famangiana manjo
1. gasy4ever
(
16/06/2006 09:02)
Manao ahoana daholo !
Mba omeo sopapa (teny famangiana araka ny fomba gasy) ny tenanay satria hamangy manjo namana nodonampahoriana. Dia misaotra mialoha

novalian'i diamondra27 ny 03/07/2006 12:23
2. Fiffi
(
16/06/2006 10:08)
Raha namana na mpiara-monina kosa dia fandre ny tahaka ny hoe : « isika izao no toy trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana ».
Rehefa faritana indray ny momba ilay olona nindaosin'ny fahafatesana, dia tahaka izao no fandre : raha lehilahy lehibe : « toro ny vato nandiavana, folaka ny andry niakinana, lasa ilay tabiha sy reharehan'ny fianakaviana sy ny firenena ». Raha vehivavy lehibe kosa dia azo ampiana hoe : « lasa ilay kitapo nifonosana, ilay reny mpanambitamby sy mpanafosafo ». Raha tanora na ankizy : « nihintsana mbola maraina, na mbola antoandro ilay natao ho fanantenan'ny ampitso mamirapiratra »
Rehefa miresaka ny amin'ny fahafatesana indray dia tahaka izao no fandre : « tora-bato avy any an-danitra ny fahafatesana ; ny hafatesan-tsy heloka, ny haveloman-tsy hitsiny, fa anjara sy lahatra izao ary entin'ny miankandrefam-baravarana rehetra, tombon-dalana ny azy fa isika rehetra dia mbola handia izao »
http://www.haisoratra.org/article.php3?id_article=258

3. Fiffi
(
16/06/2006 10:09)
gasy4ever: de jereo ery ambany ery fa ao daholo. Satria miankina @ le olona nodimandry kay ilay fitenenana.