Hanompo ihany ve dia ny hafa no tompoiko ?

1. rabaradaka ( 23/06/2006 11:30)
Resakay ity dadatoa fa aza atao mahatezitra a ! Hoy mantsy ilay gasy lahy nonina tany Frantsa taloha hoe hanompo ihany ve leretsy dia mbola hanompo vazaha fa tsy aleo manompo ny mpiray tanindrazana ? Tsy nahita tory aho ny alin'io niresahanay io. Mba jereo hoe dadatoa fa toa marina ange zany e, efa nampandoalika ahy ve dia mbola ho lelafiko faladia ihany ?
novalian'i tsoupou ny 11/07/2006 07:03
2. Fiffi ( 23/06/2006 11:40)
ka raha zay ary no hitany fa mety , inona no azonao hatao ?
3. mandrindra ( 23/06/2006 11:46)
fa inona moa ilay fanompoana tao amin'ny resakareo sy radadatoa ry rabaradaka ?
4. toovs ( 23/06/2006 11:54)
rabaradaka:

Resakay ity dadatoa fa aza atao mahatezitra a ! Hoy mantsy ilay gasy lahy nonina tany Frantsa taloha hoe hanompo ihany ve leretsy dia mbola hanompo vazaha fa tsy aleo manompo ny mpiray tanindrazana ? Tsy nahita tory aho ny alin'io niresahanay io. Mba jereo hoe dadatoa fa toa marina ange zany e, efa nampandoalika ahy ve dia mbola ho lelafiko faladia ihany ?

nahita ity resakareo ity aho ry baradaka de mba nolazaiko tamin'Ingahilehibe. de hoy ny navaliny hoe ny nahavaky ny saiko indray de hoy ny navaliny hoe: tsy aleo ve kisoa no manalika toy izay ny mitovy ra aminao ihany
5. hery ( 23/06/2006 12:20)
Resaka tombontsoa io e... raha (mody) manompo vazaha no ahazoana tombontsoa... fa raha manompo gasy tsy mahazo na ny pitiny aza dia tsy aleo ilay voalohany? :-)

Ary inona no metimety kokoa? Manao livreur mandray 3.000 euros par mois (mahavelona fianakams sns any Dago) sa lasa DG mandray 3 millions FMG (tsy mahavelona fianakams fa voatery manao risoriso ambadika) ?

6. kally ( 23/06/2006 12:24)
Fa inona aloha ny lazaina hoe fanompoana eto e? Dia inona no tsy mampitovy ny fiaraha-miasa sy ny fanompoana? Sa izay rehetra miasa dia manompo?:roll:
Mba hazavao kely ange ry reto a!
7. Fanja1 ( 23/06/2006 13:52)
tssy olona manompo zany.. fitadiavana daholo zany.
8. toovs ( 23/06/2006 14:54)
Fanja1:

tssy olona manompo zany.. fitadiavana daholo zany.

na aiza na aiza enao no miasa, na dago , na firenena hafa, refa tsy ianao no tompon'ny vola miasa de manompo enao zay. rehefa miasa ho an'ny patron nao enao de manompo izany. ny fomba fiteny azy fotsiny no atao hafa mba tsy hankarary sofina fa rehefa zohina ny tena système de manompo e.
manao asa ho an'ny tenany izay tsy te hanompo ny hafa e. rehefa tsy mitady mamorona ho anao ianao de manompo olona foana. za zao tsy manana orinasa ho ahy aho de manompo sy mampitombo ny volan'ny mpampiasa ahy fotsiny. Ny ampahany amin'ny hatsembohako no omena ahy de izay ilay hoe karama
9. Fanja1 ( 23/06/2006 15:52)
tsy fanompoana zany amiko.. izy mila ahy zaho kou mila azy... asa hifanakalozana io fa tssy fanompona!
10. Fiffi ( 23/06/2006 20:56)
tena marina izany an!
11. sakaizakely ( 24/06/2006 18:24)
Rabaradaka ity koa toa be tsikera tsy alehany.
Dia aiza nefa hono ianao io e !
3 izay ny resaka nosokafanao teto tsy hita akory ianao mamaly hevitra fa manao kabary ny tsy valiana. Miseho anao be hevitra sy misaina nefa enao no tena karazan'ilay kely fofona malaky misakoritra miafina any fa tsy mahasaky miverina intsony.

Ny asa fivelomana ka na iza na iza no mampiasa anao dia mba isaory izay mahavelona anao fa jereo ireo Malagasy havana maro mbola mihosina @ fahoriana sy ny tsy fisiana nefa filoha malagasy ihany no nitondra efa 30 taona mahery izao.

Izay nataon'ny mpanjanatany tany 50-70 taona lasa ve no mbola hanananao lolompo ? Dia tsy ho tafita fisainana ianao izany, il faut savoir se tourner vers l'avenir. Ny dadaben'ny zanako tsy mbola teraka akory t@ 1947, dia ho fahotany sy fahotan'ny zanany ve ny nataon'ny rainy sy ny raibeny taloha tany ? Tsinjovy ny ho avy Rabaradaka f'aza variana mankahala vaza toa an'io.

Hery> Ahoana izao lohahevitra fankahalana frantsay izao ry webmaster ? Amiko izany fanakavahana, noheveriko fa tsy leferina eto @ serasera ? Aiza ny fanarahana fitsipika sersera am'zany ?

rabaradaka:

Resakay ity dadatoa fa aza atao mahatezitra a ! Hoy mantsy ilay gasy lahy nonina tany Frantsa taloha hoe hanompo ihany ve leretsy dia mbola hanompo vazaha fa tsy aleo manompo ny mpiray tanindrazana ? Tsy nahita tory aho ny alin'io niresahanay io. Mba jereo hoe dadatoa fa toa marina ange zany e, efa nampandoalika ahy ve dia mbola ho lelafiko faladia ihany ?

12. xxx ( 24/06/2006 21:24)
Fa angaha kosa rehefa tsy tia frantsay dia milaza fa manavakavaka? ka tsy tiany fotsiny izao aza koa. Izaho koa aloha dia tena halako hatrany amin'ny tsinaimaintiko mihitsy ny frantsay e. Halako sy tsy tiako. Teboka!
13. xxx ( 24/06/2006 21:26)
hery:

Ary inona no metimety kokoa? Manao livreur mandray 3.000 euros par mois (mahavelona fianakams sns any Dago) sa lasa DG mandray 3 millions FMG (tsy mahavelona fianakams fa voatery manao risoriso ambadika) ?

Manao DG mandray 3 millions, sady mahavelona fianakams no tsy mila manao risoriso ambadika, izay no tsara koakoa.
14. vale ( 24/06/2006 22:26)
rabaradaka:

Resakay ity dadatoa fa aza atao mahatezitra a ! Hoy mantsy ilay gasy lahy nonina tany Frantsa taloha hoe hanompo ihany ve leretsy dia mbola hanompo vazaha fa tsy aleo manompo ny mpiray tanindrazana ? Tsy nahita tory aho ny alin'io niresahanay io. Mba jereo hoe dadatoa fa toa marina ange zany e, efa nampandoalika ahy ve dia mbola ho lelafiko faladia ihany ?
non, tsy izany le izy rabaradaka à:), efa nihinana sy nitavana dia aleo mba hotavanina koa!hihihihihih(ratsy toetra be ngamba zà?!) fa ny ahy loha de hitady vola no nalehako aty e, fa sanatry hisolelaka an!!, ary ny lalàna koa "misy" ka asakasak'izay tsy mitory an'izay manao ny tsy rariny @ an!:wink:

15. rabaradaka ( 25/06/2006 04:03)
Marina daholo zay voalazanareo ry dadatoa sy nenitoa fa hevitra ampiadiaa moa io. Fa zao ange ry reto no mahatonga ahy hiteny izany e, hitanareo, ny vehivavy gasy mahazo vazaha izany toa mahazo andriamanitra mihitsy. Anontanio ange nenitoa e, nahazo vazaha ary efa niova vazaha in-telo.
16. Fiffi ( 25/06/2006 04:38)
aza generalizena fa tsssss !!
17. sakaizakely ( 25/06/2006 11:25)
kabarin'olona tsy nahazo seza kou ny anao izany tsy mitondra mankaiza.

Ovay ny fijery ny fiainana fa aza pessimiste hoatra an'io. Samy manana ny olona tiany, tsy atao hoe nahazo vazaha fa nahita olontiana. Io toetsaina tsy alehany io ihany no mahatonga andramalagasy matetika mifotetaka. Tsy fantatro aloha izany atao hoe "mahazo Andriamanitra" izany fa ny fantatro dia tsy ilay olona iarahanao voalohany no vadinao fa mbola mamofompofona aloha na 3 na 4 na 5... Ka raha gasy izany no nanaovan'ilay vhv essayage dia tsy miteny ianao, fa saingy vazaha, dia mahazo tsikera izy. Sao dia mba fialonana amin'ny raha tsy azo e !

rabaradaka:

Marina daholo zay voalazanareo ry dadatoa sy nenitoa fa hevitra ampiadiaa moa io. Fa zao ange ry reto no mahatonga ahy hiteny izany e, hitanareo, ny vehivavy gasy mahazo vazaha izany toa mahazo andriamanitra mihitsy. Anontanio ange nenitoa e, nahazo vazaha ary efa niova vazaha in-telo.

18. vale ( 25/06/2006 12:13)

ie kah:),,

ny vhv manambady vazah indray loha raha izany dia safidiny izany ny hanompo ilay vazaha(toa ny Atra) koh! izy aza tsy taitra;-);-)

19. Fanja1 ( 25/06/2006 16:33)
fanambadiana vaza angaha = manompo vaza e? amiko matoa manambady vaza izy de satria misy fitiavana ao.. enao ve hanambady olona tsy tinao e?:wink:
20. vale ( 25/06/2006 19:24)
fanaja: ka araky ny tenin'i rabaradaka hoe ny vhv ohatry ny mahazo Atra mahazo ny vazà, dia hoy aho hoe aza atao faobe ohatr'izany kosa !!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3006