sifidy ny miteraka
21. soanja
(
30/06/2006 23:31)
Herimiafina:
mahandry:
naona no be ny milaza fa fahotana ny misafidy ny tsy hiteraka. Arena tokoa ve ny zaza, mafinaritra ve ny mahita ireo tsy ampy taona maro mirenireny fa tsy misy mpiahy na misy ihany fa tsy ampy izay ampelatanana.Nisafidy ny ho avy ety antany ve ny zaza. Hadisoany ve ny mitady izay heveriny fa hahasoa azy
Arakaraky ny contexte io retsy an.
Efa omena anao kosa ve ny moyen rehetra sy ny zava-drehetra dai mbola tsy hiteraka ihany.
Tadidio koa fa nisy olona mpanakarena ihany tamin'ireny mahantra ireny fa saingy niha-mahantra noho ny cas de force majeur hany ka lasa tsy zarizary fa tsy hoe efa mahatra ambolaohany akory vao niteraka daholo kosa angamba.
Tsy misy ny maharatsy ny misafidy ny tsy hiteraka amiko. Samy manana ny fomba fijeriny mantsy ny olona. Ao ny mijery hoe tiako ny mivoaka ny kibiko ihany ny zanako. Ao ny misafidy hoe aleoko maka ireny tsy misy mpiahy ireny fa afaka manampy sy hitaiza ary hanome ny tsara indrindra ho an'ireny aho. Ao indray ilay hoe tsy te hisahirana aho dia aleo tsy miteraka.
Ny an'ilay vazah namako dia hoe tsy tiako hianaka amin'ity tontolo efa miharatsy ity ny taranako. Aleo faranako eto amiko ny momba izany. Tsy hihatsara mihitsy mantsy ity planeta tany ity hoy izy.
Dia ny araka efa haintsika izay betsaka any Mada moa izany hoe tsy nisafidy fa dia tonga ho azy ilay zaza.
Atao ahoana fa io ilay safidy tsy anomezana tsiny an'izay maka ny tandrify azy avy.
22. ninimalala
(
13/07/2006 03:47)
Mahandry a diso fantatrao loatra angamba aho fa nefa kosa ity misy tsetsatsetsa tsy aritro ary averiko aminao foana " Fahotana hono raha toa ka afaka miteraka nefa tsy miteraka, ary fahotana ihany koa hono raha toa ka miteraka maro nefa tsy ho velonao", ny hamehezako azy de izao, izaho tsy anameloka olona raha toa ka izay no safidiny nefa kosa lazaiko marina fa isan'ny Fanomezana tsara indrindra nomen'Atra ny olombelona ny zaza, ko nahona kosa re no tsy mba anisan'ny hahazo izany FANOMEZANA MAHAFINARITRA izany ny tena ?
Mirary soa.
Mirary soa.
23. HESHA
(
18/07/2006 06:13)
Soanja sy Kally, raha ohatra ny planeta mihasimba no antony tsy hananana taranaka, midika koa ange zany fa tsy te-hanao effort hanova ny tontolo iainany ilay olona e, fa de efa hoe izay kontiny eo de vidiny fa za efa ho lany taranaka ihany
Tsy izay aza ve no fahotana ?
Tsy haiko alou an.
Le safidy hanampy ny efa eo fa tsy hiteraka, zavatra tsara be zany donc tsy hananan-tsiny amin iza amin iza kosa e, mazotoa mahandry!!!!
Tsy izay aza ve no fahotana ?
Tsy haiko alou an.
Le safidy hanampy ny efa eo fa tsy hiteraka, zavatra tsara be zany donc tsy hananan-tsiny amin iza amin iza kosa e, mazotoa mahandry!!!!
24. malalazo
(
02/08/2006 15:21)
Amiko aloha raha ohatra ka ateraka ao anatin'ny tokan-trano ardalana ilay safidy de tsy fahotana e! fa ny an'ny sasany tsy manabady fa hiteraka fotsiny tsy fitiavan-tena kosa ve izany.Amiko koa raha ohatra ve ilay vehivavy tsy manambady de ho tia tena raha tsy miteraka na de manan-katao aza fa hoe tsy misy hiafarana.
25. soanja
(
04/08/2006 02:17)
HESHA:
Soanja sy Kally, raha ohatra ny planeta mihasimba no antony tsy hananana taranaka, midika koa ange zany fa tsy te-hanao effort hanova ny tontolo iainany ilay olona e, fa de efa hoe izay kontiny eo de vidiny fa za efa ho lany taranaka ihany
Tsy izay aza ve no fahotana ?
Tsy haiko alou an.
Le safidy hanampy ny efa eo fa tsy hiteraka, zavatra tsara be zany donc tsy hananan-tsiny amin iza amin iza kosa e, mazotoa mahandry!!!!
Ka ilay olona tsinona dia miezaka mafy izy manampy amin'ny fanatsarana ny tontolo iainana ary manao fikarohana tsy misy ohatr'izany hanatsarana ity planeta ity fa tsy mijanona amin'izao fotsiny. Fa nony hakiviany satria hitany fa tsy afaka ho izy irery no hanatsara ity planeta tany ity fa fitambaran'olona be dia be no miara manao ezaka ,dia mahatsapa izy fa tsy ho tanateraka izany satria be ny olona tsy miraharaha ny ho avin'ny planeta sy ny ho avin'ny taranany fa ny androany ihany. Noho izany dia aleony tsy mamoaka taranaka intsony fa ny eo hatsaraina. Amiko izany tena safidy tsara sy amim-pahendrena satria mampihena ny vesatra mianjady amin'ny tany sy ny tontolo iainana. Toy ny hoe Ndao hanao "Fanabeazana aizana" e. Tokony mbola hiteraka anie ireny olona ireny fa misy antony matoa mijanona izy.
26. dailynews
(
20/09/2006 16:32)
tsy azoko mihitsy hoe fahotana ahoana ny tsy miteraka raha afaka miteraka ?????? iza no nilaza izany ry mninimalala ? mba lazao ahy hoe ahoana no nahazoanao izany info izany fa dia tena mahavariana ahy mihitsy satria izaho dia tena tsy mahita taratra izany akory anaty baiboly ka tena te hahafantatra.