zidane part sur un coup de tête

21. MTN ( 10/07/2006 17:04)
mikisaha kely lo dadabe fa za koa mba hipetraka
22. bilakarenjy ( 10/07/2006 17:37)
makà toerana tsara aloha fa fihaonana hafa indray ity ry zalahy a!.
Eo indrindra isika izao.Hatramin'izay nahalalako tavany izay tsy mbola nahita tavany malemy fihetsika sy manana fandeferana sy fanetrehantena izany mihitsy za.Mety misy ihany fa tena vitsy kely mihitsy .Eritrereto hoe:famerim-bola tsy ampy centime dia efa mampiaka-pofona ny tavany .Tsy misy fanazavana fa avy hatrany dia ianao no diso ,dia aviavy be sy mampiaka-tsandry mihitsy raha mbola mamaly sy be fandaharana ilay ankilany ,fa aleo dia manaiky satria mahery fihetsika no hiarahana.
Dia toy izany io asehon'ingahy zinedine io .Asa inona loatra no nampiaka-pofona an-drazokibe tao ka ny lohany no nampiasainy .Mampamaky loha-sola anie ny mieritreritra izany e!
Fanampin'izany ,olona mpanao fanantanjahan-tena koa izy ary efa matihanina dia mbola hikoroso fisainana hanao fihetsika toy ireny ,na dia ataoko hoe :mba olona ihany ny tena mety ho solafaka ihany ,fa mba vidian-kaja,vidim-boninahitra ;tena fahafambaraka ho azy ireny fihetsika nasehony ireny .
23. naughtyboy ( 10/07/2006 17:57)
tsy azo eritreretina zany ohatra zany anasokajina tavany rehetra,satria bizna iny ka tsy ny tavany ihany no sarotiny fa ao ko ny sinoa refa very entana
mitabataba..misy tokoa ny oul mafana ra ary tsy misy afaka anome rariny iny fihetsika iny ary tsy azo oharina @ reny daolo akory ny tavany fa misy oul tsara tokoa satria hafa ny fomba asehony eny aminy fiarahamonina sy ny fomba iainany andavan'andro any amy misy azy reo
24. bilakarenjy ( 10/07/2006 18:07)
Nambarako tsara fa vitsy ny tavany manana fandeferana sy fanetrehantena ,ary ireny fihetsiny andavanandro ireny tsy hiafina mihitsy fa hiseho amin'ny tokony hisehoany .
25. naughtyboy ( 10/07/2006 18:11)
de mbola tsy marimpototra ihany satria na i figo ko aza namely otraniny t@ ty fifaninana ty nefa tsy midika welasa tavany ko i figo ..
26. bilakarenjy ( 10/07/2006 18:31)
Ilay mamely anie samy mamely daholo e!,fa ilay tonga dia misy fihetsika mahamenatra toy ireny no mahalasa saina ihany .
27. naughtyboy ( 10/07/2006 18:47)
ka mitovy daolo ihany kay zany le mamely fa refa zidane de mahamenatra
28. bilakarenjy ( 10/07/2006 18:51)
tsy ingahy zinedine no mahamenatra fa ilay fihetsika nasehony ry naughtyboy o!.
29. bilakarenjy ( 10/07/2006 18:54)
rehefa avy eo indray fa aloe aloha hisotro rano kely
30. naughtyboy ( 10/07/2006 19:42)
ny azo ilazaina azy ngamba de nandiso fanantenana tanteraka reny fihetsika reny,de noporofony lery we olmbel aloha i zidane vao sportifa,nefa nahoana mo no tsy azo ekena ho toy ny adisony oul rehetra?na ny media sy ny mpakafy bol kitra aza maka bahana tsara miandry ny sens d'honneur @ fialantsiny tsotra zay inona fa ho avy tsy ela ngamba
31. lapino ( 10/07/2006 19:57)
Ny mampalahelo am'le izy, nompaina ho terorista hono zany lery, dia nasehon'lery tokoa ilay herisetra! :-w:-w
32. naughtyboy ( 10/07/2006 20:21)
ka zay ary no personality ny lery ka atao ahoana tsy azeanalana eny ambony kianja fa tonga de milako nefa iny tsy ratsy nony nahazo any maradona tratra nidaina
teo ampilalaovana
33. bilakarenjy ( 11/07/2006 05:25)
na personalite-ny io na inona ry naughtyboy tsy tokony ho eny no anehony izany e!,misy toerana azony anaovana ireny anie ary maradona indray dia izy sy ny daina no miresaka fa tsy nikasi-tanana olona lery .
Ary ny tena mampalehelo amin'izy ity ry naughtyboy dia ity :capitain-ny ekipa frantsay lery , mpilalao matihanina koa ,ary efa zokiny raha ny taona ,niankinan'ny ho avin'ny baolina kitra frantsay nefa dia hafa ny zavatra hita tao anatin'ny indray mipi-maso fotsiny izay tena nampahonena tokoa .
34. naughtyboy ( 11/07/2006 06:39)
fomba ilazana daolo reny fa betsaka ny oul tsy matsindry fo na sportifa aza,tsy izy rery ny oul mahery setra sy tsy mafehy tena eny ambony kianja,tsy ho tanisaina eto akory ny nataony lay raika lahy shumacher mpiandry tsatokazony west germany semi final t@ frantsa asa ra batiston mo no tratra t@ iny fa ra vao kalaza toa anlery de lasa resabe
35. nikopol ( 11/07/2006 06:52)
http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m44b347a83adf4
36. 100tinl ( 11/07/2006 12:04)
zandikely:

100tnl:
Efa toetranareo frantsay mpihatsaravelatsihy, ahilika amin'ny hafa foana ny hadisoana, tsy mba honnête, fihetsika tahaka ireny ve, mbola hitadiavana fanamarinana. Marina ny voalazan'i Hery io, na dia niteny hoe terroriste aza i Materazzi, izany tsy ampy hanamarinana ny fihetsiky Zidane.
Hitanao i De Rossi, mpilalao italianina nanao fihetsika tsy mendrika tahaka an'io tamina mpilalao amerikanina, hatramin'ny mpilalao italianina, ny mpanazatra dia samy niaky fa tsy nety nataony. Rehefa tonga amina frantsay ny raha mbola mitady fanamarinan-tena. O MY GOODNESS!
Il est typiquement français d'être hypocrite, ils défendent toujours l'indéfendable. Soyez honnête!



Zandikely : Izaho aloha tsy frantsay é! Fa toa lasa avadikao fankahalana frantsay ilay resaka, misaotra anao anefa nanome modely halain-tahaka ny amin'ny atao hoe " hypocrite ".Dia rahoviana no misokatra ny fampianarana manokana any aminao fa mba te-hianatra ny atao hoe " honnêtes " izahay malagasy.Inona tokoa moa no mety HISEHO raha toa misy malagasy sanatria ompana reny na anabavy na ompaina ho amboa ? hiondrika fotsiny fa tsy hitady fanazavana VE ?
37. bilakarenjy ( 11/07/2006 12:12)
Dia inona izany no mandeha aloha ,ny saina sa ny vatan'ny lery e! ?!.
Dia apetraho hoe : hatraiza ny maha-zidane an'i zidane.
Toy ireny ary ny fihetsiny koa maika fa tena zavatra hafa tsy hivadika biby .
Apetrako eto tsara fa tsy resaka tsy fitiavana an'ny lery mihitsy no asehoko .Mahafinaritra ahy ny filalaony sy ny geste teknikany ataony ,fa ilay fotom-pisainany no tsy hifanarako aminy .Ahy manokana io a!.
38. naughtyboy ( 11/07/2006 12:30)
ka efa we zidane=olombelona fa tsy modely namboarina
manana toetra sy maha izy azy ary tsymivadika biby zany fa mijanona oul sa iza ko no sahy milaza we tsy mbola diso mintsy
39. fijo ( 11/07/2006 18:50)
ô ry zareo an,ny maha matianina anie tsy manala ny mah aolona e.
raha ny lalao no jerena,dia tena matianina i zidane,tena mahay izy,ary na ny tenako izay tsy tia ekipa frantsay aza dia mihaiky fa mahay izy.
fa teo ny maha olona kosa no nitranga.voahompa ka mba mamaly e.na izaho sy ianao io aza mety hanao toa ireny.
40. Ralay ( 12/07/2006 04:31)
fijo:Na izany aza tsy mendrika ho ireny no atao hoe modely ho an'ny tanora sy ny foot-balleurs. Ny opa misy foana eo ambony terrain na foot io na basket na hand na ny volley aza. Ho hita eo ny explication-n'i zidane anio @ 20h sur canal+ en direct.
A suivre.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.377