Tsy mahasarika olona intsony ny Paositra eto Madagasikara.

1. Fiffi ( 21/06/2006 06:22)

Tao anatin'ny tatitra nataon'ny ministry ny Paositra sy ny fifandraisana ary ny fifandraisan-davitra omaly teny Tsimbazaza no nahafantarana fa tsy mahasarika olona intsony ny Paositra eto Madagasikara kanefa tsy midika akory izany fa ho akatony ny birao manerana ny faritany. Any ambanivolo aza, dia mahavantana kokoa ny olona ny manatona ny mpivarotra amin’ny fametrahana na fampitana entana sy taratasy, ka ataon’ny olona ho solon’ny paositra. Mahatratra 622 ny isan'ny birao manerana an'i Madagasikara, ary 2600 no isan'ny mpiasa miasa amin'ireo. Na eo aza ny olana sedrain'ny Paositra dia tsy nihevitra velively ny ministera ny hanakatona ny eo ampelan-tanana na ihany koa ny hanokatra birao vaovao. Mihazakazaka ny haitao avo lenta ka ireny fifandraisana ireny no haingana sy be mpampiasa ka izay no tsy dia maha-rototra ny olona any raha handefa taratasy fa ny antso amin'ny finday no be mpampiasa na ny mailaka ho amin’ny fifandraisana any ivelany.
Fa raha ny momba ny resaka lalàna mifehy ny fifandraisana dia nanambara ny ministra fa hivoaka tsy ho ela io, tsy midika akory izany fa afaka hanjakazaka ao amin'ny haino aman-jerim-panjakana avokoa izay te-hiteny ao fa misy fepetra hapetraka foana ary tsy hampiova zavatra ny fivoahan'io lalàna hifehy ny fifandraisana io. Mbola nohamafisiny fa malalaka ny fananganana haino aman-jery eto ary tsy azo atao ny mampiasa alalana iray amin'ny faritra iray ampiasaina manerana ny faritany hafa.

Penjy R. Madagascar Tribune
novalian'i Papoose ny 24/09/2006 05:33
2. Fiffi ( 21/06/2006 06:25)
Tsy mankasitra hono ! fa ao koh ny olana rehefa mandefa taratasy sy hentana fa very foana.:(
3. Fanja1 ( 21/06/2006 07:09)
ka ilay paositra any kousa aloha tena tsy lasa raha @ fangalarana e... na carte postale aza ve no alefa tsy tody any @ izay tokony ho alehany (mampalahelo):(
4. Fiffi ( 21/06/2006 07:20)
f'ita hoa! de gaga ry zareo hoe lasa maka telefonina sy net daholo ny olona , au moins tonga soamantsara ny hafatra @ zay.
Fa tena misy zavatra tsy rariny kosa aloha ao an! zany taratasy zany aloha de asa re fa jeren'ry zareo @ loupe ve ny ao anatiny ? fa raha vao paps heu..de tsy voaray mihintsy.
5. Liebe ( 21/06/2006 07:39)
mangalatra mihitsy ny poste e. izahay aloha dia efa very zavatra maro.

Rehefa mandefa entana any amin'ny faritany dia aleo alefa taxi-brousse.
6. Fanja1 ( 21/06/2006 07:45)
zany no atao aiza no tsy ho chômage daholo.. raha mikantona eo aloha io an... tokony tsy hitaraina e! zvt notedavina.. efa mahazo place tsy mba hendry sy manao zay tokony atao fa ny zvt personnel-ny olona izay nandoavany vola ary no hangalarina tsssssssssssssss grave ka.. na de mahantra ahoana aza ve de zany ny solution e?
7. lemenakely ( 21/06/2006 07:53)
Ao anatin'ny fifaninanana isika izao e izay tsy maharaka aleo ho hitan'ny havany any !raha resaka messagerie fotsiny ohatra dia misy ny DHL ny UPS ny TNT ny international io. Ny national ao ny COLIS EXPRESS ,CITY EXPRESS ,IOL EXPRESS, MADCOURRIER ...aleon'ny olona mandoa lafolafo dia tonga soa aman-tsara ny entana sy ny courrier toy izay mandoa mora nefa very ny entana..

Ny internet sy ny téléphone moa dia mazàva ho azy efa mbà mivoatra ka aleon'ny olona ireny sady haingana ny message no azo lazaina hoe efa mihamora.
8. 12 ( 21/06/2006 10:59)
MARINA MIHINTSY izany fa rehefa mandefa entana @positra dia very fona .Ohatra hoe izao dia mandefa ttsy any mada foana dia hoe tsy voarain'ilay olona nandefasako azy:x dia aveo aho mitelefona an'ilay olona dia ny meme adrese foana nefa no omeny
dia ny postra zany no mpanary entana eeeeeeee!!!!!!!!!!
9. Fanja1 ( 21/06/2006 12:48)
asa ataonjy zareo inn ny mamaky ny ttasin'ny olona?
10. Fiffi ( 21/06/2006 15:21)
raha misy zavatra mi-interessé azy de halainy , raha tsy misy indray de poubelle!!:evil: zah aloha efa im-piry mandefa ttsy :evil: tsy misy voaray !! indrindra fa t@ nouvel an! iny , nefa le enveloppe+carte efa vonona ireny nefa de tsy nisy voaray.
11. Herimiafina ( 21/06/2006 16:55)
Ny tenako aloha mbola tena mankafy ny paositra soa amantsara e! Mbola tsy mahta ireo karazana olana tanisain'ny olona mantsy aho hatrizay ka hatr'ízao. :-w
12. Zina ( 21/06/2006 18:43)
Za dia tsy mba mandefa na inn na inn any Dago intsony tsisy tonga na iray ary...
Miandry olona mandeha any dago sisa no azo atao.
Tokony mba ho tsapany i Ra8 mihitsy io ka simba mihitsy ny lazan'ny paositra gasy.
13. Fiffi ( 22/06/2006 05:00)
Zina: an3 tsy Ra8 kosa no mikarakara an'io fa ny minisitrin'ny Paositra!
14. kally ( 22/06/2006 05:00)
Izaho koa aloha mbola mahita soa @ paositra e! ny carte postale ve halefako DHL sa halefako UPS? Tsy mahasolo azy rahateo koa ny internet amin'iny lafiny iny -mangatsiaka loatra sady tsy misy ny sora-tanako:-P

Mbola tonga any amin'izay nandefasako azy daholo aloha ireo ary mba maharay soa aman-tsara izay valiny aho.Tsy mbola afa-miala amin'ny paositra aloha aho hatramin'izao e!
15. Fiffi ( 22/06/2006 05:04)
kally: tsara vitana enao zany ! zah aloha de aok'izay fa aleko miandry olona tonga aty de manararaotra @ io fa de ny telefonina sy ny net aloha no hatao mandrà....
16. Fanja1 ( 22/06/2006 06:37)
za de tsy mandefa n'inn @ la poste fa tssy tonga any @ tompony.. indrindra mou raha carte no alefa
17. Fiffi ( 22/06/2006 11:34)
:( mampalahelo ny toe-javatra tahak'izao!
18. Herimiafina ( 22/06/2006 14:01)
kally:

Izaho koa aloha mbola mahita soa @ paositra e! ny carte postale ve halefako DHL sa halefako UPS? Tsy mahasolo azy rahateo koa ny internet amin'iny lafiny iny -mangatsiaka loatra sady tsy misy ny sora-tanako:-P

Mbola tonga any amin'izay nandefasako azy daholo aloha ireo ary mba maharay soa aman-tsara izay valiny aho.Tsy mbola afa-miala amin'ny paositra aloha aho hatramin'izao e!

Loza retsy fa fony mbola tany Dago izao ny tenako dai nandefa dossier maika ho aty ivelany.
Efa nalefako paositra express le dossier io nandaniako 72.000Fmg tamin'ízany, dia niantso ilay olona taty ivelany hoe ela loatra fa al;efaso DHL, dia nandeha DHL indray dai nandoa 900.000Fmg.
Ny nahagaga nefa dai niara-tonga herin'andro taty aoriana ireo dossier roa nalefako ireo. tsssss. :twisted:

19. kally ( 22/06/2006 18:20)
HM> Ny DHL indray no nanondrana raha izany:)

20. Fiffi ( 23/06/2006 05:34)
heu...efa nahazo ahy indray le nanidy ny enveloppe t@ skotry ! io aloha de veloma !!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0418