AIZA NO HISY OLONA MASINA IZANY ETO ANTANY E?

1. sareraka ( 16/06/2006 05:46)
FAHAMARINANA FAHAMASINANA ? FAMENOANA PAOSY ho an'ny TIKO ,MBS ...izany no zava-misy .
Avy eo gaga daholo raha misondrotra ny zavatra rehetra hoe nahoana ?
Ny vahoaka gasy efa kilalaon'ny mpanao pôlitika ka akory atao
novalian'i Fiffi ny 18/06/2006 18:02
2. diamondra27 ( 16/06/2006 06:17)
mampieritreritra
3. Fiffi ( 16/06/2006 06:58)
ka marina ve aloha zany ?
4. miaina ( 16/06/2006 07:33)
tsy mazava ny tiankambara... inona le mampisondrotra ny vidinjavatra!?
5. Achia ( 16/06/2006 07:39)
ka ra vao mijery MBS enao de miakatra ny vidinjavatra ko :°)
6. Rainikarabo ( 16/06/2006 07:58)
Mahagaga ihany itony olona mimenomenona ny amin'ny TIKO itony, tsy tokony hahafaly aza ve raha misy E/se Gasy mba matanjaka e, rehefa ny E/se frantsay no mahazo laka sy mahazo vahana dia hoy ny olona hoe izany ka fandrosoana, rehefa ny E/se Malagasy dia lazaina fa tsss,aza be fialonana fa tsss.
Omeko ohatra 'nareo, hoe aiza ho aiza ny E/se frantsay eto Madagasikara:

-Banques : la France rafle la plus grosse part du gâteau avec Crédit Lyonnais (BNI-CL), Société Générale (BFG-SG), BNP Paribas (BMOI) qui se partagent la majeure partie du marché
- Energie : Total Fina Elf, Hydelec, Vitogaz, Air Liquide, Socatra
- BTP : Colas, Sntp International, Sogea
- Industrie : Lafarge
- Ingénierie, études techniques : Socotec International, Sofreco France, Sogreah Ingénierie, Bceom
- Pêche : Gel Pêche, Cobrecaf, Pechexport, Alizée
- Agriculture : Picor
- Télécommunications : Alcatel, France Telecom, Orange, Dts, Tps, Canal Satellite
- Transports internationaux : Air France, Ags, Cgm, Mer Austral
- Transports ferroviaire : Bolloré (Madarail)
- Santé : Institut Pasteur
- Grande distribution : Groupe Bourbon: Cora, Score, Weldom
- Produits pharmaceutiques : Fournier, Fabre, Rhône Poulenc, Mérieux
- TIC : Bull, Berger Levrault
- etc...


Dia ny antsika, TIKO no mba ngeza...dia refa misondrotra ny lasantsy dia lazaina fa ny TIKO ve no nampisondrotra azy? tsss anontanio i SHELL sy TOTAL, mino aho fa tsy Ravalomanana no mpitondra ao!!(ohatra iray io).
7. sareraka ( 16/06/2006 08:08)
tadidio fa misy ny TUPP(hetra ho an'ny fanjakàna avy @ carburants io) raha ny zavatra hita ankehitrio dia ambony loatra no alain-dRAVALOMANANA efa 1 euros anie ny litre e nefa ny pouvoir d'achat tsy mitovy ny SMIG 20 euros nefa ny an'ny FRANCE sy ny DOM TOM 1300 euros ny SMIG
8. Rainikarabo ( 16/06/2006 08:32)
- ny vidin'ny solika dia tsy maintsy manaraka ny vidin'ny Baril hatrany. Sa tadiavinao hiditra fatiantoka ny orinasa mpizara solika eto amintsika?
- tsy i Ravalomanana no maka taxe fa ny fanjakana. Ny loi de finance ny solombavam-bahoaka no mandany azy. Ireo solombavam-bahoaka ireo dia olona nofidian'ny vahoaka ihany. Dia tadidio, fa arakaraky ny maha-betsaka ny hetra miditra amin'ny fanjakana no afahana miroso haingana koakoa amin'ny fampandrosoana. Ny olana, vitsy amintsika gasy no mandoha hetra ara-dalana, rariny sy hitsiny raha hitadiavana fomba hafa hangalana ny hetra. Fomba iray ihany koa io hanavaozana ny "parc automobile" eto madagasikara ho fikajiana ny tontolo iainana.
- mba jereo amin'ny fotony ny tranga iray ry sareraka fa aza dia zatra mitsara ivelany an.
- mitovy nga ny vidim-piainana amin'ny ankapobeny any France sy eto Madagasikara? 13000 fmg eto Tana izao mahazo mofo 10, 1 euro any France sandwich iray aza tsy azony!(lasa ohatra zefa be ilay izy hihihi).
9. Fiffi ( 16/06/2006 08:35)
sareraka:

FAHAMARINANA FAHAMASINANA ? FAMENOANA PAOSY ho an'ny TIKO ,MBS ...izany no zava-misy .
Avy eo gaga daholo raha misondrotra ny zavatra rehetra hoe nahoana ?
Ny vahoaka gasy efa kilalaon'ny mpanao pôlitika ka akory atao
omeo ary ny solution !!


10. toovs ( 16/06/2006 09:54)
ô ry fiffi ah, maninona raha mba mandroso solution koa enao de mety handroso ny azy koa izy avy eo e. ngah izy terenao hamoaka solution refa mbola hitany fa tsy fotoanan'ny famoahany ny heviny momba an'izany izao. maninona raha miara-mitady e.
de mba mandrosoa solution hoe enao raha hainoin'ny fanjakana.
11. toovs ( 16/06/2006 10:04)
ka raha be ny tsy mandoa hetra de ny fanentanan'ny fanjakana no tsy ao e. azon'ny fanjakana faizina ange izay tsy mety mandoa hetra e. fa ireo tokony handoa hetra ngezalahy ve mba mandoa tsara e. ary ny hetra aloa ve tena mandeha tsara any amin'ny kitapom-bolam-panjakana sa sao de voazarazara fotsiny.
raha be ny hetra aloa anefa ny olona ary tsy mahavelo-tena fa zara afaka mivelona sy misakafo ary miakanjo de handroso ve ny firenena?
Inona no tianao holazaina amin'ny fampitahana vidi-mofo eto madagasikara sy any an-dafy? sao de te hilaza enao fa mora ny fiainana aty Dago noho ny any france. de mino ve enao fa raha mora ny vidi-mofo aty de manana fahefa-mividy an'izay tiany hovidiana toy ny any france ny gasy.
12. Fiffi ( 16/06/2006 10:33)
toovs: nga ao anatin'ny fimenomenonana sy ny fitsarana ny olona no hahitany ny solution ? Vonona ny fiharahana mitady ny solution saingy tsy ao anatin'izao condition zao ! menomenona lava , mitsikera lava ! inona no mba solution azo @ ireo ?
13. pika ( 16/06/2006 10:38)
marina anie ry fiffi fa tokony mba hanome solut° rehefa mitsikera e na izany aza tokony mba ho tonga saina ihany ny TIKO sy ny fitondrana hoe misy tsy mamely koa raha any ambadika any matoa misy ny mimenomenona

resaka TIKO talohan'ity fitondrana ity raha tsy very tadidy dia nisy hetrabe ho an'ny fanjakana tsy voaloha @ izao efa mba voaloha angamba toa tsy re intsony ny tohiny, atao hoe izay e
14. prime ( 16/06/2006 10:45)
Toa tsy misy ifandraisany kosa tokoa aloha ny fahamarinana sy fahamasinana @ fiakaran'ny vidim-piainana e! 8-) ny hoe famenoana paosy, mpandraharaha ve handany andro aminao eo fa tsy ny fihariany aloha no ataony e???? :miam:
15. Fiffi ( 16/06/2006 11:19)
justement!!!! hafangaro ao daholo ny fivavahana , ny politika , ny katsaka sy ny voanjobory ... ka aiza moa ny olona no haharaka ?
16. Fiffi ( 16/06/2006 11:22)
toovs , pika: mba tazano kely ange io dinika vao navoakan'i sareraka ao @ "tetsy sy teroa" de ho hitanareo ny fahamarinan'ny teniko.
17. prime ( 16/06/2006 11:36)
Andeha hijery any vety2 ah.:-$
18. soanja ( 16/06/2006 13:09)
sareraka:

FAHAMARINANA FAHAMASINANA ? FAMENOANA PAOSY ho an'ny TIKO ,MBS ...izany no zava-misy .
Avy eo gaga daholo raha misondrotra ny zavatra rehetra hoe nahoana ?
Ny vahoaka gasy efa kilalaon'ny mpanao pôlitika ka akory atao

Ny politika sy ny fahamasinana tokoa aloha dia tsy hiaraka mihitsy e. Mba resaka fotsiny io sady atao tanjona fa azao atao tsara. Ka rehefa manakaiky an'io ny olona iray dia efa tsara izany. Ny fananan-karena sy ny fahamasinana koa dia tsy miaraka. Betsaka e. Hevitra daholo izany. Anjarantsika no mijery hoe azo iafina sa tsia?

19. Fiffi ( 16/06/2006 13:18)
ka io no tena olana fa raha ilay tena sareraka mpanankanto tsy hanao an'izany mihintsy!!
20. mandrindra ( 16/06/2006 13:33)
hoy i sareraka :
Ny vahoaka gasy efa kilalaon'ny mpanao pôlitika ka akory atao

soa ihany i sareraka fa tsy manao politika ô. :D
dia rehefa tsy mpanao pôlitika ny mpitondra dia inn no apetraka eo kay azafady ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0571