Herizo RAZAFIMAHALEO

1. tana ( 12/06/2006 07:45)
Hita t@ gazety t@ herinandro zany ny resaka tso-drano momba ny candidaturan'ingahy Herizo Razafimahaleo, tsy efa ho firy izay ny isany? Ireny kosa na dia politisianina aza dia mba hita hoe technicien e, sa ahoana?
novalian'i Fiffi ny 14/06/2006 13:27
2. isahoby ( 12/06/2006 08:19)
Ireny no kandidà tokony hotoanana e, madio amin'ny ankapobeny: nolazainy t@ RTA fa tsy mbola nisy mihitsy zvtr nanenjehana azy tsy ara-dalàna na ara-pitantanana io na hetra sns; Ary izy dia tsy matahotra ny hoenjehina satria tsy misy mampiahiahy azy ny zvtr ataony rehetra.Ny fanosoram-potaka koa anie tsy maintsy misy e: toy ny hoe inona no vitan'ireny ho an'ny firenena,efa teo ireny...:ka izay anie no nametrahany fialàna t@ fitondran-dRatsiraka e, tsy mifanahaka @ilay foto-keviny ny fomba fiasa ary tsy seza nefa no ilainy.
Ny tena marina aza dia tsy tokony ho ingahy Ravalomamana no adversaireny fa zany hoe io no misy e.
3. Fiffi ( 12/06/2006 08:37)
heu.. nijery le sondage aho , nafa toa 7,14% no mba azony ? http://www.1001-votes.com/vote/voteres.php?idv=28009&lg=fr
4. kolokanto ( 12/06/2006 08:45)
Miarahaba antsika rehetra!
Tena mety ho marina izany hoe tsy mitady seza izany.
Indro anefa mba misy zavatra tsy aritra kely.
Misy namana akaiky anay tokoa anisan'ny nanao fampielezan-kevitra nanohanana azy t@ ireny fifidianana ireny.
Ny zavatra nanohina dia izao: Nambaran'ingahy lehibe mpitarika ny mpampiely heviny t@ iny faritra atsimotsimo iny (tsy ho tononona ny anarany) fa tsy mikendry ny ho voalohany izy ireo fa ny ho faharoa ao aorian'i Deba, ny tena kendrena hoy izy ireo dia ny toerana Piraiminisitra.
Sahirantsaina tokoa ireo nanohana azy t@ izany satria ny hanosika azy ho filoha no nantenaina, kanjo kay izy izany tsy inona fa saribakolin'ny sasany ihany. Koa asa fa ny anay na Maloto na Maloton'akoho dia samy Maloto avokoa. Rafotsibe leomboan'anana izahay sy ny Gasy maro namanay Tompoko ô! Tano ny azo fa sarotra ny mila, raha tsy izay aleo vaovao hafa mbola tsy hitanay indray.
Mankasitraka!
5. Ragadona ( 12/06/2006 09:23)
hevitrao ry kolokanto ijoroy amin ny tenanao fa aza faritana hoe "ny gasy maro namanay"... Io sondage io ange ry Fiffi azo guiderna araka izay ciblern ny initiateurny e, ary endrika iray fanaovana propagande koa aza io satria azo azo itaritana ny olona refa voalemin ilay sondage izy(psyc). Io ao io zao azon izay mpikarakara azy ny mandrindra azy araka ny tanjony. Ohatra fotsiny hoe azo bloquerna ny serveur n izay tsy mifidy ny kendrena ary mahazo miverimberina ny an izay mampitombo ny tiana hampitomboina. Betsaka ny fikafika fa io alo dia efa iray
6. kolokanto ( 12/06/2006 10:17)
Misaotra an-dRagadona.
Soritako ary mazava angamba ny tiako hambara amin'ny hoe: Gasy maro namanay: izany hoe tsy ny rehetra rehetra akory. Porofon'izany: ianao tsy ao anatin'io.
Ary raha miteny izany aho sy sahy nanoratra io eto dia efa mba nidinika izany t@ namana maro. Efa firy taona hoy ianao ny fifidianana farany?
Raha mila porofo ianao dia homeko maro tokoa:
Ohatra: Olona tsy mety mipetraka amin'ny sezany raha tsy fafan'ny mpanampy tsara eo imasony aloha ny seza!
Santionany io, fa raha ilaina dia homena fahafahampo ianao.
Tsy mankahala azy akory: gasy ray gasy reny avokoa isika saingy olona hitantana ny firenena malalantsika no resaka, ka mailo izahay!
Jereo ao amin'ny dinika hoe: inona no atao hoe filoham-pirenena e?
Mahereza!
7. Ragadona ( 12/06/2006 11:59)
Eny e, za ange tsy manome tsiny anao amin ny fijerinao e saingy tsy voatery ho marina ny fijerinao fa mety mifantoka amin ny lafin javatra sasany fotsiny izay relatif ny maha zava dehibe na tsy maha zava dehibe azy. "olona tsy mety mipetraka amin ny sezany raha tsy fafan ny mpiasany eo imasony ny sezany" : inona ny olana amin io ? Na mbola maka mpanampy hamahana azy koa moa izy tsy hitako izay hitsikerana azy amin izany amin ny parcours politique. Amiko tsy points sahaza hoentina hanoritsoritana zotra politika izany fa mba zavatra matomatotra kokoa no iangana
8. xxx ( 12/06/2006 12:07)
To matavy loatra le ranga iny ko iny ve ho zakan'ny seza le ?
9. Fiffi ( 12/06/2006 12:25)
:roll:
10. toovs ( 12/06/2006 13:25)
[quote=tana]
Hita t@ gazety t@ herinandro zany ny resaka tso-drano momba ny candidaturan'ingahy Herizo Razafimahaleo, tsy efa ho firy izay ny isany? Ireny kosa na dia politisianina aza dia mba hita hoe technicien e, sa ahoana?
[/quote= toovs]

kandida tokony ho favori ireny fa ny mahavoa azy de niandany be tamin'ny AREMA e
11. kolokanto ( 12/06/2006 13:39)
"olona tsy mety mipetraka amin ny sezany raha tsy fafan ny mpiasany eo imasony ny sezany" : inona ny olana amin io ? Na mbola maka mpanampy hamahana azy koa moa izy tsy hitako izay hitsikerana azy amin izany amin'ny parcours politique.
Ahoana moa no ahafahan'ny olona izay tsy afaka mikarakara ny tenany akory hikarakara sy hitondra vahoaka ( madinika ny ankamaroany-)????? Hamafa ny seza hasianao ny fitombenanao avy aza tsy vitanao ve? De mba ahoana no hitsidihan'izany any ambanivohitray? Mba mety ho afaka kely akory hahazo antsaina izay tena fiainan'ny mahantra maro an'isa ve izany?
Mbola tsy hilaza ny avonavony amin'ny olo-madinika feheziny. Manasa anao aho hanontany ireo izay efa nofeheziny dia ho hitanao eo.
Tsy isika no miady fa ny hevitra an!
Tsy sanatria mankahala manokana an-dRangahy io saingy nampahatsiahy zavatra ny lohahevitra ka izany no nanjary nahabe resaka!
Azafady eh!
12. patrick2002 ( 12/06/2006 13:43)
Tsy hitako aloha izay mampiavaka an\'io rangahy io @ ny mpanao politika malagasy rehetra eh!, mivadibadi-dela ,ary tena hita izao fa mitadi-seza,teho filoham-pirenena, jereo fotsiny t@ fifidianana 2001 raha vao nahita ny vato hazony ingahy dia nametra-pialana tsy ho filoha ny leader fanilo intsony ary nilaza ,fa tsy hanao politika intsony, zao hiarahana mahita izao ny zava-misy.
Nikarakara conference momba ny etique politique ingahy tao @ palais de sport t@ 1998, nilaza izy fa tsy mahay politika ny politisianina malagasy, nefa dia iaraha-mahita izao ny zavatra ataonao fa chanteuse no candidate nalatsakao ho maire-ny Antananarivo t@ fifidianana ho ben\'ny tanana ,aminay efa tsy etique politique izany satria @ tany mandroso rehetra ,ny technicien tokony hijanona ho technicien ,ny operateur economique tokony hijanona @ toerany, ny sportif torak\'izany,ny tantsaha tokony hamboly, ny mpanao politika hifantoka @ politika ,ny miaramila tokony hifantoka @ fiarovana ny tanindrazana, ny police hiasa loha @ fandriam-pahalemana, les fonctionnaire fonctionne l\'appareil d\'État.
Fa jereo ny zava-misy any madagasikara izay olona malaza kely izao dia te hanao politika daholo ,hilatsaka deputé, maire etc.
Ka raha misy miteny ato hoe Herizo Razafimahaleo ,ireny ka politisianina:roll::roll: dia hoy izao aminao hoe ,Ianao izany ilay no lalaoviny t@ lalao politika :-D:-D:-D
13. Ragadona ( 12/06/2006 14:44)
I Kolokanto ve dia sur fa Ravalomanana na Sylla na Lahiniriko .... dia manamboatra ny fandriany, manasa ny bakirarony, mandio ny wc ny , miborosy ny kirarony, mandio ny efi tranony .... Tsy ireo mihitsy no iangana itsarana olona. Plus misondrotra eo amin ny fiainana le olona, plus ialany ary ataon ny hafa ny fikarakarana azy. Mety mivatambatana angamba io saingy tsy misy tsy mahalala an io eo amin ny fiaraha-monina. Ka tsy dia azo iaingana ho base raisonnable hitsarana ireo fa lojikam piaraha-monina.
Ny an i patrick2002 ndray mety izay no fomba fijerinao azy saingy ny mahatonga anao hihevitra fa ny manohana an i herizo dia ireo nolalaoviny tamin ny politika dia mety noho ny lalao politika efa nataon' ny hafa tsara rafitra ao an tsainao ka tsy mamela anao hijery sy handanja ny manodidina intsony
14. avolenta ( 12/06/2006 19:43)
ny technicien tokony hijanona ho technicien ,ny operateur economique tokony hijanona @ toerany, ny sportif torak\'izany,ny tantsaha tokony hamboly, ny mpanao politika hifantoka @ politika ,ny miaramila tokony hifantoka @ fiarovana ny tanindrazana, ny police hiasa loha @ fandriam-pahalemana, les fonctionnaire fonctionne l\'appareil d\'État.
Fa jereo ny zava-misy any madagasikara izay olona malaza kely izao dia te hanao politika daholo ,hilatsaka deputé, maire etc.

Ary aiza misy fianarana pitondra firenena , za mba te hianatra hitondra firenena amzay za mijanona ho filoham-pirenena sa tsy zay lé tinao ho lazaina.
Mba ataovy malalaka ihany lé fijery ndraindray



15. Stone ( 12/06/2006 21:17)
A an an ! tsy mamely io, io sy Patrick no nokaramain'i Ratsiraka hampizara ny vato.
Pion an-dRatsiraka nedala.
16. patrick2002 ( 13/06/2006 03:01)
avolenta : mahatsiaro ny tenin'i Monja Jaona izaho mahita ny fijerinao hoe ny fitondrana firenena tsy mila diplaoma :roll::roll:.
Marina fa tsy misy ny ny ecole fitondrana firenena ,fa jereo ny zava-misy any etats-unis famille bush, famille kennedy, jereo fa mitana toerana ambony foana ny taranany, jereo ireo politisianina ,frantsay fany dadaben'ny efa maire tamin'ny tanana kely tatsy t@ taona 1900 ohatra ireo.
Ny tiako ho lazaina dia izao ,tsy misy ny fampianarana filoham-pirenena ,fa io kosa dia fitaizana ary fiainana, tsy vita ny fanapahan-kevitra androany sy rampitso ny fitondrana firenena ,fa fiomanana amam-polo taona maro ,ka any ampianarana ianao dia efa mijery ny zava-misy,sy mandinika ny fiainam-pirenena ,ary mijoro @ foto-kevitra fa tsy mivadi-badika ohatra androany ianao miaro ny madinika ,rampitso ianao liberal, afaka 1 volana ianao nationaliste mafana-fo. Izay no tiko ambara.
17. ravatorano ( 13/06/2006 06:48)
ka tsy efa nilatsaka v lery fa tsy lany eh
d mbola ho tafita koa v izay amin izao raha atolotry ny leader fanilo ?
za tsy mino an'izany fa mety tsy hahaverim bola indray izy.
Ny hoe tsara tohanana indray mampisalasala ireny satria milentika d mipoitra indray d miletika indray "sous marin" zany reny eh tsy hita hoe aoana !
ny hoe tsy zakan 'ny seza fa ngeza laoatra ka izay no tsy mahalany azy kouh itovizanay roalahy io :-D:-D
18. Rainikarabo ( 13/06/2006 11:22)
Aleo izy hilatsaka dia mihetsiketseha ianareo izay hanohana azy e. Efa hitanay ny asan'ireny fa tsy namely. Ny Asa Vita ihany no Ifampitsarana!
19. arson ( 13/06/2006 12:19)
raha amiko aloha de zay itondrany ny fiainany ihany no itondrany ny vahoka Malagasy raha to ka lany izy.nefa hita t@ ireny sond ireny fa na 5%aza to tsy hisy ko.Ragadona a! samihafa anie ny any antrano sy ny any @ birao e!iza mo ny andraharaha izay resatokatranony any na dia ho firana mihitsy aza izy"azafady @ io teny io".Fa eo imason'ny olona miara miasa aminao kosa ve enao no hanao ny toetra ratsinao tsy tonga de vakina fotsiny hoe tena tsisy dikany ity!na izaho aza aloha tsy mampirina ny fandrinako sy miborosy ny kiraroko zany e!fa anjarany mpanampiko no manao izany.fa ny azy kosa tena henjana hoe tsy hipetraka raha tsy fafana ny seza.tsy atao eo imasonolona aloa fa eo koa ilay finoanoampona sao de misy nametraka fanafody gasy angamba!fantatrareo ihany fa mety misy fanompotsmpy kely koa ao.Fa ny ahy alo de zao ihany iza niza milaza fa tena hampisondrotra an'i Madagasikara tsy ho eo ambany vahoan'ny fahantrana intsony de za tsy miala @ efa eo.satria izay rehetra ho avy eo de hanao kobaka ambava avokoa ihany.raha tsy hoe hafa vaovao tokoa angaha fa tsy ireo ze efa zatra nihinana ka lasa be atoka tao anatin'ny iray mipimaso.anisanizany herizo.
20. kolokanto ( 13/06/2006 17:42)
Manahoana indray eh?
Ragadona: hoy ianao namaly ahy:mety mifantoka amin ny lafin javatra sasany fotsiny izay relatif ny maha zava dehibe na tsy maha zava dehibe azy
Ka tsy haiko ny fijerinao mpanohana azy raha lehibe mihoatra ny azy H. Razafimahaleo topo-tenany fa hoy ny gazety mitatitra ny teniny:
Il profite de l'occasion pour "échanger des idées" avec la population. "C'est peut-être l'insuffisance de cet échange direct qui a causé mes précédentes défaites électorales", a
analysé Herizo Razafimahaleo lors de l'entame de ses tournées provinciales à Fianarantsoa.

Raha mba azonao atao ny mamerina mamaky kely izay nolazaina tery aloha rehetra dia ho hitanao fa izy tenany ihany no manaporofo izay voalaza.
Ka tsy propagandy fa dia andraikitr'izay nandroso ny lohahevitra fa hoy ihany izahay:
- Sarotra ny miala amin'ny mahazatra indrindra hazo antitra toy ireny (hoe niova ve? :roll:)
- Ny tanana zatra mitsotra hono .........
- Rafotsibe leom-boan'anana izahay ........
- Tano ny azo fa sarotra ny mila
- Madagasikara tsy lany olo-manga sady tsy voangaly ....
OK!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0497