olona akaiky ahy no tena ahatsapako azy.
Mivavaka ihany aho rehefa alohan'ny hatory fa tsy misakana ny nofy tsy hitranga izany. Dia eo no tena mipetaka ny fanontaniana.
10. Herimiafina ( 04/08/2006 01:49)
Izaho sy ny raiko matetika no mifandray heritreritra, manonofy ratsy aho momb aazy, dai manonofy ratsy momba ahy koa izy.

Matetika koa rehefa hisy fiara-manidina hianjera dai manonofy azy ireny aho ny andro mialoha....

Matetika zavatra goavana be mety hisy fiantraikany any mainao na mifandray amin'ny taraina mafy ataon'olona any ananonanona any dai henonao.

Nisy olona izay, olona malaza tao Antananarivo tao saingy maty voatifitry ny tankin'ny RFI moa izy teny Manjakaray teny, no nilaza indrya andro izay fa matoa ianao mahatsiaro tampoka (spontannée) olona iray dia miheritreritra anao mihintsy iny olona iny!

Fa ny ahy koa matetika, olona tsy hitako elabe dia ho hitako ny ampitson'iny par hasard, na hira tsy fahenoko fa sendra tadidiko dai mipoitra ny harivan'iny mandeha amin'ny radio. izay no mpanjo ahy matetika! :-w
11. soanja ( 04/08/2006 02:06)
Mahavariana ry HM fa tena mitovitovy zany isika. Ny ahy tokoa mantsy dia olona any Mada daholo no nofisiko ary rehefa mifoha maraina aho dia resahiko amin'ny vadiko hoe izao sy izao no hitako tao amin'ny nofy ka matahotra aho sao dia izao no mitranga any. Dia inona tokoa fa ny ampitson'iny dia mahazo vaovao hoe izao no misy sns.
Tany CA izahay indray mandeha dia nisy mpivarotra sinoa izay tsy mivarotra raha tsy resaka zavatra voalazan'ny nofy sy ny metaphysique . Dia mba nividy boky tao izahay fa te hahafantatra hoe inona avy no mitranga amiko. Dia manao interpretation eo izahay matetika hoe ahoana sy ahoana fa tsy misy mifanaraka amin'ilay nofy, fa izay eritreretiko no mitranga.
Efa namonjy psy koa izahay satria manana namana psy aho dia nilaza izy fa mety mandalo midlife crisis aho ka mamerina memoire ny subconscience ,ka mety izay no mahatonga ny nofy Mada mitranga matetika fa tsy ny eto US.
Izaho indray tsy matahotra na ahoana fa androany fotsiny aho manahy satria tena hitako mihitsy bebenay miresaka dia milaza zavatra.
Soa aloha fa mivavaka aho dia tsy matahotra ny ho avy.
12. Fiffi ( 04/08/2006 03:47)
ary marina ve hoe raha manofy manjono , le maka an'le tsondro @ tanana anaty rano mihintsy an ! de hoe bevohoka ny vhv io an!
13. mamzelkely ( 04/08/2006 05:28)
ny anah njay ny henoko de we, refa matory hono ny olombelona de mande eny rht eny ny subconscient-ny de iny mitondra karazana zvt futur de zay no mahatonga an le we 'impression de déjà vu" ts haiko nareo ra efa tratran'ireny fa ny olona rht alou tokony ef tratra eee...

ny mpahazo anah matetika njay aa, manofy zvt iray za ka ra vô miverimberina matetika le izy de misy événement mifandray amin'iny atsy ho atsy... fa tena mahagaga le izy aa.. de za ko matetika refa ny zvt iray sendra tonga tampoka ao andohako de tanteraka iny aveo :roll:
14. Fiffi ( 04/08/2006 05:31)
tena mahagaga hoa ny nofy eh ?
15. ariel ( 04/08/2006 06:16)
ny ahy indray ry reto a! rehefa misy zavatra tsy mety nataoko de le bebeanay zay nofisiko fona a! ka ra manao zavatra tsy mety za de tsy mitsiky mihintsy izy ao anatiny nofiko ao,fa ra zavatra tiany no ataoko de mitsiky izy fa izy tsy miresaka a! fa na mitsiky izy na mijery ankatezerana de za refa manofy an'azy de haiko izy oe efa maty,de ny hitako koa a! ra ianao manonofy ka tsy tantarainao @olona le nofinao de tanteraka,ary marina koa ve rehefa manonofy manao fety ka mihinana henakisoa de misy olona ho faty zay?
16. Fiffi ( 04/08/2006 06:49)
de ny hampitso ve akia mitsiky le bebeandry rehefa mijery andry ?
17. prime ( 04/08/2006 09:12)
:lol::-D
18. Fiffi ( 04/08/2006 10:08)
prime: himehezanao fotsinyve zah rangaha ? :roll::-D:-D
19. majesty ( 04/08/2006 11:10)
hum betsaka ny zavatra mbola saro-takarina eto amin'ity fiainana ity,fa nenah ndray no tena mpahazo anah de ny zavatra hiainako future no azoko nofy,sady tsy hoe tsindraindray fa matetika mintsy,ohatra hoe nisy fotoana zay nakany amin'ny toerana iray ambanivohitra be zay de na ny lalana aza samy tsy mbola misy mahita fa ny olona izay mifanena no anontaniana,dia avy eo za mahatsapa fa efa lalana efa haiko ilay lalana dia mandrary zah ndray no lasa mitari-dalana avy eo,misy kou olona fantatro de tamin'ny nofy no nahalalako azy dia na za kou ary mba gaga hoe ahoana kou ary zany :idea:
fa soa ihany alou fa tsy mbola tojo zavatra ratsy fa mbola zavatra mafinaritra daholo e
20. Fiffi ( 04/08/2006 11:35)
majesty: de tena hita mihintsy ve le lalana avy eo ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.187