Tandremo ny fitaka

1. LazaDaddy ( 01/08/2006 07:37)
i Satana dia mpamitaka. Amin'ny maha fitaka ny ataony dia avy ao am-piangonana ihany izy no miainga. Avy ao no amolavolany fampianaran-diso sy "teolojianina vilana", raha tsy izay tsy hisy voafitany.

Tandremo! Efa mihanaka ny famitahany ny olona sy fametavetany an'Andriamanitra. Betsaka ireo boky mody mody miresaka kristianisma kanefa mifono hevi-petsin'i Satana. Tsy ny boky pornografika mihitsy no ahafahany mamitaka fa tonga dia fantatra ny maharatsy azy raha izay! Mba ahafahany mamitaka dia boky mody miresaka kristianisma no ampiasainy.

Fa ny marina dia ny Tenin'Andriamanitra ihany, tsy anampiana sy tsy analana.
répondu par prime le 17/08/2006 10:52
2. Fiffi ( 01/08/2006 07:54)
Tsy tery lalana ny satana. Fa dia anjaran'ny tsirairay no mitandrina mba tsy ho vohasarika @ fakam-panahy ka hivavaka hatrany mba tsy ho voarebirebin'ny satana.
3. pissoa ( 01/08/2006 08:37)
Tandremo koa fa i Satana dia tsy mitsahatra ny miteny fa fampianaran-diso no ataolotry ny fiangonanao an! Andriamanitra aza moa sahiny nodisoina tamin'izy niresaka tamin'i Eva tao Edena (hainareo le tantara iny e). Sady tenenina amin'ny fomba intelligent be ilay izy an, hein - tandremo mihitsy!!! Dia iny tokoa ianao fa roboka hoe tena fampianaran-diso ity ... dia faly amin'izay i Satana :P

Mahery anie io Satana io lehiretsy e! Izany no mahatonga ahy (sy ny Kristianina bobaka be) mivavaka ho an'ireny Teolojianina sy mpitondra ny fiangonana ireny , izany no angatahiko ny Fanahy Masina hiasa miaraka amin'izy ireny. Dia matoky ny asan'izy ireny aho rehefa matoky fa ny Fanahy Masina no miasa miaraka aminy :P
4. LazaDaddy ( 01/08/2006 09:00)
pissoa:
Sady tenenina amin'ny fomba intelligent be ilay izy an, hein - tandremo mihitsy!!!
io fomba intelligent io mihitsy ny tetik'adin'i satana!!! Teolojianina fanta-daza eee...bla bla bla....kanefa hoy i Jesoa: "misaotra anao aho ry RAY fa nafeninao tamin'ny mahalala izany, ary nampahafantarinao ny zaza madinika" :)


5. pissoa ( 01/08/2006 09:06)
Ie! Tandremo koa fa fantatry i Satana anie ilay vavaka nataon'i Jesoa hoe misaotra anao aho ry Ray fa nafeninao tamin'ny mahalala izany, ary nampahafantarinao ny zaza madinika e! Dia io no hitaritany anao hoe mampiana-diso ireny olona mampianatra anao ireny :P
6. LazaDaddy ( 01/08/2006 09:08)
pissoa> dia izay no tokony hijoroantsika amin'ny marina izay tsy hafa fa ny Tenin'Andriamanitra ihany, tsy anampiana sy tsy analana.
7. pissoa ( 01/08/2006 09:20)
Ie - tena marina ny tenin'Andriamanitra. Ka izay no hilantsika olona handinika an'io ka hanampy antsika tsy handiso azy. Misy anie ny mandiso an'io tenin'Andriamanitra io e, tsy vitsy mihitsy. Indrindra ireny spesialista manapatapaka ny tenin'Andriamanitra ireny, dia mitanisa toko sy andininy iray na maromaro fotsiny.

Ny anjarantsika dia ny mivavaka ho an'ireny olona manana andraikitra mavesatra dia mavesatra ireny - mitalaho ny Fanahy Masina hiaraka miasa amin'izy ireny :P
8. LazaDaddy ( 01/08/2006 09:25)
pissoa:
Ie - tena marina ny tenin'Andriamanitra. Ka izay no hilantsika olona handinika an'io ka hanampy antsika tsy handiso azy.

Tandremo fa tsy olona no ilaintsika fa ny Fanahy Masin'Andriamanitra ihany. Fahakamoana hamaky sy hianatra ary hampiatra ny teniny ny fianteherana amin'olona. Fahakamoana avy amin'i Satana ihany koa mba tsy ahafantarantsika ny marina. hahaha
9. pissoa ( 01/08/2006 09:31)
Vakio aloha fa tsy vita teo anie ny teniko e :P Izaho koa tsy niteny hoe raha mila olona aho - dia tsy mila Fanahy Masina! Ilaiko tokoa moa izany :) Fa sitrak'Andriamanitra koa anie ny hifanampiantsika ry Laza amin'ny fanantonana Azy e :)
10. LazaDaddy ( 01/08/2006 09:41)
Ny anjarantsika dia ny mivavaka ho an'ireny olona manana andraikitra mavesatra dia mavesatra ireny - mitalaho ny Fanahy Masina hiaraka miasa amin'izy ireny
adidy tokoa izany. Fa adidin'ny tsirairay amin'ny tenany manokana ny mandalina sy mianatra ary miaina ny tenin'Andriamanitra, @ fitarihin'ny Fanahy Masina. Sao hisy hanamarin-tena hoe "i ranona no nampiana-diso sy namitaka ahy"!

Tsy resahiko ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra, na ireo tsy mbola nandre sy tsy manana Baiboly.
PS: Mba aiza marina no mety ahazoana Baiboly ho zaraina @ olona e? Fikambanana ankoatran'ny Gideons no tadiaviko raha misy!
11. dadabe ( 01/08/2006 11:38)
marina mihitsy io lazan'i Laza io hoe ny teolojianina ihany no tena mamitaka ny vahoakan'Andriamanitra ary manao fampianaran-diso ao @ fiangonana ,
1-tereny ireo mpino mba tsy dia handalina baiboly firy , na ny marina tsy asainy miditra lalina , fa mody saronana amin'ilay hoe aleo mianatra any @ kolejy teolojika raha te handalina be ianao....
2-ny Sabatan'i Jehovah efa nisy hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao aza moa dia sahin'dry zareo ovaina , ary ny teolojianina ihany no manao fampianarandiso ao @ fiangonana
3-ny sarinjavatra voasokitra tsy tokony atao efa noraran'Andiamintra aza moa dia averiny indray ary mbola ny teolojianina ihany no manao fampianarana mamitaka
4-ireo karazana sakafo tokony hohanin'ny olombelona izay efa notanisain'Andriamanitra dia mbola ovain''ireo teolojianina ihany koa ary lazainy fa efa madio avokoa ny........

ny tiko ambara dia ity : aleo mivavaka ho azy ireo mba tsy hiasan'ny fanahy mamitaka ao anatin'izy ireo
12. Herimiafina ( 01/08/2006 11:51)
Ary raha ataoko indray hoe, ny teolojiana dia mety manana anjara fahadisoana ao fa kosa any amin,ny tsy fahaizany mampita ny fikarohana ataony?

Misy mantsy olona efa ampianarina izao fa 1+1=2 nefa dia mbola misy ihany manana valiny marobe, hita izany indrindra amin'ity fampiasana teny gasy tsy maitriser-ny ity. Vitsy mantsy ny maha-maitriser ny teny gasy izay tena fitaovana lehibe hanampy ny olonahahazo ny zavatra tiana ampitaina tsy misy ampiana ary tsy misy hanalana.

Ny zavatra hitako dai be interprétation loatra ny olona hany ka mandika vilana foana dia lazaina fa ny mpitaribato foana no vilambava.

Kiano aloha io fa tsssss :roll:
13. soanja ( 01/08/2006 13:50)
LazaDaddy:

i Satana dia mpamitaka. Amin'ny maha fitaka ny ataony dia avy ao am-piangonana ihany izy no miainga. Avy ao no amolavolany fampianaran-diso sy "teolojianina vilana", raha tsy izay tsy hisy voafitany.

Tandremo! Efa mihanaka ny famitahany ny olona sy fametavetany an'Andriamanitra. Betsaka ireo boky mody mody miresaka kristianisma kanefa mifono hevi-petsin'i Satana. Tsy ny boky pornografika mihitsy no ahafahany mamitaka fa tonga dia fantatra ny maharatsy azy raha izay! Mba ahafahany mamitaka dia boky mody miresaka kristianisma no ampiasainy.

Fa ny marina dia ny Tenin'Andriamanitra ihany, tsy anampiana sy tsy analana.

Ireo teny ao anaty baiboly ireo tompoko dia tsy azo raisina amin'izay voasoratra na ara-bakiteny. Mila mandalina vao azo satria raha tsy izay tena mandray vilana.
Ny mpamitaka dia feno tokoa amin'izao fotoana izao. Izay no antony hangatahana ny Fanahy Masina hanome torolalana anao rehefa mivavaka sy mamaky ny baiboly.
Ary tsy ny olona milaza fa izy no tena mahay eto akory no manana ny fahamarinana fa anjaranao ny mahatsapa hoe Diso be izany na hoe Marina. Tandremo ny fanasana ati-doha satria io koa dia isan'ny asan'ny satana.
Sokafy ny maso ary mahaiza mifidy.

14. Achia ( 01/08/2006 16:58)
De inty ary mba misy ohatra kely ; aza mamono ol , manaja ny andro sabata , aza mijangajanga ... de azo raisina @ ara_bakiteny ve zao reo sa ara - panoharana ihany
15. pissoa ( 01/08/2006 17:39)
Eo angamba tsy hoe fanoharana ireo sa tsia - fa ilay teny mihitsy no mila halalinina: Inona avy no tiana ambara amin'ny hoe mijangajanga. Inona avy no atao hoe mamono olona. Inona no tiana tenenina amin'ny hoe andro sabata.
16. hery ( 01/08/2006 18:03)
Ho an'ny Katolika (miala tsiny fa izaho anisany ka io aloha no haiko) dia manana ny Fiangonana - izay velombelomin'ny fandinihana ataon'ireo teolojianina maro - izay arofanina amin'ny fiainam-pinoana. Tsy ny teolojianina rehetra no eken'ny Fiangonana, misy ireo teolojiana katolika mamoaka boky mifanohitra amin'ny foto-pampianaran'ny Fiangonana Katolika, fa avy hatrany dia ahitsy sy lavina. Raha tsy miverina amin'ny teny nataony ilay teolojiana dia lazaina am-pahibe-maso fa mifanohitra amin'ny fampianaran'ny Fiangonana ny fampianarany. Efa nisy io ary imbetsaka.
Fa ny teolojiana sasany kosa dia amporisihana mihitsy hikaroka sy handalina ny Baiboly sy ny fampianarana navelan'ny Apostoly mba hanampy hatrany ny sarambaben'ny mpino hivelona ny finoany. Sarotra mantsy ny mandalina ny tenin'Andriamanitra. (Hoy i Jesoa tamin'ilay mpanankarena nanontany azy hoe inona avy ny lalàna: "Inona no voasoratra? Ary ahoana no fahazoanao azy?" izany hoe mety tsy izay voasoratra no ho azon'ny olona). Koa ho an'ny katolika na dia amporisihana aza ny famakiana baiboly ankehitriny. Dia amporisihana koa ny mpino mba hamaky ny fampianaran'ny Fiangonana amin'ny alalan'ireo boky izay avoakan'ireo teolojiana izay ekeny fa manazava ny hevitry ny Fiangonana.

Mazava ho azy, misy ny fitaka... indrindra ireo miseho (sy mbola hiseho) ho katolika kanefa mandrara ny sasany tsy hihaino intsony ny fampianaran'ny Fiangonana Katolika.

Ny katolika io noresahiko io fa mbola miala tsiny ihany.

17. LazaDaddy ( 01/08/2006 22:44)
hery> fanontaniana manitikitika be ahy ity mba anontaniako anao:
mitovy ve ny isan'ny boky ao amin'ny Baiboly katolika sy ny isan'ny boky ao amin'ny Baiboly protestanta?
18. fameusecousine ( 02/08/2006 00:31)
hery:

Ho an'ny Katolika (miala tsiny fa izaho anisany ka io aloha no haiko) dia manana ny Fiangonana - izay velombelomin'ny fandinihana ataon'ireo teolojianina maro - izay arofanina amin'ny fiainam-pinoana. Tsy ny teolojianina rehetra no eken'ny Fiangonana, misy ireo teolojiana katolika mamoaka boky mifanohitra amin'ny foto-pampianaran'ny Fiangonana Katolika, fa avy hatrany dia ahitsy sy lavina. Raha tsy miverina amin'ny teny nataony ilay teolojiana dia lazaina am-pahibe-maso fa mifanohitra amin'ny fampianaran'ny Fiangonana ny fampianarany. Efa nisy io ary imbetsaka.
Fa ny teolojiana sasany kosa dia amporisihana mihitsy hikaroka sy handalina ny Baiboly sy ny fampianarana navelan'ny Apostoly mba hanampy hatrany ny sarambaben'ny mpino hivelona ny finoany. Sarotra mantsy ny mandalina ny tenin'Andriamanitra. (Hoy i Jesoa tamin'ilay mpanankarena nanontany azy hoe inona avy ny lalàna: "Inona no voasoratra? Ary ahoana no fahazoanao azy?" izany hoe mety tsy izay voasoratra no ho azon'ny olona). Koa ho an'ny katolika na dia amporisihana aza ny famakiana baiboly ankehitriny. Dia amporisihana koa ny mpino mba hamaky ny fampianaran'ny Fiangonana amin'ny alalan'ireo boky izay avoakan'ireo teolojiana izay ekeny fa manazava ny hevitry ny Fiangonana.

Mazava ho azy, misy ny fitaka... indrindra ireo miseho (sy mbola hiseho) ho katolika kanefa mandrara ny sasany tsy hihaino intsony ny fampianaran'ny Fiangonana Katolika.

Ny katolika io noresahiko io fa mbola miala tsiny ihany.




marina ny voalazanao ary tokony hijanona @ finoany ny tsirairay ,hikolokolo ny azy ary tsy hihevitra ny finoana sasany ambony na ambany..fifanajana sy tolerance no tokony ampiasaina de @ izay tsy misy mifamitampitaka:-D:-D
19. LazaDaddy ( 02/08/2006 00:43)
.fifanajana sy tolerance no tokony ampiasaina de @ izay tsy misy mifamitampitaka

"Tolerance that condones sins is a sin". Tsy handika an'io @ teny Gasy aho fa izay liana tsimaintsy ahafantatra azy foana :)
20. Fiffi ( 02/08/2006 04:27)
fameusecousine: fa misy fetrany koa ny tolerance an !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0087