Amin'ny anaran'i Jesoa

1. LazaRandri ( 19/06/2006 02:21)
Inona ny hevi-dalina fonosin'izany hoe mangataka "amin'ny anaran'i Jesoa" izany fa toa mitady ataontsika tsianjery fotsiny ilay izy ankehitriny?
novalian'i prime ny 21/06/2006 10:47
2. bimanoa ( 19/06/2006 03:25)
Jesoa irery ihany no mpanalalana antsika amin' Atra araky ny teniny oe " Tsy misy mankany amin' ny Ray afa-tsy amin' ny alalako "..., arak' izany d hoentintsika amin' i Jesoa ny vavaka/fangatahana/fifonantsika d Izy indray no mivavaka/mangataka/mifona ho antsika mankany amin' Atra.
Midika koa izany fa ireny papa sy ny mompera sy ry Masina Mariantsika sy ny karazany ireny d fitaovana hoatry ny olona rehetra fotsiny ihany ampiasain' Atra amin' ny fampielezana ny Teniny !
3. LazaRandri ( 19/06/2006 03:41)

Bimanoa> Hoy i Jesoa ao amin'ny Jaona 14:14 Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako ianareo, dia hataoko izany
Izany hoe i Jesoa mivantana no angatahina ary Izy ihany koa no hanao izay angatahina sady tsy misy "manelanelana".

Ny fanontaniana dia ilay hoe "amin'ny anarako". Midika ve izany fa ampiana teny hoe "amin'ny anaran'i Jesoa" fotsiny ny vavaka rehetra atao dia basy? TSIA kosa e! hahaha!
4. bimanoa ( 19/06/2006 04:08)
Ny vavaka aloha voalohany indrindra d resaka atao amin' Atra, resaka tena avy amin' ny fo fa tsy pli vava fotsiny !
Isika d mivavaka/mangataka ihany, Atra no mamaly izany arak' izay fantany fa hahasoa antsika, fa na Jesoa aza nivavaka taminy d hoy Izy oe : " Tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao ", izay koa ny dikan' ny Amen oe : " ho tanteraka anie izany " na " ho tonga anie izany "; Faniriana ny antsika olb fa arak' ilay fitenenana oe Ny fihevitr' Atra tsy fihevitsika !
5. Fiffi ( 19/06/2006 04:16)
Satria ny anaran'i Jesoa tsy ho tonintonohina fotsiny amin'ny tsy misy antony , ka raha hivavaka , raha hangatam-pitahiana amin'i Jesoa dia lazaina , hangatahana miaraka @ fanononana ny anarany.
6. LazaRandri ( 19/06/2006 04:45)
Fiffi:

Satria ny anaran'i Jesoa tsy ho tonintonohina fotsiny amin'ny tsy misy antony , ka raha hivavaka , raha hangatam-pitahiana amin'i Jesoa dia lazaina , hangatahana miaraka @ fanononana ny anarany.

Kanefa ry Fiffi toa tsy ilay fanononana ny anarany no tena zava-dehibe.
Amin'ny anarany: Ataovy sy tanterao ary iaino izay nampianariny, ary ento ny ziogany!


7. prime ( 19/06/2006 06:23)
"Sujet" manahirana ihany ity satria ny maha Andriamanitra an'i Jesosy no ao ambadik'izy ity.

Raha ny hevitro dia mizara toy izao :
1. Ny Fanahy Masina no Mpanalalana antsika amin'Andriamanitra,
2. Jesosy Kristy tena Andriamanitra ka Izy mihitsy no ivavahana,
3. Tena hery sy fahefàna mihitsy no anononana ny anarany rehefa mivavaka fa tsy fomba fotsiny tokoa, ka rehefa voatonona ny anaran'ny Tompo dia Izy ihany no efa manamasina sahady izany vavaka izany no sady mihaino rahateo,
4. "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy mankany amin'ny Ray afatsy amin'ny alalako", "Izaho sy ny Ray dia iray ihany", hoy Izy ao @ filazantsaran'i Jaona ka tena sady Andriamanitra Izy no ivavahana, no sady manome fahefàna rahateo ahatanterahan'izany vavaka izany amin'ny fanononana ny anarany. Ny fotoana sy ny famaliana moa dia mbola Azy rahateo.
8. LazaRandri ( 19/06/2006 06:44)
prime:
3. Tena hery sy fahefàna mihitsy no anononana ny anarany rehefa mivavaka fa tsy fomba fotsiny tokoa, ka rehefa voatonona ny anaran'ny Tompo dia Izy ihany no efa manamasina sahady izany vavaka izany no sady mihaino rahateo,


Fa io Anarany io anie tsy hoe rehefa voatonona amin'ny vavaka dia manan-kery ilay vavaka e! hahaha!

Ny hevitry ny hoe angatahina amin'ny Anarany dia fangatahana amin'ny fitondrana ny ziogany sy fankatoavana ny fampianarany.

Vakio ireo tantara maro be ao amin'ny Baiboly fa izay manao ny sitrapony ihany no henoiny vavaka:

Mangataka hianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin'ny filanareo Jakoba 4:3

Ny fiasan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra. Jakoba 5:16b

9. bimanoa ( 19/06/2006 07:25)
Raha oe izay manao ny sitrapony ihany na ny marina ihany no ho valiany, d tsy misy hovaliany mihitsy anie izany satria ny baiboly ihany no milaza fa \" Tsy misy marina na dia iray akory aza \" e ! Amiko rehefa vavaka tena atao amin\' ny fo tokoa d izay no fivavaky ny marina amiko,
Misy tantara izay ao amin\' ny baiboly, tantara-n\' olona 2 samy nivavaka, ny iray niandrandra ny lanitra, miseho ho marina, mpifady hanina sy mpandoa fahafolon-karena, misaotra anao aho hoy izy fa tsy mba nataonao hoatran\' io mpamory hetra io; ny iray kosa, mpamory hetra izy mazava ho azy, fantany tsara ny fahotany, tsy mba nanamarin-tena izy, tsy sahy niandrandra ny lanitra akory ary tsy nanatona tempoly fa teny lavitra teny izy no nivavaka,niteha-tratra ; ny vavak\' ity mpamory hetra no noraisin\' Atra, raha mbola tsy nivavaka akory aza izy fa vao niala tany an-tranony d efa nohamarinin\' Atra.
10. LazaRandri ( 19/06/2006 07:53)
anisan'ny fanaovana ny sitrapony ny FIEKEN-KELOKA su FIBEBAHANA ary ny FANEKANA FA IZY NO MPAMONJY
11. LazaRandri ( 19/06/2006 07:58)
bimanoa:

Amiko rehefa vavaka tena atao amin\' ny fo tokoa d izay no fivavaky ny marina amiko,
tsy voatery ho marina izay ka. Mety ho tena amin'ny foko tokoa aho no mivavaka kanefa ny vavaka ataoko dia feno fitiavan-tena. hahaha!


12. bimanoa ( 19/06/2006 09:02)
Atra no mitsara izany !
13. LazaRandri ( 19/06/2006 09:10)
an an an! Izaho ihany dia afaka mandinika hoe tena feno fitiavan-tena ange izany vavaka ataoko amin'ny foko manontolo izany e. :)
14. bimanoa ( 19/06/2006 10:08)
tsara izany !
15. pika ( 19/06/2006 10:26)
Izaho ihany dia afaka mandinika hoe tena feno fitiavan-tena ange izany vavaka ataoko amin'ny foko manontolo izany e.

:-D:-D dia aza gaga raha tsy tanteraka
Atra mahalala izay mahasoa antsika raha matoky azy tanteraka isika eny na dia tsy naloakin'ny vavanao sy tsy noeritreretanao aza

ary ilay hoe @ anaran'i Jesoa misy anie mety mivavaka any @ satana na tapakazo koa oh e :lol:

16. LazaRandri ( 19/06/2006 10:38)
pika:

Atra mahalala izay mahasoa antsika raha matoky azy tanteraka isika
ahoana moa no ahafahantsika milaza fa mahatoky azy tanteraka isika raha kanefa tsy manao ny sitrapony? :)


17. prime ( 19/06/2006 10:53)
Fa io Anarany io anie tsy hoe rehefa voatonona amin'ny vavaka dia manan-kery ilay vavaka e! hahaha!

Ny hevitry ny hoe angatahina amin'ny Anarany dia fangatahana amin'ny fitondrana ny ziogany sy fankatoavana ny fampianarany.

LazaRandri> Toa mitady hivaona ilay lohahevitra an! ny dinika ato raha ny fahazoako azy dia tsy hoe "inona no atao hoe vavaka marina???" fa hoe inona no antony ampiasàna ny anaran'i Kristy isaky ny mivavaka sao lasa fahazarana sa ts'izany???:wink:
LazaRandri> Amiko aloha dia tena fahefàna mihitsy ny fampiasàna ny anarany ka sady manan-kery no mitoetra ilay vavaka. Finoana mantsy no tena ambadik'izay fa tsy fahazarana araka ny ambaranao.
Ny hoe zioga, toa tsy izany no fahafantarako ny fampianaran'ny Tompo kohh! Izy aza miteny hoe "Mankanesa aty amiko ianareo izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho hanome anareo fitsaharana", ka izaho aloha ny vavaka amiko manamaivana fa tsy manavesatra tena amin'ny zioga indray e! ny fampianarana mikasika ny zioga tena hafa mihitsy...:lol:
18. LazaRandri ( 19/06/2006 11:07)
Pika>azonao tsara mihitsy ilay lohahevitra
Alana avy aiza ary no ahafahantsika mampiasa ny Anarany raha tsy manao ny sitrapony sy mitondra ny ziogany isika. Manjary toy ny mpisandoka sy mandainga mantsy isika amin'izay isaky ny miteny hoe "amin'ny anaran'i Jesoa".
(Raha taranak'i Abrahama ianareo hoy Izy dia mino ahy tamin'ireo mpisandoka anarana ho "jiosy", kanefa ianareo zanak'i Satana)
19. prime ( 19/06/2006 11:23)
LazaRandri> marina tokoa ny voalazanao hoe ahoana tokoa moa no ampiasanao ny anarany nefa ianao aza tsy manao ny sitrapony???... Fa aleo ho an'ny tsi11 izany e! Azy izany rehefa manontonona ny anaran'ny Tompo eo nefa tsy mino akory...
Fa ilay zioga no tsy dia itoviako hevitra aminao ho'aho, ny fanamaivanana izany no anisan'ny vokatry ny vavaka fa tsy manampy trotraka azy raha ny fahazoako azy...:-D:-D:-D
20. Fiffi ( 19/06/2006 11:46)
LazaRandri:

Alana avy aiza ary no ahafahantsika mampiasa ny Anarany raha tsy manao ny sitrapony sy mitondra ny ziogany isika. Manjary toy ny mpisandoka sy mandainga mantsy isika amin'izay isaky ny miteny hoe "amin'ny anaran'i Jesoa".
io aloha de miankina @ tsirairay an! ny conscience-n'ny tsirairay hiany no mitondra an'io. Satria @ fomba ahoana moa no hanaovana fangatahana @ Jesoa na amin'ny anarany raha tsy manao ny sitrapony ?


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2536