mitsara tokoa ve?

21. marozevo ( 28/06/2006 21:08)
Marina tokoa fa rahalahy sy anabavy no lazainy... fa saingy tsy kambana daholo akory ny olona rehetra, fa misy ny zoky ary misy ny zandry koo..

Raha ny hamantatra ny ANTONY ananarana indray dia sao dia miova ho procès d'intention raha miditra lalina loatra amini'izany. Ny vokany no tokony ho jerena.
22. Fiffi ( 29/06/2006 20:42)
prime:
ary misy aza ny mila dera sy voninahitra mihitsy hoe olo-kendry na manam-pahalalàna matoa sahy mananatra...sns...:lol:
heu...io indray aloha de tsy lasa eh! nefa raha ny tena izy de ireny olon-kendry ireny no tena tsy mba sahy miseho na mitady fiderana na voninahitra fa tena faran'zay "discret"


23. marozevo ( 03/07/2006 07:46)
Misy ny tena olon-kendry, ary misy ny milaza ny tenany ho olon-kendry.
24. prime ( 04/07/2006 06:27)
marozevo> fanamarihana ho an'ny rehetra dia manipika fotsiny ny fototra niaingan'ny adihevitra ka na zoky io na zandry dia ao anatin'ny resaka, fa ao aloha ao nivadika fananarana zoky ilay izy... Ny hoe procès d'intention dia izay mihitsy no tiako ambara, tsy ny fananarana no olana, fa ny antony anaovana azy, fa ny vokany indray miankina @ilay anarina io... na izy handini-tena dia hanaiky na izy manana raison izay tsy fantatr'ilay mpananatra...
Fiffi> dia izay no antony tsy ananaranarana foana satria samy mba manana kilema ihany...
25. marozevo ( 06/07/2006 18:20)
Miankina @ toeran\'le olona koa ny azo hananarana azy , raha zokinao izy heu...arakin\'ny fomban-tsika Malagasy , sahintsika ve ny hananatra ny zoky ? Lazaina foana hoe ny zoky tsy maintsy hajaina bb kokoa ary izy no tokony hananatra ny zsandry. Saingy raha isolafaka izy heu...sahinao tokoa ve ny andeha hananatra azy ?
Noho io nolazain\'i Fiffi io no nahatonga ahy handray ilay ohatra, fa tsy hoe mamadika resaka akory, na sanatria koa te hilaza tena.

raha hoe indray tsy hananatra satria samy mba manana ny kilemany ihany, dia ho inona no hiafaran\'ny fiainana. Iza no sahy hananatra raha izany. Ny miteny tsy Andriankevitra, ny mananatra tsy Andriampahendrena, fa ny fiainana Andriampitsinjovana.
26. KOTOKELY ( 06/08/2006 18:40)
Ilay mananatra aloha dia samy hafa be @ hoe mitsara e.

Ny fananarana angamba dia fitiavana ilay olona no hanaovana azy , he izany izy hoe anatra, fa ny fitsarana fotsiny dia na fifosana ilay olona any @ hafa (tena misy io @ntsika kristiana an) na fanamelohana ilay olona eo imasony eo ary tsisy fitiavana mihitsy . Ka mazava fa ny devoly anie no lehiben'ny mpanameloka e ka aoka hieritreritra isika mba ho tena fitaovana tsara eo ampelantanana'Andriamanitra fa tsy eo antanan'ilay ilay raika lahy ratsy misy tandroka.
27. prime ( 07/08/2006 09:36)
Tsy vakian'i marozevo tsara ilay lazaiko... izaho tsy miteny hoe tsy ilaina mihitsy ny mananatra satria samy manana kilema fa mampandini-tena izay mpananatra fa ndrao misy antony hafa noho ny fitiavana no anaovana izany... Ka aleo indray tsy miteny na miandry fotoana manokana toy izay mananatra lava mba hahazoana dera ho olon-kendry... izay ilay lazain'ny sasany mihitsy aza hoe "miana-kendry... mila dera..."
28. Achia ( 07/08/2006 15:59)
Ary tena tsy hitako mitsy Ramarozevo ela2 zay fa taiza e sa nanao vakansy tany mandraka tsy manova size aho a ! mbo tsetsatsetsa tsy haritra fotsiny e ! :°)
29. prime ( 08/08/2006 11:05)
:°):-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1097