fiainana ara-nofo sy ara-panahy
21. soanja
(
17/06/2006 01:20)
Ankehitriny ny FINOAKO ny fiankoavy. Ary ankehitriny no hanompoako sy hitiavako ary hanajako an'Andriamanitro noho izay fiainakoavy izay daholo. Satria mahatoky aho fa TIA AHY IZY. Nefa tsy hitsara ny hafa tsy mino azy aho satria izay ny safidiny.
23. prime
(
21/06/2006 11:09)
Ny nofo sy ny fanahy dia efa voalazan'ny baiboly fa mifanohitra izy roroa, ary miady mihitsy aza... Ka tsy afaka ny hiaraka ireo raha ny fahalalako azy... "fa ny nofo mikatsaka mandrakariva ny sitrapony ka mitarika ho amin'ny ota...", lasa fahavalon'ny kristiana mihitsy ny nofo sy ny asan'ny nofo... (jereo Galatiana)...
24. JOCH
(
23/06/2006 16:44)
Ny olona de sady nofo no fanahy.
Raha vao maty ny iray amin'ireo de maty ny olona, fa aleo ilay nofo no maty toy izay ilay fanahy, jereo anie ireny adala ireny e! ireny no exemple directe amin'ny maty fanahy, tsy ilay fanahiny intsony no ao anatin'iny nofony iny fa fanahindevoly no miaina ao aminy.
Ireny olona ireny de sady very eto an-tany no very rahatrizay.
Tsy ireny ihany anefa no ho very rahatrizay fa izay rehetra manaiky koa hanjakan'io fanahindevoly io.

25. JOCH
(
23/06/2006 16:49)
Mba mangataka antsika indray ary aho hilaza izay hevitritsika avy ny mikasika io hoe
Tsy ireny ihany anefa no ho very rahatrizay fa izay rehetra manaiky koa hanjakan'io fanahindevoly io.
Ny olona manao ahoana no atao hoe manaiky ny hanjakan'io fanahindevoly io ary inona no hifandraisan'izany amin'ny hoe miaina araka ny nofo?

26. marozevo
(
25/06/2006 12:35)
JOCH > Ka ilay alohan'io aza mbola tsy maha d'accord anay kooo.... Ilay filazana fa ireny adala ireny dia sady very eto an-tany no very rahatrizay...
za kosa tsy sahy miteny toy izany marina eh... matahotra be zah

27. JOCH
(
27/06/2006 11:29)
aona moa no tsy maha-daccord anao amin\\\'izany ry Marozevo.Ny olona tsy mba lasa adala fahatany izany.Dinio tsara ny baiboly raha nanasitrana ilay moana sady marenina hatrany ankibondreniny ny Tompo.
Hoy ny olona hoe iza no nanota io lehilahy io sa ny ray aman-dreniny no nahatonga azy ho toy io.
Ary hoy ny Tompo hoe tsy izy na ny ray aman-dreniny fa tonga taminy izao mba hanehoana ny voninahitr\\\'Andriamanitra.
Izany hoe tsy maintsy iray amin\\\'ireo telo ireo no antony mahatonga ny olona hitoeran\\\'ny fanahy ratsy.
Na ny fahotan\\\'ny Ray amandreny na ny fahotan\\\'ilay olona na Andriamanitra mihitsy no mahatonga ilay izy mba hanehoany fa mahafaka ny olona amin\\\'ny zavatra tsy hahitana fanafana rehetra Izy.
Manaiky ny teninao aho raha toa ka ilay cas fahatelo no mitranga.Fa zaho sahy milaza fa tsy misy adala ho avotra izany raha tsy efa nesorin\\\'Andriamanitra aloha ny hadalany.
Jereo fa ireto no anisan\\\'ny antony mahatonga ny olona ho lasa adala amin\\\'ny ankapobeny:
filalaovana ody ratsy, famosaviana, accident, fifohana rongony, aretina any amin\\\'ny loha, fanaovana contrat na pacte amin\\\'ny devoly, onjampiainana,de ao koa ireo tsy normal hatrany ankibo tahaka ilay tantara tao amin\\\'ny baiboly tery ambony. Koa amiko raha tsy hafahan\\\'Andriamanitra amin\\\'ny toerana misy azy ireny olona ireny\\\" délivrance\\\" de tsy afaka ny ho any amin\\\'ny fiainana rahatrizay.

28. marozevo
(
27/06/2006 21:25)
JOCH > Tena mbola matahotra be aho.... Izay antony be dia be lazainao fa mahatonga ny olona ho adala aloha tsy haiko ny fahamarinan'ny tsirairay amin'ireo, fa raisiko 1 - Accident, 2- onjam-piainana 3 - Tsy normal hatrany an-kibo.
Amiko ireo dia tsy vokatry ny fahotana velively, noho izany tsy manalavitra an'Andriamanitra ireo olona ireo, na koa hoe tsy anjakan'ny devoly izany.
fanontaniana ary, hampazava kokoa ny resaka : Ny sembana ara-tsaina (Handicapé mental) ve araka ny hevitr'i JOCH, azo kilasiana ho adala ?

29. prime
(
28/06/2006 06:34)
Izaho mbola miverina @ lohahevitra teo aloha ihany aloha mikasika ny asan'ny nofo, ka raha jerena ny ao @ bokin'ny galatiana 5:19-21, manao hoe amin'ny anaran'i Jesosy : "19 Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, 20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, 21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra."
Mifandrafy mihitsy ny nofo sy ny fanahy ka tsy afaka ny hiaraka...

30. marozevo
(
28/06/2006 21:43)
Marina io lazain'i prime io aloha, saingy ampiako kely toy izao. Tsarovy fa tsy mitovy ny atao hoe "nofo" sy ny atao hoe "vatana" araka io texte citenao io.
Ka iza no tiantsika holazaina eto : Nofo sa vatana.
fa raha ny amiin'ny vatana kosa dia heveriko fa tsy mifanohitra amin'ny fanahy velively.

31. prime
(
29/06/2006 11:04)
marozevo> ...fa na izany aza ilay vatana resahinao efa anisan'ny nofo fa tsy miavaka hafa indray akory kah... ny vatana ihany koa moa ilay mety maty sy alevina ary lo... tsy misaraka tokoa fa io vatana io mihitsy no anisany mila zavatra matetika mifanohitra @ filàn'ny fanahy... ny vatana no mitady sakafo, fa ny vatana koa no mila vhv na lhl (selon) iraisana... ny vatana no mila maka tsirony hoy isika izay dia baikony ny saina anatanteraka ny filàny dia eo vao tanteraka ilay hoe filàn'ny nofo... ny azo lazaina angaha dia hoe tsy misaraka ireo fa ny filàny no samihafa raha fehezina...
32. marozevo
(
01/07/2006 22:31)
Dia ahoana ilay hoe "Isika no tempolin'Andriamanitra, ary monina ao anatintsika ny Fanahin'Andriamanitra"? (Md paoly io).
Raha zavatra mifanohitra ny vatana sy ny Fanahy, nahoana ny fanahy no manaiky hiara-monina amin'ny vatana. Iza no sahy hiara-monina amin'ny fahavalony ?
Ny fanahy no mila vonjy, fa ny vatana (na nofo) ho levona... Ko efa ho levona ihany ny vatana, ko inona no hahafatifaty azy handeha hivavaka atsy na aroa. Raha fantatra fa ny fanahy ihany no ho voaavotra, dia tokony ho izy irery no hivavaka fa tsy mila ny vatana izy hilaza ny vavaka ataony.
Tsy sanatria vato natsindry nahazana, na kitapo nahafahana, ny vatana, fa manana ny hasina sy ny fahamboniany.
JOCH > Mba valio moa ny fanontanianay eh...

33. methode
(
02/07/2006 16:27)
Mandalo de mba manoratra kely ny hevitro aho!
1- Ny références rehetra omena eto momba ny hoe nofo na vatana dia avy amin'i Md Paoly daholo. Ka tokony ho hadihadiana aloha hoe inona marina no tena tian'i Paoly lazaina hoe "nofo" io? Maninona no hoe mifanohitra ny fanahy sy ny nofo? Amiko raha miteny Paoly hoe "nofo" dia tsy ilay vongan-kena sy taolana fotsiny fa tafiditra ao koa ny eritreritra sy ny saina, izany hoe ny olom-belona amin'ny maha-olombelona azy fotsiny. Amin'io dia mety tsy misy hanavahana azy amin'ny biby. Fa mbola fanontaniana koa ny hoe inona marina ilay lazaina hoe fanahy amin'ny olona?
2- Mifanohitra ve ny nofo na vatana sy ny fanahy? Miankina amin'ilay olona mitondra azy roa ireo io. Misy porofo mazava ilazana fa afaka miaraka tsara ireo ary tsy tokony hisaraka mihitsy. Diniho tsara i Jesoa: raha fanahy na nofo fotsiny ve izy nahavita ny andraikitra nankinina taminy. Izy roa miaraka no nahafahany nanantanteraka ny andraikitra nankinin'Andriamanitra taminy: Ny vatana na nofo nentiny nampianatra, nanasitrana, namahana olona sns... ary ny fanahiny no nifandraisany tamin'Andriamanitra nahafahany niresaka hoe "Inona ndray ry Dada no ataoko androany?". Ka raha tena te-ho tonga lafatra dia tokony tsy hisaraka ireo. Amin'ny alalan'ny nofo no ahafahanao maneho fa manam-panahy ianao.

34. marozevo
(
03/07/2006 08:03)
Ary koa raha nofo fotsiny ve ny olona ho afaka hivavaka, haneho fifankatiavana sy fifampitsinjovana.
L'homme = UN-esprit-dans-un-corps.
L'homme = UN-esprit-dans-un-corps.
35. prime
(
04/07/2006 06:42)
Galatiana 5:16 "16 Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filàn'ny nofo ianareo. 17 Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaro manao izay tianareo..."
Ny ambarako tsy fahaizan'olombelona na logique takatry ny saina, fa ny lazain'ny soratra masina...
Methode> vitan'Andriamanitra ny tsy naka endrika ho olona raha nilainy izany...
Oooay mitady lava loatra, miala tsiny...

marozevo:tsy ny vatana no mitondra na milaza ny vavaka... na inona fahambonian'ny vatana na inona, efa voaozona hanohitra ny fanahy io... hafa ny atao hoe "esprit" ary hafa ny atao hoe "âme"... Ka ianao miresaka esprit fa izaho raha miresaka fanahy ny âme no resahiko...
Raha fantatra fa ny fanahy ihany no ho voaavotra, dia tokony ho izy irery no hivavaka fa tsy mila ny vatana izy hilaza ny vavaka ataony.
Methode> vitan'Andriamanitra ny tsy naka endrika ho olona raha nilainy izany...
Oooay mitady lava loatra, miala tsiny...
36. marozevo
(
07/07/2006 19:22)
Tsy lava ka... mety tsara...
Fa ilay hoe "Mila ny vatana ny fanahy raha hifandray amin'Andriamanitra".
Moa tsy anisan'ny vatana ve ny tongotra (mandeha mivavaka sy mitety lohasaha sy havoana hitory an'Andriamanitra), moa tsy anisan'ny vatana ve ny maso (mijery ny zava-tsoa vitan'Andriamanitra), moa tsy anisan'ny vatana ve ny sofina hihaino izay ambaran'Andriamanitra, moa tsy anisan'ny vatana ve ny vava hanonona ny vavaka.
Dia ho sanatria ve ho kitapo nahafahana na ho vato natsindry nahazana ?
Ilay resaka hoe filan'ny nofo azoko tsara...

37. prime
(
10/07/2006 08:41)
marozevo> mazava tsara ny tianao homarihina... Marina tokoa ny ambaranao... Tsy mifanohitra ny ambarantsika rehefa tena dinihina... Izaho tsy miteny hoe tsy mila vatana ny fanahy fa manamafy fotsiny hoe mifanohitra ireo ary tsy mahay miara-dalana... Izay no mahatonga antsika hanota satria voaozona ho amin'izany ny nofo (vatana y compris). Miady ireo isanandro, isanora, ka izay mandresy no mibaiko ny iray, ka rehefa ny fanahy no mandresy indray2 dia hita hoe fahendrena mihitsy ny ataontsika na ny asa na ny fanapahan-kevitra aza... Fa rehefa ny nofontsika no mibaiko, dia ota ranolava ary tsy afa-manoatra na dia ny fanahy aza... Impiry moa isika no tsy efa tratran'izany hoe manao zavatra tsy tena sitraky ny fo... I Paoly apostoly aza nahaloa-bava mihitsy hoe "tsy izay sitrako no ataoko fa izay mifanohitra amin'izany..." satria ady isanandron'ny mpino io...:)