Toa mivarilavo ny fanabeazana olom-pirenena eto amintsika

1. rabaradaka ( 24/07/2006 06:35)
Raha mijery TV ianao dia mahita fa tsy ahitana endrim-panabeazana mihitsy fa lasa pub sy film ary horreur avokoa. Any an-dakilasy indray tsy mampita fahaiza-miaina intsony ramose sy madama fa dia ny lesona sy ny programa no enjehina. Eny anivon'ny fiaraha-monina dia tsatokantsy sy olona midaraboka mamo toaka no hitan'ny ankizy, any am-piangonana dia olana ara-bolan'ny fiangonana no mibahan-toerana. Dia inona no hitezaintsika ny zanatsika e ? Ireny voatanisa ireny ve ? Hany ka hita etsy sy eroa ny tsy fahalalam-pomban'ny tanora sy ny ankizy ankehitriny, misy aza zaza sahy mamely totohondry ny nahitany masoandro. Toa adinon'ny fitondrana izany e, fa variana amin'ny politika sy ny fitadiavana mpamatsy vola.
novalian'i Fiffi ny 04/08/2006 04:51
2. mandrindra ( 24/07/2006 08:04)
andraso eo ny fanjakana hanao ny zavatra rehetra an. ho tonga ho azy eo daholo izay ilaina fa azy mitady mihitsy.
3. hery ( 24/07/2006 08:08)
Marina fa manampy be dia be amin'ny fitaizana ny fiaraha-monina... fa ny raiamandreny no tompon'andraikitra voaohany.

Iza no andrasan'lah hitaiza ny zanak'elah eo e???
4. babalahy ( 24/07/2006 08:31)
Alohany hijery TV,jerevo aloha ny tenanao.
5. lapino ( 24/07/2006 09:25)
rabaradaka:
Toa mivarilavo ny fanabeazana olom-pirenena eto amintsika
Ka olom-pirenena daholo ihany no manabe ireo ka! I rabaradaka ohatra olom-pirenena. Sa diso aho? :wink:
6. soanja ( 24/07/2006 17:58)
Amin'izao aza vao manomboka ny fanabezana ny olom-pirenena ary tena iandreketan'ny Ministeran'ny Fampianarana izany, fa tsy henoko hoe nisy izany taloha. Mifohaza maraina dia henoy ny Radio RNM fa ho henonao aho ilay feo mahafinaritra isamaraina manome ny zanantsika sy isika ny torohevitra ho olom-banona sy olom-pirenena. Amin'ny 6h 30 maraina eo angamba izy iny fa aleo anontaniako indray sao diso aho. Ny Tele dia tsy mahasoa raha handaniana andro fa ny vaovao kosa dia ilaina.
7. xxx ( 24/07/2006 22:43)
Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina. Ohabolana 9:10

Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavana; kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona...ary amin'izay tsy ampy saina dia hoy izy: Mamy ny rano angalarina, ary fy ny mofo hanina amin'ny fiafenana, Ohabolana 9:13;16-17
8. soanja ( 25/07/2006 04:28)
soanja:

Amin'izao aza vao manomboka ny fanabezana ny olom-pirenena ary tena iandreketan'ny Ministeran'ny Fampianarana izany, fa tsy henoko hoe nisy izany taloha. Mifohaza maraina dia henoy ny Radio RNM fa ho henonao aho ilay feo mahafinaritra isamaraina manome ny zanantsika sy isika ny torohevitra ho olom-banona sy olom-pirenena. Amin'ny 6h 30 maraina eo angamba izy iny fa aleo anontaniako indray sao diso aho. Ny Tele dia tsy mahasoa raha handaniana andro fa ny vaovao kosa dia ilaina.


Diso aho fa isakin'ny Alatsinainy sy Talata ary alarobia ilay izy ka amin'ny 6:10 maraina ao amin'ny RNM no mandeha ny Fanabezam-bahoaka ho olom-pirenena vanona ka ny themes dia :Fitiavan-tanindrazana, Fianakaviana sy Ankohonana, Tontolo iaianana indrindra any an-tsekoly sy ny fahadiovany, Ny zon'ny ankizy sy ny olombelona, Fitondra-tena mendrika. Mino aho fa fanombohany io ary mahasoa tokoa ho an'ny zanantsika. Misy ny ezaka fa aza kivy.


9. sipagasy ( 25/07/2006 06:18)
wadrayyyyy, dia piho ny TV e! raha izany ny olana dia samia mandray ny andraikiny avy ny tsirairay e!!!, raha hainao fa tsy ho vitanao ny hanolokolo, sy hanabe ny zanakao dia aza manao e!!!!, hihih mampiasà fimailo hihihihi
10. kally ( 25/07/2006 14:17)
Fa ianareo marina ve baikon-java tsy miteny e? Raha ny tv no manembatsembana ny zanaka tsyho olom-banona, nahoana no tsy pihina tany? Matoa tsy voararanao tsy hijery tv ny zanakao dia ianao izany no tena misy olana voalohany.
11. rabaradaka ( 26/07/2006 06:36)
Oh zalahy e, fa tianareo hanahaka ny zanabazaha hitifitra an-dreniny na hilako ny rainy ve ny zanaka gasy e ? Nareo kosa angamba zany fa ny filazana hoe toa mivarilavo ny fitaizana dia lasa tsy mahalala fomba ny ankizy ankehitriny. Mba sahia ho'aho milaza ny tena izy sy manitsy ny tsy mety. Zay saina manafinkafina zay ihany no mahavoa antsika. Mba e !
12. dragon2madagascar ( 27/07/2006 08:08)
Topazo maso anie ito e!
http://dragon2madagascar.over-blog.com/5-archive-07-2006.html
13. soanava ( 27/07/2006 13:48)
Ny anahy no tena enjana eh!gasy petaka anefa tsy
manaja ray aman-dreny nomena fahafahana
dia izao no vokany manompa aza indaindray .Inona no vaha olana eh?Vonjeo fa namana
14. Herimiafina ( 27/07/2006 14:40)
Avereno taizana any anaty ala ny ankizy rehefa matahotra ny zava-misy ankehitriny e! :-D
15. MTN ( 28/07/2006 12:01)
:cry::cry:
marina izany rabaradaka, fa adinon'ialahy ny nilaza momba ny secte.
16. soanja ( 28/07/2006 13:55)
soanava:

Ny anahy no tena enjana eh!gasy petaka anefa tsy
manaja ray aman-dreny nomena fahafahana
dia izao no vokany manompa aza indaindray .Inona no vaha olana eh?Vonjeo fa namana


Toroy lalana ny zaza dieny mbola kely bilitika. Resaho izy inona no mety sy ny tsy mety. Atoroy aza raha misy porofo hoe izao no iafarana raha izao no atao. sns. Ento mivavaka tsy tapaka dia ny any manome azy fampianarana manaraka ny fiainana Kristianina. Ampidiro fikambanana isan-karazany indrindra any ampiangonana na Tily na zavatra manaraka disciplines ohatra Karate, Judo sns mba tsy ho verivery fotoana eny dia manaonao foana. Lazao azy ny niatombohanao sy inona avy ny lalana nalehanao , ny ezaka no ho tonga amin'izao misy azy izao. Hoy ny zameriloky hoe :" Teach them no take things for granted! but learn to appreciate".


17. Herimiafina ( 29/07/2006 12:35)
Ny fanabeazana no mivari-lavo sa ny olona no tia mivarilavo? :^)
18. xxx ( 29/07/2006 13:46)

ny olona mpanabe sy ireo olona be kihana tsy manome vahaolana no tena mivarolavo :wink::wink::wink::wink:
19. Herimiafina ( 29/07/2006 13:52)
Ka olona mivarilavo ve no henoina, aiza no tsy hivarilavo.

Ny olona raha hi-justifier ny zavatra ratsy fanaony amin'izao tena henjana mihintsy sady mahazo 20/20.

Sokirina daholo izao rehetra izao hitenenana fa ireny no naha-izao ny izao sy izao, ny tsy hainy dai ao anatiny izy! :^)
20. xxx ( 29/07/2006 13:55)

fa in moa no tena dikan'ilay mivarolavo e ?

mivarotra lavo ve ? :-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
tena tsy ampy zany fanabeazana novoiziko zany :-D:-D:-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3168