Ny hiafaran'ny Fanahy

41. rakaroka ( 29/07/2006 12:47)
'za no diso ka! raha arahina ara-bakiteny tokoa ny baiboly dia tsy mi-conseil koa izy hoe manaova verre tournant a! En fait be ny zavatra tsy évident na ao anaty Baiboly na eto an-tany fa nomen'Atra saina mikaroka koa anie aho dé izay no mahatonga ahy
curieuse angamba.... Fa mahafinaritra ahy i Soanja manao Yoga dé manao Danse izany, 'za indray mitendry gitara, nanao yoga koa aho teo aloha, dia manaraka sakafo ayurveda izao, manambady ol tsy mitovy na firazanana fa fiaina sns aho dia be dé bBbe ho azy ny synthèse de vie teraka noho izany.
42. soanja ( 01/08/2006 04:04)
Mahafinaritra izany Rakaroka. Betsaka ny olona tsy mitovy fomba fijery amiko na dia samy mpino aza. Amiko dia "Manomboka ety an-tany ny paradisa" zany hoe: Katsaho Andriamanitra amin'izay momba anao rehetra ary fenoy fitiavana ny tany (Peace)fa raha ampitiavana ny anaovanao ny zava-drehetra dia hilamina ny saina sy hanaraka ny Fanahy satria tsy hanao ratsy ny hafa mihitsy ianao nefa koa manome fahafaham-po ny tenanao. Amin'izay dia eo anivontsika Andriamanitra.
Mampalahelo ahy tokoa ny mahita ny Tempolin'Andriamanitra (ny vantantsika) simbaina amin'ny toaka, sigara, zavamahadomelina sy ny sakafo tsy misy fetrany sns. Mivavaka ho an'ireny olona ireny aho mba ho indray andro any mba hisokatra ny masony dia hanaja ny vatany izy.
Ny Dihy sy ny Mozika dia isan'ny tsapa (senses) nomen'Andriamanitra hiderana sy amoahana ny hafaliana ny momba azy. Faly tokoa aho raha afaka handihy ny hiran'ny gitara-nao indray andro any. :-*:-*
43. prime ( 01/08/2006 08:23)
Tsotra ny lazain'ny baiboly fa diso mihitsy ny fandraisanareo azy... Tsy manana anjara ny @ izao fiainana hitan'ny masontsika izao intsony ny maty sy ny fanahiny fa miandry ny andro iantsoana azy sisa... Mazava mihitsy ny tenin'ny soratra masina mikasika ny fanahy marobe mieloelo ety an-tany, tsy fanahin'ny olona izany ireny fa karazana "fanahy ratsy eny @ rivotra" Mbola misy karazana fanahy hafa koa ny any @ rano, ny any ambanin'ny tany... Misandoka, miseho @ endrika maro ary mahavita fahagagàna mihitsy aza ary mamitaka... Tany @ toby fifohazana iray tsy lazaiko eto no efa nisehoana vatana an'i Jesosy, fa vao notononina t@ anaran'i Jesosy Kristy, ilay manan-kery avy any Nazareta dia nanjavona tsy niverina intsony... Ny herin'ny maizina tena misy ary tsy takatry ny sain'olombelona ny hafetseny ka izay no tokony iambenan'ny mpino...
Mikasika ny Fanahy Masina dia miangavy aho aza tenenina ratsy ka ampitoviana @ izay fanahy sandoka rehetra io fa tena loza izany... Ny Fanahy Masina dia Andriamanitra miasa @ olombelona izay mendrika sy mangataka izany ihany, fa tsy ho an'ny olona rehetra na ny mpino rehetra tsy akory...
Hatreo aloha...
44. rakaroka ( 02/08/2006 21:17)
Raha araka ny firesaky ny mpandinika ny baiboly sasany tamiko dia nisy contexte nisiany indraindray no nanoratana ny toko sy andininy sasany ao @ baiboly, ary na i Jesoa aza nanitsy mazava hoe voasoratra hoe... fa izao no izy...tsy itompoana teny fantatra @ soratra fotsiny fa @ fiheverana misimisy kokoa ny fiainana! Ka izay no maha-délicat ny resaka satria misy ireo karazana olo-masina,ohatra masim-bavy Maria, raha antsoina hitahy izy dé inoana fa manana ny pouvoir mitahy fa ny anjely ohatra no irahiny manao ny asa.
Tahaka izany koa anie i Jesoa e, teto an-tany izy no nivavaka dé possible tsara mihitsy hoe ny anjely miendrika fanahy no nanampy azy.
Sady izay tsy hoe rehefa manao fahagagana ka tsy Jesoa dé tsy izy daholo.
Amiko possible mihitsy hoe misy olona manasitrana
tahaka an'i Jesoa @ androntsika izao ary araka an'Atra mihitsy! tsy hoe fiandrandra-pahagagana fa
normal hoe misy marary mila sitranina.
45. soanja ( 03/08/2006 02:24)
Amiko aloha dia betsaka tsy azo vinaniana akory ny asa vitan'ny Fanahy Masina amintsika olombelona. Fanasitranana, fahagagana sns. Ary tahak'izany koa ny asan'ny Satana amintsika olombelona: afaka manasitrana sy manao fahagagana be dia be koa. Ny herin'ny vavaka no afantarana ny mahasamihafa azy, ka raha toa ka tsy misy fivavahana ny fisian'ny fahagagana fa mora azo sy vetivety dia ahitana fahagagana dia tokony hametraka fanontaniana ihany ilay mandray izany fahasoavana izany.
46. prime ( 07/08/2006 11:03)
E!e!e! fampianaram-pinoana indray no entina eto... ny masina (na iza io na iza) tsy mitahy izany... fa misy fanahy mpamitaka ao mamatotra... raha mitahy ny masina aleo mba ny razan'ny tena no ivavahana fa tsy izao razam-bahiny rehetra izao... nefa rehefa jerena ny fiainan'ireny olona ireny koa tsy dia hoe masina nanao ahoana fa ohatr'ahy sy ianao ihany, mbola solaka sy nandika ny tenin'Andriamanitra ihany na dia efa mpino aza...
47. rakaroka ( 08/08/2006 06:20)
Ka i Prime tsinona tsy nandray ny fitahian'izany dia tsy mahatsapa ilay izy fa izaho miaina izao aza mahatsapa hoe metimety ny fiainako grace à mes parents et proche izay momba ahy izany. Ary misy vazaha miteny aza hoe ny tsy mahampety ny fiainany dia satria tia ozonin'ny reniny foana izy....
Izaho indray aloha tsy afaka mitompo teny fantatra toa an'i Prime et sincérement misy ol marobe nitady fanasitranana tetsy sy teroa. Ohatra iray t@ ireny i
Nenilava 'zay nahasitrana ol maro tokoa. Ianao sy ny fivavahanao anefa tetsy ankilany toa tsy hitan'ireny ol ireny nidododoana akory,ary raha nolazain'ny baiboly fa raha ianareo no jiro nahoana no miafina any ambany vata famarana aza. Marary ve ny ol maro, tsy izay ahasitrana azy no ataony,sady mivavaka izao anie ireny ol ireny na tsy parfait aza tsy maninona ka! Fiheverako ohatran'ny hoe manaja ny rainao sy ny reninao mba...misy antana-tohatra possible angamba ary raha ny marina aloha tsy domaine-tsika angamba ilay izy fa ny miatrika sy mandavorary ny fiainana
an-tany no anjarantsika!
48. prime ( 08/08/2006 13:01)
Mba vakio anie raha manam-potoana kely ianareo azafady e!
Lioka 16:14-31
Matio 12:31
Izaho tsy niteny kosa hoe tsy mino ny fisian\'ny fitahiana ankoatry ny avy amin\'Andriamanitra... Fa na inona ivavahana, na vato, na hazo, na rano, na razana, na tromba, na sary vongana, na iza na iza dia mety hitahy avokoa satria misy fanahy maro miasa koa amin\'izao tontolo izao...
Fa ny Fanahy Masin\'Andriamanitra dia hafa mihitsy satria hery manokana omeny izay mino an\'i Jesosy Kristy maty nohomboana ka nitsangana t@ maty... Mbola fitiavan\'Andriamanitra no itenenany amintsika hoe \"avia aty Amiko ianareo izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana...\"
49. soanja ( 08/08/2006 15:00)
Prime ^:^^:^
50. prime ( 10/08/2006 11:03)
soanja> ho voninathitr'Andriamanitra irery anie...:)
51. soanja ( 10/08/2006 13:00)
Amen.
52. rakaroka ( 27/08/2006 11:50)
Vao teo, nisy namana nitéléfona: manaraka fianarana parapsycho izy. Nisy ramatoa manofy ratsy izany foana dia natsoina mihitsy ny maitre nampianatra an-drizareo, dia natrehina ilay zava-misy:
Ny dadatoan'ilay oul efa maty elaela hono tsy niala t@ ilay trano dia hitan'ilay maitre mihitsy, dia miresaka manao table ronde eo rizareo miteny mihitsy ilay maitre hoe io anelanelantsika io izy manome ny tanany ho raisinao, lay namana tsy mahita fa mahatsapa toa vizana. Dia nampiandrizareo hono ilay
fanahy mba hisinda ilay trano!...
Ka ilay oul io hono fahavelony tsy dia hoe ratsy fanahy fa tiany be ilay trano io.
Misy faritra maro nolazaina fa misy lolo na angatra,
izay angamba no nahatonga an-dRandja nanao hoe : mankaiza marina ny maty?...
53. prime ( 28/08/2006 07:46)
Fanamarihana : Samy hafa ny hoe ratsy fanahy sy ny fanahy ratsy...
Mikasika an'i Nenilava indray ohatra dia tsy i Nenilava no nanasitrana (namorona ny toby Ankaramalaza), tsy Ingahy Rakotozandry no nanasitrana (namorona ny toby farihimena raha tsy diso aho), Tsy i Mama Justine (toby Manolotrony) fa Jesosy Kristy, velona sy miasa mandrak'ity ny androany ka miasa amin'ny fiainan'ny Mpaminany maro... resaka hafa indray ny @ io fa sao mivaona ny adihevitra eto...
54. rakaroka ( 28/08/2006 14:17)
Ka 'le izy anie raha fintinina izany dia I Jesoa sy i Satana ihany no vrai "acteurs" eto an-tany fa spectateur-executeur daholo ny sisa, dia inn aza ny antony nanomezan'Atra ny "consciencen-tsika?"
55. prime ( 29/08/2006 12:24)
Zava-dehibe mihoatra noho izay fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra sy izay mety ho endrika fahendrena misy @ izao tontolo izao ny "fahafahana misafidy"... Ka ny "consciences" izay lazainao no hahafahanao manatanteraka ny safidinao ka mitoetra @ izany, miasa araka izany ary mandray ny vokany koa...
56. rakaroka ( 30/08/2006 02:54)
Hadino na mivaona tanteraka ny "esprit fototra namoronan'Atra ny olona tahaka ny endriny!
Izy anie tsy namorona antsika ho saribakoly téléguidé-na toa izany e! Hoe ho guidén'i Kristy na Satana?
Comme Lui on est libre d'abord tsy canalisé mihitsy hoe tsy maintsy ity na itsy , raha ohatra hanaraka efa izay nataon'i Kristy na Satana fotsiny isika dia tsy dévéloppé ny endrika maha-créateur antsika fa
fitaovana fotsiny izany isika hanatanterahana ny sitrapon'i X na i Y:
Tsy mitovy ilay conception fandinihina ny baiboly ka!
57. prime ( 30/08/2006 08:06)
Ny hoe tsy mitovy ny conception fandinihina ny baiboly aloha angamba efa mazava iny fa tsy ivalamparana intsony...
Izaho aloha dia tsy hitovy mihitsy @ satana ary tsy te hitovy aminy rahateo, arkanjely lehibe nanana ny nahaizy azy izany saingy efa nivily ka dia azy izany... Izaho rahateo tsy hitovy mihitsy @ Jesosy Kristy satria Izy Andriamanitra ary efa nandray ny fahefàna rehetra any an-danitra sy ety an-tany, Mpanjakan'ny Mpanjaka ary manamboninahitra avo noho izay avo indrindra...
Ka ny hoe tsy développé ny maha-créateur antsika, dia développer'o araka izay mampitovy anao amin'Andriamanitra izay ary ny anao f'angaha moa izaho manohitra izany? Fa tsy manana fahefàna na dia ny @ segondra iray na ny rivotra iainanao aza ny olombelona, izaho sy ianao ao anatiny, fa rehefa teneniny hoe aoka izay dia izay no izy na dia "créateur" aza ianao... asa aloha e... dia mahereza ary @ maha-créateur anao...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3351