Momba ny hira miverimberina matetika @ radiovazogasy...

1. lemenakely ( 23/07/2006 15:28)
Mbà remarque hanatsaràna zavatra re ity ho an'ny mpandrindra ,tsy inona fa misy hira au moins 3 eo ho eo miverimberina matetika LOATRA!!! dia manjary mankaleony :FENO FITIA (Felaniary),misy ilay avy any SAMBAVA iny koa tsy tadidiko ilay artiste,dia misy hiran'i AMBONDRONA iray izay koa...
Tsy hoe tsy tia ny kanto malagasy akory sanatria fa raha miverimberina matetika loatra dia toy ny any @ cheval de bois sy ny kermesse dia vetivety koa dia lany manja ilay hira...
Tokony hanana PLAY-LIST ny mpandrindra ohatra dia raha misy mangataka ilay hira dia asiana laps na intervalle de temps de 2 h ohatra.
Par contre mbola maro ny artiste tsy manana hira mihintsy ao @ liste oh:BLACK JACK, MBININA,LEKY ,OSSY, NONOT ROBEL,..
Asa mety azo atao ve ohatra ny fiara-miasa @ artiste na ny olona manana ny hiran'ireo mpanakanto izay tsy ao @ liste ?

Izay fa dia tsikera inoako fa mba mety hanatsàra zavatra e.

novalian'i antso2005 ny 30/07/2006 04:50
2. lemenakely ( 23/07/2006 15:52)
NONO SAMBAVA dia tolapitron'Ambobe no titre ny an'ny AMBONDRONA no tsy tadidiko fa évangelique ilay hira ..:?::?:
3. sipagasy ( 23/07/2006 17:19)
mmhhh ka raha mba afaka omenao hira @ ireo tsy mbola misy izao ny radiontsika dia tsara annn,


ny mikasika ny hira mandeha indray dia io kosa dia isika mpihaino anie no mandahatra hira ao e! hihihi izaho aloha dia anisan'ny ilay mpamerina hira e! rehefa tiako na im10 aza tsy mampaninona ahy hihihi, mba mandahara dia hitanao ny fandehany ao e!

mahazahoa fahafinaretana hatrany eo am-pihainoana e!!!!
4. vale ( 23/07/2006 18:12)
ooops, mitovy eritreritra @ i Lemenakely koa aho,,,,,dia ny ahy koa izao ny hiran'ny Fascination sy Stenny :)mba Hiriako ho tonga ao amin'ny RVG!:wink:
5. antso2005 ( 23/07/2006 22:59)
Miombon-kevitra @ lemenakely aho. Ny tena raharaha raha toa ny mpandahatra hira ao tsy mitovy gout aminao mihitsy dia tena lasa mifaninana mandefa ny hirany fotsiny eo.
Tokony hisy playlist araka ny voalazanao ary tokony hisy fotona hoe ny mpiaino no mifidy ny hira (adin'ny efatra isan'andro ohatra).
Tsara koa raha misy fandaharam-potona e, ohatra hoe andronay @ 4 ka hatramin'ny 5 natokana ho an'ny kalon'ny fahiny, @ 7 ka hatramin'ny 8 rock etsetra...
6. sipagasy ( 24/07/2006 04:49)
mmhhh, dia manentana ny rehetra handefa izay hira tsy mbola ao @ playlisten'ny radiovazogasy izany mba handefa any e!


misy dia misy tokoa ny playliste ao @ radiovazogasy izay ahafahanao mifidy hira e!
7. vale ( 25/07/2006 08:58)
ary raha hasiana fotoana koa ohatra ho an\'ny hira miendrika \" chorale\" ireny?! ohatra isakiny Alahady, na @ alina ohatra mba mandrotsirotsy sady vavaka alohany hatoriana:^) fa ohatry ny hafahafa be lay mihaino hira mihetsiketsika be dia arahiny chorale avy eo:°):-D:-D:-D:wink:
8. antso2005 ( 30/07/2006 04:50)
:idea: miombon-kevitra 100%.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1641