sifidy ny miteraka

1. mahandry ( 28/06/2006 11:13)
naona no be ny milaza fa fahotana ny misafidy ny tsy hiteraka. Arena tokoa ve ny zaza, mafinaritra ve ny mahita ireo tsy ampy taona maro mirenireny fa tsy misy mpiahy na misy ihany fa tsy ampy izay ampelatanana.Nisafidy ny ho avy ety antany ve ny zaza. Hadisoany veny mitady izay heveriny fa hahasoa azy
novalian'i dailynews ny 20/09/2006 16:32
2. pissoa ( 28/06/2006 11:42)
Tsy haiko raha fahotana na tsia ny misafidy ny tsy hiteraka, fa raha misafidy izany fotsiny ianao dia aza atao fanatry ny olona maniry mafy ny mba hananjanaka fa maneso azy izany.

Amin'ny ankapobeny koa dia ny olona manan-katao no manana safidy ny hiteraka na tsia izany. Ny olona tsy manan-katao, ny hohaniny androany aza tadiaviny androany (na rahampitso :( ) ka hanana safidy aiza amin'izany fiterahana izany moa izy? Noho izany tsy noho ny fitenenana hoe
fahotana ny misafidy ny tsy hiteraka.
no mahamaro ny zaza mirenireny.
3. booboo ( 28/06/2006 12:08)
4. Zina ( 28/06/2006 12:54)
5. Herimiafina ( 28/06/2006 12:54)
mahandry:

naona no be ny milaza fa fahotana ny misafidy ny tsy hiteraka. Arena tokoa ve ny zaza, mafinaritra ve ny mahita ireo tsy ampy taona maro mirenireny fa tsy misy mpiahy na misy ihany fa tsy ampy izay ampelatanana.Nisafidy ny ho avy ety antany ve ny zaza. Hadisoany ve ny mitady izay heveriny fa hahasoa azy

Arakaraky ny contexte io retsy an.
Efa omena anao kosa ve ny moyen rehetra sy ny zava-drehetra dai mbola tsy hiteraka ihany.
Tadidio koa fa nisy olona mpanakarena ihany tamin'ireny mahantra ireny fa saingy niha-mahantra noho ny cas de force majeur hany ka lasa tsy zarizary fa tsy hoe efa mahatra ambolaohany akory vao niteraka daholo kosa angamba.

6. hery ( 28/06/2006 13:25)
Tsy hoe rehefa misy ny zaza mirenireny tsy misy mpikarakara dia hoe tsy hiteraka ianao... mitady hitovy amin'ny nazisma izany. Hoe tokony tsy hisy hiteraka afatsy izay manan-karena afaka hamelona ny zanany... dia ho avy koa ny hoe raha vao fantatra hoe tsy tsara voatra ilay zaza dia aleo ajedaka dieny mbola tsy teraka sns.

Amiko aloha raha tena misafidy ny tsy hiteraka ianao. (izany hoe nisafidy ny tsy hanambady koa?) dia tsy hitako izay olana. Fa raha toa ka misafidy ny tsy hiteraka ianao ka izay zaza miforona dia vonoinao daholo (@ fanalanjaza) dia izay no hitako tena fahotana goavana...
7. cutie ( 28/06/2006 14:03)
sady safidy no tsy safidy ny miteraka.
8. Fiffi ( 28/06/2006 14:12)
ahoana akia zany ry cutie hoe safidy no tsy safidy ? an'olona iray ve io ? Satria raha misafidy ny hi-teraka de efa vonona ny mi-assumer ny responsabilité-nao enao zany . Raha tsy misafidy kosa de heu...angamba mbola mila fotoana hiheritreretina ? satria mety miankina @ le fiainanao io safidy io.
9. cutie ( 28/06/2006 14:14)
io efa novalian-jy io le izy :-D
10. xxx ( 28/06/2006 14:15)
(l)manahoana daholo.mety ho fahotana tokoa ny misafidy tsy miteraka raha ohatra ianao ka afaka miteraka satria manjary tia tena raha ohatra ka tsy miteraka nefa manana possibilite afaka miteraka.tsy manana avenir izany ianao eo
@ fiananao raha ohatra tsy miteraka satria manjary misasapoana ho an'iza ny harenanao?iza no hadimby anao?ohatran'i hoe oloholopoana ianao sady tsy misy pikarakara rehefa antitra; tsy adala akory andriamanitra miteny
hoe miteraha dia mamrnoa ny tany.toro hevitra kely omeko anao fotsiny de miteraha na de iray fotsiàny aza.ciao de bon courage
11. Robert ( 28/06/2006 16:45)
Io aloha de ohatra ny safidy rehetra ato aminy fiainana. Tsy hiteraka enao de eo izany enao sy fahanteranao. Hiteraka enao de eo enao sy ny fitaizana, problème miaraka aminy (petit bébé petit problème, .....).
Tsy fahotana ny tsy miteraka aloha satria tsy vorara ny didy folo (Jereo ry Darep, sy ry Masera).

ANAO NY SAFIDY...
12. rurik ( 29/06/2006 06:12)
raha ny eritreritro manokana aloha dia tsy fahotana ny tsy miteraka.
raha ohatra ka ny fihainanao aza efa tsy zarizary ,na ny hohanina aza indraindray manahirana, tsy aleo ve irery toizay miteraka hametraka zaza tsy manatsiny hiaraka hijaly aminao?
sady amiko na manana ny ampy aza dia maniry ny tsy hiteraka tsy fahotana ,
aleo manapakevitra fa tsy hiteraka raha toa ka efa fatany fa tsy ho vitany ,toizay hiteraka anefa dia ampijaly ilay aza , zavatra fahita matetika io zaza tsy voakarakara nefa dia manana ny fahafahany tsara ny rary amandry , satria zaza tsy nirina.
13. miantra ( 29/06/2006 06:12)
Amiko dia safidy malalaka ho an'ny tsirairay io .

Tsy hitako hoe inona ny fahotana amin'izany .


14. cutie ( 29/06/2006 10:36)
Fa tokony eo:roll: @taona firy eo ny vhv no farany afaka miteraka farafahatarany?
15. mahandry ( 30/06/2006 10:38)
NY taona farany aloha mbola tsy nisy fetra afatsy ny menopose. Jereo ny baiboly fa Elisabeta aza 80 taona mbola niteraka.
Misaotra ireo rehetra namaly sy izay mbola manana ny heviny ka ilaza azy eto.Marina daholo ilay teny hoe miteraka na tsy, miankina amin'ny fe-piainan'ny tsirairay no tena fepetra. Fa izao indray ary, raha tokony hiteraka ianao no tsy miteraka kanefa misafidy ny hamelona izay efa misy, izany hoe tsy zanakao; meloka ve izany. Tsy fanaganana fa fanampiana


16. booboo ( 30/06/2006 11:28)
Tsy meloka satria tsy fahotana ny fanampiana ny hafa, dia koa tsy fahotana ny tsy miteraka araka reo efa voalaza teo ambony reo
17. pissoa ( 30/06/2006 11:39)
Hery:
Amiko aloha raha tena misafidy ny tsy hiteraka ianao. (izany hoe nisafidy ny tsy hanambady koa?) dia tsy hitako izay olana. Fa raha toa ka misafidy ny tsy hiteraka ianao ka izay zaza miforona dia vonoinao daholo (@ fanalanjaza) dia izay no hitako tena fahotana goavana...
18. soanja ( 30/06/2006 12:38)
Ny fahitako azy dia izay hifanarahan'ilay mpivady ihany io. Ka izay no maha safidin'izy roa azy.
Raha hiteraka moa izany dia tsara. Eo tokony efa voadinika daholo hoe inona avy ny ilain'ilay zanako amin'ny fikarakarana azy mba hahasoa azy.
raha tsy te hiteraka dia efa mba karakarao ny vatana izay tsy hahabevohoka fa aza esorina kosa ny zazakely efa azo fa mampalahelo.
Nefa koa aza miteratera-poana fa mampijaly zaza koa.
19. kally ( 30/06/2006 17:40)
Herimiafina:



Arakaraky ny contexte io retsy an.
Efa omena anao kosa ve ny moyen rehetra sy ny zava-drehetra dai mbola tsy hiteraka ihany.




[/quote]
Inona ilay moyen rehetra sy zava-drehetra ohatra? Planeta simba ve? Tany mihamaloto? Ala ringana? Fitiavan-tena mitombo andro aman'alina? Mpitondra firenena voakolikoly? solika miharitra sa toetr'andro mihamiova? Zava-boahary mihafongana?

Tsy mahalasa saina ihany ve?


20. cutie ( 30/06/2006 17:48)
Mpandefa : mahandry [ Valio ] 30-06-2006 15:38:25
Lohateny : Re : sifidy ny miteraka
NY taona farany aloha mbola tsy nisy fetra afatsy ny menopose. Jereo ny baiboly fa Elisabeta aza 80 taona mbola niteraka.
:roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1678