Andriamanitra namorona ny olombelona....

1. Fiffi ( 01/08/2006 05:09)

Andriamanitra namorona ny olombelona , ny olombelona namorona ny ady.

La paix c'est comme un cadeau , un cadeau si merveilleux , la paix , c'est comme un cadeau , un cadeau qui vient de Dieu. (miala tsiny raha @ teny frantsay fa tsy voadikako @ teny gasy.)

De lasa ny heritreritro raha nandalina an'io aho. Ny "paix" tadihavina sy hivavahana angatahana an'Andriamanitra nefa dia ady etsy sy eroa no hita.
Inona no hiafaran'izao tontolo izao raha zao ady zao no hihainana ? Raha mijery ny any Liban zao ohatra.

Dia aleo hamafisina ny finoana sy ny fivavahana ary hampitomboana hatrany ny fivavahana mba hitsahatra izao ady zao.
novalian'i prime ny 07/08/2006 11:57
2. lapino ( 01/08/2006 05:17)
Efa nisy talohan'ny olombelona ny ady ka!
3. Fiffi ( 01/08/2006 05:32)
lapino: efa nisy fa tsy ady mazana be tahak'izao kosa eh ? Ary ny tena mahagaga ahy koa dia any @ tany arabo any no tena be ny ady , nefa ry zareo toa tena malaza be hiany @ fivavahana ?
4. Hubert ( 01/08/2006 07:42)
Io ady io no hanamotsana ny tany tsikelikely, ka handringana ny olombelona. Porofon'izany Fiffi an! io canicul ao Europe sy US io; manginy fotsiny ny tsunami izay toa ho zary cataclisme naturel fandré matetika @ haino amanjery afaka kelikely any:twisted:
Ny fanafodiny izany dia ny mivavaka mba tsy haranitra ny sain'ny zanak'olombelona:lol: satria izany no tena fositra.
5. Fiffi ( 01/08/2006 07:56)
Hubert: izany ve azo hadika hoe "Andriamanitra no namorona ny olombelona fa ny olombelona kosa no manimba ny tany sy ny fiainana ?
6. lapino ( 01/08/2006 08:05)
Fiffi, ny tiako tenenina hoe tsy ny olombelona no namorona ny ady ka.
Fa io koa ange, tadiavina foana izany paix izany, fa ny ady tsy maintsy misy foana e. Raha mbola misy foana ny vo-vo-vo ;)
7. Fiffi ( 01/08/2006 10:27)
lapino: fa iza indray hoy enao no namorona ny ady ? Marina aloha fa hoe tsy maintsy misy ny ady , nefa raha tena heritreretina de na de ireo filoham-panjakana sasany io an! mpivavaka koa (raha nanaraka ny vao2) nefa de tsy hainy akory ny mandamina ny firerena mba tsy hisian'zany ady zany .
Inona aloha ity vo-vo-vo ry lapino ?
8. Herimiafina ( 01/08/2006 11:53)
Fiffi:


Andriamanitra namorona ny olombelona , ny olombelona namorona ny ady.

La paix c'est comme un cadeau , un cadeau si merveilleux , la paix , c'est comme un cadeau , un cadeau qui vient de Dieu. (miala tsiny raha @ teny frantsay fa tsy voadikako @ teny gasy.)

De lasa ny heritreritro raha nandalina an'io aho. Ny "paix" tadihavina sy hivavahana angatahana an'Andriamanitra nefa dia ady etsy sy eroa no hita.
Inona no hiafaran'izao tontolo izao raha zao ady zao no hihainana ? Raha mijery ny any Liban zao ohatra.

Dia aleo hamafisina ny finoana sy ny fivavahana ary hampitomboana hatrany ny fivavahana mba hitsahatra izao ady zao.


Ilaina ny ady mba hisian'ny fandriampahalemana! tsy ny olombelona tsy tia ady ihany mantsy no miaina eto ambonin,ny tany fa ny tia gidragidra ihany koa, ka raha tsy miady amin'ireny ianao dia tena meloka satria tsy niaro ny ankohonanao izay cadeau avy amin'Andriamanitra ihany koa.

Ady defensive no teneniko fa tsy ady offensive!
9. prime ( 01/08/2006 12:18)
Ny ady tsy maintsy misy ry fiffi a! na ny mpino koa aza dia izany no fiainany raha mbola eto an-tany...
Raha ny ady politika indray no tianao tsipihina dia tsy vita faminaniana ho @ filaminana izany ny tany fa faharavàna sy fahalovana aza no ambaran'ny tenin'ny soratra masina...
10. Fiffi ( 01/08/2006 12:29)
prime , Herimiafina: marina aloha ny anareo hoe ny ady tsy maintsy misy , saingy hoy aho heo ny tena mahagaga ahy dia rehefa mijery ny ady zay miseho any @ firenena heu...ohatra Israël toa tena mahalasa saina hiany satria tena azo hatao hoe mpivavaka ry zareo nefa na izany aza de toa ambon'ny rehetra ny ady.
11. diamondra27 ( 01/08/2006 13:28)
tanjemo sao de miady eo nareo aza an

je vous donne la paix dit JESUS
12. soanja ( 01/08/2006 14:17)
Ny ady dia tsy avy amin'Andriamanitra fa noho ny safidy nomeny antsika dia nampivarahotaka antsika rehetra eto an-tany. satria nisy ny nisafidy ny hiaraka amin'i Satana. Na ny fahatongavan'ny fara andro aza anie dia mbola hisy ady be vao tonga izay e. Andriamanitra no Mpandresy amin'ny farany. Ataovy vonona fotsiny izany ny fiarovana ara-panahy fa ny ady dia tsy ho foana eto an-tany. Mila mivavaka tsy tapaka ary tsy kivy kosa hanaparitaka y fandriama-pahalemana (Peace)
13. Fiffi ( 01/08/2006 15:05)
soanja: ^:^^:^^:^^:^
14. prime ( 02/08/2006 10:45)
Fiffi> aza lasa saina ny amin'ny Israely fa efa firenena efa mpiady hatr@ izay nisiany ireo ary efa nomanin'Andriamanitra ho @ izany rahateo (testamenta taloha)... saropiaro loatra ny @ mahaIzy Azy Andriamanitra ka izay firenena rehetra tsy nahalala na nihaino Azy dia faiziny t@ alalan'ny vahoakany (ilay taranaka voafidy)...
Raha ny ankehitriny indray, @ mahataranaka voafidy azy dia tsy avelan'Andriamanitra itsakitsahin'ny tsy mpino mihitsy izy (Israely io)...
15. Fiffi ( 02/08/2006 11:23)
prime: ny tena mahalasa saina ahy ary nametrahako fanontaniana lava izay mitoetra ato an-tsaiko raha mijery ireny ady lava ireny aho de zao:
-Marina fa tsy maintsy misy ny ady
-Saingy hoy aho hoe tany @ tany nahaterahan'i Jesoa any foana no tena ady lava zao , de hoy aho hoe "tahak'izay tsy tany Jesoa no teraka"
16. cutie ( 02/08/2006 11:55)
fiffi:-D
17. prime ( 02/08/2006 13:26)
fiffi> :-D:-D:-D
ka Jesoa teraka aza anie mbola Heroda no nampamono azy fa nahay nandositra tany Egypta Maria sy Josefa mandra-pandry ny tany e! ny rômana tsy tenenina intsony...
18. soanja ( 02/08/2006 14:00)
Fiffi a, saika mbola te hanampy eto aho ny momba ny anton'ny nifidian'Andriamanitra an'i Israel ho vahoaka voafidy sy nipoiran'ny finoana saingy aleo tsy zaraina intsony fa mamary ny mason'ny sasany raha vao mahita fa toeran-kafa no nakako azy. Fa ny finoana Jiosy tokoa dia manazava tsara hoe tao no vonona nandray azy tamin'izany fotoana izany fa efa nitety toeran-kafa Andriamanitar dia tsy nahita safidy metimety kokoa noho ny ao.
19. Fiffi ( 02/08/2006 16:13)
soanja: alefaso akia an! tena mahaliana be ahy manko koh!
prime , cutie: himehezanareo fotsiny zah ve ? ka azo hatao hoe voninahitra lehibe tokoa ange ny azon'io toerana nahaterahan'i Jesoa io nefa jereo fa ady lava zao no mitranga any koh!
20. soanja ( 02/08/2006 17:31)
Ao fa rehefa malalaka aho dia omeko eto ny nadinindininy hoe nahoana ny vahoaka Israely no nofidin'Andriamnaitra. Araka ny fisainany ihany io anefa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1814