Tehihaino an'i Rossy

1. rabaradaka ( 22/06/2006 11:13)
Zao lay izy dadatoa a, tehihaino an'ny tarika Rossy hono ingahy Ravalomanana saingy menatra dia tsy sahy mihaino. Marina e zany ? Sao mba mampiesona fotsiny radadatoa e
novalian'i prime ny 14/07/2006 10:34
2. prime ( 22/06/2006 11:18)
rabaradaka> iza io dadatoa io e???! :-D tena tsy maharaka izahay fa mba hazavao e!!!:wink:
3. rapala ( 22/06/2006 11:19)
rabaradaka: fa inona hono tokony hamenatra ndra8 amin'izany.... so dia complicitény rapetsambava ary enao ity?:twisted:
4. prime ( 22/06/2006 11:23)
rapala> "on dirait oui..." :°)
5. rapala ( 22/06/2006 11:44)
prime: so de mba olna 1 ihany izy ireo é - mitovy saina manko:)
6. Fiffi ( 22/06/2006 11:49)
rapala , prime : aza gaga @ zany ianareo fa mitondra ps maromaro ireo !!!:evil:
7. rapala ( 22/06/2006 11:58)
tena marina izany ry Fiffi - hita mihintsy ilay fitoviny toetsaindreo:evil::evil:
8. petsambava ( 22/06/2006 12:22)
DADAVALO o! dada JACQUES ô!
tairo tairo fa ilay fiainana anie tsy mila tsy ho tratra ô
Mr le senatera ô Mr le député ô
manomboka @ volana aogostra hiverina indray ny déléstage lava be .

Ny mpitondra anay variana miady
aiza ny daba no tsy hivarina any an-kady

Mme LALAO ô Mmme YVETTE ô!
ilaozanareo mankany @ FELINE sy mamonjy fety
nefa ry Mme VICTOIRE mitsipona zaoridira vao mihinana
ny mpiasa'ny zone koa ireto be no ho voaroaka ka maro ny tsy ahita hisikinana

LERA!!!!!!!lera...
9. marozevo ( 22/06/2006 13:23)
Na olona iray izy ireo na olona roa, dia farafaharatsiny aloha mba tsy misandoka ilay anarana voalohany...
Saingy ny toe-tsaina tokoa hita miharihary...
10. prime ( 22/06/2006 13:29)
Fiffi:
aza gaga @ zany ianareo fa mitondra ps maromaro ireo !!!
fa hita eny foana ny ao ambadika e!!! :-D
11. rapala ( 22/06/2006 13:32)
petsambava=sareraka=rabaradaka
Raha tsy kabosy ireo tsy tokony hanova ps maromaro izany fa tokony hiseho ny maha-izy azy:twisted:
12. prime ( 22/06/2006 13:35)
Hafa tokoa izany hoe sareraka sy petsam-bava mibaradaka amin'ny hiran'i Rossy izany an!!!:-D:-D:-D
13. rapala ( 22/06/2006 13:45)
ié, :-D:-D:-D
14. bilakarenjy ( 22/06/2006 15:39)
Tsy dia mahataitra loatra ny fomba fiady toy izao ry zareo a!.Aleo izy hamoaka izay reviny sy masaka ao am-tsainy .
Aza atao mankarary aina sy mahatezitra satria hevitra taingina anie no asehony anareo eo dia lasa ianareo indray no miady sy marary fo amin'izany eo .
Fa ho valiako ny resaky rabaradaka :
mety ho marina io tsentsikevitrao io rabaradaka saingy mila anao ravalo vao afaka mihaino ilay hira noforoninareo sy rossy satria lasa version rabaradaka ilay hira .
15. Zina ( 22/06/2006 15:53)
Tsisy olana aminy ny mividy ny CD an'i Rossy ... ka inona no problema ????
16. molota ( 22/06/2006 17:04)
ndriiiiii!!!! malahelo ny fahinyiii? ndry ry tonaké:°)
17. marozevo ( 22/06/2006 22:40)
Izao ataon-dry baradaka sy ry petsambava (sandoka) izao, sy ny sisa hafa koa, dia indrisy, tsy dia tena vokatry ny fony sy ny fisainany, fa voagejan-dratsiraka izy, ka tsy maintsy miteny izay asaina teneniny. Fomba hafa fiadin-dRatsiraka io.... Nefa olona jamba iny mbola ho antenaina ihany ?
18. rabaradaka ( 23/06/2006 05:09)
Diso aloha fa tsy petsambava na sareraka i rabaradaka. Olona telo samihafa ireo ary manana fotokevitra politika telo samy hafa. Ny iray manao vazivazy manala azy, ny faharo tomandrangitra fa rabaradaka kosa milaza ny fahamarinany.
Ilay dadatoa indray dia enao mamaky io ihany kah !
rabaradaka
19. prime ( 23/06/2006 06:07)
rabaradaka:
Ilay dadatoa indray dia enao mamaky io ihany kah !
misaotra anao... fa ilay lohahevitrao kosa aloha tsy miteny n'inon'inona mihitsy an! mba hazavao mihitsy fa lazainao "marina" na dia ny eritreritrao aza...
20. marozevo ( 26/06/2006 14:32)
Raha tena milaza ny marina ary rabaradaka, dia lazao mazava hoe taiza no niseho io zavatra lazainao ao amin'ny fanokafana ny loha hevitra io?
Raha tsy afaka milaza ny toerana sy ny fotoana nisehoan'io ianao, na fara faharatsiny manolotra "jerena eto", dia heveriko fa anisan'irony mpamoron-dainga irony koa... anisan'irony mandrangitra irony koa...
raha ny tena marina aza dia manala baraka mpitondra ianao amin'izany, ka raha mbola Ratsiraka no nitondra teo dia efa tany Tsiafahy ianao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0849