trezeguet sy zidane

21. tovolahy007 ( 12/07/2006 23:28)
manahoana daholo e..!
O ry zareo a!Taiza no mbola nisy baolina kitra na lalao iraisana tsy mbola nisy fandrangitana ny adva zany e?Efa nisy io ary mbola misy hatramin'izao fa anjaran'ny mpilalao no manindry fo na inona kozy miainga eo na inona.Ny antony de satria voalohany de io ilay antsoina hoe fo sportif,tsy misy mpilalao afaka tonga de mandray andraikitra ny hamely tete na totohondry zany mitsy eo ambony kianja,na inona antony na inona antony.Asa,i Frantsa indray angaha no namorona io lalana vaovao io hoe refa manao taimbaka aminao ny adva de tonga de omeo ny hafatra,ra izay ndray de tsy haiko,fa raha ny lalana iraisampirenena de tsy misy afaka mikasi-tanana mpilalao izany eo ambony kianja,na inona antony io na inona,na io ompa na io na fandrangitana tsotra izao.
Dia izao koa e,I zidane tsy maintsy hilaza sy hiaro ny tenany fa tsy diso izy nanao iny fihetsika iny na inona lazainareo na inona.Ny mahagaga de vohizina be le kozy nefa raha mba fantatrareo moa fa ao frantsa iany anie no mandeha be io kozy io efa any @ firenena hafa de efa tsy misy mikozy tsony iny acte iny.Tsy hampiverina ny Match koa akory na hilaza inona eo aza i Zizo be vazizo.Momba ny hoe mpandinika ny momba ny vava izay nilaza fa nanompa i Materrazi de tsy hitako izay olona @ zany araky ny efa nolazaiko tery ambony.Ary tombatombana iany koa io ny azy fa tsy tena milaza akory zany hoe tena marina io.
Dia ao ny frantsay misahotaka ny momba an'io,ao;ao ary moa de misy milaza fa de hoe nety iny nataon'i Zidane iny,tsssss,mampalahelo fa ho potika tsy ho ela ny fanatanjahantena raha toy izany ny fomba fisainana.Diso i Zidane na inona lazina na inona lazaina t@ iny zavatra nataony iny ary tsy ahazo rariny @ iny mitsy izy ,ny antony dia satria fihetsika voarara tsy azo atao iny nataony iny,fa raha mba nandinika kely fotsiny lery ka tonga dia nanantona ny mpitsara ny lalao refa avy nikozy ilay kozy i Materrazi de nino aho fa nahazo ny fahamarinana izy ,saingy izao de iny valiny coup de tete olona fa tsy baolina.
Fanamarihana:za de anisany mba nanao sport,fa dia mitobaka izao taimbava sy ompa reny, razana sy ny rehetra izao mba handrangitana anao refa eo @ match,fa de anjaranao no manindry fo ary manao jery lavitra hoe ,za de anisan'ny andry ato @ ty ekipa ty ka tsy maintsy manindry fo mba hahatafajanona ahy ato.
Dia izay ndray aloha ary e
22. bilakarenjy ( 13/07/2006 06:44)
tovolahy007>>misaotra amin'ilay resaka fa ankasitrahiko tanteraka .Tena famintinana ny foto-kevitra tanteraka io voalazanao io.Soa fa teo ianao ry tovolahy007:-*:-*=D=D,am-pitiavana be .Misaotra daholo ry zareo, tamin'ny fanehoana hevitra teto fa dia bonne vacance daholo e!
23. fijo ( 13/07/2006 19:01)
misy foana ny taim bava fa tsy tokony ho ompa no atao
raha anaovanao taimbava aho hoe ela fopla,tsy mahavoa,vendrana,tsy olana izany,fa raha ompa no atao ahy,efa tsy boalina izay,ka mila valiny tsy baolina koa
24. tovolahy007 ( 16/07/2006 23:26)
fijo>aiza ary nareo zany?Dia raha izany de tokony ompa koa ny ho valiny fa tsy fikasihan-tanana e,sa tsy manana vava i Zizo iny moa,sa moana ,nefa toa hoe mahay miteny Italiana.Raha olona nisaina izy dia novaliana ompa koa i Materazzi fa ny azy efa tratrany le atao hoe fahanterana koa ngambany e,de raha tsy izany dia efa toetra ratsy ao aminy mitsy.Dia raha hoe niteny azy i Materazzi hoe elahy terorista de raha olona nisaina lery ka te hamaly azony natao koa ny namaly hoe ary elahy ary Mafia ko,saingy tsssss,efa toetra ratriny io hoa.
Zao sady resy no afa-baraka @ tsy misy dikany akory.Ao frantsa lery ngambany no tsy afa-baraka fa ivela/ny frantsa de efa mandeha ny feo fa jiolahimboto toetra lery.
25. naughtyboy ( 17/07/2006 13:24)
tsy afabaraka zany lery ka olona misy toetra de
zay tsy azo batina na ompaina maimaimpoana zany fa ahoana ny momba le manompa alo etsy jiolamboto toetra
an.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0429