Gadra nitsoaka sa nampitsoahana

1. rabaradaka ( 11/07/2006 10:15)
Lasa ihany ny eritreritra hoe gadra 4 nitsoaka tao Antanimora avy eo ny ampitson'iny gadra 4 nitsoaka tany Toliary amin'izay samy gaigy lahy daholo, avy eo mpifankahalala daholo ry zalahy ireo. Sao mba teti-dratsy io dadatoa fa mahalasa saina mihitsy. Tsy hampilamina ny tany ireo raha ny filazan'ny mpahay azy satria tena jiolahy rain-dahiny mihitsy. Mitandrema ihany dadatoa a ! Mba e !
novalian'i prime ny 17/08/2006 10:10
2. MTN ( 11/07/2006 11:01)
Mahalasa saina marina izany. Fa saingy tsy hita izay hatao. Rafotsibe very loana ka miandry izay higadonany.
3. fijo ( 11/07/2006 20:16)
izany no fomba fampisehoana ny fitiavan tanindrazana amin'ny sasany ka atao akory e
4. prime ( 12/07/2006 09:03)
rehefa ho avy ny fifidianana dia fanaon'ny sasany io... fitiavan-tanindrazana hafakely tokoa...:?
5. arson ( 12/07/2006 12:40)
prime
6. fijo ( 12/07/2006 19:34)
tsika tsy hafaka hilaza marina hoe iza le sasany,fa,mampalahelo le fomba anehoana hevitra eto.
7. rabaradaka ( 13/07/2006 03:44)
Vaovao farany aloha e, efa voasambotra ny telo tany Tsiroanomandidy, mahafinaritra ny ezaky ny Zandary. Mba marina moa e !:D
8. tangalamaitso ( 13/07/2006 05:52)
Haingana koa rabaradaka dia mahazo vaovao an! Oviana no nahainoin'i rabaradaka izany vaovao izany? Fa hono ho'aho ilay tao Antanimora sa ilay tany Toliara ireo voasambotra tao Tsiroanomandidy ireo?
9. arson ( 14/07/2006 10:57)
fijo
10. prime ( 14/07/2006 13:18)
[quote=arson]prime
11. fijo ( 15/07/2006 19:52)
arson an,tsy mahazo resaka indray ise izany an,"le fanehoana hevitra eo "tiako lazaina anie ,ka tsy eto amin'ny sersera,fa ny fanehoan kevitra politika misy any an toerana e.i prime izao io avy dia nahazo ny tiako lazaina.fa tsy misy resaka site sa inona indray?????
12. prime ( 18/07/2006 12:04)
Raharaha izy ity... Misy zavatra toa tsy mazava mihitsy...:°)
13. fijo ( 18/07/2006 20:23)
ka lery tsy mahay mandray resaka ko.
14. prime ( 19/07/2006 12:38)
tangalamaitso:
Haingana koa rabaradaka dia mahazo vaovao an! Oviana no nahainoin'i rabaradaka izany vaovao izany? Fa hono ho'aho ilay tao Antanimora sa ilay tany Toliara ireo voasambotra tao Tsiroanomandidy ireo?
Nandeha an-gazety taty io dia vao t@ zoma dia nisy iray voatifitra indray nitsoaka tao antanimora... Efa miasa mafy ny bianco sy ny cis ankehitriny fa hisy kaofraoka ny mpiasan'ny fitsaràna sy ny penita ao ato ho ato...
15. fijo ( 19/07/2006 18:36)
aleo ko araofiny any,raha ireo no namoaka ny gadra
16. prime ( 21/07/2006 07:34)
Nisy gadra 6 nitsoaka koa tany diégo nanomboka afak'omaly... et l'histoire continue...
17. jajaf401 ( 21/07/2006 09:11)
Sao de fotoana fampitsoahana ny gadra kosa zao eh ??
Raha physiologie moa izy ty de lozika hoe refa voky ny olona de te-hatoritory, ka sao de efa matory ary ny mpiandry fonja fa voky?
Ary hono wah : le raiky alahy taloha ve no miandraikitra ny fonja vaky sa ilay amperiny ?? (toa misy resaka zany ao ambonimbony ao)!
18. prime ( 21/07/2006 09:34)
jajaf401> Ny miandraikitra ny fonja dia izay eo @ fitondràna (fandraharahàna, fitantanana...) fa ts resaka hoe mpitondra sa ilay iraika lahy no fototra fa rehefa mihakaiky ny fifidianana dia bizna hoan'ny sasany izany fa tsy mifidy firehana politika... Fa ny mpanararaotra, mpanao politika ihany nefa no ao ambadika...
19. fijo ( 21/07/2006 19:53)
prime marina be.io jajaf de izao an,ny tsy maty voalavo,mbola be namana mihaodihaody any.ary ireny mbola miasa,dia izao no vokany.
raha enao ve no mpitondra,dia avoakanao ny gadra hanakorontana rehefa akaiky ny fifidianana??mba mpitondra marivo saina raha hanao izay an
20. jajaf401 ( 22/07/2006 02:16)
fijo:

prime marina be.io jajaf de izao an,ny tsy maty voalavo,mbola be namana mihaodihaody any.ary ireny mbola miasa,dia izao no vokany.
raha enao ve no mpitondra,dia avoakanao ny gadra hanakorontana rehefa akaiky ny fifidianana??mba mpitondra marivo saina raha hanao izay an


De iza zany no namoaka azy ??????

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4824