Vaovao mahafaly.

1. Fiffi ( 01/07/2006 17:08)

Aty Lille aho @ zao fotoana izao ka raha nanatrika ny fiharabana nataon'ny "Mr le Maire" nohon'ny fitsingerenan'ny ASARAMANITRA izao dia hoy izy:

-Faly ny tenako milaza anareo fa ireo ankizy nihanatra eto Lille nandritrin'ny 3 taona dia ho "régularizena daholo ny taratasin'izy ireo miaraka @ RAD-ny.
Ny ambony kosa dia ho jerena tsirairay ny cas ary mampanatena izy fa hahazo fahafam-po ny tsirairay.

-Dia isaorana eram-po , eran-tsaina ireo mpiara-miasa aminy noho izao zava-tsoa izao.
novalian'i ds ny 03/07/2006 10:12
2. vale ( 01/07/2006 18:01)
vaovao tsara tokoa izany akia Fiffi koh! misaotra nizara eh:}
3. cutie ( 01/07/2006 19:31)
fiffi, hay ve mbola mandalo ato ihany njy mampita vao2 e, merci:P
4. fasaly ( 01/07/2006 20:25)
hummmmm! mahafuinartra zany!
fiffi! efa me manakaiky ahy njy zany fa mandrosoa am lalindalina ihany de ho hitako e!:wink::-*
5. Ralay ( 02/07/2006 03:46)
Takizay zah mba nipetraka tany Lille dia mba regularisé kle :lol:
6. tisera ( 02/07/2006 05:40)
:)tsara be izany vaovao izany akia ry fiffi : enga anie ka ho tanterahan'ilay maire tokoa - raha tsy hoe ny préfecture indray nomanembatsembana ; dia misaotra mampita vaovao na vakansa aza :-*:-* é
7. Fanja1 ( 02/07/2006 06:33)
:-*:-* Fiffi .. merci akia nampita vao² tena mahafaly tokoa, inoana fa ho tanteraka soamantsara akia a!
8. dadabe ( 02/07/2006 08:55)
ary misy hifandraisany aty chine ve izany resaka izany e??:-w:-w

tena lasa serasera france ity le:@:@
9. sipagasy ( 02/07/2006 12:52)
Miarahaba ny rehetra

Izaho indray tena FALY BE nahita ny namana FIffi na dia fotoana kely ihany aza ny nahitako azy nohon'ny antony efa hainy ihany e! mmhhh oul 1 hafa koa tsy ho tononina hono ny anarany no hitanay mirahavavy taty dia izayyy, nefa nisy hafa tao fa tsy mety haiko hoe iza aza tsssss

Fiffi ann tsy mba mandainga akia ny maire nay io annn tena azo itokisana io kannn
10. ds ( 03/07/2006 10:12)
Mba tsy hisian'ny fahadisoam-panantenana, dia tsara ny mahafantatra fa tsy manan-kery (@ fanapahan-kevitra) eo anivon'ny préfecture ny Maire. Toy ny olom-boafidy rehetra, dia fangatahana (fiangaviana) no azony hatao kanefa tsy voatery manaiky ny Préfet. Tsy fanakiviany akory no ilazako an'ireo an. Tsaratsara foana ny manana olom-boafidy manohana toy izay ny tsy misy. Ny ao amin'ny préfecture, rehefa tiany omena ny taratasy dia omeny na tsy ara-dalàna aza. Rehefa tsy tiany omena kosa, dia avoakany daholo izao lalàna rehetra izao...
Mahereza daholo e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.0924