Brazil - France

21. pissoa ( 03/07/2006 06:26)
lapino:
Pissoa, itondray sary zay rehefa eny ambony terrain ndry an!

Hihihi, an3 - mampiasà elah Google Earth :wink::-D
xxx:
tsy azo ekena ny hoe specta na pum pum girl an!

Hihihi, eka wa - zah kou ve dia hitanao am'zany pum pum girl :{:-D:-D:-D
22. lapino ( 03/07/2006 07:17)
Oay koa zany avonavon'i pissoa e! 8O
Omeo adiresy ary za hijerevako azy :P
23. sakaizakely ( 03/07/2006 08:08)
Tena marina mihintsy ange ny lazainao e ! Rehefa maharesy ny frantsay dia aratsiana fa hoe nividy ny ekipa adversa, na hoe niangarana, de dradraina koa fa mainty. Raha vao resy indray dia lazaina fa tsy mahavita azy. Ny mpialona sy ny mpanaratsy aloha dia mahita lazaina foana.

Izay tsy tia tsy tia fa tsy mahafaty akory izany fa aleo izy hanohy hanaratsy rehefa tsy manankatao ankoatr'izay.

Raha ny amiko manokana dia mariky ny fahambaniantsaina ilay fahankahalana foko iray manontolo atao faobe izay hita miangalana amin'olona vitsivitsy eto am serasera, indrindra hoe tsy tia frantsay. Ekeko ny hoe mankahala, fa ilay izy atao faobe ity no hitako hoe raha tsy olona ivaiva tsy hanana toetsaina toy izany satria na olona tsy nahita fianarana aza mahalala tsara fa misy ny tsara ary misy koa ny ratsy, ka toetra tsy mendrika izany manao faobe izany. Asa mety ho olona tsy lany visa miditra any Frantsa ireo mpankahala ireo ka fitia tsy mifamaly izany dia samy afaka ko inn no mbola idradradradrana eo.

Za dia tia frantsay no sady tia malagasy na de misy an'isany amin'izy ireo aza tsy tiako. Ary raha misy adibaolina ankitra amin'izy roa dia ny malagasy no alaiko na dia io manao xxx io aza no mpilalao. Izay amiko no atao hoe patriotisme. Ary na resy na tsy resy ny malagasy dia iny ny ahy dia tiako foana ary tohanako hatramin'ny farany dia omeko :*:*:*:*:*:*:*:*:* mamy be daholo. Izaho tsy manao faobe ohatran'ireo adala ireo.

Tiako daholo izao tontolo izao na mainty na fotsy na mena na mavo e !
jentilisa:

rehefa resy ho'aho dia resy fa aza avadika politika ny resaka! na natao ho Andriamanitra aza i Achille fantaro fa ny vodi-tongony nonahafaty azy! izay ilay hoe talon d'Achille e! tantaran'i l'Illiade et l'Odyssée io! ambany moral ny breziliana vao hoe frantsay no nihaona taminy!



24. baomijijy ( 03/07/2006 08:24)
john6:

zavatra hitako de izao,hatrizay2 ry zareo bresil tsy ary nandresy france afa tsy t@ 1958, fa misy zavatra tsy mazava eo @ izy roa tonta ireo fa tsy possible nyandreseny rfance any bresil alou eeee



tena marin io eeeeee
25. pissoa ( 03/07/2006 09:43)
jentilisa:
rehefa resy ho'aho dia resy fa aza avadika politika ny resaka! na natao ho Andriamanitra aza i Achille fantaro fa ny vodi-tongony nonahafaty azy! izay ilay hoe talon d'Achille e! tantaran'i l'Illiade et l'Odyssée io! ambany moral ny breziliana vao hoe frantsay no nihaona taminy!

Hita e
26. pissoa ( 03/07/2006 09:45)
lapino:
Oay koa zany avonavon'i pissoa e! 8O
Omeo adiresy ary za hijerevako azy :P

Aiza koa ze avonavon'i pissoa eo e? :oops::-*
http://serasera.org/iza:pissoa le adiresy :P
27. terra ( 03/07/2006 10:55)
Matetika ny gasy dé ny bresil daholo no fidiany...za koa aloha naka bresil fa dé atao ahoana fa resy izy na dia mitondra 5 étoiles ary é....
Matahotra ry zalahy eo anatrehan'ny France.....!!!!????
28. naughtyboy ( 03/07/2006 12:41)
ka na mahay takininn aza brazil iray ihany no tsy laniny eto eropa reto galifantsiny frantsa mangorona entana isaky ze mifanena zao..
29. rapala ( 03/07/2006 13:06)
naughtyboy:-D:-D
30. lapino ( 03/07/2006 17:19)
Pissoa, tsy adiresy http ka! :wink:
31. sasa ( 04/07/2006 03:40)
amiko aloha d izao ihany e! samy manana ny tiany io rehefa za tsy maka joueur Frantsay izany mintsy, ny an'ahy izay midona aminy foana no alaiko
otran'ny tsy fitiavan'i jentilisa sy sakaizakely Brasil ihany koa no mba tsy hitiavanany ny Frantsay koa,
sakaizakely d samy mba milaza ny heviny io fa aza tonga d tsaraina ho adala ny ny namana milaza eo ambony e!=))=))=))=))=)) satria raha adala ireo ambony ireo maninona enao no mamaly eo, sa koa faly fa hanadala ny adala ^:^^:^^:^=))=))=))
32. pissoa ( 04/07/2006 04:17)
sasa :-D:-D:-D

lapino, pissoa@serasera.org ary e :wink:
33. baomijijy ( 04/07/2006 05:12)
pozision dorjeu ane le frantsay ray in ts i tierr fa le ray, tssssss arbitr mangalatr tssssssss,
(l)BRAZIL(l)
34. jentilisa ( 04/07/2006 06:38)
io ary ilay tsy fahalalana ny lalànan'ny position de horsjeu. Efa hoe tsy horsjeu mihitsy ny olona iray rehefa tsy mandray baolina. Ianareo moa midrikina amin'io ka avelao eo. Izaho moa mitaky hatrany hoe foany io fa manasaritaka saina fotsiny! tsy nisy position de hors jeu mihitsy teo ry baomijijy raha ny lalànany!
35. hery ( 04/07/2006 07:21)
Italie no mahazo an'io :-(
36. rapala ( 04/07/2006 07:57)
hery: inona ity :( fa anga tsy optimista enao fa handresy Italie?:)
37. mandrindra ( 04/07/2006 08:09)
izaho aloha dia naka bresil par défaut satria izay adva an'i frantsa rehetra dia izay no tohanako. nandresy tamin'ny fomba mendrika ny mangamainty fa tsy nisy namboarina izany tao. ny tsy fananan'i pareira taktika no nahatonga an'i bresil ho resy. raha nanaraka ny lalao rehetra naton'i bresil dia efa hita ny fahasahiranany raha nihaona tamin'i australie izy. ny taktika nampiasain'i guss hidink tamin'iny fihaonana iny no nampiharin'i domenech. anisan'ny nangalan'i domenech torohevitra ihany koa i arsène wenger, mpanazatra an'i arsenal, izay nanana taktika matotra hitazomana an'i ronaldinho ary efa nampiatra izany tamin'ny finale champion's league.
ny tena hadalana lehibe aloha dia ny an'i roberto carlos. raha andeha hitifitra an'ilay coup franc i zidane dia nilaozany niondrika nanamboatra kiraro, hany ka nidanadana ho an'i henry ny varavaran'ny but.
raha ny mikasika ny hoe karatra mena izay vinavinan'ny maro hoe tokony ho ahazo karatra mena i juan. tsia anefa hoy aho satria tsy vodilaharana farany izy; rehefa jerena ny filaharan'izy sy lucio dia i lucio no farany tamin'iny action iny. noho izany mendrika azy ny karatra mavo nomen'ny mpitsara azy.
ny hadisoana hitako nataon'ny mpitsara dia ny mikasika ilay corner tokony ho azon'ny frantsay.
38. sasa ( 04/07/2006 11:53)
pissoa aza memezanjy akia za an :-D:-D:-D:-D
mandrindra tiako mintsy rehefa mahay maka izay adva an'i France
39. jentilisa ( 04/07/2006 11:59)
hoeeee...
40. lapino ( 05/07/2006 11:13)
Fa ny fandresena sa ny faharesen'ny ekipa iray no mahafaly e? :wink::P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4576