tahotra-henatra

1. soasoafy ( 03/08/2006 10:15)
inona no maha-samihafa ny ol sarotahotra sy sarokenatra ary inona no itovizany ?
novalian'i prime ny 20/09/2006 11:13
2. Fiffi ( 03/08/2006 10:21)
tsy misy hitovizany mihintsy ireo na de kely aloha amiko an!
Ny tahotra: de manke de confience raha ohatra hoe hanao zavatra na hiteny zavatra koh de tsy sahy!
Ny henatra indray de tsy sahy koh fa arahin'ny ohatra hoe lasa boramena ! nefa raha tahotra tsy ho boramena zany mihintsy an!
3. vale ( 03/08/2006 11:27)
Soasoafy: zavatra 2 samy hafa ireo, nefa misy itovizany, ny itovizany dia resaka blocage!
4. xxx ( 03/08/2006 11:55)

saro-tahotra: ohatra hoe tsy sahy mande @ alina fa matahotra matotoa :miam: na koa hoe tsy sahy mangataka avancement karama any @ sefo fa kely aina. Tahotra zany no tena eto e.

Saro-kenatra: menatra ny tenany izy de tsy sahy manao zavatra iray. Ohatra hoe miteny en public. Na koa hoe mampiresaka sipa. :*:*:*:*:*:*:*

Fanafodiny: tsy miraharaha izay ho vokany fa refa atao de atao, "fearless" :-*:-*:-*:-*:-*
5. pissoa ( 03/08/2006 11:57)
Tsy haiko ny tsy hitovizany - fa ny hitovizany no haiko ... samy manakana anao hanao zavatra be dia be - na hiteny zavatra be dia be.
6. soanja ( 03/08/2006 13:39)
Ny tsy fahatokisana tena/ sy ny fiarovan-tena no mampitovy an'ireo saingy zavatra roa samihafa ireo. Toerana iray ihany no iavian'ireo ao amin'ny atidoha ka izay no mampifanakaiky azy.
7. prime ( 03/08/2006 14:25)
:°)
8. soanja ( 03/08/2006 17:50)
Alefaso le resaka prime a. Zah zany miandry be mihitsy. Tsy izany mantsy fa miisa firy moa isika eto amin'ny sehatra hoy Jent. dia azo isaina amin'ny tanana ny mpanoratra.:-*:-* Io nify ratsy io hoa ento any amin'ny dantisita.
9. rolland1000 ( 04/08/2006 04:15)
Ny mampitovy ny matahotra sy ny menatra dia izao.
raha menatra ianao dia manafina zavatra iray izay tokony havoakanao.
raha menatra koa ianao dia toy izany ihany tsy sahy mamoaka zavatra iray izay tokony havoakanao.
Hitanareo fa mitovy ihany izany!
Ny mahasamihafa azy kosa dia ny iray (tahotra)dia efa fantrao ny mety ho vokany satria mety hisy voka-dratsiny hipoitra eo dia tsy sahy ilay olona.
ny henatra indray dia dia ny fatahoranao ny hoe ho ratsy sa ho tsara ny vokany raha asehoko ity zavatra ity . izay aloha no fandinihako azy ka asa na marina na diso izay .
10. Fiffi ( 04/08/2006 04:17)
matahotra=mipararetra
sarok'henatra=boramena
11. majesty ( 04/08/2006 06:18)
fiffi: zany an hi hi hi
Ny henatra miteraka tahotra fa ny tahotra tsy miteraka henatra mintsy:D
12. Fiffi ( 04/08/2006 06:32)
majesty: ka somary sarotra le fanazavana azy koh ! hihih
Ny tahotra de le tonga de mipararetra eo fa ny henatra indray , somary boramena de miholakolana nefa mahateny hiany indraindray . Fa le tahotra kosa aloha sady mangovitra no tsemboka ny vatana , indrindra fa ny tanana , ohatran'ny hoe miakatra zany ny rà anaty tena de tsy mahetsika mihintsy .nefa ny henatra mitsiky hiany na de miholakolaka aza ! :)
13. prime ( 04/08/2006 08:27)
soanja> koa ilay nify tsara mihitsy no ampiseho ko in?? :-D:-D
Amiko aloha ny olona saro-tahotra matetika lasa maherifo... kely mihitsy mantsy hono ny manasasaka ny tahotra sy ny fahasahiana... Fa ireny olona saro-tahotra ireny hono rehefa tena ny tsy nahy ka tafaroboka tampoka no tena mahavita "presque" fahagagàna mihitsy, dia lasa toy ny maherifo be satria efa tonga eo @ ilay "phase" 'ny izay iafarany...
Fa ny saro-kenatra tena matetika lasa aretina dia mivadika "complexes" rehefa tsy vokolokolo...:°)
14. diamondra27 ( 04/08/2006 08:30)
tahotra=peur
henatra=honte

zay zany d'efa misy différence
ny itovizany indray e! de samy tsy mampandroso,

raha katahotra be enao de lasa tsy matoky ny tenanao @ farany , tahaka izany koa ny henatra
15. Fiffi ( 04/08/2006 08:37)
hummmm ! ndry mihintsy ry diamondra no nandrasako hamaly an'io hihihih ! :):-*
16. prime ( 04/08/2006 08:44)
Nefa azo resena avokoa izy ireo...:°)
17. Fiffi ( 04/08/2006 08:45)
18. prime ( 04/08/2006 08:50)
ie ry fiffi d ahoana??:°)
19. Fiffi ( 04/08/2006 09:19)
prime: de azo resahana daholo na ny sarok'henatra na ny saro-tahotra kah! fa de mba hanjaran'le miresaka aminy no mba mandamina an'le resaka fa mba efa hita hoe matahotra na menatra le olona !
20. prime ( 04/08/2006 09:25)
marina izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2979