mpanjaka, printsy

1. Rainikarabo ( 09/06/2006 09:43)
mbola maro ny firenena misy mpanjaka na koa prince, na dia tsy manana fahefana betsaka intsony aza:ohatra any angeleterre, france, allemagne, danemark, espagne, thailand, sns. Raha eto anivon-tany angamba no asandratra ny tokony ho mpanjaka sy ny ireo printsy, satria izay tokoa izy ireo, dia ho maro no tezitra sy tafitohina ary lazaina fa manana fisainana ambany ny tompon'izay hevitra izay. Soa ihany, ary mahagaga koa anefa fa tsy olana, ary normal izany any amin'ny foko hafa: ohatra sakalava, atambahoaka, antemoro, sns...mbola misy tokoa ny mpanjaka, ampanjaka, na ireo printsy (mot hafa no iantsoana azy)..fa ao ampovoan-tany ihany ilay izy no toa ...lazaina fa ratsy sy ny tsy haiko intsony. Nahoana re?
Eritreritra sendra nandalo ny ahy iny.
novalian'i Fiffi ny 12/06/2006 19:05
2. Herimiafina ( 09/06/2006 11:12)
Dieny izao dia tsindrio tsara fa resaka Identité io fa tsy resaka domination na resaka pouvoir!
Jereo ny gasy refa mifanehitra amin'ny vahiny, fier amin'ny maha-gasy ny tena.

Ny olona no manana perceptions isankarazany amin'izy io e!
3. soanja ( 09/06/2006 13:05)
Ekana ny tenin'i Herimiafina. Ny tiako ho mariana fotsiny dia hoe misy somary nekena ihany ohatra Itompokolahy Printsy Ratsimamanga. Dia hoana izany ireny. Amin'ny fotoana ahoana no ametrahana io anaramboninahitra io. Ary ahoana no mety handraisan'ny rehatra azy?
4. Herimiafina ( 09/06/2006 13:16)
Ny fahalalako azy resaka privilège historique io, printsy Ramahatra, printsy Ramanetaka, aza adino.
5. soanja ( 10/06/2006 02:13)
Herimiafina:

Ny fahalalako azy resaka privilège historique io, printsy Ramahatra, printsy Ramanetaka, aza adino.

Ary ny vehivavy angaha tsy mba nisy nahazo io anaramboninahitra io taty aoriana? Ohatra ny tsy rariny ihany satria ny vehivavy indrindra no tena nitondra ny taranaky ny fanjakana tamin'izany fotoana izany. Raha Printsy ny lehilahy dia antsoina hoe Printsesa ve ny vehivavy?:D


6. Fiffi ( 10/06/2006 04:38)
sa Andriambavilanitra ? :roll:
7. Herimiafina ( 10/06/2006 11:21)
Misy dia misy tokoa an!
Angaha tsy fantatrareo fa ao amin'ny Senat ao Madagasikara ohatra izao dia misy Princesse avy any Mahajanga izay.
Ary dia mitondra io titre Princesse io mihintsy izy ao amin'ny Senat ao.

Tsy adino koa ny Princesse nièce-ndRazafindrahety (ranavalona III) mipetraka ao Merinarivo Ambohitsobe manjakandriana.
8. Fiffi ( 10/06/2006 11:31)
na dia misy aza , mbola manana ny rang-ny hiany ve zany olona zany ? @ maha-princesse azy ?
9. lapino ( 10/06/2006 11:50)
Ka tsy izay no tadiavin'i Rainikarabo eo moa izany?

Fa ny fampiasana an'ilay teny hoe "andriana", indrindra moa fa ny hoe "mpanjaka", na tiantsika na tsia, dia mitondra an'ireo hevitra "domination" sy "pouvoir" sy "privilèges" ireo foana. Jereo ireo ohatra nomen'i Rainikarabo ireo. Ny fiandrianam-pirenena anefa ny an'ny malagasy, dia tsy any intsony, fa efa hoe "demokrasia" izany indray, dia ny vahoaka izany no andriana.

Izany hoe amin'izao fotoana izao izany, andriana daholo izay vahoaka malagasy rehetra, ary andriamanjaka. Dia izay izany no asandratra.

Fa raha ny taranak'ireo andriana taloha, dia fiandrianana efa tsy mihatra intsony ny fiandrianany. Andriana tokoa izy ireny amin'izao satria vahoaka, fa raha ny fiandrianan'ny razany indray dia mety ho azo iheverana azy ihany fa andrian-tsy manjaka.

Fa ilay izy ange Rainikarabo dia izao e: raha milaza ny tenany fa "andriana" ilay olona dia tsy maninona. Raha misy olona tsy taranak'andriana ka manaja ny maha-andriana azy ireny, asa mety manome valeur ny zavatra traditionnel izy, dia tsy maninona koa. Fa ny olana (amin'ny olona sasany) dia izao: mba niarahaba olona ianao hoe "manahoana", dia tsy valian'ilay olona. Kay hono ry zareo tsy mamaly raha tsy atao hoe "Tsarava tompoko!". Satria hono izy "andriana". :(
10. Herimiafina ( 10/06/2006 11:53)
Araka io teneniko io, signe d'appartenance sy privilège historique no tokony ho izy amin'izy io, fa ny olona no mety manana perception maro ka hanome rang ho azy.
Tadidio fa ny fiaraha-monina majoritaire any Madagasikara dia manaraka hierrarchie sociale avokoa, misy ny Apanjaka (ny Hazomanga), ny Tangalamena, misy ny Ray amandReny, misy ny zaza, ny vehivavy sy ny lehilahy (vahoaka) ary misy ny antitra.

Ny nahatonga ilay hierrarcie dia tantara avokoa, misy pioniers na ireo ziay tonga voalohany ka afaka naka fahefana fahiny nandrindra ny fiaraha-monina, sns.

Niova tanteraka anefa izany ankehitriny nony tonga ny fanjanahantany izay nitondra ny sivilizationa-ny, hany ka niteraka karazana faiaraha-monina telo ao Madagasikara:

-société traditionnelle (coutumière): ao dai ny Ampanjaka no masinteny mihoatra ny ben'ny tanàna sy ny ben'ny fokontany.
-ny société semi-organisée: sady manaja ny hierarchie sociale ny olona no manaja ny administration, ato no miteraka ny olana maro toy ny fananantany ara-mpanjakana sy ny araka ny nentindrazana. Miady ny pouvoir traditionnelle sy ny pouvoir administrative (nentin'ny colons).
-ny société organisée: ireo andrenivohitra maro izay tsy ahitana io hierarchie sociale io firy intsony ary où tout le monde dia lasa manaja ny pouvoir administrative avokoa.

Ireo anarana ireo dia ny administration coloniale no nametraka azy ireo, ary hita fa pejoratif be ilay izy satria ny zavatra nentiny no nataony hoe ORGANISÉE, ary mandrakitiny androany dia lazain'ny Ethnocentriste Européen ho io nentindrazana io foana no mampahantra an'i Madagasikara.

Amiko manokana, noezahina nosimbaina mihinsty io identité io e! jereo ny zava-mitranga ankehitriny.

PS: tsy tokony adino koa ny Printsesy Fiffi sy ny Printsesy Soanja ato amin'ny serasera, hehehehe:-D
11. Fiffi ( 10/06/2006 11:58)
lapino: zany ve ? ary raha misy andriana miarahaba azy ? de ahoana ? raha andriana tsy mitovy aminy , ohatra hoe misy andriana heu... ahoana re zany eh! hoatra hita fa manankarena be de nefa misy andriana tsy manana de ahoana ?
Na izany aza dia toa mampalahelo hiany zany fiandrasana an'io teny io zay vao hamaly an! de aiza hono ny fahalalam-pomba sy ny fiaraha-monina @ zany ?
Sa tsy misy lanjany fa de io no tena ambony indrindra ?
12. Herimiafina ( 10/06/2006 12:20)
Raha ny tokony ho izy anisan'ny paramètre hitazomana ny identité io fomba fiarahabana io. Ny fahalalako azy dia ny samy andriana no mifampiarahaba toy izany.

Mino aho fa raha hiditra ny tranon'ny Ampanjaka iray ianao (TRANOBE) any Mananjary ohatra ka tsy hanaja ny fombafomba ao dia aza gaga raha voaroaka hivoaka avy hatrany.

Ka izay ilay fomba fijery, misy aza malagasy hatao hoe Bonjour dia tezitra fa manahoana hono no tokony ho izy.

Io izany dia resaka perception daholo no mahatonga olana amin'io.



13. Fiffi ( 10/06/2006 12:46)
Herimiafina: ountsss ! aiza indray zany Printsesy Fiffi sy ny Printsesy Soanja zany ? :-D:-D:-D

Non fa mbola gravy hiany zany toe-tsaina izany ! Marina aloha fa samy manana ny fombany fa tsy ny fiharabana ve no zavatra essentiel @ fiara-monina eh ? Tsy hiarahaba enao , henjehana , hiarahaba enao de tsy maintsy mbola precizena hiany hoe tahak'izao zay vao afaka hamaly le olona harabaina ?
14. Herimiafina ( 10/06/2006 12:51)
Mahafaty koa angaha moa ny miarahaba azy hoe "tsarava tompoko".
matetika mantsy ny olona dia tezitra amin'ny fierté an'ny hafa saingy tsy fantany fa matoa izy tezitra dia fier ihany koa.
15. Fiffi ( 10/06/2006 13:28)
Herimiafina:

Mahafaty koa angaha moa ny miarahaba azy hoe "tsarava tompoko".
Nga zah niteny hoe mahafaty ny fiharabana hiteny hoe "Tsarava Tompoko" ?Manontany fotsiny aho hoe tsy ny essentiel ve ny fahalalam-pomba miarahaba ?


16. Herimiafina ( 10/06/2006 13:33)
Tsy ny anao no noteneniko fa ilay olona notenenin'i lapino kah!
17. lapino ( 10/06/2006 16:24)
HM, tsy mahafaty akory ny arahaba ohatra an'izay ka. Fa rehefa miarahaba elah no mahazo avona, lasa tsy mazoto hiarahaba an'ilay olona akory intsony. Sady na efa nahafantatra an'izany aza avy eo, sarotra ihany ny miala amin'ny mahazatra hoe "Manahoana".
Raha eto amin'ity fiarahamonina ivetsovetsoana fitoviana ity koa tsy compatible amin'ny hoe misy sasany andrianina. Mampisy olana foana izay.

Tena marina mihitsy fa nofafan'ny mpanjana-tany io fiandrianana io satria nampatanjaka ny gasy. Raha mbola haverina aloha hoe mpanjaka no mitondra ny fanjakana, dia tsy ho isan'ny handà an'izany aho fa hanohana an'izay mpanjaka sy ny rafitra misy eo foana aza. Za manko mihevitra fa afaka ny handroso tsaratsara kokoa isika raha izay, tsy misy mpanohitra (anti-démocrate?!!).

Saingy avelao hisy ady, dia izay mandresy an'ady no manjaka e! Izay tsinona no principe milay, raha izay dia mendrika ny mpanjaka ny fanjakana. Fa tsy misy olona tokony ho afaka hilaza fa andriana kanefa efa misy fanjakana eo. Na identité fotsiny aza fa mody tsy resahana ny ilay tena hoe "andriana".

Raha ohatra tsy tia an'izany sy izay mety ho vokany (fidiran'ny any ivelany), dia mijanona amin'io izany isika. Fa tsy misy antony hanandratana andriana reraka koa tsinona.

Raha ireo mpanjaka sy ampanjaka amin'ny karazam-poko sasany ireo, dia manana ny toerany izy eo amin'ny fiaraha-monina, saingy mijanona eo ambanin'ny lalànan'i Madagasikara foana. Tsy andriana reraka ireo, fa tena mpanjaka mendrika ny hajany mihitsy.

Raha misy tokoa moa olona, ka andrianin'ny olona sasantsasany ka asandratr'izay te hanandratra azy, fa tsy manery ny sasany hanandriana azy ary milefitra amin'ny lalàna velona fa tsy mitady hihoatra ny fanjakana, dia tsy hitako ny olana.
18. Fiffi ( 10/06/2006 16:32)
hijery doc aloha hoe nanomboka hoaviana ny nahalasa an'i Madagasikara nohentin'ny president .
19. Herimiafina ( 10/06/2006 16:44)
HM, tsy mahafaty akory ny arahaba ohatra an'izay ka. Fa rehefa miarahaba elah no mahazo avona, lasa tsy mazoto hiarahaba an'ilay olona akory intsony. Sady na efa nahafantatra an'izany aza avy eo, sarotra ihany ny miala amin'ny mahazatra hoe "Manahoana".
Raha eto amin'ity fiarahamonina ivetsovetsoana fitoviana ity koa tsy compatible amin'ny hoe misy sasany andrianina. Mampisy olana foana izay.


Ka io indrindra izao dai hitako efa perception iray izy io e!
Misy mantsy olona vao miteny hoe andriana i anona dia ny hoe ambony no ao antsainy e!
Fa raha tena manana ny maha-izy azy ihany koa tsy tokony hiontsina fa ny mahatonga io perception io mantsy amiko resaka complexe d,infériorité izy io e.

Amiko manokana aloha dia na hisy hamelabelatra izao harena isankarazany hananany izao aza eto imasoko dia tsy hitako izay olana amiko amin'izany, hialona ve izaho? Raha hiavona izy de marary be ve ny foko?

Tsy hampitombo ariary iray ny karama raisiko na hampihena iray venty ny vary haniko tsinona.

Eo izany dia tsy mi-poser probleme amiko mihintsy le resaka "tsarava tompoko" io.

Manomboka aiza ilay izy nefa no mi-poser probleme amiko? manomboka mi-poser probleme amiko ilay izy raha toa ka nentiny namitahana ahy na nentiny nanaovana hasoparana ahy, sns.

Io olana io dia tsy ny resaka maha-andriana na tsy maha-andriana fotsiny no ahitana io amin,ny fiainana andavan'andro fa na ny resaka hafa rehetra hahitan'ny olombelona rirany dai ataony kara io aby.

Ny olombelona olombelona fona, ary tsy tokony hisy hatahorana ankoatran'Andriamanitra.
20. Fiffi ( 11/06/2006 04:55)
"tsarava tompoko" raha zay no tiany hiharabako azy de hataoko , tsy hitako zay olana @ io . Tsy hampihena na inona na inona amiko de hataoko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1292