Fotoanany courgettes izao

1. Rafotsy ( 21/07/2006 16:00)
Manao ahoana daholo indray !
Ity omeko recette courgettes farcies :
- courgettes izay tiana ary sasana 2 sens longueur dia esorina @ sotrokely ilay pulpe ao anatiny dia teteina madinika
- voatabia 3 teteina madinika
- poivron 1 ( na mena na maintso ) teteina madinika koa !- steak haché 400 na 500g eo ( ny ahy compter ko 100g isan'olona .
- tongolo oignon lehibe 1 na 2 antonotonony!
- 5 tongolo lay haché !
- vary 2 verres
- atody 2
- huile d'olive 2 sotro!
bouillon de boeuf , sira sy poivre
Afangaro daholo ireo rehetra ireo , dia fenoina ilay farces ny courgettes , atao anaty plat dia asina ilay bouillon de boeuf dia atsofoka lafore à 180° mandritra ny 2h eo ! Tondrana matetitetika @ bouillon ireo cougettes !
Ny ahy préparer ko ny maraina dia ampiarako @ salady ho sakafo hariva ! Na manatsika na rechauffer na kely

Dia bon app daholo

novalian'i Rafotsy ny 04/08/2006 17:39
2. unjila ( 21/07/2006 17:33)
slt de aoana le vary aloky ve sa izy manta iny no afangaro
3. Rafotsy ( 21/07/2006 18:46)
unjila:

slt de aoana le vary aloky ve sa izy manta iny no afangaro


Vary manta iny no afangaro , ary asina papier alu rehefa afa adiny iray eo mba tsy ho may loatra ny vary eo abony ary rarafana bouillon matetika !
4. vale ( 22/07/2006 06:06)
Merci rafotsy tam re7 a, fa @ fotoana inona kay no hamonosana azy papier alu? satria rehefa voafono mantsy dia toa tsy hiety tondrana intsony! :wink:saotra!
5. Rafotsy ( 22/07/2006 07:04)
Rehefa hita fa mendimendy tsara ny eo ambony dia saromana papier alu mba hamasaka tsara ny vary rehetra e ! Azo esorina tsara ilay alu satria sahala ny rakotra fotsiny e , ary aza adino ny manondraka matetika mba ho masaka tsara ny vary sy ny courgette ! tsy misy saotra e !
6. adidy ( 22/07/2006 07:05)
Ny ahy ny tiako @ courgette iny dia izy mikarepoka dia afangaroko @ henakisoa manify atao wok izany miaraka @ karoty, pousse de soja, chou fleur, brocoli
7. Rafotsy ( 22/07/2006 07:54)
Ny ahy koa matetika ataoko fangarona pates miaraka @ voatabia , oignons , ail sy huile d'olive !
Betsaka ny azo atao @ courgettes !
8. Mifenty ( 22/07/2006 08:15)


faly ery ny sipa rehatra fa miakatra ny courgette le


:-D:-D:-D


isy concours na courgette ndray ngamba ato ato le
9. xxx ( 22/07/2006 10:06)
Mbola periode de vacances zao ka miarafaly @ fianakaviana ny sipa fa hafa ndray raha tsy vacances ny ankilany hihihi!!!!
10. mignone ( 23/07/2006 18:17)
andrahoina ilay courgettes dia mixena miaraka vache qui rit koa tsara an :miam::miam:
11. booboo ( 24/07/2006 07:50)
gâteau au courgettes ( 4 pers.)

-courgettes 1.5 kg
-dobera 40 g
-menaka 2 sotro
-lafarinina 2 sotro
-fromage râpé 75g
-fromage blanc 200 g
-atody 3
-ciboulette sy zay bozaka tianao hafa hihihihi
-sira sy dipoavatra


1-Rehefa voavofy ny courgettes dia tetihina kiboribory manify ary endasina anaty lapoaly misy menaka kely.

2-Avela hangatsitsiaka kely dia atao sahala @ purée ( @ fourchette na presse-purée no malaky kokoa )

3-Maka vilany kely na casserole dia atsonika tao ilay dobera avy teo ny lafarinina.
Atao zay ahazoana " roux, sans cesser de tourner " dia arotsaka tao ilay courgettes avy teo.
Asiana sira sy dipoavatra @ zay.

4-Afangaro miraka tao @ io courgette + roux ( io ambony io ) ny fromage blanc, ny atody efa voakapoka, fromage râpé, ny bozaka isa-karazany ary ilay menaka 2 sotro.
Afangaro tsara.

5-Beurrer-na kely ny moule à tarte dia arotsaka tao ilay raha teo ( cf 4- ).
Masaka izy afaka 25 na 30 min eo ho eo dia ny fataoko th 6 na 7 ( four chaud fotsiny ouz ilay boky dia nataoko ohatra ny fanaovako tarte ihany ny température :/ ).
12. booboo ( 24/07/2006 08:06)
Ity koa courgettes farcies ihany fa au thon ndray.

-courgettes 4
-thon au naturel 200g
-oignon 1
-vary efa masaka 100 g eo ho eo
-persil haché 1 sotro
-sira sy dipoavatra
-sauce tomate.


1-Rehefa voasasa ny courgettes dia zaraina 2 manaraka ny halavany ary esorina ny " chair " -ny ( aza ariana fa ilaina ).
Atao ohatra lakana reny e ! hihihihi tsy haiko manazava azy fa atao misy hodiny matevitevina kely mijanona fotsiny sady tsy goaka.
Asiana sira sy dipoavatra ilay lakana dia atokana.

2-Endasina anaty menaka mafana ny oignon efa voatetika sy ilay thon.
Arotsaka tao ilay vary miaraka @ chair-n'ireo courgettes voatetika madinika ( cf 1- ) ary ny persil.
Siraina sy asiana dipoavatra dia afangaroina tsara aby ny raha.

3-Atao anatin'ilay lakana avy teo zay rehetra zay( cf 2- )

4-Atao anaty plat refractaire zareo dia araraka eo amboniny @ zay ilay sauce tomate.

5- Atao malefaka ny température ( th 3 fataoko fa tsy haiko hoe th firy moa zany four doux zany :/ ). Dia 30 min à 45 min dia vita.

6-Izy mbola vao mafana iny no aroso dia bôn bôna aby.
13. Mifenty ( 24/07/2006 12:25)


alefaso ry booboo le courgette au dentifrice ah


le fanao any an dasy hihih
14. booboo ( 24/07/2006 13:07)
:lol:
15. adidy ( 24/07/2006 20:29)
Rehefa atao anaty lafaoro ve asiana rano kely ny plat sa ahoana?
16. vale ( 24/07/2006 20:46)
Rafotsy:

Rehefa hita fa mendimendy tsara ny eo ambony dia saromana papier alu mba hamasaka tsara ny vary rehetra e ! Azo esorina tsara ilay alu satria sahala ny rakotra fotsiny e , ary aza adino ny manondraka matetika mba ho masaka tsara ny vary sy ny courgette ! tsy misy saotra e !
Rafotsy: ok!! azoko @zay:), noheveriko fa fonosina tsirairay manko ê! hihihi!:wink::-*:-*


17. vale ( 24/07/2006 20:49)
Rafotsy:

Ny ahy koa matetika ataoko fangarona pates miaraka @ voatabia , oignons , ail sy huile d'olive !
Betsaka ny azo atao @ courgettes !
ié, miam miam be io Rafotsy an!!:wink::miam::miam:


18. vale ( 24/07/2006 20:56)
booboo: saotra akia t@ le gateaux ê:-*:wink:
19. Rafotsy ( 25/07/2006 07:42)
adidy:

Rehefa atao anaty lafaoro ve asiana rano kely ny plat sa ahoana?


Ny ahy aloha asiko ilay bouillon de légumes na boeuf na sauce tomates satria tsy dia tiany ato an trano raha vao matsakotsako ilay courgettes .
20. isrine ( 01/08/2006 12:00)
Ny fanaovako ny farci indray de toy izao.
- potik'hena 150 g
- vary 1/2 vera ( alonako @ rano mafana eo @ 10 mn eo)
- voatabia 2, ny 1 atao @ farci, ny 1 ao anaty vilany. voasana sy tetehina manify sy madinika ilay atao @ farci. ny atao anaty vilany tsy maninona na tsy dia manify aza.
- menaka 4 sotro.
- sira, poivre.
- anesorana kely ny lohan'ny courgette alohan'ny analana ny atiny de ireny arotsaka anaty vilany miaraka @ voatabia. cougette 1kg salatsalany no ampiasaina. Asiana rano mandrakotra azy avy eo, ary 20-25 mn aorian'ny nangotrahany de ampy hahamasaka azy satria ny vary efa nalona t@ rano mafana, sady @ izay tsy mipasaka ny courgette. De rehefa manesika ny courgette de tsy atao feno be fa amelana eo @ 1 cm eo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.524