Vinanto vavy sy rafozam-bavy!!

1. xxx ( 14/06/2006 15:51)
Miarahaba ny namana rehetra!!
Velom-panotaniana aho,sady tsy azoko mitsy,fa maninona ary ny vinanto vavy sy ny rafozam-bavy matetika tsy mifankahazo mihitsy e??? Ary tsy eto dago ihany io fa na any ivelany aza.Tena gaga aho!:-w:-w:-w:-w
novalian'i Fiffi ny 18/06/2006 18:20
2. Herimiafina ( 14/06/2006 17:19)
Miady fitiavana kah.

Raha nanana namana tsy foinao ary tsy nahafoy anao ianao elaela, ka indro nisy olona hafa nifanena taminareo tampoka taty aoriana ary lasa namany, ary dia lasa namany be toa anao mihintsy aza.

Mino aho fa mety hisy heritreritra handalo ihany ao antsainao hoe, mizara ny fitiavany ka mety somary harary kely ny fo-nao. Indrindra moa raha manararaotra be io namanao io io olona lasa namany io.
3. Fiffi ( 14/06/2006 18:48)
heu...io aloha de zavatra tena mahagaga ahy mihintsy hoe nahoana no misy an'io ? Naheno an'izao foana aho fa soahiany fa tsy mba nahazo ahy io.
4. soanja ( 14/06/2006 22:31)
Amiko aloha rehefa tian'i zanakao dia tokony ho tianao koa raha tsy hoe angaha efa manao ny tsy zaka ilay vinanto. Satria ny fahasambaran'ny zanakao dia fahasambaranao koa. Moa ny vinanto koa tokony hisaotra lalandava ny RAD-nin'ny lahy fa soa fa nisy azy ireo niteraka ny vadiny.
Soa ihany koa aloha fa mba tsy nahazo ahy io olana ambony io.
5. tisera ( 15/06/2006 07:55)
koa olona iray ts'inona no tian'izy roa vavy : samy tena tia be ! Ka mety misy hasarotam-piaro kely matoa misy ny olana é! Fa amiko aloha dia anjaran'ilay vinanto ny manaja tena sy mandefitra raha sanatria ka misy olana mety mitranga . Ny reny anie tsy azo soloina fa dia reniny foana ina na ohatra aza hoe sanatria tsy mifanerasera aminy intsony ; fa ny vady ...azo sarahina .Dia atao izay hirindran'ny fifandraisana hahasambatra ny 3 tonta
6. Fiffi ( 15/06/2006 08:27)
ary maninona raha mba samy manao izay mba tsy hisian'ny olana ny tsirairay ? Mifanazava tsara fotsiny na hoe ny iray tsy miditra @ fiaianan'ny ankilany ?
7. miantra ( 15/06/2006 11:27)
Ny ahy ny fijeriko azy ry reto dia miankina amin\'ny olona sy ny culture familiale io.

Ny vaha-olana hitako satria nampiasain\'i Mamanay dia tonga dia mandray tsara ilay ra-vinanto ohatran\'ny zanaka.

Ary ilay zaobavinay koa moa tonga dia nandray an\'i Neny ho toy ny reny.

vokany:dia mifankahazo tsara ry zareo ary misy complicité tsara .

Fa io koa aloha miankiana be dia be amin\'ilay lehilahy, anjarany no miresaka mora @ roa tonta ary mba miezaka tsy hisy fiangarana \"hitamaso be loatra\" sns.....

Zay fa ny reny reny ihany ry zalahy, ary ny vady koa ah!!!! :wink::wink::wink:

8. Herimiafina ( 15/06/2006 11:34)
Manamboara zazakely fa tonga dia miova ilay maman saropiaro amin'ny zanany lahy! :P
9. sakaizakely ( 15/06/2006 12:04)
ary ny rafozandahy ? Nena mantsy io no tena olana nefa le rafozambavy tiko be fa izy mandrava sivana foana :oops::x:x
10. Herimiafina ( 15/06/2006 16:58)
Iny izy somary masiaka mila vaniny iny aza anie bon signe e! Ny dikan,iny hono tsy indifférent aminao izy, izany hoe tiany ianao matoa izy manao tahakan'iny.

Misy mantsy ny rafozana "indifférent" iny no ratsy.

Hoy ilay mpandinika iray izay hoe ny hahafantarana fa impliqué tsara amina zavatra iray mety ny olona iray dai mimenomenona izy amin'iny zavatra iny.

Tsy voatery mariky ny tsy fitiavany izany iny le izy mila vaniny iny fa kosa fomba fanehoany ny soucis-ny aminao sy ny vadinao zanany.
11. Fiffi ( 15/06/2006 20:20)
ary hono hoa an! ohatra ka tsy manana RAD intsony le vhv , de ireo fafozany ireo no raisiny tahaka ny RAD-ny ! tena misy io an! de tena mifanaraka tsara ery.
12. sakaizakely ( 16/06/2006 07:44)
Nareo ve tsy mahatsikaritra fa rehefa :

gasy mandray vahiny : tompoina sy kolokoloina tsara ny vahiny, toy ny mpanjaka mintsy

vazaha mandray vahiny : viens quand tu veux mais (sous entendu) fais comme si tu n'étais pas là 8O. Raha mitomany ny zanakao @ alina dia gaga ry zareo, sorena mintsy aza.

Dia izay ilay fifandraisana @ rafozana indraindray e ! :lol:
13. Fiffi ( 16/06/2006 08:28)
sakaizakely:

vazaha mandray vahiny : viens quand tu veux mais (sous entendu) fais comme si tu n'étais pas là 8O. Raha mitomany ny zanakao @ alina dia gaga ry zareo, sorena mintsy aza.
heu...sao de tsy fanasana kosa zany ? Ahoana koh zany hoe gaga ry zareo raha mitomany ny zaza @ alina na hoe sorena ry zareo ? hummm!! mahagaga ahy zany satria iza anefa na gasy na vazaha na inona , iza no aza tsy mitomany @ alina ?


14. tiatsara ( 16/06/2006 09:06)
Ny fandinihiko an\'io raharaha manga io dia toy ny lalam-piainana mihitsy ;

Ny olona iray dia ateraka, miaina, dia maty avy eo ;
Dia toy izany koa ny vinanto-vavy sy ny rafozam-bavy, tena à 95% des cas : olona tsy natao hifanaraka !

Izaho koa mba mahita hoe : misy fialonana indraindray, satria ilay lehilahy nandaniany ny heriny sy nokolokoloiny nandritra ny taona maro, tampoka eo anefa nahita vehivavy hafa !!!!! danz beuh !

FA sambatra ihany zay tsy manana io olana io, fa izay manana dia marina ery ambony ery hoe : mipetsaha trara de mifitrà, fa ny reniny, reniny ihany, ianao azony soloina raha raikitra ny gidra² dia ny ankizy no mijaly.

Teneniko anareo ny fanaovana ireny rafozam-bavy sarotiny ireny ?
OMEO CADEAU MATETIKA, dia DOKAFO, dia ataovy tsy orim-bola fa AMPIHATAINA : ireo anie ilay nataon\'ilay zanany azy nefa lasanao vady rehefa nanambady ilay lehilahy e !
Izay no tadiavin\'ireny rafozam-bavy ireny.

Azafady raha diso ! hi hi hi:-D:-D
15. tiatsara ( 16/06/2006 09:06)
Ny fandinihiko an\'io raharaha manga io dia toy ny lalam-piainana mihitsy ;

Ny olona iray dia ateraka, miaina, dia maty avy eo ;
Dia toy izany koa ny vinanto-vavy sy ny rafozam-bavy, tena à 95% des cas : olona tsy natao hifanaraka !

Izaho koa mba mahita hoe : misy fialonana indraindray, satria ilay lehilahy nandaniany ny heriny sy nokolokoloiny nandritra ny taona maro, tampoka eo anefa nahita vehivavy hafa !!!!! danz beuh !

FA sambatra ihany zay tsy manana io olana io, fa izay manana dia marina ery ambony ery hoe : mipetsaha trara de mifitrà, fa ny reniny, reniny ihany, ianao azony soloina raha raikitra ny gidra² dia ny ankizy no mijaly.

Teneniko anareo ny fanaovana ireny rafozam-bavy sarotiny ireny ?
OMEO CADEAU MATETIKA, dia DOKAFO, dia ataovy tsy orim-bola fa AMPIHATAINA : ireo anie ilay nataon\'ilay zanany azy nefa lasanao vady rehefa nanambady ilay lehilahy e !
Izay no tadiavin\'ireny rafozam-bavy ireny.

Azafady raha diso ! hi hi hi:-D:-D
16. Fiffi ( 16/06/2006 09:15)
zah tsy hanome cado zany fa aleko miresaka tsotra de mba miaraka aminy miantsena ohatra , de miaraka manao sakafo.
17. miantra ( 16/06/2006 10:55)
Zah aloha manolotolotra matetika , fa faly èry izy e!

Ilay miara-manao zavatra aminy tsy vitako izaho koa moa somary sarotsarotiny dia aleo fehezina tsara ny vava tsy hiteny.

na izany aza aloha sarotra ry reto ah!!!
18. Fiffi ( 16/06/2006 11:05)
misy tetika koh hoe miaraka aminy mandeha misafidy akanjon'le zafikeliny ohatra @ zay ange de mba hitany hoe mba attentive enao eh! de mba mora sy milamina ny relation.
19. booboo ( 16/06/2006 11:08)
tena sarotra dia miampy ny raha havam-bady koa sarotra :/
20. miantra ( 16/06/2006 13:17)
ka ry zareo ange in 1-1 tena manao tamba-be mihintsy dia inona no ataonao eo?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2099