MONDIAL isan'ny ratsy indrindra

1. xxx ( 06/07/2006 06:56)
Asa aloha ianareo raha mitovy hevitra amiko fa ity Mondial 2006 ity no isan'ny Mondial ratsy indrindra. Tsy hoe akory resy ny ekipa nalaiko dia miteny izany aho fa ny zava-misy mihitsy no manosika ahy hihevitra toy izany.
Ho an'izay manaraka dia nahita tsara ny lalaon'i Italie sy Australie; baolina tsy tokony ho penalty lasa penalty dia tafakatra ny Italiana. I Argentine sy Allemagne indray tokony ho penalty tsotra izao, ilay voazera indray no nahazo carton jaune. T@ France sy Espagne indray, ilay deuxième but tokony ho tsy nisy satria raha ny fijery ny "replay" dia tsy nanao faute akory ny défense Espagnol fa ny attaquant frantsay no mody nianjera dia nahazo coup franc. Vokany, maty ilay baolina faharoa dia nanarak fotsiny ilay fahatelo satria tratran'ny quitte ou double ny Espagnol.

Lasa tsy lalao madio intsony ilay izy fa tsy fantatra na efa nisy komberaka tany ambadika tany na ny fitsarana ny lalao no mandeha @ tsy falehany dia manjary mapihen-danja ny tena lalao.

novalian'i sasa ny 10/07/2006 03:44
2. MCZ ( 06/07/2006 12:01)
ny ahy tsy wé mondial isan'ny ratsy fa ny fahadisona hono dia andra-olombelona ka ny fomba fitsara t@ ity no betsaka nisy fahadisoana no fahitako azy ary matetika dia oatrany ratsy fipetraka fona ilay mpitsara ao ambovoany, ny mondial milay foana ka ary misy zava-mahalina faoana ko , @ 2010 indray any Afrika atsimo éé
3. tiasia ( 07/07/2006 04:12)
Le mondial tsy maninona @ko fa le mpitsara apovoany no tena misy rivotra be,le plus fopla arbitre que j'ai connu e!Sady miangatra no tsy mety manaiky hoe mba mety ho diso koa ange ny fomba fitsarany,miala hoènina ny tena marina e!
Raha nijery le arbitre jamba t@ pay-bas &portugal ianao d tena olona donto mitsy iny,Deco (Portuguais nazeran'ny pay-bas indray ve ranga no nahazo carte rouge:?::?::?: sady izy hoa tsy te hiaiky fa diso na dia mody mijery replay aza!!!
Ny tena manome litika ahy dia ny jeu'ny France&Portugal farany teo,faute azo lazaina fa tsy dia grave nefa tonga dia penalté ve ranga le!lasa tsy miady ny baolina @reny,jereo tsara ange anefa i Cristiano Ronaldo voatosika tsaratsara tao anaty surface iny e!tsisy kaozy fa nodiana fanina.
Zany angamba le atao hoe misy politika fikafika koa io zavatra io,mety voavidy koa angamba nedala,tokony napanarahina bianco mitsy le arbitre sasany ireny fa mangalatra be.Sa ahoana:?:
Tsy fitiavana Afrika manginy fotsiny nefa tsy mahavita tena fa mbola mila Afrika ihany,jereo tsara ireny joueur be mainty ireny e!mpanavakavaka nefa tsy mahavita azy akory.Mody hoe "say no to racism" nefa ny atao ihany no atao!:x
Misy toetra ra-olombelona r'ise a:-o
Ze tiny ihany izany e!!!
4. jentilisa ( 07/07/2006 04:34)
izaho kosa aloha dia mahita fa tsara mihitsy ny lalaon'i frantsa sy i pôrtiogaly. Ny amin'ny halatra indray moa dia efa mahazatra e! saingy rehetra tratra manko ny an'ny tena vao mahita izany! raha ny hafa zara aza! efa ela no nisy ny fiangarana razandry fa revena foana io. Ny ahy aza nihintsana daholo ny tena nandradraiko mbola mankafy ihany aho koa!
5. eprom ( 07/07/2006 04:54)
Za indray aloha de mahita fa milay ty mondial ty. Na de efa raraka aza ny ekipa 2 nandrandraiko ( Anglisy sy alemana) ary na de tsy de mitombona amiko loatra aza ny nahakaratra mena avy hatrany an'i Rooney t@ nanao t@ portioge. Ny momba ny mpitsara indray de efa nahazatra iny. Ary efa nisy hatramin'izay. Adinonareo ve ireny tanan'i Maradona nampidi-baolina ireny eh. Ireny ve moa de tsy ho hitany. Zany hoe amin'izao fotoana efa be dia be ny camera de manana joro ijerena betsaka isika.
tiasia> Ny nahavoa an'i portiogaly de ny nihevitra fa tsy maintsy homen'ny mpitsara penalty izy ho takalon'ilay nomena ny frantsay. Izay manko ny fanao. De nanjary lasa izay no notadiavin-dry zalahy tao anaty surface de na nisy baolina tokony ho tsara aza de ny nianjera no natao mahamaika. Tena mbola zaza loatra le ronaldo
6. fijo ( 07/07/2006 18:35)
za koa dia milaza fa tsara ny mondialy,fa ny mpitsara no nanimba azy.ka dia samia miandry izay ahazo azy eo e
7. jentilisa ( 08/07/2006 06:31)
fa firy moa ny mondial hitanao no ilazana sahady fa ity tokoa no ratsy indrindra?
8. lapino ( 08/07/2006 21:34)
Nisy match ratsy aloha fa ilay Pays-bas # Portugal iny tena ratsy e!

Fa ny zavatra nanaitra koa dia ny fair play nasehon'ny ekipa alemana. Tamin'ilay fihaonana Alemaina # Italia no tena hitako ny match an'i Allemagne aloo e.
- miala tsiny ry zalah rehefa avy manao fahadisoana, indrindra i Ballack
- ampitsanganin-dry zalahy ny zoera italiana mianjera
- ny alemana indray no mangataka ny hanajanonana ny baolina eny an-tongotry ny namany fa nisy italiana nianjera, tonga alohan'ny italiana manampy an'ilay naratra
- i Klose nanotra an'ilay bandy italiana voan'ny krampy

Efa any amin'ny antsasa-dalana ny lalao amin'io, fa hita ihany ny fahambonian-tsaina nasehon'ny ekipa alemana e!

Zavatra iray koa, asa raha ny pysko-ko no misy tsy mety, fa ohatra ny mahita zany ah hoe mihafaingana be ny lalao raha oharina tamin'ny lalao tamin'ny 1990 ireny ohatra. Ao aoriana kely angamba mety miha-ilaina ho atletika ny mpilalao. Mikotrana mampidi-baolina sisa ny afrikana amin'izay, dia mety ho avy any Afrika ihany io amboara io ny farany.
9. naughtyboy ( 09/07/2006 13:38)
lapino za ko natsikaritra fa miova ny lalao eropeana ra jerena ohatra tsy nisy ekipa afatsy eropa ny 1/2 final io no mampiavaka ny bol avy any amerika atsimo sy eropa
10. dadabe ( 09/07/2006 14:29)
ary lalaon'iza moa ilay ankizara karatra mena maro be iny ??? ukraine sy...??
11. sasa ( 10/07/2006 03:44)
dadabe Portugal sy Pays-bas le nisy carton rouge 4 iny koa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3264