Sakafo tsy misy hena

1. soanja ( 20/07/2006 12:21)
Sao mba misy afaka manome havitra ahy amin'ny karazan-doka tsy misy hena (sakafo Malagasy). Ankoatran'ny trondro. Misaotra mialoha.
novalian'i soanja ny 01/08/2006 03:36
2. cutie ( 20/07/2006 12:46)
legumes
tsaramaso
3. miantra ( 20/07/2006 12:55)
lasary gasy (karaoty,laisoa ....)+
Ravitoto andrahoina @ coco tsy voatery asiana hena ;
ro-patsa sy ovy koa tsy voatery asiana hena fa atao somary betsaka ny patsamena vototo :miam:

4. booboo ( 20/07/2006 13:00)
vary @ anana ( sa tsy mety @ raha tadidiavin'i Soanja ? )
5. nenipita ( 20/07/2006 13:01)
sofilera + atody +toto-kena
- Andrahoana mitokana ho masaka tsara ny choux
- kapohina hitombo tsara ny atody
- andrahona tsy asina menaka na rano tsy asina inona inona izany ny totokena rehefa hita fa maina sy miparasaka tsara izy dia masaka ary esorina ambony afo
- tetehina ny voatabia sy tongolo miar&aka amin'ireo hanitra isan-karazany
- afangaro mitokana ny choux efa notsihifina ny ranony sy ny atody
- avela hilona ao anaty atody 1 mn eo ho eo ny choux
- endasina amin'izay ny voatabia sy ny namany tetsy ambony
- arotsaka ao amin'io ny choux efa nilona atody
- tsy asina rano mihintsy an,
aroso vao mafana atao lôka , somary manao ro matsatso kely indry hampiarahana aminy, andramo fa tena tsara io an, lasa manampy vary ihany injy amin'io e, mazotoa homana akia
6. Herimiafina ( 20/07/2006 13:02)
Raha vegetarienne i Sonaja dia ny salade no atao tena milay, betsaka ny karazana salady. asiana katsara doux sy tsaramaso.

Raha vegetalienne indray izany heo mihinana atody dai ny salade macedoine misy mayonnaise no tena favy, hummm.
7. nenipita ( 20/07/2006 13:05)
ie, iaho koa efa nanao io salade macedoine misy mayonnaise io fa tena tsara be somary asiana mortadelle voatetika kely an ,MMMMMMMMMMMMMMMm, miam, miam, tendakanina be
8. cutie ( 20/07/2006 13:07)
nenipitia, efa we tsy asiana hena:-D
9. nenipita ( 20/07/2006 13:41)
hay toko moa, azafady marina e,
10. pissoa ( 20/07/2006 13:41)
Tsaramaso lena sy ravim-bomanga no tiako be rehefa tsy asiana hena. Atao malemy tsara dia asiana sakamalaho :miam::miam::miam:

Tsara koa an, tsiasisa dia asiany saosy (voatabia + tongolo + karaoty norapena) :miam: (taty aho vao nihinana)
11. Herimiafina ( 20/07/2006 13:58)
izay aho vao nahita joba mirevy bala be klé.
tsy baomba be foana ve any amianreo ry pissoa? hehehe:-D
12. mokonazy ( 20/07/2006 15:24)
Tsonjo v tsy tian njy e
13. Herimiafina ( 20/07/2006 15:32)
Krevety koa bonne de kraby de moule de houitra, de asiana algue kelym, favy an! :-D
14. soanja ( 20/07/2006 18:31)
Zah tia trondro be mihitsy. Misaotra betsaka antsika rehetra fa misy hodinihina io. Recettes moa no tena tadiaviko fa ny karazan-tsakafo efa harako ihany. Fa ilay fahandro maha gasigasy no mba mamiko e.
Ohatra hoe sao mba misy mahafantatra ny fandrahoana ilay katsaka ohatra ny voatototo amidy amin'ny fonony na fono-katsaka ka asa na andrahoana bain marie le izy sa ahoana. Tsy koba akory fa ohatran'ny matevitevina ireny. Eny amin'ny lalana mankany Antsirabe-Ambatofotsy gara no mivarotra azy rehefa any Dago. Zah mba te hahandro mofo po-tsatroka. Baranjely amin'ny tsy haiko ohatra sns. Misaotra betsaka o.
15. fijo ( 20/07/2006 19:01)
ny voamaina rehetra dia tsy mila hena fa hafaka ny handeha irery.
16. ftma ( 20/07/2006 20:28)
haricot vert sy atody,
anana ritra aisana menaka,
ravitoto sy voanjo nototoina,
17. nambina ( 20/07/2006 20:40)
couscous koa k, hasina legumes toy ny karoty, petit pois, poivrons, hmmmm
18. pissoa ( 21/07/2006 06:18)
ftma:
haricot vert sy atody,
anana ritra aisana menaka,
ravitoto sy voanjo nototoina,

miam be daholo reo :miam::miam::miam:
19. dailynews ( 24/07/2006 18:19)
soanja a, hitako fa mipetraka ao US ndry noho izany dia mora amindry ny mahita ity karazana sakafo lazaiko ity, izao aky a, ndry angaha tsy tia mihinana ireny "tofu " ireny? azo atao solonkena izy ireny anie e, eny amin ny mpivarotra asiatika aky a, eny fa na dia ny mpivarotra sakafo ngeza aza dia ahitana izy ireny daholo. dia soloy io fotsiny ny hena dia efa basy dia ampiarao ami ny legioma izay tiandry. miam miam be aky a
20. soanja ( 25/07/2006 02:05)
dailynews:

soanja a, hitako fa mipetraka ao US ndry noho izany dia mora amindry ny mahita ity karazana sakafo lazaiko ity, izao aky a, ndry angaha tsy tia mihinana ireny "tofu " ireny? azo atao solonkena izy ireny anie e, eny amin ny mpivarotra asiatika aky a, eny fa na dia ny mpivarotra sakafo ngeza aza dia ahitana izy ireny daholo. dia soloy io fotsiny ny hena dia efa basy dia ampiarao ami ny legioma izay tiandry. miam miam be aky a


Misaotra an'i Dailynews. Tena io mihitsy no tena sakafo matetika ka, satria raha tsy mihinana an'io dia tsy ho ampy protein sy calcium mihitsy aho satria zah koa mantsy tsy tia sakafo vita amin'ny ronono. Ny olako fotsiny dia tsy mba haiko ny manao marinade na sauce hafa amin'izy io fa dia ilay soy sauce foana dia farany aho leo. Ary sao mba fantatry Dailynews ny mety ho sauce tsara azo afangaro aminy dia avy eo asiana legioma. Misaotra o.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2954