Nahita ny tsy fahita. Rangahy nampiasa ody fitia, lasa nivoa

1. Fanja1 ( 24/07/2006 08:11)
Rehefa tsy nanaiky azy ilay tovovavy dia nitadiavany hevitra mihitsy kanjo nifototra tany aminy indray izany.

Tena nahita ny tsy fahita araka ny fitenenana tokoa ity rangahy ity, satria na dia efa manana ny tokantranony aza izy dia tsy nipetraka tamin’izany fa mbola nitady hafa tany ivelany ihany. Voalaza mantsy fa efa ela tokoa no nitsiriritany ity tovovavy ity, kanefa dia tsy azony mihitsy satria tsy nety nanaiky hiaraka aminy noho izy efa manam-bady.

Tsy nihonona tamin’izany anefa ny anao lahy fa vao mainka aza toa niredareda tao am-pony ny fitiavany ity tovovavy ity ka dia nitadiavany hevitra mihitsy mba hahazoany azy. Noho izany, nakany ody fitia ilay tovovavy mba hanekeny mora foana. Ny vadiny anefa amin’izany tsy mahalala na inona na inona ny amin’ity zavatra ataon-drangahy any ivelany ity akory.

Nivadika
Andro vitsy taty aoriana anefa, nitranga ny tsy nampoizina satria toa misy zavatra manainga ilay rangahy hivoaka alina tsotra izao. Toy ireny tsy mahatsiaro tena ireny mihitsy izy amin’izay fa sady miboridana no mihenjika eran’ny tanàna. Tamin’izany indrindra izy no nisy nahatsikaritra tampoka ka dia nifanenjehan’ny olona rehetra teo an-tanàna. Teo vao fantatra fa vokatry ny ody nampiasainy no nampivoaka alina azy.

Nivadika mantsy ny rasa ka ilay tovovavy nokaisaina ho azo dia tsy hita akory, fa izy indray aza no lasa nivoaka alina sady afa-baraka teo amin’ny fiarahamonina. Tamin’ny tanàna iray tsy dia lavitra ny renivohitra no nitrangan’izany vao tsy ela akory izay.

R.C
©Gazetiko
novalian'i Fiffi ny 04/08/2006 08:44
2. Fanja1 ( 24/07/2006 08:12)
aza mba mitady ny tsy an'i tena ihany::(
3. pissoa ( 24/07/2006 08:43)
Ninan-fatiny tsara izay kle :°)
4. lapino ( 24/07/2006 09:12)
Tokony hoe : nivoaka ny trano, niditra trano hafa, vao niboridana. Fa ny azy lasa hoe: niboridana, nivoaka ny trano ... Aiza no tsy henjehan'ny olona moa?

Kely sisa dia nety ilay ody fitia an'i razoky kle, ... Raha mba tany amin'ny dokotera spesialista izy no naka an'le izy dia tokony ho nety. Farafaharatsiny mba tsy nifamadika kely ny fiasany :wink:
5. sarobidy ( 24/07/2006 09:57)
ka tsy azoko oe nivoaka niboridana de haninona ?
6. texminetsal ( 24/07/2006 16:37)
sao dia zavatra hafa no nanenjehan'ny olona azy?
7. ainaheri ( 24/07/2006 16:39)
sarobidy>sao de mba ifanena @ lay sipa ko
8. cutie ( 24/07/2006 17:52)
:-D:-D:-D:-D:-D
9. arialy ( 24/07/2006 18:52)
pijoko voajoko zany ranamana koo
10. fens ( 24/07/2006 18:56)
akorinao zay! ataovy ihany ka!
11. mirana5 ( 25/07/2006 17:13)
Tsara ho an dRangaha zay, nitady tombony ka
12. mirana5 ( 25/07/2006 17:14)
natombony é, sakory zay Rabe a=D=D=D
13. xxx ( 25/07/2006 17:31)

tena misy kay zany ilay ody fitia an!!!
hummmmmmmmm, :P:P:P:P:P:P:P:P:P
14. pissoa ( 25/07/2006 17:50)
Hihihi, dia mitsiky ery i xxx fa tena misy ony ny ody fitia :roll::-D:-D:-D

lapino:
Kely sisa dia nety ilay ody fitia an'i razoky kle, ... Raha mba tany amin'ny dokotera spesialista izy no naka an'le izy dia tokony ho nety. Farafaharatsiny mba tsy nifamadika kely ny fiasany
Ngah elah efa nanandrana an'iny no siora be eo? :-w:-D:-D:-D
15. Herimiafina ( 25/07/2006 18:33)
Hono hoa ry ireto, ny fanomezana cadeau ve azo atao hoe ody fitia ihany koa? :roll::roll:
16. cutie ( 25/07/2006 19:11)
:-D:-D:-D:-D
17. Herimiafina ( 25/07/2006 19:35)
Ka amin'iny anie retsy ry cutie, "ny vola sy ny fotoana very nefa ny sipa tsy zaka akory e", le tsy manome cadeau azy no tiany! :roll::roll:
18. cutie ( 25/07/2006 19:55)
ataovy bdb le cadeau e :-D
19. Herimiafina ( 25/07/2006 20:17)
Kou raha tsy maniry otran'ny anana izy ity klé, sady fidifidina ihany ny omena azy ksoa fa tsy sipa tsy ho zaka mihintsy e! hehehehe=))
20. cutie ( 25/07/2006 20:20)
de tsyhahazaka mitsy zany :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8368