fiainana ara-nofo sy ara-panahy

1. LazaRandri ( 14/06/2006 01:13)
* maninona no tsy tsapan'ny olona maro fa ZAVA-POANA ny fiainana ara-nofo (materiels) raha tsy misy fiainana ara-panahy?

* raha tsapany indray izany, maninona izy no tsy mikatsaka ny hiaina "araka ny Fanahy" fa araky ny nofo?

ny vola hono no maha rangahy. hahaha! aleo aho ho demoiselle raha marina izany. hahaha! NY FANAHY NO MAHA OLONA :wink:
novalian'i prime ny 10/07/2006 08:41
2. Fiffi ( 14/06/2006 03:43)
LazaRandri:

* raha tsapany indray izany, maninona izy no tsy mikatsaka ny hiaina "araka ny Fanahy" fa araky ny nofo?
heu... nga hono de misy olona tena tsy mihaina afats'io ara-nofo io ?


3. diamondra27 ( 14/06/2006 09:17)
ny mandeha araka ny fanahy dia henjana raha tsy manana ny Fanahy Masina ianao
4. miantra ( 14/06/2006 11:37)
Raha ny fijeriko azy dia satria @ maha olona ny olona dia nofo izy koa tsapany kokoa ny fiainana ara-nofo.

NY mandeha araka ny fanahy aloha dia tena sarotra, izaho miombokevitra amin'ny Diam.
5. Silo ( 14/06/2006 14:06)
Ny mahatonga ny olona handeha araka ny nofo dia ny mahaolombelona antsika mitafy nofo ary ny fanompoana ny kibo no mahatonga ny olona sasany handalina ny resaka materiels,

Ny fanahy indray dia ny fahaizana mionona @ izay zvt misy no hahatonga an'io, nefa sarotra be izany, satria ny olombelona tsy mety afa-po
6. Herimiafina ( 14/06/2006 18:58)
LazaRandri:

* maninona no tsy tsapan'ny olona maro fa ZAVA-POANA ny fiainana ara-nofo (materiels) raha tsy misy fiainana ara-panahy?

* raha tsapany indray izany, maninona izy no tsy mikatsaka ny hiaina "araka ny Fanahy" fa araky ny nofo?

ny vola hono no maha rangahy. hahaha! aleo aho ho demoiselle raha marina izany. hahaha! NY FANAHY NO MAHA OLONA :wink:

Mifandray amin'ilay Soratra hoe:
"katsaho aloha ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinanay, dia omena anao ny zavatra rehetra"ity resaka ity.

7. Fiffi ( 14/06/2006 19:41)
Herimiafina:

"katsaho aloha ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinana, dia omena anao ny zavatra rehetra"ity resaka ity.
^:^^:^^:^^:^^:^


8. diamondra27 ( 15/06/2006 05:07)
misy étape arahina fa tsy tonga de oe: mande araka ny fanahy izany
9. xxx ( 15/06/2006 14:10)
Marina zany reto a!refa tsy vakiany koa ange tenin'Atra de aiza no inoany any zany?8O
10. Fiffi ( 15/06/2006 15:30)
diamondra: de inona sy inona avy le etape ?
11. Zina ( 15/06/2006 19:18)
i herimiafina io angaha pasitera e?
12. Herimiafina ( 15/06/2006 20:59)
An3, tsy pasitera zah fa mpiangona fotsiny kah, mba mnaraka izay voalaza fotsiny e! :wink:
13. marozevo ( 15/06/2006 23:11)
ny vola hono no maha rangahy. hahaha! aleo aho ho demoiselle raha marina izany. hahaha! NY FANAHY NO MAHA OLONA
, hoy i Laza ao ambony ao...

Fa ny tena zava misy manko dia Rangahy mandany vola, fa i Mademoiselle no mandray vola... Io no olana lehibe tsy maintsy hitadiavana vaha olana....

Meteza ho tarihin'ny Fanahy....
14. LazaRandri ( 16/06/2006 03:32)
"Engel Scale" ve ilay etape tian'i Diamondra tenenina eto?
15. diamondra27 ( 16/06/2006 11:00)
LazaRandria: inona zany Engel Scale zany?

an an an
16. LazaRandri ( 16/06/2006 11:49)
jereo ao @ google akia :)
17. Zina ( 16/06/2006 13:42)
hoy i Herimiafina
mba mnaraka izay voalaza fotsiny e!

tena mahay baiboly ny dikan'izany sa manaraka fotsiny?
18. diamondra27 ( 16/06/2006 14:43)
tena tsy mahay teny anglisy
andraso aloha hianatra kely de lazaiko
19. soanja ( 17/06/2006 01:08)
LazaRandri:

* maninona no tsy tsapan'ny olona maro fa ZAVA-POANA ny fiainana ara-nofo (materiels) raha tsy misy fiainana ara-panahy?

* raha tsapany indray izany, maninona izy no tsy mikatsaka ny hiaina "araka ny Fanahy" fa araky ny nofo?

ny vola hono no maha rangahy. hahaha! aleo aho ho demoiselle raha marina izany. hahaha! NY FANAHY NO MAHA OLONA :wink:


Betsaka ny olona mifanerasera amiko tsy mino an'Andriamanitra sy izay rehetra mety hoe antsoina hoe Finoana. Miaina tsotra ny ara-nofo izy saingy tsy ilay antsoina eto hoe materiels.
Tsotra, tsara fanahy zany hoe tia namana sns , Tsy tia ady, manampy ny hafa ary mahalala ny hatsaran'izany hoe fiaraha monina ary manasoa ny manodidina.

Samy manana ny safidiny ny olona ary io no mahamety azy ary tsy hitako izay maharatsy azy raha ny fijeriko ny fiainany. Zany hoe tsy hitsara akory aho. Saingy ny finoako raha mino an'Andrimanitra aho dia ny fanomanako ny fiainankoavy no tiako atao tsara petrapetraka. Aminy anefa rehefa maty izy dia izay ny aminy. Toy ny zavamanaina rehetra. Miverina ho tany indray.



20. LazaRandri ( 17/06/2006 01:13)
soanja:
Saingy ny finoako raha mino an'Andrimanitra aho dia ny fanomanako ny fiainankoavy no tiako atao tsara petrapetraka.
Manomboka ankehitriny io ry soanja fa tsy miandry ny ho avy a!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2105