Olona tia mividy zavatra tsy ilaina

1. soanja ( 30/06/2006 22:37)
Hono hoy aho, ianareo ve mba efa mahafantatra olona tia mividy zavatra amin'izao fotsiny nefa tsy ilainy ilay izy na efa ananany be dia be na omeny ny hafa fotsiny. Ireny ve aretina sa ahoana? Ary inona no azo anampiana azy satria zaho manko manana namana toy izany ka isaky ny mihetsika dia mividy zavatra foana, izy koa aloha manakarena be fa ny tena mahakamo ary tsy hitako izay atao dia mividy zavatra ho ahy foana izy amin'izay alehany any nefa tsy ilaiko ilay izy nefa sarotra amiko ny handa satria ny Kristianina hono tsy manda fanomezana. Sa ve azo dikaina io?
novalian'i soanava ny 08/08/2006 07:18
2. fasaly ( 01/07/2006 06:46)
zà kalou de anizany e! tena tssssss!......mino aho fa efa tratran'io dool kosa e!
ka raha vidiana tsy ampesaina kosa veuh tsy aleo omena oul afaka hampiasa izany:P ny ahy eo am resaka akanjo sy kiraro no tena mahavoa ahy e!:x:x:xtssssss.....de appareil menager, fa omeko oul konkou rehefa mibahana pilasy fotsiny ao am armoire no mety mahasoa anlay oul omena azy:wink:
3. vale ( 01/07/2006 09:57)
omeo olona ry Soanja dia vita à, raha manohitra anzay izy di hazavao azy @zay hoe hitanao tsara izao ny vokany aza rhf zvt tsy ilaina no vidiana, dia raha tsy tianao ny hizarako azy @olona dia aza hatao intsony, hihihihihihh
4. cutie ( 01/07/2006 19:27)
Mpandefa : soanja [ Valio ] 01-07-2006 03:37:24
Lohateny : Olona tia mividy zavatra tsy ilaina
Hono hoy aho, ianareo ve mba efa mahafantatra olona tia mividy zavatra amin'izao fotsiny nefa tsy ilainy ilay izy na efa ananany be dia be na omeny ny hafa fotsiny. Ireny ve aretina sa ahoana? Ary inona no azo anampiana azy satria zaho manko manana namana toy izany ka isaky ny mihetsika dia mividy zavatra foana, izy koa aloha manakarena be fa ny tena mahakamo ary tsy hitako izay atao dia mividy zavatra ho ahy foana izy amin'izay alehany any nefa tsy ilaiko ilay izy nefa sarotra amiko ny handa satria ny Kristianina hono tsy manda fanomezana. Sa ve azo dikaina io?

ka lasa fialam-boly le izy de tsy tana tsony sy fahazarana:lol:
Fa koa tsy zaran-jy koa aza ve mahazo,sa tsy tian-jy?:wink:
5. mamzelkely ( 03/07/2006 12:25)
za klou de manao anzany ee ary tena masosotra mits le izy fa mandany vola fa zany we ny blem kely amiko de ts foiko omena olona le izy fa ataoko haingon armoire ao ftsn je c ts milay le toetra fa ny olona fatatro tsisy omby an le izy akanjo sy kiraro no tena mahavoa anah, za zany somary tia vao ee ede zay tia mividy an zano rht zao za refa andray vola tena tsssssss te hiala fa ts mety :°)
6. sipagasy ( 03/07/2006 13:25)
mmhh izay ilay ataoko hoe tratran'ny "fièvre acheteuse" hihihi loza hihihi
7. lapino ( 03/07/2006 17:32)
Aretim-behivavy mihitsy io, ary efa fantatry ny mpanao marketing dia efa hitan-dry zalah ny fanaovana azy.

Fa ny vehivavy raha vao mahita zavatra "tokony" ho roanjato kanefa amidy ariary zato, dia vidiany foana! Na fatin-javatra tsy misy ilana azy aza, raha vao mora dia vidiana foana!!

Ny lehilahy indray, na zavatra mitentina ariary zato aza no amidy roanjato, ka ilaina, dia vidiany. Dia vao mainka ozizy ny vehivavy hoe ampahafirin'ilay novidian-dralehilahy moa io, ... na dia tsy ilaina aza! :wink:
8. pissoa ( 04/07/2006 04:24)
Soa zah fa vita vakisiny hatrany an-kibon'i Neninay kle ... :roll: Zavatra isan'ny tsy tiako io shopping shopping io :x
9. kally ( 04/07/2006 05:11)
lapino:

Aretim-behivavy mihitsy io, ary efa fantatry ny mpanao marketing dia efa hitan-dry zalah ny fanaovana azy.

Fa ny vehivavy raha vao mahita zavatra "tokony" ho roanjato kanefa amidy ariary zato, dia vidiany foana! Na fatin-javatra tsy misy ilana azy aza, raha vao mora dia vidiana foana!!

Ny lehilahy indray, na zavatra mitentina ariary zato aza no amidy roanjato, ka ilaina, dia vidiany. Dia vao mainka ozizy ny vehivavy hoe ampahafirin'ilay novidian-dralehilahy moa io, ... na dia tsy ilaina aza! :wink:



Tsy ny vehivavy rehetra kosa io fa aza bangoina ao daholo e!:wink:
Ny ahy rehefa tsy ilaiko dia tsy vidiako na mora tahaky ny inona aza, na omena ahy fotsiny aza rehefa hoe tsy ilaiko dia tsy ilaiko.:lol:
10. cutie ( 04/07/2006 18:30)
zay le stereotype tsy mety mitsy :-D
11. mamzelkely ( 05/07/2006 06:38)
:-D:-D sambatra kally zany za njay akia matetika ny essentiel njay ny ts vôvidy à force d'acheter n'importe quoi ten atssssss oziz papanay zay mbola henjera ioarmoire-nao io fa ataovy eo ihany :-D:-D
12. kally ( 05/07/2006 15:27)
Mahagaga ahy akia ianareo, dia ahoana ary no tsy ahafantaranareo hoe tsy ilaiko anie ity zavatra ity :-D ny vidiny fotsiny ve no jerenareo akia sa inona no mahatonga anareo hividy an'ilay izy?
13. booboo ( 05/07/2006 15:58)
ny ahy rehefa tiako fotsiny dia vidiako dia soa fa miaraka @ drangahy miteny hoe atao inona koa zao iny, aiza no ametrahana an'iny , ....dia miverin-dalana indray :°):°)...fa ny boky zaho no tsy laitra mihitsy !
14. soanja ( 05/07/2006 18:18)
Ny anareo anie izany mbola misy fandinihana ihany hoe hividy sa tsy hividy. Matetika moa isika dia mividy ihany raha tiana ilay izy na tsy dia ilaina loatra aza, ohatra hoe resaka zavatra ilaina amin'ny decoration ao an-trano na zavatra ekanjoana sns. Ny ahy koa boky no tena tsy misy hatakandro fa raha vao manaitra dia mividy.
Fa ity resahiko ity dia tena hoe isakerinadro dia miara mivoaka izahay fa vao miditra mangazay dia mila an'ity aho, ity , ity sns fonosy dia alefaso post any amiko. Rehefa kiraro na akanjo dia tonga dia maka 5 , 6 fito eo no ho eo dia feno ny tanana mandrapahatonga any amin'ny fiara. Tonga any an-trano aiza no hasiana azy. Any amin'ny basement satria tsy ilaina daholo ilay izy fa na efa nananana na efa be loatra dia tsy misy hasiana azy intsony.
Raha tsy miaraka aminy indray aho dia hoe nividianako an'ity sy ity ary ity ianao fa hitako fa tsara ho anao sady mety tianao. Misaotra aho. Rehefa hody aho dia miodina any amin'ny Salvation Army dia ateriko any ireo zavatra ireo matetika satria tsy ilaiko mihitsy. Malahelo kely aho fa toa vola ariana daholo nefa ary Mada be ny tsy mihinan-kanina.
15. Zina ( 05/07/2006 20:32)
amiko a manana olana ilay namanao, dia any @ fividianana no mba satisfaction-ny. Mety frustrer @ vadiny izy na ny ankizy na izay olona miara-mipetraka aminy... Zay aloha no fahafantarako an;io e.
16. soanja ( 06/07/2006 01:02)
Zina> tena marina mihitsy io teninao io hoe misy probleme ilay ramatoa saingy inona ary no mba azoko hanampiana azy no tena mahasahirana ahy satria tena manelingelina ahy be ny fahitako azy nefa zah tsy sahy miteny satria tsy tiako sao dia malahelo izy. Indray mandeha izay mantsy dia saika hividy zavatra ho ahy izy dia tonga dia niteny aho hoe an an tsy dia ilaiko io fa lany fotsiny ny volanao. Dia toa tsy nahateny izy tamin'izay fa nalahelo.
Izy tokoa aloha tena tsy tia ny vadiny ary raha misy fomba ialana ao an-trano dia lasa foana ka ilay miantsena no tena tiany.
17. mandrindra ( 06/07/2006 08:15)
soanja, ento manao zavatra hafa ankoatra ny tsena izy. manao fanatanajhantena, manadray anjara amin'ny fiainanan'ny association na bénévolat, mandeha mijery sinema na activité maro isankarazany ahafahany mifanerasera amin'ny olonkafa.
18. mandrindra ( 06/07/2006 08:16)
booboo, ny ahy manokana aloha dia sahala aminao e, io bokiboky io dia tena manavy mihitsy aho raha tsy mahavidy 2 na 3 isankerinandro
19. soanja ( 06/07/2006 12:43)
mandrindra:

soanja, ento manao zavatra hafa ankoatra ny tsena izy. manao fanatanajhantena, manadray anjara amin'ny fiainanan'ny association na bénévolat, mandeha mijery sinema na activité maro isankarazany ahafahany mifanerasera amin'ny olonkafa.


Vao ninamana taminy aho dia izay no nanampiako azy voalohany hoe Ndeha ianao mba hitadiavana asa na dia tsy mila vola intsony aza. Nentiko tany amin'ny bibliotheque, hopitaly, hospice sns mba hanao asa antsitrapo. Saingy manao kely izy dia miala.
Izahay indray mijery cinema foana ka fa izay manko no tiako fa raha tsy izay tsy mety handeha hivoaka aho fa aleoko ao an-trano. Fa mahita fomba hiviliana hividy zavatra foana izy.
Sport indray dia tsy tia manao sport tanteraka izy fa rehefa mba teneniko izy hoe ndeha sika sy indry hanao jogging, tennis, lomano sns dia mitady fika hialana bala foana izy.


20. mandrindra ( 06/07/2006 13:04)
ohatra ireo nomeko ireo fa mbola maro ny zavatra azo atao toy ny fianarana, mandeha mijery conseiller psy, mandeha voyazy sns...
fa ny zavatra tena tsara ho fantarina aloha dia ny hoe inona no mahatonga izany. rehefa niverina namaky tsara ny hafatr'i soanja dia toa misy tsy fifanarahana ao antokatrano raha ny fahazahoako azy
Izy tokoa aloha tena tsy tia ny vadiny ary raha misy fomba ialana ao an-trano dia lasa foana ka ilay miantsena no tena tiany.

ka io no rangory fototry ny afo. any no tokony ho tsaboina. ka ny ahafahano mitsabo ny any aloha dia miankina amin'ilay degrén'ny finamananareo roa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7054