Olona tia mividy zavatra tsy ilaina

21. soanja ( 06/07/2006 13:55)
Mandrindra a, tena lany haika amin'izay namako izay anie aho e fa raha izaho tia miresaka sy manome torohevitra ity dia tsy mahita intsony. fa nanontaniako azy hoe inona no zavatra mba tianao dia ho any hiara hianatra azy isika. Fa ehe tsy mazoto hianatra intsony hono izy. Manao book club izahay dia nampidiriko tao amin'ny book club-nay izy.
Ry zareo aloha dia mandeha voyage foana tokoa dia any izy mividy tsy tapaka, miverina feno trano ny entana.
Fa zah kosa aloha hatramin'izay dia tsy sahy miteny hoe voa be indry zany fa aleo mandeha mijery psy. Ny finamananay aloha dia hitako hoe matotra tokoa satria mampalahelo ahy izy ary tantarainy amiko daholo ny olany ao an-trano. Izay no ataoanay rehefa miaraka dia mihaino azy aho.
Tsy sahy kosa aho miteny hoe saraho ny vadinao fa tokony izy no maka izay decision izay fa ny hevitravambadik'io no arosoko hoe ireto avy ny zavatra tsara raha miala amin'ny resaka vola ianao ka hiditra amin'ny fasambarana hafa mihitsy.
Tsoriko fa tena tsy mahasambatra ny vola fa ao amin-dry zareo no tena ahitako an'izany.
Ny tena mahakirina ahy aminy nefa tiako izy dia ny hoe ny alikan-dry zareo no handova ny hareny hono. Tena miteny antsaina mihitsy aho hoe Andriamanitra o ampio aho amin'ny hevitra fa inona no antony nampifanandrifianao ny fiainako amin'ireto olona ireto.
22. miantra ( 07/07/2006 06:51)
Soanja, midera anao manokana aho amin'ny fandavan-tenanao hanampy ity namanao ity.
Soa fa misy ny namana toa anao.

Ny ahy indray dia izao : consciente ve ilay namana hoe manana olana izy.
*raha eny, dia azo aroso aminy ny hevitra maro sao dia mba tokony hanatona olona afaka manampy (Psy ... sns...)
*Tokony manontany tena izy hoe inona no sensation azony rehefa manao io fividianana zavatra io izy, fa io izany no ilainy (assurance, estime de soi....)
Dia jereny hoe inona avy ny lafin-javatra miseho eo amin'ny fianany mahatonga ireo sensation ireo tsy ampy na tsy misy eo aminy dia iny no iasana sy anaovana réflexio rehefa avy eo;
* raha toa moa ka tsy consciente izy dia ataovy aloha izay haha-consciente azy dia izy no manampakevitra ny hiova.fa raha tsy izy tenany mihintsy no mahatsapa fa manana olana dia eh!eh!eh!, tsy misy azo atao io.

Mahereza e!

23. Zina ( 07/07/2006 12:35)
oy i Soanja

saingy inona ary no mba azoko hanampiana azy


Matoa izy naka namana anao mitady confiance sy confidence any aminao izy ireo fanomezana zavatra anao ireo ny fomba mba ampisehony azy oe tiavo aho mba ho namanao, ny fanomezana no mba hainy...
Ataoko angamba fa tsy dia ilaina ilay oe mande any Psychologue etc... matoa izy nakany aminao dia anjaranao ny mianatra mamaha ny olana... anontanio izy inona avy ny olana.. ary raha efa fantatrao dia essayeo vahana... ianao no atokisany.. mora io satria ianao koa mpivavaka tadiovo tsara ilay tena olana ananany izay mahavery azy otran'io.
Dia bonne chance ary araho vavaka io ...
24. soanja ( 07/07/2006 12:41)
Misaotra an'i Miantra amin'ny torohevitra. Rha ny fahitako sy mihaino azy eo aho dia tsy mahita na mahatsapa hoe manana olana izy. Izy manko ny fipetrapetraky ny vatana ety ivelany (physical fitness)dia zava-dehibe aminy tokoa ary tena mahavatra manao ny zavatra tsy eran'ny loha hahantongavana amin'izany. Matetika aho dia manadihady azy rehefa miresaka fa ny azy ny olona no ahitany tsininy. Dia izay indrindra no mahatonga ahy ho lany haika satria tsy misy azo atao raha ny hoe mahatsapa fa manana olana ve izy. Rehefa eo ampividianana ireo zavatra ireo izy dia manontany foana izy hoe tsara ve ity snsn dia mamaly aho hoe tsara tokoa io saingy mbola ilainao ve? ianao toa efa manana be dia be? an an ka ilay ohatr'ity tsy ananako. Rah zah ianao tsy mividy intsony tahaka an'iny? Ka tiako ity dia vidiako. Zay ny valiny. Indraindray aho miteny hoe: ianao toa tia mividy zavatra be mihitsy? dia miteny izy fa halany raha mahafantatra izy fa misy zavatra any ka tsy ananany nefa tiany.
Mampalahelo ahy izy. Betsaka ny namako mankahala azy nefa namako izy ka tsy azo ariana sady tena insecure be mihitsy. Dia hoy aho taminy raha miaraka amiko mandeha mivavaka ianao dia ho hitanao fa mahafinaritra be any. An an izany fivavahana izany tsy hahazo ahy mihitsy.
Mahavariana be ity olona iray ity ka.
25. Zina ( 09/07/2006 00:21)
Dia mivavaha ho azy fa tena misy matajanka mihitsy ny fivavahana raha tena @ fo no hanaovana azy.
26. soanja ( 09/07/2006 03:20)
Misaotra Zina a.
27. Zina ( 09/07/2006 23:46)
ndry any usa io ko efa aretina any ko hahahhaha
28. LazaDaddy ( 10/07/2006 00:53)
soanja:
Hono hoy aho, ianareo ve mba efa mahafantatra olona tia mividy zavatra amin'izao fotsiny nefa tsy ilainy ilay izy na efa ananany be dia be na omeny ny hafa fotsiny. Ireny ve aretina sa ahoana?
Tsy mahafantatra olon-kafa aho Soanja fa izaho no fantatro a. hahaha! Dia tsy aretina koa ilay izy fa Fitiavana! :-P So ndry dia gaga ohatra hoe ataon'i Daddy inona aza kirarom-behivavy sy boite a bijoux ... hahaha!
29. soanja ( 10/07/2006 22:24)
Zina:

ndry any usa io ko efa aretina any ko hahahhaha


Ahoana ary no andraisako ity tenin'i Zina ity? Aleoko angatahina fanazavana fa tena mampieritreritra.



30. soanava ( 08/08/2006 07:18)
Tena marina ny an'i lapino fa izaho dia voa mafy @
hoe 50 na 75% feno ny trano dia mbola tsy nolazainao
ilay hoe antonona ity rehefa mihena ao atsy ho atsy:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2954