Vao mianatra ordinatera ka ampio

1. rabaradaka ( 23/06/2006 05:40)
Ahoana kay no hahaizako ordinatera haingana ry reto a ! Dia zao koa matahotra virosy (virus) aho dia inona no ataoko ?
novalian'i bluewin ny 02/08/2006 14:55
2. Aino ( 23/06/2006 05:57)
raha misy antisvirus ny ordinateur anao tsy misy mihintsy ny olana!!
tsy haiko hoe ahoana ny fomba anoroko anao hianatra azy io fa raha samy izaho hirery aloha tsy nisy napianatra fa nianatra nikitikitika fotsony ka tao anaty 1mois de efa haikohaiko dol ny mombamomba azy. ka tsy haiko hoe ahoana ny fomba anoroko anao.
3. Fiffi ( 23/06/2006 06:32)
manaova cours
4. Achia ( 23/06/2006 06:55)
tsy mila manao cours fa mikitikitika eo faona de mahay ny farany; asio anti-virius ny ordinateur nao @ izay tsy matahotra
5. Tokinao ( 23/06/2006 07:55)
izao : sady manaova cours, no mikitikitia foana e
6. Vaika ( 23/06/2006 10:47)
Raha tsy manatrika cours marina angamba tsy hahay haingana. Fa na izany aza dia azo atao ihany ny manofana tena miadana.
Mba efa misy internet ihany ka aleo mandeha amin'ny FAQ (foire aux questions) fa be dia be ny zavatra tonga dia hay eo no eo. Mitovy daholo mantsy ny vao mianatra pc rehetra ka misy fanontaniana manahirana anao nefa efa napetraky ny hafa.
Ohatra : virus. Tonga dia hita amin'ireny faq ireny fa iray ihany ny anti-virus tokony atao amin'ny pc dia avy eo hita indray hoe betsaka ny antivirus scan online (azo atao be dia be fa tsy mifanohitra amin'ny antivirus-nao fa ponctuel fotsiny ny hanaovana azy : securiser, kaspersky scan online...). Dia avy eo indray, misy koa ny atao hoe : antispyware ets (ilaina mihintsy !) ary be dia be ny gratuits.
antivirus gratuits : AVG, AVAST...
Dia avy eo hitanao koa fa misy logiciels tsy maintsy ananana ho an'ny sécurité ny pc ary gratuits : spybot search and distroy...(logiciels espion, chevaux de troyes sasany...)
Tsy maintsy paramétrer-na kely ary atao mise à jour tsara i windows (ohatra) sy internet explorer (ohatra) fa na manana antivirus aza enao dia ohatran'ny hoe nanidy varavarana fa ny varavarankely nabanabana:D
Hafatra farany : aza manao téléchargement raha tsy ilay site-n'ilay logiciel ho télécharger-na mihintsy.
Raha tena vao manomboka mihintsy dia ity misy azo hianarana : (google) : nettoyage-entretien-suivi du pc (forum pc astuces) momba ny fikojakojana ny pc-nao dia rehefa afaka ilay tahotra dia mazotoa fa ilay tahotra no tena olana amin'ny voalohany, izay no mba expérience-ko.
7. Vaika ( 23/06/2006 11:01)
Hevitra hafa koh !
Ho anareo izay eto France dia azo atao ny manantona associations. Ohatra : "échange réciproque de savoirs", ohatran'izao no fandehany : manolotra fahaizana (ny ahy ohatra : échecs sy fanaovana samos) dia mangataka fanampiana amin'ny izay ilainao (oh : informatique) dia rehefa misy mila fanampiana amin'ny échecs sy samos dia tamy aho. Dia ny mba nangatahiko tamin'izany dia hianatra lomano (crawl-compétition) ary tena tsy nanenenako fa jôba nilay be zay no nampianatra :°) Dia nahay tampoka fa na izany aza mody nanaovako venansa kely ihany (mahafinaritra ilay voatazotazona koh;-) ). Ny cours manaraka dia papillon ary somary sarotsarotra hono io lomano io an :°):°):°)
Ka mazotoa amin'ny informatique rabaradaka a ! any amin'ny piscine isika mifanena:D
8. lapino ( 23/06/2006 15:14)
rabaradaka, ilay kozin'i Vaika no Vakio : FAQ :)
Raha misy fanontaniana manokana dia : Forum
Raha hitady tahirin-kevitra dia : Google

Dia ataovy mazava sy précis tsara ny zavatra tadiavina, am'zay mandeha direkta mankany amin'ny fahaizana azy.

Vaika, mafana indray ny andro an :D
9. Vaika ( 23/06/2006 18:28)
lpn : Misokatra indray ity ny saison :-$
:@:@:@
10. mahni ( 24/06/2006 09:30)
tsy maintsy misy foana ny fanombohana ozizy fa ny faharetana amin'ny zavatra iray no tena mahalasa lavira. Mahereza é
11. fraz ( 26/06/2006 07:54)
vaika> Tsy ratsy kosa ilay mianatra milomano koa :-)

rabaradaka > Dia ireo torohevitr'ry zalahy ireo arahana e. Sady ianao aza anie efa mahay internet sy mampiasa ordinateur e (raha tsy zay ianao tsy afaka manoratra eto) fa mino aho fa ho hainao vetivety koa ny ambiny. Mazotoa e
12. rabaradaka ( 03/07/2006 10:41)
Misaotra anareo tamin'ny torohevitra. Zany ange ho'aho lay lazaiko hoe aza mba manao ratsy ihany e, merci dadatoa sy nenitoa isany a
13. rapala ( 03/07/2006 11:19)
hay mba misy zavatra tsy hainy rabaradaka:wink::wink:
14. MTN ( 03/07/2006 17:20)
dia manana kalier atokana ho an'ny info, de raha misy vaovao hitanao hoe ilaina dia soraty ao, oh raccourci clavier ...
Dia manana koa akama mahay mba hifanakalozan'kevitra. Ny cours tsy dia ilaina hoy aho. Raha ay dago dia mamakia truc et astuce amin'ny magazine ao amin'ny CCAC
15. pissoa ( 03/07/2006 17:52)
rabaradaka:

Ahoana kay no hahaizako ordinatera haingana ry reto a ! Dia zao koa matahotra virosy (virus) aho dia inona no ataoko ?
Misaotra anao nanontany, dia misaotra izay namaly fa zah kou te hahay haingana :-*


16. lapino ( 03/07/2006 18:03)
pissoa:
Misaotra anao nanontany, dia misaotra izay namaly fa zah kou te hahay haingana :-*
Ampirimo aloha ilay ubuntu! De zay vao miverena mamaky eto ndray! ;)
17. pissoa ( 03/07/2006 18:05)
Fa maninn no ampirimina :roll:
18. lapino ( 06/07/2006 15:41)
Io indray fa mody gana ... :roll:
19. pissoa ( 06/07/2006 16:06)
Maninn ary zah lazain'lah mody gana foana e :?
20. lapino ( 06/07/2006 17:00)
Tairo ary mody gisa e! :roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1482