trezeguet sy zidane

1. bilakarenjy ( 11/07/2006 13:24)
Samy tsy nety ny nataon'izy roalahy ireo .Trezeguet tsy nahafaty penalty ,iny tena resaka baolina ,ary i zinedine indray nanao fihetsika mahery izay tsy misy idiran'ny resaka baolina mihitsy .Mba tantarao kely hoe : ny fijerinareo ny fihetsik'izy roalahy ireo rehefa tafahoana tamin'ny vahoaka frantsay teo amin'ny place ry zareo .Nanomboka tany amin'ny fivoahana ny fiara nitondra azy .
2. babany ( 11/07/2006 13:58)
ianao miteny io ve mba mety ny hataonao ?
sao dia maika ny hitsara nefa tsy hay akory izay nataonao raha ianao no teo @ toerany
3. bilakarenjy ( 11/07/2006 14:26)
Aleo atao hoe :mety indray ilay tsy nahafaty penalty sady tsara raha izay no tena marina sy hita ny mason'ny mpijery dia torak'izany koa ny an'ingahy zidane raha lazainao hoe: mety koa ny nataony sy nasehony satria raisinao ho fitsarana avy hatrany ny fanehoana ny zava-misy hita mivantana toy ireny .
Raha izaho no teo amin'ny toerana dia :tsotra ny filazako azy satria matoa tsy maty ny baolina dia tsy nety ny nandakako azy sa ilay baolina afaka mivily ho azy koa .
Ary raha izaho no teo amin'ny toeran'i Zidane dia niresaka tamin'ny mpanazatra aho nanazava ny zava-niseho.Misy dikany ny mpanazatra fa tsy apetraka fotsiny ho mpanazatra eo .
Ataoka angamba fa raha any amin'ny asanao ianao no misy manery anao na manompa anao dia tsy maintsy hiteny amin'ny Mpampiasa anao ianao hanazava ny zava-niseho.
Misaotra anao babany nametraka ilay fanankianana toy io fa tena ilaina mihitsy ary raha mbola misy dia azafady mba soraty fa mahasoa e!.
4. sakaizakely ( 11/07/2006 15:23)
aza mitsara mba tsy ho tsaraina hoy ilay Olona izay. Tokony ho raisina daholo ny tokotokony ho toejavatra mety nahatonga ireny zava-niseho ireny.

Amiko manokana, tsy nety ny tir au but n'i Trezeguet. No comment ! Il s'en veut suffisamment ka tsy mila ampiana intsony

Deuxio, à un tel niveau de compétition, finale de la coupe du monde, samy matanjaka daholo nefa dia tsy maintsy misy ny resy ary misy ny mandresy. Nandresy izany ny Italiana dia miarahaba azy.

Fa kosa la fin justifie les moyens ? Nisy tanjona hi-destabiliser-na an'i Zidane tamin'ireo Italiana ireo. Anjaran'ny conscience n'izy ireo, raha toa ka manana an'izany izy, ny fahafantarana na mendrika ny fandreseny ry zareo na tsia.

Nisy resaka racisme tao. Ny journaliste n'i Guardians namaky t@ molotr'i Materazzi nahita fa nanompa an'i Zidane lery ka nahasendaotra azy nanao an'iny fihetsika tsy mety iny. Fiarovana ny maha-Zidane azy iny ary na iza moa hitsikera, tsy mahatasy ny carrière exemplairen-i Zidane mandrakizay na oviana na oviana. Il a défendu son honneur. Asak'izay olona tsy manana honneur à défendre sy malemy hozatra manaiky ompaina mandritry ny adiny 2 tsy hiteny sy tsy hamaly. Sa ve hanao toy ny lazain'ny baiboly hoe raha misy manome tehamaina ny takolakao ankavia ...

Zidane sy Trezeguet irery no mahay italiana @ ireo mpilalao frantsay satria nilalao tao @ Juventus Zidane, donc izy irery no nikopy sy naheno ny ompa variraraka natao azy. Ahoana kosa no tsy hihetsehany amin'izany ??? Za tena mi-kopy anazy et de toute manière, il a été reçu royalement par Chichi et Bernadette au Crion izay midika fa tsy olana ho azy mivady sy ho an'ny vahoaka frantsay mihintsy ny zava-niseho. Mahatsapa daholo ny olona ary misaotra ny mpilalao nanome émotion mahafinaritra ary nitondra ny firenena ho @ finale, efa zavadehibe izany.

Merci les bleus de nous avoir fait vibrer. kiffer-ko be nareo :-*:-*:-*:-*:-*

PS : nanaraka ny fiverenandry zareo tamin'ny chaîne E-tele mintsy za omaly, nampihetsimpo be mihintsy. Ary mbola tia be azy rehetra ny vahoaka. Voilà un peuple reconnaissant fa tsy be kritika ho atran'ny sasany. :evil::evil:
5. naughtyboy ( 11/07/2006 15:27)
zay mantsy no tsy tsapany sasany hatr@ zay ka atao akory..
6. zandikely ( 11/07/2006 16:35)
Resy la France, dia mahaiza mihonona, mbola hanao enquete FIFA momba iny fihetsik'i Zidane iny. Tsy hitako no hanomezana tsiny an'i Trezeguet tsy nahafaty penalty, tsy izy no voalohany tamin'izany.

Tsy marina ny filazana fa i Zidane sy Trezeguet irery no mahay miteny Italianina amin'ireo mpilalao frantsay ireo, Thuram, Viera, olona samy milalao ao amin'ny Juventus ao Turin daholo.

Momba ny zavatra nolazainy Meterazzi, tsy mbola misy mahalala satria tombatombana ihany lazain'gazety anglisy.

Ny mpitsara amin'ny sisiny espagniole dia nanambara mazava fa tena nahita maso ny fihetsik'i Zidane. Tsy mila image Video izany akory.

Na ahoana na ahoana ny teny nolazain'i Materazzi dia tsy ampy hanamarinana ny fihetsiky Zidane. Mampalahelo ny mpanohany ny ekipa frantsay satria efa tsy mahay manavaka intsony hoe inona no fihetsika mety sy tsy mety. Iny fihetsika tahaka iny ve dia mbola hireharehana. Tena mampalahelo raha iny lazaina hoe fihetsika atao ohatra.

Raha misaina Zidane tokony nialatsiny haingana tamin'ny ekipany, mpanazatra azy, ny vahoaka nanohana azy.

7. Mike ( 11/07/2006 16:46)
sakaizakely>>dia mihevitra ve ianao fa ireny mihitsy ny fihetsika tokony nataony zidane raha hi-defendre ny honneur-ny izy, fihetsika anisany tena mampietry ny honneur-ny mihitsy aza ireny satria tsy eny ambony terrain mihitsy ny tokony anaovana an-reny, en plus coupe du monde fa tsy mba zavatra kelikely, raha izay mantsy ny fijerinao azy dia afaka namaly tsara koa anie materazzi na ireo namany e, fa ny olona mahay manindry fo satria izany no fandeferana, ary izay amiko no fihetsika mendri-piderana fa tsy ny fanomezana coup de tete mihitsy, ary angaha moa nisy be kritika teo fa mba samy niteny ny heviny toa anao miteny ny hevitrao ihany fa nahoana no lazainao fa be kritika ny olona raha mba mamoaka ny heviny.
8. naughtyboy ( 11/07/2006 16:52)
ny mpanohana zidane sy ny ekipa frantsay de efa nahay nionona fa tafakatra finale ka samy mahalala fa
fihetsika fa tsy lalao no naharesy ny ekipa ary mamela anlery fa efa mahafantatra reaction lery otrireny , efa voaomana kosa iny taimbaky materazzi
bastardo iny (anti-jeu)be vava fa kely ozab..y .tsy azo atao ohatra lay fihetsika zidane fa anatra hoany toa any materazzi sy ny akamany
9. bilakarenjy ( 11/07/2006 17:02)
Za tsy manome tsiny an'i trezeguet tamin'ny tsy nahafatesany ilay penalty ry zandikely a!,fa ny tena nandona ny foko tanteraka dia ny nahita an'ny lery ilay teo an-davarangana izay somary nanganohano ny masony raha niarahaba ireto frantsay be dia be izy .Efa saika tsy hiseho lery .Tena ny nitomany sisa no tsy nataon'ny lery ary hitako tena niova be ny fihetsiny e!,soa fa teo ny vadiny nanohana azy ary teo koa ireo namany nankahery azy .Fa i zidane kosa ny mifanohitra amin'ny fihetsiky trezeguet no hitako .
10. naughtyboy ( 11/07/2006 17:03)
ny mpanohana any zidane sy ny ekipa de faly nisaotra
azy reo noho ny lalao tsara rehetra natao na nisy aza ny fihetsika tsy voahevitra,ny adalany hafa aza tafiana ko maika ve fa ny any tena.le anti-jeu ny materazzi bastardo iny sy kodedety ny zidane no nanimba ny zvt tsy azo atao ohatra ny fihetsiky lery
,fa azo ataony ny toa any materazzi anatra ho azy ny nanaovany zidane azy
11. bilakarenjy ( 11/07/2006 17:44)
F'angaha moa tsy voahevitra iny fihetsika nataon'ingahy zinedine iny ,noheveriko fa tsy ho tsapanao mihitsy ny fiatraikan'iny fihetsika iny .Anisan'ny nampihetry ny lazany sy ny toerany iny fihetsika nataon'ny lery iny .
Ny mpanohana anie ka manohana foana e!,ary mamporisika mihitsy aza raha azo atao na dia hita izao fa efa zavatra hafa no miseho dia mbola tohana foana .Fomba izany ary modiana tsy fantatra izay miseho .
Ireny no atao hoe :tsy maintsy izay e!,ny fisaorana tsy maintsy atao ary tsy maintsy ankaherezina ireo resy satria mba niady ho an'ny firenena ry zareo fa dia resy moa e!.
Zavatra tsy maintsy nataon'ny fitondram-panjakana ireny ary mendri-piderana tokoa ny fanjakana frantsay tamin'ny fandraisana ireto ekipa frantsay ireto sy tamin'ny laha-teny nataon'ny filoham-pirenena .
12. fijo ( 11/07/2006 18:01)
za dia tsy tia ny ekipa frantsay.
ny momba ilay tsy nahafaty penalty aloha tsy iresaka aho,satria fomban'ny baolina io,ka sendra ny frantsay izy tamin'ity.
fa raha za koa aloha ,noteo amin'ny toeran'i zizou,ka nompana ny reniko na ny asa"tsy mbola hay"mety tsy iny fotsiny no nomeko ilay ankilany,fa mbola nampiako hitsaka.
13. nikopol ( 11/07/2006 18:29)
hoy bilakarenjy :

noheveriko fa tsy ho tsapanao mihitsy ny fiatraikan'iny fihetsika iny


Bilakarenjy resaka olona azo lazaina fa samy " misaina " ny eto ka aza eritreretina fa tsy mahatakatra izay mety ho takatr'i bilakarenjy ny momba iny fihetsik'i zidane iny sy ny tokony ho lazain'ny mpitondra fanjakana sy ny sisa ny rehetra tsy mitovy hevitra amin'i bilakarenjy...

Ny valeur no tsy mitovy ny lanjany eo amintsika dia izay ihany. Fa amiko na nanao iny aza i zidane dia tsy manakana ahy tsy hirevy azy zany. Zo an'i bilakarenjy ny misaina tsy mitovy amiko. saingy zohako koa ny misaina hafa.

Tsy midika hoe mendri-piderana i zidane nanao iny fihetsika iny, efa nahazo carton rouge izy ary normal zany. Fa mi-comprendre ny zavatra nataony za. Mitovy amin'i Fijo aho amin'io fa tokony ho mafimafy kokoa ny nataony.

Hoy bilakarenjy :

Eo indrindra isika izao.Hatramin'izay nahalalako tavany izay tsy mbola nahita tavany malemy fihetsika sy manana fandeferana sy fanetrehantena izany mihitsy za


tsy bilakarenjy ihany no manana hevitra ohatr'io,saingy izay indrindra ilay safo-be mantsina ... satria mahita pourcentage ambonibony dia manao hitsi-dalana...

Tsy hidirako indray ny resaka mpanohana frantsay resahan'i zandikely eo ambony satria tsy misy hidiran'ny fanohanana frantsay ny resako.





14. fijo ( 11/07/2006 18:37)
marina izany,avelao halalaka ny hevitra,fa aza avy dia fehezina hoe izahay no maro an'isa dia izay.
15. Mifenty ( 11/07/2006 19:09)
babany:
ianao miteny io ve mba mety ny hataonao ?
sao dia maika ny hitsara nefa tsy hay akory izay nataonao raha ianao no teo @ toerany



hahahaha B E D Y bilakarenjy le


hahahaha
16. lapino ( 11/07/2006 23:43)
Penalty an'i Trezeguet:

Mpanao gazety frantsay no nandrasako hiteny an'io, kanjo indrisy fa gasy no tonga aloha. Jereo fa mitovy amin'ny penalty an'i Zidane ihany no nanaovany azy. Samy nidona tamin'ny traverse, fa ny iray niditra, ny iray nivoaka avy eo. Ny fahasahiana manao an'ireny amina famaranana coupe du monde aza no ahitana ny maha artista azy. Fa ny penalty mametraka ny baolina amin'iny faritra iny eo amin'ny but no isan'ny tsara indrindra, sady azo antoka indrindra fa tsy ho azon'ny gôl.

Asa raha mba azonareo hoe ohatra ny ahoana ny pression mianjady amin'iny bandy mitifitra penalty iny! Manoatra lavitra ny stress hanala fanadinana io! Satria ankoatra ny tsy fahazoana amboara, dia izao kôzin'i bilakarenjy izao no mbola miandry avy eo.

Azo omena an'i Trezeguet ve ny faharesen'ny frantsay? Fa naninona moa no tsy nahafaty baolina hafa nandritra ny 120 minitra ry zareo? Efa ampoizina anefa fa raha tir au but io dia manana tombony ny italiana (buffon mahay noho i barthez). Taiza i Trezeguet tamin'ireny fotoana rehetra ireny? Mpamono baolina no asan'i lery amin'io an! Fa natao aiza lery?

Sa ve, satria tsy teo nandritra ny 10 minitra i Zidane, dia izay no tsy nahafatesan'ny frantsay tamin'ny prolongation?
17. chipie1 ( 12/07/2006 05:22)
lalao io misy ny natao handresy sy natao ho resy , tsy itako mintsy oe anomé tsiny aniza !!
bilakarenjy > hafaliana ny any olona nandray ny ekipa sur place "zidane on t'aime " tsisy farany !
merci les bleus :-*:-*
18. babany ( 12/07/2006 06:56)
mihoatra ny saintsika ny zavatra mitranga eo ambony terrain satria efa hiara-mahalala fa noho ny vola, ny pression, ny media dia efa tsy zakan'ny sain'ny mpilalao intsony ny zava-misy. Na zidane no anarany, na trezeguet, ...sns.
Izay no maha-sarotra ny mitsara ( mety izao na tsy mety izao ) sy mihevitra zavatra @ fakana ny toerany ( raha izaho ... )
19. naughtyboy ( 12/07/2006 12:36)
amiko de samy nety ny nataony izy mitsam fa sanjila no tsy nisy,ra iresaka ny antony naharesy ny ekipa dray de domenech no fositra satria @ maha mpanazatra de fantany tsara hatr@ 90 mn fa ilaina fa tsy asorina ny mpilalao toa an'i viera,henry,ribery indrindra @ fanalavampotoana sy penalty dia iny no tena fositra na ry zalah aza mbola vonona ny hilalao
20. fijo ( 12/07/2006 19:03)
tsy azo hanomezana tsiny mpilalao izany tsy mahafaty penalty izany.io tsimaintsy misy miditra dia misy tsy miditra,dia izay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4112