Mpitondra idealy?
24. soanja
(
17/06/2006 16:01)
marozevo:
Avela eh....
Avereno amin'ny laoniny ary ny resaka eh.
Ka ianareo anie no andrasana hanome ny hevitrareo fa efa ela izay nanomezana tsiny ny mpitondra sy ny fanakianana sns izay, dia eto indray izany hoe inona izany ilay tadiavin-tsika ho hita ao amin;'ny fitondrana Malagasy dia ho afapo isika.
Mety hisy koa ve io olona io raha hitantsika ihany ilay hevitra tsara? Olona mana toetra tahaka ny ahoana na fifandraisana amin'ny hafa tahaka ny ahoana.
Amiko aloha raha tsoriko ny hevitro dia ialako lavitra ilay hoe fitondrana misy ifandraisany amin'ny fivavahana. Tokony samy hahaleo tena ireo. Ny antony dia raha io entina hitondrana ny fitondrana dia isahoka foana isika mianakavy malagasy satria ny fivavahana dia mitondra fizarazarana koa.
25. xxx
(
17/06/2006 16:49)
Izao ary ny hevitro:
Ifonako amin'ny mpiray tanindrazana namoy ny ainy, sy ny Malagasy very havana nitolona ho amin'ny Demokrasia izao hevitro manaraka eto izao.
Tsy ilain'ny Gasy ny Demokrasia na mandika vilana ny Demokrasia isika. Raha io Demokrasia ao amintsika io dia tsy handroso na oviana na oviana isika. Tsy haiko moa raha io no tena niadivan'ireny tia tanindrazana ireny. Izay te hiteny dia miteny daholo. Raha hiteny ny marina ary hanao soa moa ka maninona, fa toa lany andro mifampitsikera sy nifanoso-potaka ary samy mahay vava. (Miala tsiny fa olon-dehibe manan-kaja moa ry zareo)
Noho izany, amiko, ny tokony hitondra antsika dia olona:
- To-teny ary henoin'ny be sy ny maro. Mbola mitohy ny lisitra fa sao misy tonga dia :evil: eo indray. Tena ilaina io, mba hangina ny vavan'ny olona lany andro mimenomenona (mety anisany aho, angamba); indrindra fa ny mpanakorontana.
Noho io olona io ho to-teny dia ilaina izy ho:
- Olona tena tia tanindrazana.
- Olona marina, ary tsy tia kely.
- Olona mahay mifandray aman'olona, na Malagasy na Vahiny. Izany hoe tsy mamaly boraingina ary mahay mihaino ny manodidina.
- (tsy haiko raha mbola misy tokony hanampy)
Misy ve nefa ny olona toy izany :?:

26. prime
(
20/06/2006 12:48)
Tsy ilain'ny Gasy ny Demokrasia na mandika vilana ny Demokrasia isika.
- To-teny ary henoin'ny be sy ny maro.
- Olona tena tia tanindrazana.
- Olona marina, ary tsy tia kely.
- Olona mahay mifandray aman'olona, na Malagasy na Vahiny. Izany hoe tsy mamaly boraingina ary mahay mihaino ny manodidina.
- Olona mino ary matahotra an'Andriamanitra...
- Olona manana foto-drafitr'asa fampandrosoana...
- Olona manana prôgrama politika mazava mikasika ny ara-tsôsialy, ara-toekarena, ara-kolon-tsaina...
- Olona mamy hoditra sy tian'ny vahoaka
27. marozevo
(
20/06/2006 21:57)
Amiko aloha raha tsoriko ny hevitro dia ialako lavitra ilay hoe fitondrana misy ifandraisany amin'ny fivavahana. Tokony samy hahaleo tena ireo. Ny antony dia raha io entina hitondrana ny fitondrana dia isahoka foana isika mianakavy malagasy satria ny fivavahana dia mitondra fizarazarana koa.I Soanja no miteny io ao ambony ao.
Ka izao anie eh... Raha olona mbola mpivavaka koa, dia tsy afaka ny tsy hampihatra ny fiainam-bavaka amin'ny fiainany an-davan'andro. Tsy misy maharatsy an'izany. Tsy hisy olona tena tia vavaka ka hahavita hoe "eto aho aloha mpivavaka, dia eto indray aho mpitondra, dia eto indray aho....". Hafa raha mpialokaloka, hafa raha mpiatsara ivelatsihy, hafa raha mpitady tombon-tsoa....
marina fa misy image be dia maneho fa tsy mety ny integrisme sy ny sisa.... Saingy tsarovy fa tsy izay mitranga any Iran, Irak, Pakistan sns akory, dia tsy maintsy hiseho any amintsika. Tsarovy koa fa izay miseho any amin'ny tany Silamo akory tsy voatery hiseho any amintsika.
Noho izany, amiko dia amafisiko fotsiny io efa voalaza eo ambony io : Matahotra an'Andriamanitra, ary vonona handresy ny fitiavan-tena.
28. soanja
(
20/06/2006 23:50)

Tadidio fa tsy an'ny Kristianina irery Madagasikara ary na samy Kristianina aza efa mizarazara tahaka ny inona. Ny antony dia ny tsy fitovian'ny fotom-pisainana izay nantsoiko foana hoe na Safidy na ao anatin'ny tsy fahalalana ka izay nomena anao dia raisina fa izay no nahazatra na hoe izay no nampianarin'ny razako ahy sns..
Ka iza izany ilay fivavahana tianao hifanaraka amin'ny fitondrana? satria maro karazana izy ireo ary rehefa henoana sy jerena dia matetika misy ohatra ny mahamarina azy mihitsy nefa mety ho fampianarana diso. Izaho koa anefa tsy hitsara fa isika mbola tsy nisy tany ambadik'ity fiainana ity ka hitsara oe ny anareo no diso. Amiko samy tokony hino izay hinoany ary sarotra ny mampitovy izany ho iray.
Mazava moa izany fa io ambony io no ataon'ny firenena arabo rehetra, miasa eo ambany fahefan'i Allah izay mitondra sy mitarika azy amin'ny fianam-pireneny rehetra. Ahoana ny fahitanao azy. Miodina ve, nefa samy mitovy finoana izao?
Olombelona isika ary ity fitondrana resahinao ity dia fitondran'ny izao tontolo izao. Ka tsy hitako izay hampiharana ny zavatra voalazan'ny baiboly kanefa na isika aza mahita fa samy hafa ny fandraisan-tsika ny voalaza ao nefa samy baiboly iray ihany fa misy tsy fitoviana kely fotsiny raha ny amin'ny katolika sy ny Protestanta.
Jereo ny realite e. Possible ve izany? Aiza ny FFKM izao?
Ny tsi-1-1 ao anaty kosa dia tokony samy hanaraka izay hitany fa tsara sy mahasoa ary hevitr'Andriamanitra/ Jesosy amin'ny zavatra ataony andavanandro na any am-piasana raha toa ka Kristianina na hoe Jiosy na hoe Silamo izy dia ho hitanao fa hiodina io. Fa raha hoe ny fitondrana lasa fitondram-panjakana Kristianina dia lasa didy jadona ho an'ny hafa izy amin'izay.
29. prime
(
21/06/2006 10:10)
soanja:
ny fitondrana lasa fitondram-panjakana Kristianina dia lasa didy jadona ho an'ny hafa izy amin'izay
Toa tsy izany no voalaza ao ambony ao kooohhh!!
marozevo:fatahorana an'Andriamanitra fa tsy hoe kristiana kosa e!!! :lol:
Matahotra an'Andriamanitra, ary vonona handresy ny fitiavan-tena.
30. soanja
(
21/06/2006 11:33)
prime:
soanja:
ny fitondrana lasa fitondram-panjakana Kristianina dia lasa didy jadona ho an'ny hafa izy amin'izay
Toa tsy izany no voalaza ao ambony ao kooohhh!!marozevo:fatahorana an'Andriamanitra fa tsy hoe kristiana kosa e!!! :lol:
Matahotra an'Andriamanitra, ary vonona handresy ny fitiavan-tena.
Prime a, mety mifangaro angamba ny fahazoako ny tianareo atao raha fitondrana misy ifandraisany amin'ny fivavahana no tianareo hapetraka.
Tianareo ho Kristianina ve ilay mpitondra dia mba tsy miatsaravelatsihy fa tena manaraka antsaka ny sy andavany ny toetra takian'ny baibaoly anantsika kristianina sa hoe ny fitondrana ao anaty baiboly mihitsy no tianareo apetraka. Ny tiako resahina dia hoe Fitondrana Malagasy, fitondrana Kristianina. Toy y hoe ny fitondrana Arabo dia fitondrana Islam.
Misy mahasamihafa an'ireo mantsy.
Hazavaiko, Ny toetra kristianina dia tsara ary tokony hanaraka azy daholo izay mety ho kristianina rehetra. Ka raha Krsitianina daholo isika ao ambany fitondrana dia hilamina ny tany. Siangy lavitra be io amiko satria tsy izy daholo isika ary na izy aza ny sasany dia misandrahaka be ny fahitana an'io maha kristianina azy io.
Ny fitondrana kosa raha lasa Kristianina dia ny baiboly mihitsy no tsy maintsy arahana antsakany sy andavany zany hoe ny didy ao anatiny sy ny fanantanterahana azy. Ka ao anatin'izany ny toetra, ny fomba, ny lalana sns sns Raha io anefa no mihatra dia hilaza marina aminao aho fa tsy hilamina i Mada satria tsy an'i Kristianina irery i Mada. Ka raha forcer-na hoe izay no tsy maintsy hitranga satria ohatra zaho no mpitondra ary izaho Krsitsianina ary ny ao anaty baiboly no arahantsika antsakany sy andavany dia izay ilay atao hoe DIDY JADONA. Satria ny finoana dia SAFIDY.
31. prime
(
21/06/2006 12:14)
soanja:araka ny voalazako teo aloha sy marozevo dia ny fahatahorana an'Andriamanitra dia anisan'ny "critère" iray tokony ho ananan'ny mpitondra idealy, fa tsy hoe kristiana loatra no tena tiana tsipihina...
zaho no mpitondra ary izaho Krsitsianina ary ny ao anaty baiboly no arahantsika antsakany sy andavany dia izay ilay atao hoe DIDY JADONA
Mikasika ny jadona indray, raha atao ny salan'isa dia any @ firenena tena tsy mpino (athée) no tena betsaka nisehoany indrindra fa tsy tany @ tany betsaka mpino (toute réligion confondue sauf exception le cas de l'Iran), ohatra Allemagne (à l'époque Hitlérienne), Italie (à l'époque Mussolini), l'Union soviétique (à l'époque Stalinienne), Chine (avec Mao), Corée du Nord (avec Kim Il Song), Cuba (avec Castro), Lybie (avec Kadhafi)... Roumanie, Pologne...
32. marozevo
(
26/06/2006 14:56)
Izao ary raha tsorina ankoatra ireo fanazavana efa entin'ny namana ireo eh : Madagasikara no resaka aloha.
1 - Ny olona tsirairay manan-jo sy tsy manohitra ny lalàna velona dia afaka mirotsaka ho Filoha avokoa. Ao anatin'io na Kristianina na Silamo na tsy mpino. Mirotsaka amin'ny maha olom-pirenena azy izy fa tsy amin'ny maha Kristianina azy, saingy tsy midika izany fa tsoahiny ny maha Kristianina azy.
2 - Mifidy ny vahoaka (Supposons hoe tsy misy hala-bato), miainga amin'ny fahafantarany ilay olona io, ary adidin'ny mpiray tanindrazana rehetra ny mifanazava saina amin'izany. Mifidy ny vahoaka arakaraka ny toetran'ilay olona hofidiana.
3 - Izay lany eo tsy olana raha tena vokatry ny safidim-bahoaka marina, fa na izany na tsy izany, dia ilain'ny vahoaka mba tsy ho olona hanararaotra, hangalatra, hanambaka, hanao tsindry hazolena... fa tena hitsinjo azy marina tokoa.
Ka na Silamo io na Kristianina na tsy mpivavaka dia izay no ilaina.

33. naughtyboy
(
30/06/2006 11:28)
fanampiny kely fotsiny, ankoatry ny voalaza de tsy voatery hiankina @ antokompinoana ny fianampirenena,rafitra samihafa tkoa reo,fa ny zvdehibe dia olona tsy manodikodina na manosihosy ny safidimbahoaka ary afaka manaporofo ny fampandrosoana ny firenena 1 @ alalany fanatanterahana ny traikefa arosony,ny zvmisy refa tsy mahavita ny fampanantenana dia midongy toerana..
36. prime
(
04/07/2006 08:58)
merci l'ami io ry mrzv a! mitovy hevitra tanteraka aminao aho na koa je suis entièrement d'accord... na koa...:-D