Amin'ny anaran'i Jesoa

21. prime ( 19/06/2006 12:42)
Fiffi> izay mihitsy
22. diamondra27 ( 19/06/2006 18:13)
Ilay teny hoe: "@ anaran'i Jesosy" dia ampiasaina indrindra indrindra rehefa hamoaka demonia, na hanasitrana marary

Samy manana ny asany avy na Atra na ny Fanahy Masina na Jesosy, donc chacun a sa façon d'agir
Dia mahaiza mangataka zavatra izay ilainao @ izay tokony hanome anao.

Raha toa ka mila zavatra ianao de indraindray any Dada indraindray any @ Mama; de ohatran'izay koa izy ity fantaro hoe: rehefa tokony ho inona no mangataka zavatra sy mampiasa ilay @ naran'i Jesosy fa tsy refa oe: te-hiteny an'io de mampiasa
23. cutie ( 19/06/2006 19:27)
Za mbola tsy nampiasa an'zany @ anaran'i jesoa zany :-D
24. diamondra27 ( 19/06/2006 21:03)
cutie: ny olona voatokana ihany no tokony hanao an'io aloha e!toy ny mpiandry,pasitera...sy ireo olona manana don hamoaka devoly mametra-tanana.
Ka raha ohatra izany cutie mbola tsy nampiasa an'io ka te-hampiasa an'io de mbola mila ezaka be, tsy ataotao foana io fa responsabilité be mihitsy.
Indraindray manko ny devoly sarotra be ny manala azy ary mitokona ao anatin'ilay olona, ka raha tsy @ anaran'i Jesosy de tsy hiala ao mihitsy io devoly io.


fa raha mangataka zavatra @ anaran'i Jesosy de hafa indray iny
25. cutie ( 19/06/2006 21:39)
diams,njy nga mpiandry:roll:
26. diamondra27 ( 19/06/2006 21:44)
cutie:fa nahoana , mahagaga anjy ngah le valinteniko?
Tena marina ireo voalazako ireo fa tsy vazivazy an!Mety misy zavatra hafa tsy ampy aza angamba @ fanazavako fa tonga de le grande ligne io nolazaiko io.

tsy midika akory izany hoe: niteny anah hoe mivazivazy njy an!


27. cutie ( 19/06/2006 21:46)
tsy mahagaga ahy le avlin-teny ka, nmisy zavatra tadidiko fotsiny, fa ny mpiandry no tena fahenoko miteny an'io anaran;'i jesosy io :wink:
28. LazaRandri ( 19/06/2006 22:11)
diamondra mandray an-tendrony
29. diamondra27 ( 19/06/2006 23:17)
LazaRandri: mandray atendrony ahoana?

Fanampin'ireo voalazan'ny namana ambony ireo no nambarako.

ataon'ny olona tsianjery ahoana moa izany ary e! azavao kely sao za kosa marina no tsy mahazo resaka?

30. prime ( 20/06/2006 08:52)
Mitombina kosa ny voalazan'ny diams kah!!! fa ny fanontanian'i LazaRandri fotsiny dia toa mifandraika kokoa amin'ilay fampiasàna ny anaran'ny Tompo amin'ny famaranana ny vavaka...:-P
31. diamondra27 ( 20/06/2006 09:03)
Prime: m'ci:-*:-*
vao saika hanazava ihany koa aho faizany hoe: ny anao no tonga aloha

rehefa hamaky ny soratra masina ny olona sasany dia hoy izy:

"hiaraka hamaky ny soratra masina isika tompoko..."
Amin'ny anaran'i Jesoa
de laziny @izay le vakiteny


Rehefa misy olona ihany koa refa diso mafana fo be, tsy mande ampahendrena de lasan-ko vavany fotsiny le oe: manao zavatra @ anaran'i Jesoa
Izany hoe: manao fitaovana fotsiny an'Atra

Fa ny olona mampiasa le oe: @ anaran'i Jesosy matetika de averiko ihany fa ny mpiandry sy pasitera ary ireo olona nahaza don manasitrana ny marary ka manala ny devoly ao anatin'ny olona misy devoly
; ka raha tsy mampiasa io teny io dia mety tsy hiala ilay devoly

Misy exemple nomen'i Jesosy momba an'io ao @ i baiboly
32. diamondra27 ( 20/06/2006 09:12)
Vakio Lioka 8:26-39

Dia ny andininy faha:30 milaza ilay anarana demonia tsy afaka raha tsy @ anaran'i Jesosy



LIOKA toko faha 8:
andininy 26: Dia nitody tany amin'ny tanin'ny Gerasena izay tandrifin'i Galilia izy.

27 Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin'ny fasana.

28 Fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia niantso mafy sady niankohoka teo anatrehany ka niteny tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izay sy Hianao, ry Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra ô? Masina Hianao, aza mampijaly ahy.

29 Fa Izy nandidy ny fanahy maloto hivoaka tamin-dralehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa nafatotra tamin'ny gadra, na ny tànany na ny tongony, ka nambenana izy; nefa notapahiny ny fatorana, ka dia nentin'ny demonia niriotra nankany an-efitra izy.

30 Ary Jesosy nanontany azy ka nanao hoe: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Legiona; fa demonia maro no efa niditra tao anatiny.


31 Ary nifona taminy izy mba tsy handidiany azy hankany amin'ny lavaka tsy hita noanoa.

32 Ary nisy kisoa maro andiany iray nandrasana teny an-tendrombohitra, ary ny demonia nifona taminy mba havelany hiditra ao anatiny. Dia nekeny.

33 Ary ny demonia, rehefa nivoaka tamin-dralehilahy, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva tamin'ny hantsana ho any amin'ny farihy, ka dia maty tany.

34 Ary nony hitan'ny mpiandry izany natao izany, dia nandositra izy ka nilaza izany tao an-tanàna sy tany an-tsaha.

35 Dia nivoaka ny olona mba hizaha izany natao izany; ary tonga tany amin'i Jesosy izy, dia nahita an-dralehilahy, izay efa nivoahan'ny demonia, fa indro izy nipetraka teo anilan'ny tongotr'i Jesosy nitafy lamba sady ary saina; dia raiki-tahotra ireo.

36 Ary izay efa nahita dia nanambara tamin'ny olona ny namonjena an'ilay demoniaka.

37 Ary ny olona rehetra tany amin'ny tanin'ny Gerasena manodidina dia nangataka an'i Jesosy hiala aminy, satria raiki-tahotra indrindra izy; ary Jesosy niondrana an-tsambokely ka niverina.

38 Ary ny lehilahy izay efa nivoahan'ny demonia dia nangataka mba hitoetra ao aminy; nefa nampodin'i Jesosy izy ka nataony hoe:

39 Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon'Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran'ny tanàna izay zavatra lehibe nataon'i Jesosy taminy.
33. LazaRandri ( 20/06/2006 09:19)
i Prime mahazo tsara ilay hevitra tiako ampitaina. Ny an'i Diamondra ange dia ferany amin'ny fanasitranana sy famoahana demonia ihany e!

Ary ny adihevitra misokatra dia hoe tsy ny fanononana ny Anarany no zava-dehibe fa fankatoavana Azy sy fanaovana ny sitrapony. Satria izay mahay miteny rehetra dia afaka manonona an'io Anarany io! hahaha!
34. diamondra27 ( 20/06/2006 09:24)
LazaRandri: miala tsiny raha somary tarakely ny fahazavana fa mbola te-hatory kosa ao de tsy nahavita nanazava le alina e!

De izy nazavaiko io.

Ka mifandraika @io ary ve le hevitrao?(juste io ambony ny nosoratanao io, satria toa niara-nadefa sy ni-taper isika
35. LazaRandri ( 20/06/2006 09:32)
Tsarovy fa nisy fotoana ny mpianany tsy nahavita nandraoka fanahy maloto. Dia novalian'i Jesoa hoe:
"Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin'inona na amin'inona, afa-tsy amin'ny fivavahana ihany" Marka 9:29

Tsy ny fanononana ny Anarany no zava-dehibe fa ny fanaovana ny sitrapony!!!


Jaona 14:14
"Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako ianareo, dia hataoko izany"
36. diamondra27 ( 20/06/2006 11:57)
io koa anisany ka!
de mbola misy betsaka ao; ary tsy tokony hatao arabakiteny araka ny voalaza fa iainana
37. prime ( 20/06/2006 12:05)
"Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin'inona na amin'inona, afa-tsy amin'ny fivavahana ihany" Marka 9:29
ie dia misy *renvoi kely izay izy io dia raha jerena ery ambany ery, ilay hoe "fivavahana" midika hoe "fifadian-kanina"... :lol:
38. LazaRandri ( 20/06/2006 12:14)
prime> ENY, amin'ny dikateny hafa manao hoe:"fivavahana sy fifadian-kanina" :wink:
39. xxx ( 20/06/2006 17:50)
Ny TOMPO hitahy anareo rehetra,ary amin'ny anarany no hanononako izany vavaka izany.Amen!!(l)
40. prime ( 21/06/2006 10:47)
xxx> misaotra anao... :) Hotahian'Andriamanitra koa anie ianao...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1535