Inona marina ny olana

21. xxx ( 11/07/2006 04:44)
Izany eo ihany ry ireto fa ao amina fiangonanana FJKM lehibe iray dia ny mpitandrina mihitsy no manakorontana ny vahoakan'Andriamanitra. Mpitandrina vaovao ao ami'ilay Fiangonana izy io ka ny tetiny dia hamotika izay natsangan'ilay teo aloha nosoloiny, ka ilay Tempolin'Andriamanitra vao notokanana tamin'ny faran'ny 2004 no ho ravany fa kely loatra hono. Tsy misy vola eo am-pelatanana fa ny Fiangonana ho ravany ary tery vay manta tsy misy toa izany no mahazo ny mpivavaka ao . Ka dia hitrosa vola aman'hetsiny maro dia maro (aleo tsy tononina fa mahamenatra)eny amin'ny Banque izy. Mody ny Biraom-piangonana no atositosiny hanao izany fa izy daholo no ao ambadika. Ary dia didy jadona no ampanjakana ao amin'io fitandremana io.
Koa mba manontany ny hevitrareo aho :
Mety ve raha ny Tempolin'Andriamanitra no fatorana amin'ny trosa mandritra ny taona maro. Fa tsy natao "HAMPISAMBOTRA" ve ny Kristianina fa tsy " HISAMBOTRA " akory.Asa loatra izay maha may an'io mpitandrina io ka tsy aleo ve mba manangona aloha toa izay an-jana-bola.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4445