Jesosy dia siantifika

1. Solitikabe ( 18/07/2006 21:16)
'Sambatra ny mahantra am-panahy, fa izy ireo no handova ny tany"
Moa tsy efa ho tanteraka va izany. Izay tia karokaro no handova ny tany. Raha tena tanteraka tokoa mantsy ny fikarohana mikasika ny meristema sela, dia mety tsy ho faty intsony ny olona, na haharitra ela. Ka io no tsy tian'ny mpitarika Kristianina sasany, satria mety tsy hino ny fisian'ny paradasy intsony ny olona.
Omeo ny hevitrao, mikasika io an-dalam-panadihadiana io
novalian'i prime ny 01/08/2006 11:13
2. Lalah ( 18/07/2006 22:18)
Inona indray ty lazainao ry Solitika be? za tsy manana hevitra fa omeo:roll::roll::roll::roll::roll::roll::roll::roll:
3. LazaDaddy ( 19/07/2006 02:43)
Jesosy dia siantifika
Jesoa dia ambony sy mihoatra lavitra noho ny siantifika :)
4. xxx ( 19/07/2006 05:53)
Clap clap clap Daddy :)

Solitikabe, angaha mahantra am-panahy = tia karokaroka :roll:

Solitikabe:
Moa tsy efa ho tanteraka va izany. Izay tia karokaro no handova ny tany. Raha tena tanteraka tokoa mantsy ny fikarohana mikasika ny meristema sela, dia mety tsy ho faty intsony ny olona, na haharitra ela.Ka io no tsy tian'ny mpitarika Kristianina sasany, satria mety tsy hino ny fisian'ny paradasy intsony ny olona.

Ny siansa ihany no mitsipaka an'io voalohany ... Raha mbola eo ampikarohana an'io teneninao io fotsiny ny mpikaroka ny momba ny sela, ny fizisista kosa efa niteny hoe misy farany ony ny "univers" (univers amin'ny famaritany azy io, fa tafiditra ao ny tany). ;)
5. LazaDaddy ( 19/07/2006 11:13)
xxx> Jesoa omena tehaka sy voninahitra fa Izy no Mpanjakan'ny mpanjaka.

Za mantsy siantifika fotsiny ka voafetra ihany ny fisainako ary sasatry ny mikaroka raha tsy Izy no mitahy sy momba. hahaha!
6. soanja ( 19/07/2006 11:31)
Ny siansa sy ny fahaizana tongalafatra na tsia sns rehetra dia avy amin'Andriamanitra daholo no nanome izany. Azy ny voninahitra.
Mampiasa ny nomeny fotsiny isika ary anjarantsika tsirairay avy ny mifidy ny hampiasa izany na amin'ny tsara na amin'ny ratsy.
Solitika be , aza gaga amin'ny fahaizan-dRaolombelona ianao fa izy akory tsy ho Andriamanitra mihitsy mandrakizay.
7. lapino ( 19/07/2006 11:55)
Jesosy dia siantifika

Maivana be izany siantifika izany raha hilazana Azy!

Raha tena tanteraka tokoa mantsy ny fikarohana mikasika ny meristema sela, dia mety tsy ho faty intsony ny olona,
Mba hazavao kely hoe fa zay tsy maharaka e? :wink:
8. xxx ( 19/07/2006 12:23)
Manasa alou tare fa mi*solitikabe*. hahaha!!
9. cutie ( 19/07/2006 12:45)
:-D:-D:-D
10. Achia ( 19/07/2006 18:54)
:@:@:@
11. Herimiafina ( 20/07/2006 13:42)
Ny fikarohana mikasika ny meristema sela dai fijerena manokana ny composition ny ADN sy ny ARNm sy ARN, ary ny ribosomes izy handinihana ny misiterin'ny fahafatesan,ny sela any amin,ny olombelona ka mahatonga ny fahanterana sy ny fahafatesana.
Ny fi-retarder-na azy no efa hita saingy ny fanafoanana ny antsoina hoe information genetique mahatonga ny degenerescence Valerienne (isan'ny sela maty isan'andro ao amin,ny atidoha sy ny nerfs, sns) no mbola tsy hita.

Saingy ny maha-Andriamanitra tsy any velively na voasoritra o anatin'io domaine io ihany. Izay midika fa Mbola ambony lavitra noho izany Andriamanitra, dia i jesoa Kristy.

Ny olombelona mantsy manao ny tenany ho Andriamanitra, mifaninana Aminy ankelhitriny. Ny tena marian anefa dai ny mahay indrindra amin,ny olombelona miaiky avokoa bny fisian'Andriamanitra fa ireo dondrona mbola tsy mahavita akory na ny mamelona ny tenany sy ny manodidina, ny mifankatia amin'ny mpiarabelona aminy ihany no mitonontena ho andriamanitra e! :roll:

"tsy hainao akory na ny mihavana amin'ny mpifanolobodirindrina aminao dia milaza tena ho andriamanitra ianao" hehehehe:-D
12. Herimiafina ( 20/07/2006 13:44)
NB: Tsy miteny namana ato velively aho, fa kosa miteny ireo akama mifanerasera amin,ny sehatry ny fikarohana izay manampikasana ny hamorona planeta terra vaovao ha ha ha ha
13. lapino ( 20/07/2006 21:40)
Eritrereto ange hoe tafavoaka ilay fikarohana, dia afaka manalava andro hiainana ny olona ... Izay manam-bola ihany no afaka hanao highlander eo.

Eritrereto koa ange hoe ny olona rehetra samy hanao MacLeod daholo ny olona ... ko tsy loza?!!
==> Tsy retirety i Zidane ohatra an'zay, fa suspendu match 3
==> Tsy hiova mihitsy ny prezida ho an'ny sasany
==> Tsy ho afaka hivoatra mihitsy ny tanora fa mbola tazonin'ny antitra daholo ny toerana

==> Taux de mortalité = 0, taux de natalité = miakatra (sady mihemotra koa ny monopause tsinona).
==> mitombo ny filana angovo sy vokatra indostrialy ==> miakatra ny fandotoana tontolo iainana
==> tsy ho ampy intsony ny tany hambolena hanina ho an'ireo ==> hihinakinam-poana

Noho izay rehetra rehetra izay ==> Ady ==> fahafatesana ==> ...

Asa, iza no hino, iza no tsy hino ny paradisa amin'izany. (Fa inona marina koa ary no atao hoe paradisa amin'ny olona ?)
14. prime ( 21/07/2006 10:09)
Tsy tazana intsony indray sltkb, misaotra an'i Herimiafina nanome fanazavàna... Mbola betsaka tokoa ny manonofinofy foana an!!!!:-D
15. rtltsiry ( 27/07/2006 11:52)
zavatra tsy ho possible mandrakizay ny aitan'ny olombelona ny fanafodin'ny fahafatesana na mihevitra ho aiz sy mavit inon ny amerikana ten ts mis dikan ary mb ts ilazak fa to ts mis ny fahaizzan'ol manoloan an'Andriamanitra.mba vakio mo ny Isaia 40,41;Salamo 8 fa tsy misy afak midify ny fahafatesana n'inon2 zava-boary eto.Fa zao aza manantena anzany fa sô taraiky eo fa mibebaha dieny izao!!!!!!
16. Solitikabe ( 28/07/2006 01:58)
Misaotra anareo rehetra, fa ny tiako hanontaniana fotsiny dia hoe inona no tsy dia itiavan'ny Kristianina an'ity fikarohana iray ity? Sarotra mantsy ny hahatanteraka ilay hoe "Fandovana ny tany raha tsy misy fikarohana tahaka itony"
Sa dia hihato amin'ny fahagagana lava eto isika. Io fahagagana io aloha mbola tsara marihana, satria misy olona mandalo eto Madagasikara amin'izao milaza fa mpahay fahagagana ary, manasitrana: Toa fanadalana fotsiny nefa inoan'ny fiangonana. Mba heritrereto ary hoe mahay fahagagana marina io olona io. Dia nahoana no tsy sitrana ireny voan'ny SIDA rehetra ireny. Nefa ireny dia mivadika lasa tena tia an'Atra mihintsy.
17. xxx ( 28/07/2006 05:34)
Sa dia hihato amin'ny fahagagana lava eto isika. Io fahagagana io aloha mbola tsara marihana, satria misy olona mandalo eto Madagasikara amin'izao milaza fa mpahay fahagagana ary, manasitrana: Toa fanadalana fotsiny nefa inoan'ny fiangonana. Mba heritrereto ary hoe mahay fahagagana marina io olona io. Dia nahoana no tsy sitrana ireny voan'ny SIDA rehetra ireny.

Andriamanitra dia tsy eo mba hanao ny sitrapontsika, fa isika no tokony hanao ny sitrapony. Fa maninona moa Andriamanitra no tiana hanao fahagagana amin'ny SIDA - nefa efa hatrany amboalohany izy no nanome ny fiarovana amin'io fa ny olona no tsy nihaino azy?
18. xxx ( 28/07/2006 05:37)
Misaotra anareo rehetra, fa ny tiako hanontaniana fotsiny dia hoe inona no tsy dia itiavan'ny Kristianina an'ity fikarohana iray ity? Sarotra mantsy ny hahatanteraka ilay hoe "Fandovana ny tany raha tsy misy fikarohana tahaka itony"
Ianao ve no mamaritra ilay hoe "Fandovana ny tany" sa Andriamanitra niteny Azy? Sao fehezinao be loatra ny tian'Andriamanitra ambara.
19. Solitikabe ( 29/07/2006 02:04)
Tany am-boalohany taiza izy ry XXX no niteny? Raha ny tany am-boalohany mantsy dia hoe "Mitera ary mameno ny tany". Asa mety diso aho an.
Ny hoe fandovana ny tany dia ny Kristy no niteny an'io fa mety tsy marina angamba ny baiboly novakiako sa ahoana?
Ahahahahahahahahha
20. lapino ( 29/07/2006 07:28)
Solitikabe:

'Sambatra ny mahantra am-panahy, fa izy ireo no handova ny tany"
Tsia, diso io ka! Ity no izy:
Matio 5:3 Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.
"malahelo am-panahy" = "mahantra am-panahy" amin'ny baiboly protestà sy katolika.

Koa satria diso io, dia tsy mitombina daholo izany ny tenin'i Solitikabe :
Solitikabe:
Moa tsy efa ho tanteraka va izany. Izay tia karokaro no handova ny tany ....


Fa ny voasoratra fa handova ny tany dia:
Matio 5:5 Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova no tany (Sal.37.11).

Misaotra anareo rehetra, fa ny tiako hanontaniana fotsiny dia hoe inona no tsy dia itiavan'ny Kristianina an'ity fikarohana iray ity?
Kristiana iza moa no tsy tia fikarohana siantifika?
Sarotra mantsy ny hahatanteraka ilay hoe "Fandovana ny tany raha tsy misy fikarohana tahaka itony"
Fa io irery ihany ve aloha no lalana mety hahatanteraka an'izany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3534