Misy mazoto hamaky ve?

1. soanja ( 19/06/2006 12:26)
Misy mazoto hamaky ve raha toa ka hazavaiko sy halaliniko eto ny fivavahana Silamo na hoentiko any amin'ny dinika manokana?
novalian'i soanja ny 07/07/2006 22:31
2. Fiffi ( 19/06/2006 12:46)
zah aloha de tena tsy mazoto na de kely aza fa de hialako tsiny.
3. Fiffi ( 19/06/2006 12:50)
raha samy handalina momba ny fivavahana hiany , aleko lavitra mandalina faran'izay lalina @ fivavahako sy ny finoako . (tsy hoe fitiavan-tena akory saingy raha ahazahoako tombontsoa de hidirako ! saingy....)
4. kally ( 19/06/2006 12:52)
Kamo be fa miala tsiny.
5. booboo ( 19/06/2006 13:18)
tairo foana fa misy mamaky foana fa raha hiera isaka zay hametraka lohahevitra ato tsisy maha forum ny forum tsony kouh. Aza atao lava loatra raha azo atao :°)
6. hery ( 19/06/2006 14:11)
Zah kou mazoto hamaky (sy hamaly)
- Betsaka ny hevitra tena tsy takatro amin'ny finoana silamo
- Betsaka ny zavatra sy fihetsika tsy azoko amin'ny ataon'ny olona musulmans
- Betsaka ny zavatra somary mifanohitra ihany amin'ny zavatra henoko...
- Sady connaissances generales ihany koa e.

Ny angatahako angamba dia hoe vonona ny hihaino izay tsikera ataonay koa ianao. Izay mantsy no tena hitako amin'ny silamo.

Alefaso hotatazana e :-)
7. hery ( 19/06/2006 14:13)
Fiffi> ny fahalalanao ny finoan'ny hafa dia mety vao maika hampitombo kokoa ny finoanao... satria ho fantatrao ny tena antony inoanao ny anao. :-)
Raha hakamoana ohatran'ny an'i kally dia ekeko :-)
8. pissoa ( 19/06/2006 14:30)
Zah hamaky ...

Dia ankoatra ny fanazavana dia tiako be raha asian'i Soanja arabic fa soratana amin'ny alfabe latin an. Hihihi.
9. Achia ( 19/06/2006 14:45)
za aloha mamporisika anao hanao ilay izy eto e ! mba ahafahana mahafantatra sy ahafahana mifanitsy ihany koa e! koa nde zatsy izy fa miandry ny ankizy :lol:
10. booboo ( 19/06/2006 15:04)
:-D
11. Fiffi ( 19/06/2006 19:29)
hery:
Fiffi> ny fahalalanao ny finoan'ny hafa dia mety vao maika hampitombo kokoa ny finoanao... satria ho fantatrao ny tena antony inoanao ny anao. :-)
Raha hakamoana ohatran'ny an'i kally dia ekeko :-)
hery: marina ny anao saingy zao manko ny olana:
-Be dia be ireo dinika mikasika ny fivavahana sy finoana Kristianina ato , ary tena mahaliana ahy mihintsy.
-Be dia be no tena mbola eto am-pitadiavana ny valiny aho , ary raha hamaly an'ireo aho dia famaliana azoko hatao hoe tena efa nodinihako tsara fa tsy hamalivaly fotsiny .
-Mbola be dia be koa no tsy nahitako valiny ary aleko kosa aloha hanohy ny fitadiavana ny valin'ireo fivavahana Kristianina zay vao hijery ny fivavahan'ny hafa .
Moa raha misy mahadiso ahy izany dia hialako tsiny.


12. cutie ( 19/06/2006 20:29)
Mpandefa : hery [ Valio ] 19-06-2006 19:11:33
Lohateny : Re : Misy mazoto hamaky ve?
Zah kou mazoto hamaky (sy hamaly)
- Betsaka ny hevitra tena tsy takatro amin'ny finoana silamo
- Betsaka ny zavatra sy fihetsika tsy azoko amin'ny ataon'ny olona musulmans
- Betsaka ny zavatra somary mifanohitra ihany amin'ny zavatra henoko...
- Sady connaissances generales ihany koa e.

Ny angatahako angamba dia hoe vonona ny hihaino izay tsikera ataonay koa ianao. Izay mantsy no tena hitako amin'ny silamo.

Alefaso hotatazana e

fa manin no we hitsikera??
:roll::roll::roll:
13. LazaRandri ( 19/06/2006 22:24)
hery:
Ny angatahako angamba dia hoe vonona ny hihaino izay tsikera ataonay koa ianao. Izay mantsy no tena hitako amin'ny silamo.
hahaha!


14. soanja ( 19/06/2006 22:47)
Izaho dia kristianina. Ny tiako atao dia hanadihady sy hamelabelatra eto ny finoana Silamo dia ny mba handraisantsika ny atao hoe Silamo sy ny fomba fisainany. Nahoana no be ny mpankahala azy nefa koa be ny mpanaraka ny finoana Silamo.
Izaho dia tsy mahay teny arabo fa Koran amin'ny teny Anglisy no nohadihadihako. Tsy ho tomombana tanteraka izany ny fanazavana fa isika koa miara manadihady azy eo hoe inona no tiany lazaina sns.. Fa aza manahy fa asiako teny arabo kely izay mba haiko sy ny hoe inona ny dikany.
Ny antony tiako hanaovana azy eto dia ny te hampafantarako ny namana rehetra hoe azo atao tsara ny mandalina zavatra iray nefa tsy voatery ho voasarika ary ny fianarana manokatra ny saina amin'ny zavabaovao dia mahatsapa hoe hay ve izay fa tsy mitsara be fahatany.
Vonona tanteraka aho handray tsikera satria izay no atao eto ary tsy izaho anie no hitsikeranareo fa ilay finoana e. TADIDIO FA TSY MINO ITY FINOANA ITY AHO FA MANORO HEVITRA FOTSINY IZAY ZAVATRA TSY AZONTSIKA ARY INONA NO MAHATONGA NY OLONA VOASARIKA AMINY. Dia samy manome izay hafany eo.
Hizara 7 ny fanomezako ny zavatra ho hadihadiana ary isaky ny fizarana dia atomboko amin'ny hoe Hanome hevitra vaovao.
Rehafa vita ny Silamo dia hanazava momba ny Judaism koa aho dia hampitaha izany isika rehefa izay amin'ny finoana kristianina.
15. LazaRandri ( 19/06/2006 23:01)
soanja:
Ny antony tiako hanaovana azy eto dia ny te hampafantarako ny namana rehetra hoe azo atao tsara ny mandalina zavatra iray nefa tsy voatery ho voasarika
Marina tokoa ny voalazanao ry Soanja. Fantaro koa aloha fa tsy mitovy ny "degré de maturité" antsika tsirairay eto. Raha efa tsapanao ny tsy mety ilay izy ataoko fa tsy dia misy antony andalinana zavatra tsy mety. Tsy kely lalana ny "fahavalo"! Kristianina ianao ka tsarovy fa manana andraikitra lehibe eo anatrehan'izay mety tsy ho solafaka.

Torohevitra ny ahy fa anjaranao ny mandanjalanja :*


16. LazaRandri ( 19/06/2006 23:02)
hahaha sitomiko ilay :* fa ito no izy :-* hahaha!
17. diamondra27 ( 19/06/2006 23:21)
alefao retsy fa refa misy tsy tia de tsy mijery sy tsy manao commentaire izy a!

asio traduction kosa an!

raha mbola tsy voasakan'i sefobe de mbola mahazo alalana ianao izany.
18. jajaf401 ( 20/06/2006 03:31)
Tsara be zany eh; ny hahalala no tanjona eto ary ny hevitra tsy azo raha tsy ............
Alefaso de izay tsy mirevy fizotrany aloha no milefa eh!
De alefa fa ela soanja an!
:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
19. pissoa ( 20/06/2006 04:56)
LazaRandri:

hahaha sitomiko ilay :* fa ito no izy :-* hahaha!
anjay :-D:-D:-D


20. xxx ( 20/06/2006 05:03)
:-D:-D:-D so kosa d mbo tiny omena an'i pissoa le :*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0986