mpanjaka, printsy

21. soanja ( 11/06/2006 11:22)
Herimiafina:

HM, tsy mahafaty akory ny arahaba ohatra an'izay ka. Fa rehefa miarahaba elah no mahazo avona, lasa tsy mazoto hiarahaba an'ilay olona akory intsony. Sady na efa nahafantatra an'izany aza avy eo, sarotra ihany ny miala amin'ny mahazatra hoe "Manahoana".
Raha eto amin'ity fiarahamonina ivetsovetsoana fitoviana ity koa tsy compatible amin'ny hoe misy sasany andrianina. Mampisy olana foana izay.


Ka io indrindra izao dai hitako efa perception iray izy io e!
Misy mantsy olona vao miteny hoe andriana i anona dia ny hoe ambony no ao antsainy e!
Fa raha tena manana ny maha-izy azy ihany koa tsy tokony hiontsina fa ny mahatonga io perception io mantsy amiko resaka complexe d,infériorité izy io e.

Amiko manokana aloha dia na hisy hamelabelatra izao harena isankarazany hananany izao aza eto imasoko dia tsy hitako izay olana amiko amin'izany, hialona ve izaho? Raha hiavona izy de marary be ve ny foko?

Tsy hampitombo ariary iray ny karama raisiko na hampihena iray venty ny vary haniko tsinona.

Eo izany dia tsy mi-poser probleme amiko mihintsy le resaka "tsarava tompoko" io.

Manomboka aiza ilay izy nefa no mi-poser probleme amiko? manomboka mi-poser probleme amiko ilay izy raha toa ka nentiny namitahana ahy na nentiny nanaovana hasoparana ahy, sns.

Io olana io dia tsy ny resaka maha-andriana na tsy maha-andriana fotsiny no ahitana io amin,ny fiainana andavan'andro fa na ny resaka hafa rehetra hahitan'ny olombelona rirany dai ataony kara io aby.

Ny olombelona olombelona fona, ary tsy tokony hisy hatahorana ankoatran'Andriamanitra.



Ekeko tanteraka ny hevitry Herimiafina.


22. Rainikarabo ( 11/06/2006 12:54)

Ny hevitry ilay teny hoe andriana ankehitriny dia tsy midika fihoarana fanjakana, fa manambara kosa fiaviana sy firazanana ihany. Ny mahavoa kely antsika ankehitriny, dia io teny io , tsy identité araka ny filazan'i HM no andraisatsika azy, fa vao maheno ilay teny dia misy "complexe" (superiorité ou inferiorité). Averiko indray, fa tsy olana mihitsy io teny io any amin'ny foko sasany (mpanjaka, ampanjaka, tangalamena, olo-be...), equivalent ny andriana daholo ireny, saingy averiko ilay izy, ny mahagaga, raha any amin'ny faritra ivelan'ny ivontany no misy milaza ny firazanany sy mijoro amin'ny fiaviny, dia normal, fa raha vao eo anivon-tany no asiana hoe "andriana", "taranaka mpanjaka", dia ohatran hoe tena lozan-tany mihitsy, nilaozan'ny toetr'andro, ratsy saina , sns...
Amiko ilay izy, teny fehy teny ihany, ilazana sokajin'olona eo amin'ny fiaraha-monina.Sahala amin'ny hoe itsy vazaha, itsy metisy, sns. Eny fa na any eropa aza io mbola misongadina nefa tsy olana ho an-dry zareo ( ao ny bourgeois,les familles royales, sns...)
Misy moa milaza hoe efa andro mazava be izao ve dia mbola misy an'izany foana e, dia hoy aho hoe: fa maizina angaha any amin'ny antambahoaka any fa any misy mpanjaka, maizina angaha ny amin'ny sakalava any fa any misy ny terak'Andriamisara mbola mijoro, sns..fa raha vao oe Iarivo no misy miteny, 'zahay taranak'i...... Dia efa betsaka ny "complexé".Nefa ilay izy filazana tsotra tsy midika n'inon'inona, fa manambara ny maha-izy azy ihany.

Ary eo anivon-tany ihany io teny io no "tabout".

Lapino>
Lapino aza moa dia mandray ilay teny hoe "fitondrana". Tsy any ilay izy,fa sokajy fotsiny hoy aho, tsy azo raisina ara-bakiteny intsony.Asa hainao ve ny dikan'ny hoe "mpanjaka"? ekenao ny fampiasana ny teny "mpanjaka" eo ambany lalàna, nefa tsy ekenao ny fampiasana ny teny "andriana" eo ambany lalàna. Dia ny mahagaga ange ry ise de mbola maro ihany koa ny tafitohana raha maheno ny teny hoe "taranak'andriana" e. Nefa raha miteny ise hoe taranak'i Rainibetsimiraka (mpanjaka tany amin'ny faritra atsinanana) dia tsy olana mihitsy. Reharehan'ny Betsileo ny hoe "taranak'Andriamanalina", tsy olana ihany koa...fa toa enjehina sy aratsiana ny....raha miteny hoe taranak'Andrianamboninolona ohatra.


23. Rainikarabo ( 11/06/2006 12:54)
HM > tena milay ilay fanazavan-drangahy=D
24. Fiffi ( 11/06/2006 13:03)
ny bourgeoisie ary no tena mbola gravy be raha aty hivelany.
25. Herimiafina ( 11/06/2006 13:16)
Misaotra anareo rehetra!

Fa io resaka bourgeoisie io indrindra dia efa hatrany Dago fahiny izy io no nanana ny tanjany.

Ny an'ny Frantsay mantsy taorian'ny revolisiona 1889, dai naringany ny andriana dai ny hova na roturier no lasa nameno ny classe bourgeoise.

Ny tany Madagasikara fahiny indray dia ny Hova no tena tompon'ny vola, hany ka na nisy aza ny fanapahankevitry ny andriana dia rehefa tsy ankatoavin'ny bourgois toa tsy dai namokatra firy.
26. Fiffi ( 11/06/2006 14:18)
Herimiafina:

Ny an'ny Frantsay mantsy taorian'ny revolisiona 1889, dai naringany ny andriana dai ny hova na roturier no lasa nameno ny classe bourgeoise.
Herimiafina: heu...tsy ny rehetra kosa angamba eh ? na ny nandoahany aza sa.. ?


27. Herimiafina ( 11/06/2006 14:52)
Tsy ny rehetra kah, fa betsaka no novonoin'ireo, eny naringany hatramin'ny taranany mihintsy e!
Nisy ireo afaka nitsoaka nakany angleterra....fa ireo izay azon'ny fokonolona kosa dai notapahindoaha, nahantona e. sns.
28. Fiffi ( 11/06/2006 14:56)
ka misy koa ange le olona tena manana be , manankarena be de noho ireo harenany ireo no mampihova azy de lasa mihaingitraingitra sy misafidy ny olona hiseraserahana , de lasa lazain'ny olona hoe bourgeois satria manao ny fomban'ireny bourgeois ireny.
29. Herimiafina ( 11/06/2006 15:02)
Ny nihavian'ny bougeois raha tsy diso ny fitadidiko dia tamin,ny classe moyenne talohan'io revolisiona io ary ny andriana izay tsy nisa fa nanana SERF be dia be no nanankarena sy tompompahefana.
Leo ny olona satria manararaotra loatra ny SEIGNEURS tamin'izay isaky izay terroirs nisy azy. Nisy kosa anefa ireo izay nanaja ny seigneur teo antanana satria mba tena niaro azy ireo ireo seigneur ireo ary tsy nanararaotra izany.

Ny fahalalako azy combine nataon'ireo classe moyenne ireo no tena fototr'iny revolisiona iny fa tsy ireny voasoratara anaty tanataran'i laFrantsa etsy sy eroa ireny. te handrombaka fahefana mba hanangonankarena ireo classe moyenne izay lasa bourgeois taty aoriana.
30. lapino ( 11/06/2006 18:00)
Rainikarabo, ireny mpanjaka sy ampanjaka ireny anie hoà tena manana fahefana sy tena mitondra e! Na eo ambanin'ny lalàna malagasy aza izy, dia mitondra dia mitondra ny vahoakany, ary tena manompo azy ny vahoakany. Dia ohatra an'izany koa ireo mpanjaka amin'ny firenena hafa mbola misy an'izany, ohatra an'ireo notanisain'i Rainikarabo ireo.

Fa jeu de mots fotsiny ny anareo hoe "identité" na "sokajy" ihany. Mihodina io kilalaon-teny io zalahy a!

Rainikarabo:
Raha eto anivon-tany angamba no asandratra ny tokony ho mpanjaka sy ny ireo printsy, satria izay tokoa izy ireo ...

Na inona teny hilazana azy na inona, miala tsiny aloha aho, fa tsy misaraka amin'ny "fiandrianana" sy ny "maha-mpanjaka" ny hevitry ny hoe domination, pouvoir, privilège, fahamboniana, fanompoan'ny vahoaka azy (soumission). Ka raha mety miaraka amin'ireo ny hanandratana ny andriana dia tsy misy olana mihitsy raha amiko. Izany hoe sady mety amin'ilay rafi-piaraha-monina no tsy mifanitsaka amin'ny lalàna velona. Izany no mahamety ny rafitra ampanjaka amin'ny foko sasany, na firenena sasany. Fa tsy mety anefa raha hoe ny ilan'ny omby ihany no afahy! Raha tsy izany, aleo mijanona amin'ny fitovian-jo-n'ny olom-pirenena ihany.

Aiza àry no misy ny complexe, fa raha ny firazanana no tiana hisongadinana, tsy izany ve no rainitetaka complexé?! Raha tena "andriana" mendrika an'izany anarana izany anefa, dia tokony ho tena manana fahambonian-tsaina fa tsy ohatra an'izany fotsiny. :wink:

Rainikarabo:
... dia ho maro no tezitra sy tafitohina ary lazaina fa manana fisainana ambany ny tompon'izay hevitra izay.

Aiza moa no tokony hipetraka ny fahatongavan-tsaina amin'izany? Misaotra aloha fa andrianin'i Rainikarabo ny eto amin'ny serasera amin'izany e! :wink:
31. Herimiafina ( 11/06/2006 18:03)
Ny fizarazarana leisy lapino tsy maintsy hisy foana eo amin'ny samy olombelona ny fahitako azy fa tsy azo hidivirana io satria tena samihafa mihintsy ny nanamboarana antsika e.

Io olona io anie izao tsy any amin'ny resaka andriana ihany no mipoitra fa na ny fotsy sy mainty aza e, mbola maro ny miondrika rehefa mahita vazaha ohatra, maro ny somary tonga dia manao mpanompo be.

Eny e, en tout cas, ny matahotra ny tsy ho izy foana no miambo matetika e.

32. Fiffi ( 11/06/2006 19:41)
Raha tena "andriana" mendrika an'izany anarana izany anefa, dia tokony ho tena manana fahambonian-tsaina fa tsy ohatra an'izany fotsiny.
[IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/Hum.../U_THIN%7E1.GIF[/IMG]
33. Rainikarabo ( 11/06/2006 20:04)
Lapino> azoko tsara ny hevitr'ise ka. Hitako taratra fotsiny hoe tsy voaran'ise 100% tsara angamba ny tiako lazaina. Eo amin'ilay "mot" no hitako maha-sarotra kely mampifandray ny hevi-tsika. Fa tsy maninona izany fa samy manana ny fahitany azy. Tsy hiteny betsaka aho ry akama sao lasa mivoana lavitra isika an.
I HM zao no hitako tena mahazo tsara ilay eritreritro sendra nandalo.
Dia i Fiffi koa :wink:
34. Fiffi ( 11/06/2006 21:57)
:wink:
35. lapino ( 11/06/2006 23:46)
Rainikarabo, andramako valiana ary hoe ity fanontanianao ity:
..fa ao ampovoan-tany ihany ilay izy no toa ...lazaina fa ratsy sy ny tsy haiko intsony. Nahoana re?

Ka ny eritreritro mamaly an'io nahoana io dia hoe: Satria tsy misy fahefana sy tombon-tsoa manokana miaraka amin'ilay maha-"andriana". Hazavaiko kely:

Ny mahatonga an'izay eritreritra izay ho lasa toy ny fahambanian-tsaina aloha dia noho:
- ny fahatsapana fa tsy misy dikany akory ny maha-"andriana" na tsia, fa mitompo amin'ny resaka manidina fotsiny ireo izay fier am'zany, ary lasa fomba hanambaniana ny hafa ilay izy indraindray. Satria manko misy hevitra "fahamboniana" ny hoe "andriana", kanefa justement tsy misy fahefana na tombontsoa manokana akory miaraka aminy.
- ny ataon'ireo "andriana" sasany izay tena mampiseho fahambanian-tsaina tokoa, ka tsy mba "mamy hoditra" amin'ny fiarahamonina, ka ilay vahoaka hantenainy "hanandratra" azy indray no manetry azy.

Ny tena tsy maha-possible an'azy indray dia satria:
- tsy hitombina mihitsy ny fanandratana "andriana", tsy hisy valeur-ny, raha tsy tena misy fahefana sy privilèges manokana miaraka aminy! Tsy ampy hanasivana "considération" raha izay valeur-na identité na ny maha-vakoka azy fotsiny. Mametraka olana anefa ny fametrahana an'izay ho an'ny anivon-tany
- raha "hasandratra" ary izay tokony ho mpanjaka sy ny printsy sns, ... sy ny "famille royale", ny jeu de mots isan-karazany manodidina an'io etsy sy eroa dia mety hampisy "bouleversement" ny tontolo politika malagasy. Tsy te hilalao an'ilay jeu de mots za, fa ny zava-misy vao mainka hanahirana taorian'izay nandalovan'ny mpanjanaka izay aloha dia: tanivon-tany ny mpanjakan'i Madagasikara iray manontolo.

36. soanja ( 12/06/2006 00:24)
Sarotra be ity resaka ity ry izy mianakavy ary tena saropady. Raha vao voatonona ity resaka ity dia mihetsika daholo ny hambom-po sns.. Ny resantsika eto anefa dia tsy misy an'izany fa fanazavana ho an'ny taranaka ary fanbeazana ka tsy misy maharatsy azy mihitsy. Eto no tsara iresahana ny zavatra tahak'ity.
Izao ny ahy ny hevitro. Nampafantarina ahy fa taranak'andriana aho. Tsy fantatro io na andriana nanjaka na nanao ahoana fa amiko dia identite mifampitohy amin'ny hoe maha Malagasy ahy io. Tsy voiziko eran'io anefa io identite-ko io fa betsaka ny tohina. Mila mitandrina izany aho satria fantatro fa nisy ny tantara izay voasoratra mirakitra io resaka andriana sns io ka mahatohina olona izany. Fahendrena ny tsy mivoy azy satria samy manana ny fisainany ny olona ary tsara koa ny manaja ny hevitry ny hafa raha te hiara miaina amin'ny fiaraha monina milamina. Fa saingy anjarako kosa ny mampita azy amin'ny taranako fa ireto ny momba azy sy ny lalana nizoran'ny taranaka tany aloha ka tonga eo aminy eo. Anjarany ny manatsara na manaratsy ny tohiny. Amiko iray ny Malagasy mitovy tsy misy valaka nefa samy manana ny maha izy azy avy.
37. Fiffi ( 12/06/2006 03:53)
ny fahatsapana fa tsy misy dikany akory ny maha-"andriana" na tsia, fa mitompo amin'ny resaka manidina fotsiny ireo izay fier am'zany, ary lasa fomba hanambaniana ny hafa ilay izy
lapino: tsy azoko loatra io voalazanao io an!
tsy misy dikany akory ny maha andriana ....fier @ zany .....nefa mbola mampiasa ny fanambaniana ny hafa ?
38. Rainikarabo ( 12/06/2006 05:11)
Lapino> azoko tsara ange oa ilay fomba fijerin'ise e. Fa za tsy te hiditra lalina loatra satria araka ny voalazan'i soanja io dia somary saro-pady raha vao io no resaka ka sao misy tafitohina, tsy isika akory, fa izay mamaky,ka manahirana.Ilay izy tsinona tsy misy hoe asandratra. Fa aleo ataontsika hoe: "taranak'....", dia na io hoe taranak'a...io aza ange dia efa olana ho an'ny olona sasany ny mahita sy mihaino azy.

soanja> mahalaza zavatra maro io voasoratrao io.=D
39. lapino ( 12/06/2006 05:23)
Rainikarabo,
>> Raha eto anivon-tany angamba no asandratra ny tokony ho mpanjaka sy ny ireo printsy,
>> Ilay izy tsinona tsy misy hoe asandratra

Any mihitsy anefa no nandraisako an'ilay resaka! :)
40. Rainikarabo ( 12/06/2006 07:23)
Lapino> hay ve e :-D:-D, hitako 'se no manazava be mihitsy :-D. Za no diso vocabulaire fa azafady e. Ireny voalazan'i HM sy Fiffi sy Soanja ireny no tiako lazaina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1138