Andao ary isika hanakiana rehefa izany!

1. kolokanto ( 23/06/2006 13:03)
Andao hoe isika ry zareo hanadrana hanakiana fotsiny ny zava-nisy rehetra aty Madagasikara nanomboka ny taona 60 ka hatramin'izao 2006( toy ny ataon'i ollepolitika, Petsam-bava, Victime 101, Sareraka..). Samy mitanisa ny zavatra tsy nety tamin'ny fitondrana sy ny tsy zakany eo daholo. Amin'izay angamba rehefa tapitra ny fanakianana raha ho tapitra dia hahita vahaolana ho azy eo isika hampandroso an'i Madagasikara!!!!!
novalian'i prime ny 14/07/2006 11:56
2. Fanja1 ( 23/06/2006 13:09)
na iza ny mitondra eo na iza? ny vahoka tsy maintsy mahita kihanina foana
3. mandrindra ( 23/06/2006 13:15)
kolokanto, tokony ny mifanohitra amin'io lazainao io no atao. tokony hoe samia milaza izay hevitra rehetra hitany fa mety hampadroso an'io firenena io.
4. prime ( 23/06/2006 13:22)
:-D
5. kolokanto ( 23/06/2006 13:26)
Ka izao anie ry Mandrindra e! Ny sasany toa faly ny hanakiana dia hanakiana fotsiny fa tsy mitady izay vahaolana hampandroso. Dia ny antony nahatonga ahy hanao io lohahevitra io dia ny mba hahatonga saina ireo tsy manan-katao afa- tsy manakiana hoe tsy vitan'ny fimenomenomana anie ity fiainana ity e!
Raha samy homenomenona daholo isika vahoaka dia inona ny hiafaran'ny Malagasy?
6. kolokanto ( 23/06/2006 13:28)
Azafady fa tsy ny Malagasy fa i Madagasikara.
7. sareraka ( 23/06/2006 13:32)
Ny zavatra iray dia azo rohitina toy ny kitoza ê!
Sahala @ rafozana manàsa vinanto io siran-daoka dia mety hifampitorahana vilia !
Tsy maintsy misy marimaritra iraisana ny zava-drehetra fa tsy manao didin'ny be sandry lava izao .

Bon ny olan'ity MADAGASIKARA ity dia tsy iray ny 2 fa maromaro mihintsy.
Ao ny olana ara-pôlitika ,ao ny olana ara-piaraha-monina ,ao ny olana ara-ekônomika,ny lalàna.

Misy faritra efa lasa lavitra ary misy faritra mbola tena tara ,misy désequilibre régional goavana .

Ao koa ny lenteur administrative efa fantatra io fa toa atao fanahy iniana mihintsy ? Jereo ohantra ny voka-pifidianana aiza ve leiretsy ka efa 21 é siecle dia mbola tableau noir no ampiasaina ao @ COUPOLE efa afaka 1 mois vao mivàly ny any an-dafy nefa 1 andro dia mivàly.
Raha nandàny 39 milliards ihany nividianana 4*4 ho an'ny HCC maninona raha niinformatiséna ny momba ny fifidianana ohatra?

MBOLA HITOHY ....
8. mandrindra ( 23/06/2006 13:38)
ny tantaran'ny olana no mbola hitohy sa ny fandrosoana vahaolana ?
9. Fiffi ( 23/06/2006 14:22)
ny an'i sareraka aloha de tsy mahita lazaina afatsy io "39 milliards ihany nividianana 4*4 ho an'ny HCC" io hiany izy fa maninona anefa raha mba tanisaina eto koa ireo heu....firy mille milliards moa ry sareraka ? izay nanjavona t@ fitondrana teo aloha ? Ohatra fotsiny ireny annif tao à caveau ireny an'i Princesse ?
10. marozevo ( 25/06/2006 11:41)
fa nahoana loatra....

Efa in-telo nanoratra teto aho dia "fotsy daholo".
11. tenagasy ( 25/06/2006 21:07)
Mankamamy oh!
Azatsiny fa elaela kely tsy hita izahay e! Izao indray vao tonga aty @ ville!
Feno tsiky zary hehy ny tava mahita ity lohahevitr'i Kolokanto ity! Hoy aho hoe: iny indray no tsy hitako! Mahafinaritra!
Saingy ny mahagaga dia rehefa tena omena sehatra malalaka tokoa toa tsy mahaovoka indray! sa...?????
Io lehireto ah!
Tairo amin'izay!
Alaharo!
Tantarao!
Lazao!
Tanisao!
Asio!
Petaho!
Doroy!
Rafeto!
Areheto!
Lamaho!
Veleso!
Totoy!
Riato!
Aza amelàna!

........... tandremo fotsiny kanefa sepotra an....
......Indrindra sempotra alohan'ny fotoana!
Toa tahaka ny misy efa miova famindra sahady anefa?
Mirary soa e!
12. marozevo ( 26/06/2006 14:18)
Tsy mazava izay lazain'i tenagasy....
Fa nahoana kosa moa no tsy maintsy hanakiana... ary hanakiana an'iza...

Ny ahy dia ny hevitr'i Mandrindra no ankalazaiko leireto ah... Be izay tsikera efa natao izay hatramin'ny 1960 ka hatramin'izao... Inona anefa no tena fampandrosoana nentiny?
Fa raha mba samy miezaka manolotra hevitra na manao asa mivaingana hanasoavan-Tanindrazana, inona tokoa no manakana.
13. kolokanto ( 27/06/2006 08:19)
Miarahaba antsika rehetra aloha tratry ny fetim-pirenena e!
Ka ny tanjona tamin'io lohahevitra io anie ry Marozevo dia ny hahatonga saina ny mpanakiana hoe:
- rehefa manakiana foana moa dia inona ny tombon-tsoa?
- ary ihany koa ianareo mpanakiana ireo koa angamba mba mety ho leo rehefa manakiana foana koa ny sasany: satria dia efa mankaleo ireo fanankianana tsy misy farany isan'andro ataon'ny sasany (fanakianana izay ny ankabeazany dia tsy misy "fondement"!!!
Izany hoe ny effet pervers no notadiavintsika!
Dia toa nandaitra ihany angamba le izy satria niandry aho izay holaizan'ireo tena mpanakiana ato kanefa tsy nisy.
14. tenagasy ( 27/06/2006 08:45)
Mankamamy hatrany e!
Dia samy arahabaina tokoa tratry ny fety e! Dia mba samy ho ambinina ka ho tahiany isika Malagasy sy ny Tanindrazantsika ka hizotra tokoa any amin'ny fahaleovantena feno sy tanteraka amin'izay!
Mety tsy nifanaraka tsara angamba ny tadin-dokangantsika; raha azoko tsara manko ny nahatonga an'i Kolokanto nanao ity lohahevitra ity dia izao:
Mihoatra ny mety loatra ny fanakianana bontolo sy be fahatany tsy misy farany ataon'ny namana sasany, ka aleo dia omena sehatra hanaranam-po izay teren-javatra mafy @ izany!
Hoy ny mpahay sasany hoe: raha misy zavatra tsy tianao hataon'ny zaza iray intsony dia avelao izy hanaram-po (raha tsy mampidi-doza) fa ho afa-po na ho leo an'izany izy, dia tsy ho tia herika na hamerina izany intsony!
Dia izany no ampirisihana ireo liana loatra amin'izany. Alaharo eto daholo izay kiana fa maika hiroso amin'ny hevitr'i Mandrindra isika: arak'ilay nofy ;-) sa?????
Sa sao de tsy izany tokoa anefa aloha ny eritreritr'i Kolokanto e?
Fa raha tena izany de hoy indray aho hoe:
Io lehireto ah!
Tairo amin'izay!
Alaharo!
Tantarao!
Lazao!
Tanisao!
Asio!
Petaho!
Doroy!
Rafeto!
Areheto!
Lamaho!
Veleso!
Totoy!
Riato!
Aza amelàna!

........... tandremo fotsiny kanefa sepotra an....
......Indrindra sempotra alohan'ny fotoana!
Toa tahaka ny misy efa miova famindra sahady anefa?
Mirary soa e!
15. tenagasy ( 27/06/2006 08:59)
Mankamamy!
Ventesina sy tsindriana tsara toy ny an'ireny mpihiragasy ireny rehefa mitanisa ireo baiko ireo an!:-D
Mirary soa!
16. marozevo ( 27/06/2006 20:32)
Ireo sora-matavy ireo izany no fiventesana fa miandry an-dry Sareraka, ry solitikabe, ry rabaradaka, ry Petsambava, ry.... hanao ny andinin-kira eh... Io izany ny sehatra ho anareo ka manarana fo, fa na ny kary am-pisoko aza tsy mahazo sehatra lehibe toa io.

Dia ataovy haingana fa maika mba hiditra amin'i hevitr'i mandrindra izahay. Isika manko eh !...
17. prime ( 28/06/2006 07:18)
sareraka:
Bon ny olan'ity MADAGASIKARA ity dia tsy iray ny 2 fa maromaro mihintsy.
Ao ny olana ara-pôlitika ,ao ny olana ara-piaraha-monina ,ao ny olana ara-ekônomika,ny lalàna.

Misy faritra efa lasa lavitra ary misy faritra mbola tena tara ,misy désequilibre régional goavana .

Ao koa ny lenteur administrative efa fantatra io fa toa atao fanahy iniana mihintsy ? Jereo ohantra ny voka-pifidianana aiza ve leiretsy ka efa 21 é siecle dia mbola tableau noir no ampiasaina ao @ COUPOLE efa afaka 1 mois vao mivàly ny any an-dafy nefa 1 andro dia mivàly.
Raha nandàny 39 milliards ihany nividianana 4*4 ho an'ny HCC maninona raha niinformatiséna ny momba ny fifidianana ohatra?

Efa milaza kosa aloha izy io an!!! fa isika mody fanina koa!!!:-D vahaolany koa efa ao fa vahaolana mihemotra sa tsy haiko fa ny vahaolana tokony atolotr'i sareraka anie hoe @ manaraka ahoana? dia inona no mba anjara biriky nataonao e??? :lol:
18. marozevo ( 28/06/2006 15:23)
Izy anie milaza eh... Raha tsy milaza ve izy hisy hiteny azy eto. Fa ilay zavatra lazainy mihitsy no...
19. prime ( 29/06/2006 11:49)
no...:-D:-D:-D
20. marozevo ( 29/06/2006 14:15)
mihemotra araka izay lazainao eo ambony eo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2583