Inona marina ny olana

1. rabaradaka ( 22/06/2006 12:15)
Nisedra ary mbola misedra olana ny FJKM eo amin'ny fomba fandaminam-piangonana. Dia sanatria tanora fanahy ve ny mpitarika no mahatona izany satria 10 na 20 taona lasa dia nilamina tsara ny FJKM. Sao dia mba tafiditry ny satana koa ny .....
Ndao hifona amin'Andriamanitra daholo dia hovonjena ny firenena
novalian'i xxx ny 11/07/2006 04:44
2. Fiffi ( 22/06/2006 12:38)
rabaradaka:
Nisedra ary mbola misedra olana ny FJKM eo amin'ny fomba fandaminam-piangonana. Dia sanatria tanora fanahy ve ny mpitarika no mahatona izany satria 10 na 20 taona lasa dia nilamina tsara ny FJKM.
rabaradaka: fa misy maha-ratsy an'le tanora fanahy nga ?


3. Fiffi ( 22/06/2006 12:41)
Ary ny fiainana t@ 10 na 20 taona izany aloha tsy hitako izay hitovizany @ zao fotoana izao an! Na izany aza aloha , ilay hoe "tanora fanahy" no tsy azoko !
4. sareraka ( 22/06/2006 12:46)
Io dia fahotàna mahafaty nataon'ny gasy ny nanafangaro ny pôlitika sy ny fivavahana .Taiza eto ambonin'ny tany no hisy filoham-panjakàna sady filohan'antokom-pivavahana.Eritrereto hoe i CHIRAC filohan'ny fiangonana catholique ao FRANTSA ?
Sahala @ hoe silipy sy satroka ve hifangaro izao ny silipy lasa satroka dia izay vao mody gaga daholo ny mpomba an-dra8 ...
HA HA HA !!!
5. prime ( 22/06/2006 13:16)
rabaradaka:
Dia sanatria tanora fanahy ve ny mpitarika no mahatona izany satria 10 na 20 taona lasa dia nilamina tsara ny FJKM.
ny hoe nilamina tsara dia toy ny fiangonana rehetra ihany fa toa milamina kokoa noho ny hatr@izay aza izy ankehitriny... Sao tokony hazavainao kokoa ilay hoe "misedra olana amin'ny fandaminam-piangonana".:wink:
6. marozevo ( 22/06/2006 14:10)
Hay mba tafiditra eto i Sareraka ah... Arahabaina ry namana malaza. Saingy miala tsiny aho raha miteny fa toa tsy misy zavatra fantatrao akory izay lazainao eto. Any amin'ny Politika no toerana fifanasana vangy fa tsy eto.
7. LazaRandri ( 22/06/2006 21:59)
rabaradaka:
Inona marina ny olana
na inona na inona olana miseho dia fantaro aloha fa tsy "olona" nofo aman-dra ny fahavalo fa Satana (fanahy ratsy). Raha tianao ho fantatra ny olana dia jereo hoe avy taiza sy oviana ilay Satana no nisisika moramora, sao dia tsy mba tao anatin'ny fotoana fohy fa efa hatry ny ela? Sao dia isika mitazana koa no amporisihiny hampitombo ny fisavorovoroana tiany hanjaka? etc...
8. LazaRandri ( 22/06/2006 22:05)
rabaradaka> vahaolana entina e! Mivavaha dia ataovy hita amin'ny fiainanao andavanandro ny fahazavan'i Kristy. :)
9. marozevo ( 22/06/2006 23:23)
Kay ve i rabaradaka no nanokatra ilay loha hevitra eh... mazava ny tanjony, ary io koa i sareraka fa mody manaraka sy manamafy eo akaikiny eo... Mba diniho tsara ange eh... fa nahoana no FJKM irery no lazainy fa manana olana ? Hitsikitsika tsy mandihy foana....
10. prime ( 23/06/2006 04:13)
aiza rabaradaka teo e ????!!:-w:-D:-D
11. rabaradaka ( 23/06/2006 05:34)
Hevitra ange no zaraina e, ary raha ny marina tena tsy mpanara-baovao mihitsy nareo ry dadatoa isany. aza be resaka fa tsy .....
Misaotra an'i LazaRandri fa ianao irery no nanana vahaolana tsara fa ny sisa zany dia eee, devoly !
Rabaradaka tsy izy an !
12. prime ( 23/06/2006 06:19)
rabaradaka> raha ny vaovao aloha mikasika ny fiangonana dia mahafantatra zavatra betsaka ny ato fa miandry ny tianao itarihana ny lohahevitra, ka mety diso hevitra ianao... fa ny fanontaniana rehetra mipetraka ao ambony tsy misy voavalinao dia tonga ianao dia mitsaratsara olona... ianao anie no mitarika ny lohahevitra dia rehefa tsy tafavoaka ianao dia lazainao fa devoly ny olona... mampalahelo ianao... raha fantatrao ny dikan'io anarana ilazanao izay rehetra ato io dia tsy ho sahy niteny an'izay ianao... :wink:
13. marozevo ( 25/06/2006 12:24)
Asa lahy ?!....

Mifandimby eo i rabaradaka sy ry i sareraka... mampiditra hevitra vaovao ny iray dia mody manamafy ny iray.... Ny iray sy ny iray... sa olona iray ihany?

Aoka ho tsorina sy ho vakiana ny resaka : manokatra i rabaradaka --- FJKM --- Dia tohizin'i Sareraka hoe "izany no izy rehefa mifangaro ny Politika sy ny fivavahana---

Iza no tsy mahalala fa i Ravalomanana no anisan'ny mpitondra ao amin'ny FJKM ? Io no tian zalahy hampidirina eto fa mba aodina kely mba tsy hanana endrika Politika...

Raha ny marina izany dia tokony hesorina eto koa ity loha hevitra ity.
14. Fiffi ( 25/06/2006 19:36)
rabaradaka , sareraka: efa hita zao ny paikanareo , fa any @ politika tsy dia mamaly anareo ny olona , fantatrareo fa ato @ fivavahana sy finoana tsy maintsy hamaly ny olona de manararaotra ianareo mody mandefa dinika mikasika ny fivavahana , vao hitanareo fa mamaly ny olona de mahazo bahana ianareo hanaovana ny politika eto sy ny tsy fanajana ity toerana ity .

Mangataka ny mpiandraikitra mba hamindra ity dinika ity toerana. Misaotra. Satria lasa resaka silipy sy satrok'i sareraka sy Ra8 sy Chirac ilay dinika.

Tompo ô ! mamelà azy ireo na de fantany aza ny nataony.
15. LazaRandri ( 25/06/2006 20:51)
rabaradaka:
Misaotra an'i LazaRandri fa ianao irery no nanana vahaolana tsara fa ny sisa zany dia eee,
:roll: ampiharo manomboka eto amin'ito forum ito ary ilay vahaolana e! :wink:


16. marozevo ( 26/06/2006 15:36)
Misy lesona tafita io ambony io... Na fantany aza izay ataony..

Ka nahoaana ary no tsy valianareo ireo resaka sy ahiahy ireo ry rabaradaka sy ry sareraka?
sao dia heverinareo fa olonolom-poana ny eto ka tsy hahatakatra ny hevi-dravina sy hevi-dratsinareo hanimbazimba ny resaka finoana sy fivavahana.

Azon'ny mpiandraikitra ve ny fikan'i Sareraka sy i rabaradaka ? Koo nahoana no mbola avela eto ihany ity dinika ity..
17. prime ( 28/06/2006 07:51)
devoly=mpanameloka, mpiampanga, mpanenjika... anisan'ny dikany ireo ka alohan'ny itenenana ry rabaradaka dia diniho aloha ny tena a! :-P
18. marozevo ( 01/07/2006 21:53)
Raha azo natao ny mba nanao "pré-pseudo" dia angamba ho "Narcisse" ny an-dRabaradaka. Izany hoe mety ho izao no solon'anarana sy solo-na fanampinan'anarany : RABARADAKA Narcisse.
19. prime ( 04/07/2006 08:47)
20. marozevo ( 07/07/2006 14:45)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3166