mitsara tokoa ve?

1. LazaRandri ( 25/06/2006 03:39)
mitsara = mi-tsara,

Inona no mahatonga antsika tsy sahy mananatra am-pitiavana ny rahalahy sy anabavintsika na dia hitantsika aza fa solafaka izy ireny?. Lasa toy ny mpiray tsikombakomba amin'ny ratsy ataon'ny namantsika isika isaky ny miteny hoe: "izay ary no tiany ko atao ahoana"? Tena tsy fitiavana azy anefa ny fankasitrahana ny ratsy eo amin'ny fiainany.

Tiavo ny mpanota saingy ankahalao ny ota.

[izy] dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa. Romana 1:32
novalian'i prime ny 08/08/2006 11:05
2. Fiffi ( 25/06/2006 04:15)
LazaRandri:

Inona no mahatonga antsika tsy sahy mananatra am-pitiavana ny rahalahy sy anabavintsika na dia hitantsika aza fa solafaka izy ireny?. Lasa toy ny mpiray tsikombakomba amin'ny ratsy ataon'ny namantsika isika isaky ny miteny hoe: "izay ary no tiany ko atao ahoana"? Tena tsy fitiavana azy anefa ny fankasitrahana ny ratsy eo amin'ny fiainany.
ny mananatra aloha de sy misy hidiran'ny hoe mitsara heu...amiko io an! ny mananatra de fanoroana , filazana zavatra ny mahasoa ho an'olona zany hoe tena fanorohana ny mananatra. Fa ny mitsara kosa de le fomba filaza izay tiana lazaina ahoana moa izany ? mandoka @ lafiny ratsy ? mitsara , mitsikera , mikritika !
Miankina @ toeran'le olona koa ny azo hananarana azy , raha zokinao izy heu...arakin'ny fomban-tsika Malagasy , sahintsika ve ny hananatra ny zoky ? Lazaina foana hoe ny zoky tsy maintsy hajaina bb kokoa ary izy no tokony hananatra ny zsandry. Saingy raha isolafaka izy heu...sahinao tokoa ve ny andeha hananatra azy ?


3. marozevo ( 25/06/2006 11:57)
Raha tokony hahasoa ny zokiko ve ny fananarana azy, inoa moa no tokony ho sakana amin'izany.
Marina tokoa ny an'i Fiffi : samihafa ny hevitry ny hoe mitsara sy ny hoa mananatra.
4. Fiffi ( 25/06/2006 12:18)
marozevo: tsy misy tokony hasakana kah! saingy lasa ny heritreritro hoe : ny Malagasy de tena manana fahendrena tokoa @ fanajana ny zoky ! hatramin'izao de mbola misy foana ireo zandry miantso hoe "zoky" ka heu...misy kosa no tsy sahy @ le maha-zoky azy sa diso aho ?
5. pissoa ( 25/06/2006 14:54)
Hihihi, miombon-kevitra amin'i LazaRandria mihitsy aho.
Matetika miverina eto amin'ny forum io teny io
izay ary no tiany ko atao ahoana?

Ho an'ny namana mpampiasa io teny io dia izao. Ka atao ahoana? hoy ny fanontaniana. Ny valiny dia tsotra: Aza miteny io fehezan-teny io intsony aloha voalohany indrindra :)
6. vale ( 25/06/2006 15:08)
lazaRandria: marina ny voalazanao, ary tsy tsara ny hoe: mijery harona an-tava hoy ny ntaolo, kanefa betsaka ny olona no mandray ny hanatra ho fitiavana! ka izay ngamba ny mahatonga ny olona hiteny hoe > ka atao ahoana? atsipy ny teny, fa anjaran'ilay olona ihany ny fanampahan-kevitra, indd moa raha samy olon-dehibe tena sarotra an,ihihih:wink:
7. booboo ( 25/06/2006 15:55)
pissoa > fa maninona ? hihihihihihi :°)



8. cutie ( 25/06/2006 18:41)
tsy manakolazaina:-D
9. pissoa ( 25/06/2006 19:11)
booboo:

pissoa > fa maninona ? hihihihihihi :°)
Mifono fialana andraikitra io teny io ... Lasa miteny ao anaty ao hoe ka tsy nisy azoko natao mihitsy ary kou. Tena misy azontsika atao nefa.
10. cutie ( 25/06/2006 19:21)
mba omeo exemple we in le resahina eto fa tsy mahazo mitsy za:lol::roll:
11. Fiffi ( 25/06/2006 19:23)
pissoa: indraindray manko ohatra hoe raha mba sendra niteny na nananatra an'le zoky ny zandry , de mahazo ny pakeny satria hoe ny zandry indray ve no tokony hananatra ny zoky ? de manjary tsy sahy miteny intsony le zandry de mety hoe io angamba no hilazany hoe "ka atao ahoana" ? na hoe izay no tiany hatao ka atao ahoana ? sa tsy mitombona ve akia zany ? tsy aiko aloha fa mba heritreritra ny ahy io an!
12. cutie ( 25/06/2006 19:28)
hay ve resaka fiarahamonina e
fa manin LR no milaza we
Tiavo ny mpanota saingy ankahalao ny ota.

tsy mazava mitsy ry reto a :-D
ohtran'ny misy resaka roa samihafa eto zany :roll:
13. LazaRandri ( 26/06/2006 02:00)
pissoa> izay mihitsy :wink:
vale> Marina tokoa ny teninao fa tsy azo terena ny olona, saingy tsy izany no atao "excuse" tsy anaovana ninoninona :) araka ny nambaran'i Pissoa hoe:
Tena misy azontsika atao nefa

"betsaka ny vokatra fa ny mpioty no tsy ampy" ka raha olona tokony hioty lasa mandeha mitanina andro fotsiny dia ... anjaranao ny manohy azy :wink:
14. pissoa ( 26/06/2006 04:17)
Fiffi:
pissoa: indraindray manko ohatra hoe raha mba sendra niteny na nananatra an'le zoky ny zandry , de mahazo ny pakeny satria hoe ny zandry indray ve no tokony hananatra ny zoky ? de manjary tsy sahy miteny intsony le zandry de mety hoe io angamba no hilazany hoe "ka atao ahoana" ? na hoe izay no tiany hatao ka atao ahoana ? sa tsy mitombona ve akia zany ? tsy aiko aloha fa mba heritreritra ny ahy io an!
Ka tsy ny zandry manananatra na manoro hevitra ny zokiny ihany anie no mahazo pake indraindray e. Firifiry moa ny zanaka sahy maniratsira RAD ka miteny tsy amin-tahotra hoe Ny anareo izany efa nilaozan'ny toetr'andro, sns. Fa tsy izany no tsy hananarana azy.
15. Fiffi ( 26/06/2006 06:37)
pissoa: marina mihintsy akia ireo nolazaindry ireo an!
16. booboo ( 26/06/2006 09:22)
Amiko, misy raha maro no afaka anehoana ny fananarana : mampitandrina, miteny direct ny tsy mety, manao moral,....fa misy koa ny fika hafa : \" sintonina @ tady mahazakan\'ny fitiavana \" ohatra( tsy tadidiko ilay toko sy andininy misy io fomba fiteny io any @ testamenta taloha fa nanaitra ahy dia tsy mety adinoko ilay fiteny ).

Tsy izany mihitsy amiko ny mitsara fa rehefa mitsara ( ilay raha natao na atao ) dia misy tohiny avy teo : na sazy na valisoa ho an\'ilay olona nanao ilay act. Raha eo @ ilay nitondrana ity raha ity ( ota ) dia marina ny an\'ny Baiboly hoe \" aza mitsara mba tsy ho tsaraina \" satria mitovy tantana aby raha mbola samy olombelona : nofo sy rà ary mpanota aby aby . Tsy miresaka ny fitsarana resaka tribonaly sy ny tariny zaho eto a ! Na nanadio antsika t@ raha maro aza ny rà latsaka dia rehefa diso @ raha iray loha, hono, dia diso @ raha rehetra. Iza anefa no mahavita tsy manota mihitsy na in-1 mandeha aza ao anatin\'ny iray andro ka afaka hitsara ny hafa ?

Mananatra dia ié, misy afaka ataon\'ny tsirairay foana foana, zaho anatiny, fa raha ilay mitsara hum...sarotra beeeeeeeee ho ahy manokana :/




17. marozevo ( 26/06/2006 15:09)
Izaho izay miteny izao no efa niharan'ity zavatra holazaiko manaraka ity : Nisy zavatra tsy nety nataoko (1995 tamin'izay -- fa tsy lazaiko kosa aloha ilay nataoko anh). Zandriko iray tam-po amiko, ary sivy taona be izao no elanelanay, no nilaza tamiko fa tsy mety ny ataoko. Tsy tezitra aho fa menatra aza, ary hatramin'izay dia heveriko fa "mpiaro ahy" io zandriko io. Laingalainga fa nitombo zato heny ny fitiavako azy, ary nitombo arivo heny ny fifankatiavanay roalahy.
18. Fiffi ( 26/06/2006 15:17)
marozevo: ^:^^:^^:^ izany no tena hatao hoe fifankatihavana .
19. marozevo ( 26/06/2006 16:38)
taty aoriana moa dia samy niezaka izahay nikolokolo ny fifankatiavanay.
20. prime ( 28/06/2006 07:38)
Fanamarihana ho an'ny rehetra : ny lahadinika entin'i LR tsy miteny fananarana zoky fa rahalahy na anabavy fotsiny...
LazaRandri> Raha amiko tsy misy olana mihitsy ny fananarana fa ny tena olana indray aza amiko dia ny antony anaovana ilay fananarana ho an'izany manao izany... Tokony handinika lalina ny "ANTONY", satria ao ny tena fitiavana no antony, fa misy tokoa ny mitsara ihany any anaty any, ary misy aza ny mila dera sy voninahitra mihitsy hoe olo-kendry na manam-pahalalàna matoa sahy mananatra...sns...:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1193