Voonjeoeee! Mendy sy poritra? Ranovaky? Sa kendaroroka?

1. tenagasy ( 29/06/2006 17:58)
Mankamamy hatrany na dia taitra aza!
Ingahy Ratsiraka R. moa dia efa zanak'i Dada, Ingahy Razafimahaleo H. indray dia efahaintsika ny tantara araka ny dinika niarahana teto ihany.
Fa taitra ny fo vaky ny saina nandre ny fakana am-bavany an'ignahy Rajaonarivelo P. tao @ RFI anio t@ 13H GMT. Tsy ho voatantara avokoa fa dia izay ventiny nanaitra mafy no haroso (ny ankoatr'izay efa fiverenan-kira):
Nambarany mazava fa: mifandray matetika sy tsy tapaka amin'ireto olona ireto izy:
- AndriamatoaNy Hasina Randriamanjato,
novalian'i Mamakely ny 23/07/2006 02:53
2. tenagasy ( 29/06/2006 17:59)
azafady fa lasa tsy satry le izy teo
averintsika an!
3. tenagasy ( 29/06/2006 18:28)
Mankamamy hatrany na dia taitra aza!
Ingahy Ratsiraka R. moa dia efa tompon'anarandray fa zanak'i Dada; Ingahy Razafimahaleo H. indray dia efa haintsika ny tantara araka ny dinika niarahana teto ihany.
Fa taitra ny fo, vaky ny saina nandre ny fakàna am-bavany an'ignahy Rajaonarivelo P. tao @ RFI anio alakalisy t@ 13H GMT. Tsy ho voatantara avokoa fa dia izay ventiny nanaitra mafy no haroso (ny ankoatr'izay efa fiverenan-kira):
Nambarany mazava fa: mifandray matetika sy tsy tapaka an-telefaonina amin'ireto olona ireto izy:
- Ingahy Lahiniriko J.,
- Ingahy Andriamanjato Ny Hasina ,
- Ingahy Ratsiraka D. (manararaotra ny traik'efany ara-politika hoy izy)
- Ingahy Rakotoniaina Pety: izay hanambara tsy ho ela ny firotsahany hofidiana hoy ihany ingahy Rajaonarivelo P.
FANONTANIANA:
- Hay ve volo ngita mifandray tendro ihany ireo olona rehetra ireo eh? (tsy nampoizina) Hay izany no mampateti-pivoaka any ivelany any ny sasany.
- Tokony ho ingahy Rajaonarivelo P. ve no hanambara mialohan'ny tompony ny filatsahan'ingahy Rakotoniaina P.?
- Izany ve no atao hoe Pôlitika? (Maha kely aina)Sa efa mi-panik?
- Raha ny Pôlitikan'ny teo aloha no ianaran'ingahy Rajaonarivelo P. sy hilatsahany: moa tsy efa hita ve ny lalana nitondran'izany an'i Gasikara? (Maha-koditra)
Ka mampanontany tena hoe:
Tena fiarahana tokoa ve no dikan'izao sa fifamonoana anaty? Farimbona sa petsapetsa sa sotasota?
Mendy sy poritra? Ranovaky? Sa kendaroroka?
Voonjeoeee!
Mirary soa!
4. Ragadona ( 29/06/2006 19:46)
Tsy misy tsy mifandray izany ireo mpanao politika ireo raha toa ka mpanao politika efa mba malazalaza. Na ra8 sy ratsiraka mifandray fa aza dia naif be loatra. Tsy hitako koa ange izay olana amin izany e.
5. Solitikabe ( 29/06/2006 22:35)
Dia mbola gaga amin'izany foana ve Ragasy> I Zefa sy i Ratsiraka aza noheverina ho mpifandrina kay mifampitsikomba. Izay ilay hoe manao vazaha mody miady mba hanatsafana ny mpitazana, fa rehefa any antrano miray fandriana hiadanana
6. mandrindra ( 30/06/2006 08:44)
abracadabra, mazi mazi, akoholahy iray fisoko ihany ireo
7. booboo ( 30/06/2006 08:55)
:-D
8. gaba ( 30/06/2006 09:10)
Dia tena hanaovana resaka publicité be mihitsy ilay hoe Pierrot R.,ny ahy aloha dia izao:milaza hilatsaka daholo izy rehetra kanefa tsy ho fantatra izay tena hanao,ny faniriko dia mba ho tonga eto izy raha tena vonona,modia leroa! Aza be resaka any ivelany any fontsiny sa ahoana?eto isika mahita azy.
9. sarobidy ( 30/06/2006 11:40)
eishéééé
10. prime ( 30/06/2006 12:08)
ragadona:
Tsy misy tsy mifandray izany ireo mpanao politika ireo raha toa ka mpanao politika efa mba malazalaza. Na ra8 sy ratsiraka mifandray fa aza dia naif be loatra. Tsy hitako koa ange izay olana amin izany e.
tena marina io...:)
11. marozevo ( 30/06/2006 20:45)
1 - rfi --- Efa fantatra ihany ny fironan'io radio iray io momba an'i Madagasikara. No comment !

2 - Mifandray daholo tokoa ny mpanao politika, marina izany ???!!!.... fa izaho personnelllement tsy mino fa mifandray koa i Ravalomanana sy Ratsiraka. Tsy mino an'izany aho, ary raha sanatria moa ka marina izany dia hijoro ho mpanohitra an-dravalomanana koa aho, sy hanapotsitra izany. Izaho anefa tsy afaka ny hino raha tsy mahita porofo.

3 - Ny inoako kosa dia ity, ary heveriko fa rariny ihany aloha. tamiin'ny 2002, dia niniana nampifandisoana kely ny fotoana nandosiran-dratsiraka sy ny fahatongavan'ny mpampandry tany. Heveriko fa nisy rariny ihany izany.
12. vetsoko ( 01/07/2006 12:38)
raharaha 2002,que des scénarios
13. kolokanto ( 01/07/2006 13:03)
Miarahaba antsika rehetra namana!!!
Izaho koa aloha raha mikasika ny fifandraisan'i Ravalomanana sy Ratsiraka dia tsy mino aho raha tsy misy porofo.
Raha ny momba an-dr'Ingahy Pety sy ny sisa notanisain'i Ingahy Rajaonarivelo P. , nilaza sy niseho nanohatra an-dRatsiraka hay kay izany mety volongita mifandray tendro!!
Matoa misy ny fanambarana mivantana sy feno fahasahiana toy ireny ao raha!
Nikibokiboin'ny rariny ka niteny tsy nanontaniana ve?.
Mendy sy poritra? Ranovaky? Sa kendaroroka?
araka ny an'i Tenagasy tokoa angamba???
Antsika vahoaka mpifidy no mandinika sy mieritreritra tsara!!!!
14. MTN ( 01/07/2006 13:16)
Izaho aloha tsy gaga amin'ilay: Pierrot, Ratsiraka, Ny Hasina efa kobo. Lahiniriko sy Pety indray ohatra ny pion ny fahitako azy.
RFI: Frantsay io, resaka fotsiny izany la France n'a pas besoin de l'Afrique izany. Iza ary no mpihaino RFI?

fa ny tsy azoko dia ilay hoe:
Tena fiarahana tokoa ve no dikan'izao sa fifamonoana anaty? Farimbona sa petsapetsa sa sotasota?
Mendy sy poritra? Ranovaky? Sa kendaroroka?
Voonjeoeee!
15. marozevo ( 01/07/2006 20:42)
Iza aloha no nilaza hoe "la France n'a pas besoin de l'Afrique"? Non ... pas du tout... Sans l'Afrique, la France serait le pays le plus pauvre de l'Europe... pour plaisanter et exagerer un peu !!..

fa ny tiako ho lazaina amin'ilay resaka RFI dia ny fironany amin'Ingahy Ratsiraka hatrizay.. io kosa aloha tsy takona afenina.

Ahoana tsara hoe rey olona !.. Pety ? Mahagaga raha tena marina... Politika tokoa angamba ka !..
16. Mifenty ( 02/07/2006 08:13)


misaotra kosa klou am le fivakisan-doha e.

aleoko mivadika atsy am hatsikana sy lalao kle
17. prime ( 04/07/2006 11:07)
izaho dia mitovy hevitra tanteraka @ ragadona sy vetsoko... fa tsy te-hiteny betsaka sao misy faly loatra eo ny sasany... ny azo atsidika fotsiny dia izao, "ne vous fiez pas à l'apparence, rien n'est gratuit, c'est de la haute politique..."
18. arson ( 05/07/2006 13:07)
tsy mahagaga zany e!avelao hifandray fa samy olombelona e! sady @ zay ko anie le mpanao ratsy ihany no mifandray ao e!
19. fijo ( 05/07/2006 20:56)
ny politika anie ry namana ka tsy ananana namana e.mpiaradia no misy amin'ny politika,fa tsy namana.izany hoe raha miady androany,mety hiaraka sy hiray tanjona rahampitso.aryhiady seza indray avy eo.
20. marozevo ( 05/07/2006 21:01)
vetsoko:

raharaha 2002,que des scénarios



Zany ve ? Mba tokony havahanao kosa nama hoe ny inona amin'ireny no scenario moa ny inona no tena izy ah...

Fa raha ny raharaha 2002 rehetra kosa no atao hoe scenario, mba grave indray. Tapaka ny tetezana, nanjavona ny solika, nitsangana ny barazy sy ny zava-mamoafady nokoboniny, noendahina ny faladian'ny dokotera iza moa... Nosamborina i Kotity, notsaraina ary avy eo nogadraina... sns sns... Scenario !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0574