Teny Malagasy: "k"

1. pissoa ( 30/07/2006 18:50)
Misy lalana ve ny famakiana ny "k" amin'ny teny Malagasy?

Tsy mitovy mantsy ny feo rehefa mamaky ny hoe
mangatsika na mozika (ohatra) sy ny hoe aloka na toloko.

Misaotra :)
novalian'i prime ny 17/08/2006 12:07
2. Herimiafina ( 30/07/2006 18:55)
Mangatsiaka< hatsiaka!

Tsy miankina amin'ilay zana-tsoratra manaraka azy ve retsy izany ry pissoa?

Ny fanononana azy mitokana aloha dia haiko hoe avy amin'ny teny angilisy e! [Kei] fa tsy [Ka].:°)
3. pissoa ( 30/07/2006 18:59)
Herimiafina:
Mangatsiaka< hatsiaka!

Misaotra. Hay ve misy [a] e :oops:

Ka rehefa mamaky ilay izy dia hita ka, fa ny tiako antonaniana hoe fitsipika mipetraka (na voasoratra ve io) sa fahazarantsika miteny fotsiny?

Herimiafina:
Ny fanononana azy mitokana aloha dia haiko hoe avy amin'ny teny angilisy e! [Kei] fa tsy [Ka]
Henonjy angaha ny namakiako azy teo. Izaho mantsy namaky [Ka] fa tsy [Kei] :oops::-D:-D:-D
4. Herimiafina ( 30/07/2006 19:06)
Ny fahalalako azy tena resaka phonetique (Faonetika) mihintsy, hianarana manokana, i ftma izao no tena spesialista an'io! :oops:

Ilay faonetika dia miankina amin'ny toerany ao anatin'ilay teny dia miankina ihany koa amin'ny zanatsoratra mialoha azy sy manaraka azy angamba! :P

Ohatry ny teny anglisy ihany, hafa ny fanononana ny litera sasany raha mandeha tokana (bok) nefa hafa ihany koa rana anakiroa (book), anisan'ny lalanan'ny faonetika io izany e! :-*
5. pissoa ( 30/07/2006 19:08)
OK - misaotra retsy an :-*
6. Herimiafina ( 30/07/2006 19:16)
Fa na dia izany aza aloha aza dia matoky be anah loatra fa zah mantsy bandy sady donendrina no diso foana hono e! :oops: :-D

Aleo hisy hamaly hafa izay njy vao afaka manampakevitra hoe afampo sa tsia, izany an! :-*
7. xxx ( 30/07/2006 19:28)
ilay zanatsoratra ao aoriana angamba kosa no mitondra an'io e ! ny teny malagasy mantsy dia isan'ireny teny antsoina hoe fonetika ireny mihitsy no sady rehefa a dia a hoy radama izay e ka rehefa k zany dia k
8. Fiffi ( 30/07/2006 19:45)
Tena tsy mitovy marina fa toa miankina @ zay lazaina ny fanamafisana ny "k" ?
9. pissoa ( 31/07/2006 05:34)
Herimiafina :evil:

Haiko ry zareo ilay izy hoe tsy mitovy an! Fa ny fanontaniako dia hoe efa fitsipika voarakitra any ho any ve io fonetika io, sa fahazarantsika rehefa miteny fotsiny? :-*

Fa efa hoy i Herimiafina hoe ie.
10. xxx ( 31/07/2006 18:12)
tena misy fitsipika mifehy azy mihitsy ka fa amin'ny teny malagasy dia feo iray ihany ny [k] par opposition amin'ny [g] !
11. pissoa ( 31/07/2006 18:36)
xxx:
fa amin'ny teny malagasy dia feo iray ihany ny [k] par opposition amin'ny [g] !

Izany ve :? Sao mifanohitra? :roll: (sa tsy azoko ilay hoe par opposition :oops: )
12. xxx ( 31/07/2006 18:40)

t@ mbola kely refa vao mifoha de otran'izao:
kokokoko kokokoko kokokoko

ataoko fa mazava angamba fa avy @ akoholahy daoly no nahatonga izao fomba fanaovana k izao. :-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
13. pissoa ( 31/07/2006 19:02)
xxx ihany ngah io xxx iray io :roll:
14. Nickovy ( 01/08/2006 05:10)
Herimiafina:

Tsy miankina amin'ilay zana-tsoratra manaraka azy ve retsy izany ry pissoa?

Ny fanononana azy mitokana aloha dia haiko hoe avy amin'ny teny angilisy e! [Kei] fa tsy [Ka].:°)

Marina io ry Herimiafina ah! Ohatra hoe "sarokitika - ketaka - ketoka ...

15. prime ( 01/08/2006 11:51)
Ny fahalalàko azy htr@izay dia miankina @ zana-tsoratra raisiny rehefa ao anaty teny izy fa rehefa tononina manokana kosa dia lasa [kh], ka sady tsy [ka] no tsy [kei]... asa nefa aloha...:roll::D
16. xxx ( 01/08/2006 16:18)
Hoy i xxx:
fa amin'ny teny malagasy dia feo iray ihany ny [k] par opposition amin'ny [g] !

Izany ve Sao mifanohitra? (sa tsy azoko ilay hoe par opposition )

raha vao miova ny fomba fanaovanao an'ilay [k] dia automatiquement izy lasa [g], raha ny tokony ho izy ! izay ilay tiako ho lazaina amin'ilay par opposition. Betsaka zao ohatra ny olona miteny hoe :

[kanakana] raha ohatra ka [ganagana] no tiany ho lazaina na mifanohitra amin'izay !
17. pissoa ( 01/08/2006 16:37)
Hay ve e! Toa misy fahamarinany ny tenin'i xxx ka!

Fa tsy iny no tena nahalasa ny saiko no nahatonga ahy hoe sao mifanohitra. :-*
18. xxx ( 01/08/2006 17:02)

kaka ilay mpanao bolina brazilianina an!:-*:-*:-*:-*:-*
19. prime ( 02/08/2006 10:55)
:-D:-D:-D:-D
20. Herimiafina ( 05/08/2006 14:28)
Marina avokoa na ny [ganagana] na ny [kanakana] satria ny teny dia mivoatra ary misy ny fikarohana, mbola misy koa aza amin'izao ny miteny hoe [kanara], sns..:roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3894