Nivoaka ny site web ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy

1. zah ( 22/06/2006 13:56)
Miarahaba antsika rehetra!
Navoaka omaly 21 Jona izay nanamarihana ny faha 171 taonan\'ny Baiboly Malagasy voalohany ny site web ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy. Natao tao @ Foibe tao Antaninarenina ary nanome voninahitra izany ny Filohan\'ny Assemblé Nationale sy ny Filohan\'ny FFKM.
Indro ny adiresy : www.mampielybaiboly.mg
Araka ny voalaza dia eo ampamitana sy eo ampanatsarana azy ny tompon\'andraikitra sao dia gaga isika raha tsy mandeha indraindray.
Misy baiboly en ligne ary version 3 : DIEM, KATOLIKA ary PROTESTANTA
novalian'i prime ny 04/07/2006 08:03
2. marozevo ( 22/06/2006 14:07)
Tonga dia nanokatra, fa mbola tsy nandeha aloha hatramin'izao.... Na izany na tsy izany dia isaorana indrindra Andriamanitra, fa vokatry ny fanambinany ny fahavitan'izao asa izao. Ary dia hoe la velona anie io site io.
3. terra ( 22/06/2006 14:17)
za koa nanokatra fa mbola tsy mandé
Misaotra an'ny Zah nanoro fa ilain'ny olona aty am-pita mihitsy io.
4. diamondra27 ( 22/06/2006 15:18)
misaotra ny Tompo ny @ 'zany

sao de misy diso na adino @ le adresy fa jereo tsara ry zah a!
5. Fiffi ( 22/06/2006 16:20)
tsy misokatra!
6. marozevo ( 22/06/2006 23:19)
Amboary kely hono izany ry "zah" ilay jerena eto ah...
7. booboo ( 23/06/2006 04:02)
k'efa hoe " eo am-pamitana sy fanatsarana azy ny tompon'andraikitra sao gaga raha tsy mandeha "
8. prime ( 23/06/2006 04:10)
tena mbola manao mis à jour farany angamba fa omaly aho no efa tsy tafiditra koa...
9. Fiffi ( 23/06/2006 05:06)
mbola tsy tafiditra hiany androany!
10. GOMA ( 23/06/2006 05:39)
Mirary soa ,ny hivoahan'ny site web haingana mba ahazoana mampita ha
11. GOMA ( 23/06/2006 05:47)
Mirary soa ,ny hivoahan'ny site web haingana mba ahazoana mampita hafatra hoan'ny tanora amin'izao taon-jato farany izao .Mahereza daholo ny Tompo hombanao
12. hery ( 23/06/2006 06:32)
Aiza ihany?

Sa vao eritreritra fotsiny ilay izy fa mbola tsy natao?
13. ravatorano ( 23/06/2006 06:51)
za dia anisan ny nanatrika io fotoana io ary nolazaina tao miitsy fa efa misokatra ny site web arak io voalazan i za io fa aleo aloha anontanina tsara ry zareo d ho hita eo indray satria tena tsy misokatra tsara marina ilay izy
:x:x:x:x
14. dadabe ( 23/06/2006 12:15)
Bad Gateway
The following error occurred:
[code=DNS_HOST_NOT_FOUND] The host name was not found during the DNS lookup. Contact your system administrator if the problem is not found by retrying the URL.


--------------------------------------------------------------------------------
Please contact the administrator.
15. dadabe ( 23/06/2006 12:39)
io ny ahy aloha no hitako tao e:roll::roll: asa anefa....
16. marozevo ( 25/06/2006 12:18)
Eritreritra tokoa ve...
17. Fiffi ( 25/06/2006 14:03)
"zah" ary tsy namaly intsony !
18. Fiffi ( 25/06/2006 19:48)

Ity fa efa nivoaka ilay site webhttp://www.mampielybaiboly.mg/ http://www.mampielybaiboly.mg/mg_accueil.aspx
19. Fiffi ( 25/06/2006 19:49)
http://www.mampielybaiboly.mg/
20. marozevo ( 26/06/2006 15:30)
Io fa nisokatra ihany tokoa... saingy ny mahagaga dia "tsy andrin'ny maika" fa miadana dia miadana ny fisokafany. Sa ny ordinaterako irery no manao izany. Rehefa site hafa anefa no sokafana dia toy ny afokasika, hoy ny fiteny.

Tsara, na dia mbola tsy voavakiko aza satria miadana ka tsy andriko. Ilay finiavana no tsara, fa ny lafiny teknika dia mbola misy ezaka maro tokony hatao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2698